Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona Marina moa ny Afobe?

Inona Marina moa ny Afobe?

Inona Marina moa ny Afobe?

NA INONA na inona tonga ao an-tsainao momba ny teny hoe “afobe”, dia toerana fanasaziana ny mpanota no iheveran’ny olona azy io amin’ny ankapobeny. Hoy ny Baiboly, momba ny ota sy ny vokany: “Izany . . . [no] nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12) Hoy koa ny Soratra Masina: “Fahafatesana no tambin’ny ota.” (Romana 6:23) Ny fahafatesana no sazy vokatry ny ota, ka mba hahitana ny marina momba ny afobe, dia ilaina ny mamantatra hoe: Inona no mitranga amintsika rehefa maty isika?

Mbola misy karazana fiainana ve aorian’ny fahafatesana? Inona ny afobe, ary iza no mankany? Mbola misy fanantenana ve ho an’ireo any amin’ny afobe? Manome valiny marina sy mahafa-po momba izany ny Baiboly.

Misy fiainana ve aorian’ny fahafatesana?

Misy zavatra toy ny fanahy ve ao anatintsika, izay mbola velona na dia maty aza ny vatana? Diniho ny fomba namoronana an’i Adama, lehilahy voalohany. Hoy ny Baiboly: “Vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony.” (Genesisy 2:7) Ny fifohana rivotra no namelona an’i Adama, kanefa tsy hoe nitsoka rivotra tao amin’ny havokavony fotsiny akory Andriamanitra rehefa nanisy “fofonaina mahavelona” tao amin’ny vavorony. Nasian’Andriamanitra hery mamelona kosa tao amin’ny vatan’i Adama tsy nisy aina. Io hery io ilay antsoina matetika hoe ‘fofonaina’ ao amin’ny zavamananaina rehetra. (Genesisy 6:17; 7:22) Antsoin’ny Baiboly hoe “fanahy” koa io hery mamelona io. (Jakoba 2:26) Io fanahy io dia azo ampitahaina amin’ny herinaratra mampandeha milina na fitaovana elektrika iray. Tsy miova ho toy ilay fitaovana alefany mihitsy ilay herinaratra. Toy izany koa fa tsy miova ho toy ilay zavamananaina velominy mihitsy koa ny hery mamelona. Tsy manana toetra mampiavaka azy izy io, sady tsy afaka mieritreritra.

Inona no mitranga amin’io fanahy io rehefa maty ny olona? Hoy ny Salamo 146:4: “Miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” Tsy hoe lasa anjely akory ilay fanahy, ka mbola miaina any ankoatra, rehefa maty ny olona. “Ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny.” (Mpitoriteny 12:7) Izany hoe miankina tanteraka amin’Andriamanitra ny hahavelona indray an’iny olona iny.

Nino i Socrate sy Platon, filozofa grika fahiny, fa misy zavatra mbola velona ao amin’ny olona aorian’ny fahafatesana, ary tsy mety maty mihitsy izy io. Inona no ampianarin’ny Baiboly? Milaza ny Ezekiela 18:4 hoe: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” Rehefa maty àry ny olona, dia maty koa ny fanahy.

Manao ahoana àry ny olona rehefa maty? Izao no didim-pitsarana nomen’i Jehovah an’i Adama: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19) Taiza moa i Adama talohan’ny namoronan’Andriamanitra azy avy tamin’ny vovo-tany, sy namelomany azy? Tsy nisy fotsiny izy! Rehefa maty i Adama, dia tsy nisy fotsiny toy izany koa. Hoy ny Mpitoriteny 9:5, 10, momba ny olona maty: “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, . . . Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.” Tsy misy fotsiny ny olona rehefa maty, araka ny Soratra Masina. Tsy mahatsiaro tena ny maty, ary tsy manana fihetseham-po sady tsy afaka mieritreritra.

Fijaliana tsy misy farany sa fasan’ny olona rehetra?

Tsy mety ho toerana misy afo mirehitra ampijaliana ireo olon-dratsy maty ny afobe, satria tsy mahatsiaro tena ny maty. Inona àry izany ny afobe? Sao dia entina hilazana fanafoanana tanteraka na fandringanana ny afo? Miavaka tsara ny afo sy ny Hadesy, na afobe, ao amin’ny Soratra Masina, izay manao hoe: “Ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo.” * Tsy ara-bakiteny ilay “farihy” resahina eto, satria tsy azo dorana ny fahafatesana sy ny afobe (Hadesy). “Izany [farihy afo] no fahafatesana faharoa”, ka izay maty amin’izay dia tsy afaka ny ho velona intsony.—Apokalipsa 20:14, Fandikan-teny Katolika.

Mitovy dika amin’ilay “gehen’afo [helo mirehitra afo, Fandikan-teny Malagasy]” noresahin’i Jesosy, ny farihy afo. (Matio 5:22, Fandikan-teny Katolika) Miseho in-12 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny hoe gehena, ary manondro ny lohasahan’i Hinoma, tany ivelan’ny mandan’i Jerosalema. Nampiasaina ho fanariam-pako io lohasaha io, fony i Jesosy tetỳ an-tany, ka “nanariana fatina mpanao heloka bevava sy fatim-biby ary fako isan-karazany.” (Diksioneran’i Smith Momba ny Baiboly, anglisy) Nampiana solifara ilay afo mba hirehitra foana ka handoro ireo fako. Nety tsara ny nampiasan’i Jesosy an’io lohasaha io mba hanoharana ny fandringanana mandrakizay.

Midika ho fandringanana mandrakizay ny gehena na farihy afo. ‘Hatsipy’ ao ny fahafatesana sy ny Hadesy, izany hoe hofoanana izy ireo, rehefa ho afaka amin’ny ota sy ny fanamelohana ho faty ny olombelona. Hanana ny “anjarany” ao anatin’io farihy io ireo olona minia manota tsy mety mibebaka. (Apokalypsy 21:8) Hofoanana mandrakizay koa izy ireo. Hoavy mahatalanjona kosa no miandry ireo olona tsaroan’Andriamanitra ao amin’ny afobe, izany hoe ny fasan’ny olona rehetra.

Manampy antsika hahalala izany ny fandinihana izay nitranga tamin’i Jesosy taorian’ny nahafatesany. Mitantara i Lioka mpanoratra ny Baiboly hoe: “Tsy nafoy ho any amin’ny Hadesy [afobe i Jesosy], ary ny nofony tsy tratry ny lo.” (Asan’ny Apostoly 2:31, fanamarihana ambany pejy) Taiza moa io afobe nalehan’i Jesosy io? Hoy ny apostoly Paoly: “Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.” (1 Korintiana 15:3, 4) Tany amin’ny afobe, na fasana, àry i Jesosy, kanefa tsy navela tao izy, satria natsangana tamin’ny maty.

Diniho koa ny momba an’i Joba lehilahy marina, izay nijaly mafy. Tsy te hijaly intsony izy, ka nitalaho hoe: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny Sheola [afobe] Hianao ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao!” * (Joba 14:13, fanamarihana ambany pejy) Tsy ara-dalàna ny hieritreretana hoe naniry hiery any amin’ny toerana mirehitra iray i Joba! Tamin’i Joba, dia fasana fotsiny ny “afobe”, ka tsy hijaly intsony izy any. Ny afobe ao amin’ny Baiboly àry dia ny fasan’ny olona rehetra, ka samy mankany avokoa ny tsara sy ny ratsy.

Foana ny afobe!

Hoy ny Apokalypsy 20:13 (fanamarihana ambany pejy): “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny Hadesy namoaka ny maty tao aminy.” Eny tokoa, hofoanana tsy hisy na inona na inona intsony ao anatin’ilay afobe lazain’ny Baiboly. Nampanantena i Jesosy fa “avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feon[’i Jesosy]; dia hivoaka izy.” (Jaona 5:28, 29) Na dia tsy misy na inona na inona intsony aza tavela tamin’ireo maty an-tapitrisa ao amin’ny fitadidian’i Jehovah, dia hatsangana amin’ny maty izy ireny. Haverina amin’ny fiainana indray izy ireo eo amin’ny tany paradisa.—Lioka 23:43; Asan’ny Apostoly 24:15.

Tsy ho faty intsony ireo olona hatsangana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, raha manaraka ny lalàny marina. (Isaia 25:8) Hofafan’i Jehovah “ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.” Eny tokoa, “efa [ho] lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4) Izany ka fanantenana mahafaly ho an’ireo any amin’ny afobe, na “any am-pasana”! Izany fanantenana izany dia tena antony tokony hianarantsika bebe kokoa momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany.—Jaona 17:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Indraindray ilay teny grika hoe Hades, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, dia adika hoe “afobe”, ao amin’ny Fandikan-teny Katolika. Matetika anefa no adika hoe “fiainan-tsi-hita” izy io ao amin’ny Baiboly Malagasy. Miresaka fijaliana ilay tantara ao amin’ny Lioka 16:19-31, saingy ilay tantara manontolo mihitsy no manana heviny ara-panoharana. Jereo ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, toko faha-88, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 14 Miseho in-65 ilay teny hebreo hoe Sheol ao amin’ny Soratra Hebreo, ary adika hoe “Sheola” sy “fonenan’ny maty” ary “fiainan-tsi-hita” izy io ao amin’ny Fandikan-teny Katolika sy ny Fandikan-teny Malagasy.

[Sary, pejy 5]

Nivavaka i Joba mba hiery any amin’ny afobe, ho fiarovana azy

[Sary, pejy 6]

Midika ho fandringanana mandrakizay ny gehen’afo

[Sary, pejy 7]

‘Hivoaka izay ao am-pasana’