Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamafaza Fahamarinana, Mijinjà ny Fitiavan’Andriamanitra

Mamafaza Fahamarinana, Mijinjà ny Fitiavan’Andriamanitra

Mamafaza Fahamarinana, Mijinjà ny Fitiavan’Andriamanitra

“HAHITA loza tokoa ny mianto-bahiny; fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.” (Ohabolana 11:15) Io ohabolana fohy io dia tena mandresy lahatra antsika mba hahatsapa ny andraikitsika, amin’izay rehetra ataontsika! Ho sahirana tokoa ianao raha manaiky hiantoka olona misambo-bola, nefa tsy azo itokisana izy io. Tsy ho voafitaka amin’ny raharaha ara-bola kosa ianao, raha manalavitra ny fiantohana.

Izao no toro lalana mazava omena eto: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7) Hoy i Hosea mpaminany: “Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana.” (Hosea 10:12) Eny, mamafaza fahamarinana ka manaova zavatra araka ny fomban’Andriamanitra, dia hijinja ny fitiavany ianao. Mampiasa an’io toro lalana io imbetsaka i Solomona mpanjakan’ny Isiraely, mba hampirisihana mafy antsika hanana fitondran-tena sy fiteny ary eritreritra tsara. Rehefa mandalina ny tenim-pahendreny isika, dia tena ho voatosika hamafy fahamarinana, mba hahitana soa.—Ohabolana 11:15-31.

Mamafaza toetra mahafinaritra, dia hijinja “dera” ianao

Hoy ilay mpanjaka hendry: “Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.” (Ohabolana 11:16) Asehon’io andinin-teny io fa maharitra ny dera azon’ny vehivavy tsara tarehy, na “mahafinaritra”, araka ny Fandikan-teny Katolika, fa mihelina kosa ny harena voangon’ny mpanao an-keriny.

Ahoana no hahatonga ny olona iray hahafinaritra, ka hahazoany dera? Nanome torohevitra i Solomona hoe: ‘Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava, dia ho firavaky ny vozonao izany.’ (Ohabolana 3:21, 22) Nilaza koa ny mpanao salamo fa mahafinaritra ny mpanjaka iray, satria ‘fahasoavana no naidina tamin’ny molony.’ (Salamo 45:1, 2) Tena manjary sarobidy sy mahafinaritra kokoa àry ny olona iray rehefa hendry sy misaina ary mahay mampiasa ny lelany. Azo antoka fa toy izany ny vehivavy malina. Ohatra amin’izany i Abigaila, vadin’ilay lehilahy adala atao hoe Nabala. “Hendry sady tsara tarehy” i Abigaila, ary nidera azy i Davida Mpanjaka noho ny ‘fahendreny.’—1 Samoela 25:3, 33.

Azo antoka fa hahazo dera ny vehivavy tia an’Andriamanitra sy manana toetra tena mahafinaritra. Ho tsara laza izy, ary hidera azy ny vadiny, raha efa manambady izy. Hitondra dera ho an’ny fianakaviany manontolo mihitsy izy. Maharitra koa ny dera azony. “Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.” (Ohabolana 22:1) Ho sarobidy mandrakizay ny laza tsara ananany eo anatrehan’Andriamanitra.

Mifanohitra amin’izany kosa ny mpanao an-keriny, na ny olon-dozabe. (Ohabolana 11:16) Ampitovina amin’ny ratsy fanahy sy ny fahavalon’ny mpanompon’i Jehovah izy. (Joba 6:23; 27:13) “Tsy mihevitra an’Andriamanitra ho eo anatrehany izy.” (Salamo 54:3) Manampatra ny fahefany amin’ny tsy manan-tsiny ny olona toy izany, sady manararaotra azy, ka mety ‘hahary volafotsy ohatra ny vovoka.’ (Joba 27:16) Mety handry ka tsy hiarina intsony anefa izy indray andro any, ary mety ho ny andro farany iainany ny andro iray ahiratan’ny masony. (Joba 27:19) Ho zava-poana ny harena sy ny zava-bitany amin’izay.—Lioka 12:16-21.

Lesona lehibe ho antsika io omen’ny Ohabolana 11:16 io! Mampirisika antsika hamafy fahamarinana ilay mpanjakan’ny Isiraely, rehefa mamintina izay hojinjain’ny olona manana toetra mahafinaritra sy izay hojinjain’ny ratsy fanahy.

Ahazoana valisoa ny ‘famindram-po’

Manome lesona hafa mahakasika ny fifandraisana amin’olona i Solomona, manao hoe: “Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany; fa ny lozabe dia todìn’ny halozany.” (Ohabolana 11:17) Nisy manam-pahaizana nilaza hoe: “Ny tena hevitra tian’io ohabolana io hampitaina dia hoe na tsara na ratsy ny zavatra ataontsika amin’ny hafa, dia misy vokany tsy ampoizintsika foana izany eo amintsika.” Diniho, ohatra, i Lisy. * Tsara fikasa io tovovavy io, nefa tara lava rehefa mifanao fotoana amin’olona. Matetika izy no tara antsasak’adiny na mahery rehefa mifanao fotoana amin’ny mpitory ilay Fanjakana. Tsy mahazo soa ho an’ny tenany i Lisy. Afaka manome tsiny ny olona ve izy, raha leo izy ireo satria very fotoana sarobidy, ka tsy te hifanao fotoana aminy intsony?

Etsy an-danin’izany, dia lozabe amin’ny tenany ny olona tsy mety afa-po amin’izay zava-bitany, fa fatra-pitaky ny tonga lafatra. Miezaka hanatratra tanjona tsy azo tratrarina foana izy, ka mety handreraka ny tenany sy ho diso fanantenana. Manao soa ho an’ny tenantsika kosa isika rehefa mametra tanjona azo tratrarina sy araka ny antonony ho an’ny tenantsika. Tsy dia kinga saina angamba isika raha oharina amin’ny olon-kafa, na voafetra ny mety ho vitantsika, satria marary isika na efa antitra. Aoka isika tsy ho sosotra mihitsy raha tsy araka ny tiantsika ny fandrosoantsika ara-panahy. Aoka kosa isika hitadidy fa misy fetra ny mety ho vitantsika. Sambatra isika rehefa ‘mazoto’, na manao araka izay fara herintsika.—2 Timoty 2:15; Salamo 103:13, 14.

Mbola mamelabelatra ny soa azon’ny marina sy ny fahavoazan’ny olon-dozabe ilay mpanjaka hendry, ka manao hoe: “Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa. Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ny fiainana; fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ny fahafatesana. Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny meloka am-po; fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny. Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; fa ny taranaky ny marina no hovonjena.”Ohabolana 11:18-21.

Izao no tena asongadin’ireo andinin-teny ireo: Mamafaza fahamarinana dia hovalian-tsoa ianao. Fitaka sy filokana no mety hampiasain’ny ratsy fanahy mba hahazoana zavatra tsy nisasarany. Mety ho diso fanantenana izy, satria valiny tsy mahasoa na tsy ara-drariny no azony. Mahazo ny tena tambiny kosa ny olona manao ny marina sy mazoto miasa, satria miadana izy. Ankasitrahan’Andriamanitra ny tsy manan-tsiny, ka manantena hiaina mandrakizay. Inona kosa no hanjo ny ratsy fanahy? Tsy maintsy hofaizina ny ratsy fanahy. (Ohabolana 2:21, 22) Tena mampirisika antsika hamafy fahamarinana tokoa izany!

Ny hendry no tena tsara tarehy

Hoy ihany i Solomona: “Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.” (Ohabolana 11:22) Be mpitia ny kavin’orona tamin’ny andron’ny Baiboly. Ravaka miharihary ny kavina volamena mipetaka eny ampovoany na eny amin’ny sisin’ny oron’ny vehivavy iray. Tena tsy hifanentana amin’ny oron-kisoa mihitsy ny firavaka tsara tarehy toy izany! Toy izany ny olona tsara tarehy nefa tsy “manam-pahendrena.” Tsy manendrika azy tsotra izao ny haingo, na vehivavy izy na lehilahy. Sady tsy mifanentana aminy izany no tsy manintona velively.

Ara-dalàna aloha raha heverintsika ho zava-dehibe ny bikantsika sy ny endritsika. Kanefa nahoana moa isika no tsy ho afa-po mihitsy amin’ny bika aman’endritsika na hanahy be loatra momba izany? Maro ny zavatra tsy azontsika ovana eo amin’ny vatantsika. Tsy ny bika aman’endrika koa no zava-dehibe indrindra. Tsy marina ve fa eo ho eo ihany ny hatsaran’ny bika aman’endriky ny olona tiantsika? Tsy ny hatsaran’ny bika sy ny tarehy no antoky ny fahasambarana. Ny hatsaran-toetra no tena sarobidy, dia ny toetra maharitra mitovy amin’ny an’Andriamanitra. Enga àry anie isika ka ho hendry sy hiezaka hanana ireo toetra ireo.

“Izay manisy soa olona hohatavezina”

Hoy i Solomona Mpanjaka: “Ny soa ihany no irin’ny marina; fa fahatezerana no fanantenan’ny ratsy fanahy.” Toy izao no anazavany izany: “Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.”Ohabolana 11:23, 24.

Rehefa mahafoy na mazoto mizara ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra isika, dia azo antoka fa mampitombo ny fahatakarantsika “izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny.” (Efesiana 3:18) Mety hamoy ny fahalalany kosa anefa ny olona tsy mampiasa azy io. Eny, “izay mamafy kely, dia kely, no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.”—2 Korintiana 9:6.

Hoy koa ilay mpanjaka: “Izay manisy soa olona hohatavezina [hambinina]; ary izay mandena dia mba holemana kosa.” (Ohabolana 11:25) Tena faly i Jehovah rehefa manao soa isika, ka mahafoy fotoana sy fananana be mba hanitarana ny fivavahana marina. (Hebreo 13:15, 16) ‘Hovohany ny varavaran’ny lanitra, ka hampidina fitahiana manana amby ampy ho antsika izy.’ (Malakia 3:10) Jereo fotsiny ange ny fanambinana ara-panahy azon’ny mpanompony ankehitriny e!

Manome ohatra hafa mampiseho ny maha samy hafa ny fanirian’ny marina sy ny ratsy fanahy i Solomona, manao hoe: “Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ny olona; fa saotra no ho amin’ny lohan’izay mivarotra.” (Ohabolana 11:26) Mety hahazoana tombony ny mividy entana mora sady betsaka, ka tsy mivarotra izany raha tsy rehefa mihena ny entana sady miakatra ny vidiny. Mety hahasoa ihany ny fitsitsiana sy ny fanaovana tahiry. Kanefa mazàna no halan’ny olona izay manao izany mba hahazoana tombom-barotra, satria tia tena. Tian’ny olona kosa izay tsy manararaotra ny fahavoazan’ny hafa.

Mampirisika antsika haniry izay tsara na marina hatrany, ny mpanjakan’ny Isiraely, manao hoe: “Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’izany. Izay matoky ny hareny dia ho lavo; fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.”Ohabolana 11:27, 28.

Mahataona olona ny olo-marina

Asehon’i Solomona indray fa ratsy ny vokatry ny hadalana, ka hoy izy: “Izay mampidi-doza amin’ny ankohonany dia mandova ny rivotra.” (Ohabolana 11:29a) ‘Nampidi-doza tamin’ny tenany’ i Akana noho ny ratsy nataony, ka samy notoraham-bato izy sy ny ankohonany ary maty. (Josoa toko faha-7) Mety hanao ratsy ny loham-pianakaviana kristianina sy ny mpianakaviny ankehitriny, ka ho voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina. Mampidi-doza amin’ny ankohonany ny lehilahy iray, rehefa mandika ny didin’Andriamanitra sy mandefitra ny fahotana lehibe ataon’izy ireo. Ho voaroaka izy, ary angamba ho voaroaka koa ny mpianakaviny, ka tsy ho afaka hifanerasera amin’ny Kristianina hafa intsony, satria nanota sady tsy nibebaka. (1 Korintiana 5:11-13) Inona no ho azony amin’izay? Rivotra fotsiny, izany hoe zavatra tsy misy dikany, tsy misy vidiny.

Toy izao no tohin’ilay andinin-teny: “Ny adala dia tonga mpanompon’ny hendry.” (Ohabolana 11:29b) Tsy azo anankinana andraikitra lehibe ny adala, satria tsy manam-pahendrena. Tsy mahay mitantana ny raharahany manokana izy, ka mety ho lasa eo ambany fahefan’olon-kafa. Mety ho tonga “mpanompon’ny hendry” mihitsy izy. Mazava àry fa tena mila fahaiza-mitsara zavatra sy fahendrena isika amin’izay rehetra ataontsika.

Manome toky antsika ilay mpanjaka hendry fa “ny vokatry ny marina dia hazon’aina, ary ny hendry dia mahataona olona.” (Ohabolana 11:30) Nahoana? Satria mitondra voka-tsoa ara-panahy ho an’ny hafa ny teny sy ny fitondran-tenan’ny olo-marina. Voatosika hanompo an’i Jehovah izy ireo ary mety hahazo ny fiainana mandrakizay, izay fanomezan’Andriamanitra.

‘Hovaliana mafy kokoa ny ratsy fanahy’

Tena mandresy lahatra antsika hamafy fahamarinana tokoa ireo ohabolana nodinihintsika ireo! Ampiharin’i Solomona amin’ny fomba hafa indray izao ilay hoe “izay afafin’ny olona no hojinjany.” Hoy izy: “Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!”Ohabolana 11:31.

Mety hanao fahadisoana ny olo-marina indraindray na dia miezaka aza izy mba hanao ny tsara. (Mpitoriteny 7:20) Fananarana no ‘valin’ny’ fahadisoany. Inona kosa no hanjo ny ratsy fanahy izay minia manao ny ratsy sady tsy miezaka handeha amin’ny lalan’ny fahamarinana? Tsy mendrika ny hahazo ‘valiny’ na sazy mafy kokoa ve izy? Hoy ny apostoly Petera: “Raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan’ny ratsy fanahy sy ny mpanota?” (1 Petera 4:18) Aoka àry isika ho tapa-kevitra hatrany ny hamafy fahamarinana, mba hahazoantsika soa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Tsy tena anarany io.

[Sary, pejy 28]

Nahazoan’i Abigaila “dera” ny toetrany nahafinaritra

[Sary, pejy 30]

‘Tsy mahasoa ny valiny azon’ny ratsy fanahy, fa ny marina mahazo ny tena tambiny’

[Sary, pejy 31]

‘Mamafaza be dia hijinja be ianao’