Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandeha Araka ny Fahamarinana Hatrany Izy Ireo

Mandeha Araka ny Fahamarinana Hatrany Izy Ireo

Mandeha Araka ny Fahamarinana Hatrany Izy Ireo

“Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” —3 JAONA 4.

1. Mifantoka amin’ny inona ny “fahamarinan’ny filazantsara”?

IZAY mivavaka amin’i Jehovah amin’ny “fanahy sy ny fahamarinana” ihany no ankasitrahany. (Jaona 4:24) Mankatò ny fahamarinana izy ireo, izany hoe manaiky ny fitambaran’ny fampianarana kristianina, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Io “fahamarinan’ny filazantsara” io dia mifantoka amin’i Jesosy Kristy sy ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra, amin’ny alalan’ilay Fanjakana. (Galatiana 2:14) Avelan’Andriamanitra ‘hiasan’ny fahadisoan-kevitra’ ireo izay tia kokoa ny lainga. Tsy maintsy mino ny vaovao tsara sy mandeha araka ny fahamarinana kosa ny olona mba ho voavonjy.—2 Tesaloniana 2:9-12; Efesiana 1:13, 14.

2. Inona no tena nahafaly ny apostoly Jaona, ary mpifaninona izy sy Gaio?

2 ‘Mpiara-miasa amin’ny fahamarinana’ ny mpitory ilay Fanjakana. Toy ny apostoly Jaona sy Gaio namany, dia mandeha araka ny fahamarinana izy ireo ary tsy miala amin’izy io. I Gaio no tao an-tsain’i Jaona rehefa nanoratra izy hoe: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” (3 Jaona 3-8) Tsy i Jaona no nampianatra fahamarinana an’i Gaio, nefa azo lazaina fa anisan’ny zanany ara-panahy i Gaio, izay mbola tanora angamba tamin’izay. Efa zokiolona mantsy i Jaona, sady Kristianina matotra izy no tia an’i Gaio toy ny zanany.

Ny fahamarinana sy ny fivavahana kristianina

3. Nahoana ireo Kristianina voalohany no nivory ary inona no soa noraisiny tamin’izany?

3 Nivory tany an-tranon’olona, mba hianatra ny fahamarinana, ireo fiangonana kristianina voalohany. (Romana 16:3-5) Nampahery azy ireo izany sady nandrisika azy tamin’ny fitiavana sy ny asa tsara. (Hebreo 10:24, 25) Niresaka momba ireo nilaza ho Kristianina tatỳ aoriana i Tertullien, tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo tany ho any. Hoy izy: “Nivory izahay mba hamaky ny bokin’Andriamanitra . . . Nanatanjaka ny finoanay tamin’ireo teny masina ireo izahay, sady nanamafy ny fanantenanay sy ny fatokisanay.”—Fanamarinana, toko faha-39 (anglisy).

4. Nihira ve ny Kristianina voalohany tany am-pivoriana, ary ankehitriny?

4 Tena azo inoana fa nihira ny Kristianina voalohany rehefa nivory. (Efesiana 5:19; Kolosiana 3:16) Niresaka momba ny mpitsikera tamin’ny taonjato faharoa atao hoe Celsus, ny Profesora Henry Chadwick. Nilaza izy fa araka an’i Celsus dia “tena kanto [ny hiran’ireo nilaza ho Kristianina], ka nahasosotra azy satria nampihetsi-po azy.” Hoy koa i Chadwick: “I Clément avy any Aleksandria no Kristianina niresaka voalohany momba ny karazana mozika mety ho an’ny Kristianina. Nilaza izy fa tsy tokony ho toy ny mozika manaitaitra ny filan’ny nofo ny mozikan’izy ireo.” (Ny Fiangonana Voalohany, pejy 274-275, anglisy) Araka izany, dia nihira ny Kristianina voalohany rehefa nivory. Matetika koa ny Vavolombelon’i Jehovah no manao hira miorina amin’ny Baiboly. Anisan’izany ny hira mampihetsi-po fiderana an’Andriamanitra sy ilay Fanjakana.

5. a) Ahoana no nahazoan’ny fiangonana kristianina voalohany tari-dalana ara-panahy? b) Ahoana no nampiharan’ny tena Kristianina ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 23:8, 9?

5 Teo anivon’ireo fiangonana voalohany, dia nisy mpitandrina, na anti-panahy, nampianatra ny fahamarinana. Nisy koa diakona, na mpanampy amin’ny fanompoana, nanampy ny mpiray finoana taminy tamin’ny fomba isan-karazany. (Filipiana 1:1) Nisy filan-kevi-pitantanana niantehitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy masina, mba hanomezana tari-dalana ara-panahy. (Asan’ny Apostoly 15:6, 23-31) Tsy nampiasaina ny anaram-boninahitra ara-pivavahana satria nandidy ny mpianany i Jesosy hoe: “Aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.” (Matio 23:8, 9) Mitovy àry ny Kristianina voalohany sy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ireo lafiny ireo sy ny maro hafa koa.

Enjehina satria mitory ny fahamarinana

6, 7. Na dia hafatra momba ny fiadanana aza no ambaran’ny tena Kristianina, ahoana no fomba nitondran’ny olona azy ireo?

6 Nenjehina toa an’i Jesosy ny Kristianina voalohany, na dia hafatra momba ny fiadanana aza no nambarany. (Jaona 15:20; 17:14) Hoy ilay mpahay tantara atao hoe John von Mosheim, momba ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Tsy azo eritreretina hahavanon-doza mihitsy ireo olona ireo. Tsy nieritreritra na naniry hanisy ratsy ny fanjakana mihitsy izy ireo.” Nilaza io mpahay tantara io fa “izao no tena nahasosotra ny Romanina tamin’ny Kristianina: tsotra ny fivavahan’izy ireo ary tsy nitovy tamin’ny fombafomba ara-pivavahan’ny firenen-kafa mihitsy ny azy ireo.” Hoy koa izy: “Tsy mba nanao sorona izy ireo, tsy nanana tempoly, na sary masina, na mpisorona, na olona tsindrian-javatra; izany no nanakianan’ny vahoaka azy ireo. Nieritreritra mantsy io vahoaka tsy nandia fianarana io fa tsy azo atao hoe fivavahana raha tsy manao ireny fombafomba ireny. Noheverina ho tsy nino an’Andriamanitra ny Kristianina, noho izany. Ary mpanimba ny fiaraha-monina ny olona tsy mino an’Andriamanitra, araka ny lalàna romanina.”

7 Nisy mpisorona sy mpanao asa tanana ary olon-kafa nivelona tamin’ny fanompoan-tsampy. Nampirisihin’izy ireo ny vahoaka mba hanafika ny Kristianina, izay tsy nanompo sampy. (Asan’ny Apostoly 19:23-40; 1 Korintiana 10:14) Hoy i Tertullien: “Mihevitra izy ireo fa ny Kristianina no mahatonga izao loza mianjady amin’ny Fanjakana sy fijaliam-bahoaka rehetra izao. Raha miakatra hatreny amin’ny rindrin’ny tanàna ny ony Tibre, raha tsy misondrotra mba hahalonaka ny tany ny ony Neily, raha tsy avy ny orana, raha misy horohoron-tany sy mosary ary loza, dia misy mivazavaza avy hatrany hoe: ‘Atsipazo any amin’ny liona ny Kristianina!’ ” ‘Niaro ny tenany tamin’ny sampy’ anefa ny tena Kristianina, na inona na inona vokany.—1 Jaona 5:21.

Ny fahamarinana sy ny fankalazana ara-pivavahana

8. Nahoana ireo mandeha araka ny fahamarinana no tsy mankalaza Krismasy?

8 Tsy manao fankalazana tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny olona mandeha araka ny fahamarinana, satria ‘tsy misy iombonan’ny mazava sy ny maizina.’ (2 Korintiana 6:14-18) Tsy mankalaza ny Krismasy atao ny 25 Desambra izy ireo, ohatra. Miaiky ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy) fa “tsy misy mahalala ny tena andro nahaterahan’i Kristy.” Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina (Fanontana 1956, anglisy): “Ny fety romanina antsoina hoe Satiornaly, natao teo antenatenan’ny volana Desambra, no modely nakana ny fombafomba amin’ny fiaraha-mikorana amin’ny Krismasy.” Manamarika ny rakipahalalan’i M’Clintock sy Strong hoe: “Tsy nandidy ny hankalazana ny Krismasy Andriamanitra, ary tsy hita ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] izy io.” Hoy koa ilay boky hoe Ny Fiainana Tamin’ny Andron’i Jesosy (anglisy): ‘Tany am-bala ny ondry tamin’ny ririnina. Izany fotsiny dia ampy hilazana fa tsy azo inoana ho marina ny daty fankalazana ny Krismasy amin’ny ririnina. Milaza mantsy ny Filazantsara fa tany an-tsaha ny mpiandry ondry tamin’izay.’—Lioka 2:8-11.

9. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah taloha sy ankehitriny no tsy mankalaza ny Paka?

9 Ny Paka ankehitriny dia ankalazain’ny olona ho fahatsiarovana ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Ampifandraisin’ny boky azo itokisana sasany amin’ny fivavahan-diso anefa izy io. Milaza, ohatra, ny Diksioneran’i Westminster Momba ny Baiboly (anglisy) fa ny Paka ankehitriny dia avy tamin’ny ‘fety nanomezam-boninahitra ny andriamani-bavin’ny fahazavana sy ny lohataona, antsoina hoe Eastre.’ Na izany na tsy izany, dia hoy koa ny Rakipahalalana Britannica (Fanontana faha-11, anglisy): ‘Tsy miresaka momba ny fankalazana an’io fety io ny Testamenta Vaovao.’ Tsy nankalaza azy io ny Kristianina voalohany ary tsy mankalaza azy io koa ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny.

10. Inona no fankalazana nasain’i Jesosy natao, ary iza no mbola manao azy io araka ny tokony ho izy?

10 Samy tsy nasain’i Jesosy nankalazaina na ny nahaterahany na ny nitsanganany tamin’ny maty. Ny Fahatsiarovana ny nahafatesany ho sorona kosa no nasainy nankalazaina. (Romana 5:8) Io ihany no fankalazana nasainy nataon’ny mpianany, raha ny marina. (Lioka 22:19, 20) Antsoina hoe Sakafo Harivan’ny Tompo koa izy io ary mbola mankalaza azy io isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah.—1 Korintiana 11:20-26.

Ambara eran-tany ny fahamarinana

11, 12. Ahoana no anohanan’ireo mandeha araka ny fahamarinana ny asa fitoriana hatramin’izay?

11 Voninahitra ho an’ireo izay mahalala ny fahamarinana ny manokana ny fotoanany, heriny, ary fananany, mba hitoriana ny vaovao tsara. (Marka 13:10) Fanomezana an-tsitrapo no nahazoan’ny Kristianina voalohany vola ho an’ny fitoriana. (2 Korintiana 8:12; 9:7) Hoy i Tertullien: “Marina fa nisy vata fanangonam-bola, nefa tsy vidim-pidirana no natao tao, satria tsy raharaham-barotra ny fivavahana. Mandrotsaka vola kely isam-bolana ny tsirairay, na rehefa te hanome ihany, ary raha afaka manome. Tsy misy terena, fa an-tsitrapo ilay fanomezana.”—Fanamarinana, toko faha-39.

12 Fanomezana an-tsitrapo koa no ahafahan’ny Vavolombelon’i Jehovah mitory ilay Fanjakana eran-tany. Na ny Vavolombelona na ny olon-kafa liana sady velom-pankasitrahana, dia samy mihevitra fa voninahitra ho azy ireo ny manao fanomezana mba hanohanana io asa io. Mitovy koa ny Kristianina voalohany sy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’io lafiny io.

Ny fahamarinana sy ny fitondran-tena

13. Inona ilay torohevitr’i Petera momba ny fitondran-tena, ka arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

13 Nandeha araka ny fahamarinana ny Kristianina voalohany, ka nanaraka izao torohevitry ny apostoly Petera izao: “Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.” (1 Petera 2:12) Mandray ireo teny ireo am-po koa ny Vavolombelon’i Jehovah.

14. Ahoana no fiheveran’ny Kristianina ny fialam-boly misy fitondran-tena ratsy?

14 Nanalavitra ny fitondran-tena maloto foana ireo nolazaina fa Kristianina na dia rehefa niely aza ny fivadiham-pinoana. Hoy ilay mpampianatra momba ny tantaran’ny fivavahana, atao hoe W. Killen: “Nisarika olona maro ny teatra tao amin’ny tanàn-dehibe tsirairay tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo. Tena ratsy fitondran-tena ireo mpilalao teatra, nefa nahafinaritra ny olona nanana fanirian-dratsy foana ny tantara nasehon’izy ireo ... Naharikoriko ny tena Kristianina rehetra ny teatra ... Tsy nijery azy io mihitsy koa izy ireo noho izy io vetaveta. Noho ny zavatra inoan’izy ireo, dia nanafintohina azy ireo ny fitalahoana tsy nisy farany natao tamin’ireo andriamanitry ny mpanompo sampy.” (Ny Fiangonana Fahiny, pejy 318 sy 319, anglisy) Manalavitra ny fialam-boly vetaveta sy misy fitondran-tena maloto ny tena mpanara-dia an’i Jesosy ankehitriny.—Efesiana 5:3-5.

Ny fahamarinana sy “ny fahefana lehibe”

15, 16. Iza ireo “fahefana lehibe”, ary ahoana no fiheveran’ny olona mandeha araka ny fahamarinana azy ireo?

15 Diso hevitra momba ny Kristianina voalohany ny ankamaroan’ny mpanjaka romanina, na dia tsara fitondran-tena aza izy ireo. Nilaza ilay mpahay tantara atao hoe E. Hardy fa nihevitra azy ireo ho “mafana fo tafahoatra sy tsy misy ilana azy” ny mpanjaka. Araka ny taratasy nifanoratan’i Pline Tanora, governoran’i Bitynia, sy ilay mpanjaka atao hoe Trajan, dia tsy azon’ny ankamaroan’ny manam-pahefana tsara ny tena atao hoe Kristianisma. Ahoana no fiheveran’ny Kristianina ny Fitondrana?

16 Toy ny mpanara-dia voalohany an’i Jesosy dia manaiky ny “fahefana lehibe”, na ny fitondram-panjakana, ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia voafetra ihany aza izany fanekena izany. (Romana 13:1-7) Raha mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny zavatra takin’ny olona, dia izao no ataony: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29) Hoy ilay boky hoe Fandresen’ny Kristianisma Taorian’i Jesosy: “Mety ho tsy nivavaka tamin’ny mpanjaka ny Kristianina, nefa koa tsy mpanakorontana vahoaka izy ireo. Tsy natahorana hampidi-doza ny fanjakana koa ny fivavahany, na dia noheverin’ny mpanompo sampy ho hafahafa sy nanafintohina aza indraindray.”

17. a) Nanohana ny fanjakan’iza ny Kristianina voalohany? b) Ahoana no ampiharan’ireo tena mpanara-dia an’i Kristy ny Isaia 2:4?

17 Mpanohana ny Fanjakan’Andriamanitra ny Kristianina voalohany, toa an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, izay nino sy nanantena ilay ‘tanàna naorin’Andriamanitra.’ (Hebreo 11:8-10) Tsy “naman’izao tontolo izao” tahaka ny Tompony, ny mpianatr’i Jesosy. (Jaona 17:14-16) Tsy nandray anjara tamin’ny ady sy tolona nataon’ny olombelona koa izy ireo, fa nikatsaka fiadanana, ka ‘nanefy ny sabany ho fangady.’ (Isaia 2:4) Mahaliana ny fanamarihana nataon’ilay mpampianatra momba ny tantaran’ny fivavahana, atao hoe Geoffrey Nuttall. Hoy izy: “Tena nitovy amin’ny fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah manoloana ny ady ny fihetsik’ireo Kristianina voalohany, ary sarotra amintsika ny manaiky izany.”

18. Nahoana no tsy misy fitondram-panjakana tokony hatahotra ny Vavolombelon’i Jehovah?

18 Tsy nomba ny atsy na ny aroa ny Kristianina voalohany sady nanaiky “ny fahefana lehibe”, ka tsy natahorana hampidi-doza ny fitondrana politika. Mitovy amin’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ny mpanoratra lahatsoratra an-gazety iray tany Amerika Avaratra: “Izay tery saina sy miahiahy tsy amin’antony ny hafa ihany, no hieritreritra hoe mety hampidi-doza ny fitondrana ara-politika ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mpanongam-panjakana mihitsy izy ireo sady tena tia fihavanana.” Fantatry ny fitondram-panjakana mahalala ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy misy antony tokony hatahorany azy ireo.

19. Inona no azo lazaina momba ny Kristianina voalohany sy ny Vavolombelon’i Jehovah, raha ny hetra no resahina?

19 Anisan’ny fomba nanajan’ny Kristianina voalohany “ny fahefana lehibe”, ny fandoavana hetra. Rehefa nanoratra ho an’ilay mpitondra romanina atao hoe Antonin Le Pieux (taona 138-161) i Justin Maritiora, dia nilaza fa ‘nandoa hetra an-tsitrapo ny Kristianina raha oharina amin’ny olon-kafa rehetra.’ (Fanamarinana Voalohany, toko faha-17, anglisy) Nilaza tamin’ireo manam-pahefana romanina koa i Tertullien fa “tokony ho velom-pisaorana ny Kristianina” ny mpamory hetran’izy ireo, satria nandoa hetra araka ny tokony ho izy, ny Kristianina. (Fanamarinana, toko faha-42) Nandray soa avy tamin’ny Pax Romana, na ny Fandriampahalemana Romanina, ny Kristianina. Teo, ohatra, ny fitandroana ny lalàna sy ny filaminana, ny lalana tsara, ny fiarovana ny olona nanao dia an-dranomasina. Neken’ireo Kristianina ireo fa manana adidy amin’ny fiaraha-monina izy, ka manaraka izao tenin’i Jesosy izao izy ireo: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:17) Mampihatra io torohevitra io ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, ary noderaina noho ny fanaovany ny marina, toy ny rehefa mandoa hetra.—Hebreo 13:18.

Fehim-pihavanana ny fahamarinana

20, 21. Inona no itovian’ny Kristianina voalohany sy ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, raha ny fihavanana no resahina?

20 Tafaray toy ny fianakavian’ny mpirahalahy ny Kristianina voalohany, satria nandeha araka ny fahamarinana. Toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Izao no voalaza tao amin’ny Gazetin’i Moscou (anglisy): “Fantatra tsara fa ny [Vavolombelon’i Jehovah] dia tena olona mahafinaritra, tsara fanahy, malemy fanahy, ary tena mora ifandraisana. Tsy manery ny olona mihitsy koa izy ireo no sady mitandro ny fihavanana foana . . . Tsy misy mpandray tsolotra izy ireo, na mpimamo, na andevozin’ny zava-mahadomelina. Tsotra ny anton’izany rehetra izany: Miezaka hanaraka izay lazain’ny Baiboly fotsiny izy ireo amin’izay rehetra ataony sy lazainy. Raha mba manandrana manahaka ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy ny olon-drehetra, ka mampihatra izay lazain’ny Baiboly, dia ho hafa be mihitsy ity tontolo lozabe iainantsika ity.”

21 Hoy ny Rakipahalalana Momba ny Kristianisma Voalohany (anglisy): “Ny fiangonana voalohany dia nihevitra ny tenany ho toy ny fitambaran’olombelona vaovao, satria tsy nifankahala intsony ny Jiosy sy ny Jentilisa teo anivon’izy ireo, fa niara-niaina tamim-pihavanana.” Fianakaviana iraisam-pirenena tia fihavanana koa ny Vavolombelon’i Jehovah: Olon’ny tontolo vaovao tokoa izy ireo. (Efesiana 2:11-18; 1 Petera 5:9; 2 Petera 3:13) Hitan’ny lehiben’ny mpitandro filaminana tao amin’ny Pretoria Show Grounds, atsy Afrika Atsimo, fa nilamina ny Vavolombelona samy hafa fiaviana, niara-nanatrika fivoriambe tao. Hoy izy: “Nahalala fomba ary mbola mahalala fomba ny rehetra, sady mifampiresaka tsara daholo. Ny toetra nasehon’izy ireo nandritra ny andro vitsivitsy mihitsy dia manaporofo fa manaraka fitsipi-pitondran-tena ambony ny olona ao amin’ny fikambananareo, sady miara-miaina toy ny fianakaviana sambatra.”

Notahina satria nampianatra ny fahamarinana

22. Inona no nitranga noho ny Kristianina naneho ny marina?

22 ‘Naneho ny marina’ i Paoly sy ny Kristianina hafa tamin’ny fitondran-tenany sy ny fitoriany. (2 Korintiana 4:2) Tsy ekenao ve fa manao izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah, sady mampianatra fahamarinana ny firenena rehetra? Mihabetsaka hatrany ny olona manaiky ny fivavahana marina eran-tany sy mitanjozotra mankany amin’ny ‘tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah.’ (Isaia 2:2, 3) An’arivo isan-taona no atao batisa ho fampisehoana ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra, ka maro ny fiangonana vaovao miforona.

23. Ahoana no fiheveranao ireo mampianatra fahamarinana ny firenena rehetra?

23 Tafaray amin’ny fivavahana marina ny vahoakan’i Jehovah na dia samy hafa fiaviana aza. Ny fitiavana asehon’izy ireo no amantarana fa mpianatr’i Jesosy izy ireo. (Jaona 13:35) Tsikaritrao ve fa ‘tena ao amin’izy ireo tokoa Andriamanitra’? (1 Korintiana 14:25) Efa miandany amin’ireo izay mampianatra fahamarinana ny firenena rehetra ve ianao? Raha izany dia manehoa foana fankasitrahana noho ny fahamarinana sy ny tombontsoanao handeha amin’izy io mandrakizay.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no mampitovy ny Kristianina voalohany sy ny Vavolombelon’i Jehovah, raha ny fomba fivavahana no resahina?

• Inona ihany no fankalazana ara-pivavahana ataon’ireo mandeha araka ny fahamarinana?

• Iza ireo “fahefana lehibe” ary ahoana no fiheveran’ny Kristianina azy ireo?

• Nahoana ny fahamarinana no atao hoe fehim-pihavanana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Nitondra soa ho an’ireo mandeha araka ny fahamarinana foana ny fivoriana kristianina

[Sary, pejy 23]

Nandidy ny mpanara-dia azy mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesany ho sorona i Jesosy

[Sary, pejy 24]

Manaja “ny fahefana lehibe” toy ny Kristianina voalohany, ny Vavolombelon’i Jehovah