Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandoro Tokoa ve ny Afobe?

Mandoro Tokoa ve ny Afobe?

Mandoro Tokoa ve ny Afobe?

INONA no tonga ao an-tsainao amin’ny hoe “afobe”? Toerana ara-bakiteny misy afo sy solifara mampijalijaly mandrakizay ve? Sa kosa mety ho afobe ara-panoharana fotsiny?

Nandritra ny taonjato maro ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny Kristianisma Anarana no nihevitra fa tsy maintsy ampijalijalina ao amin’ny afobe mirehitra ny mpanota. Fivavahana maro no mbola mino izany ankehitriny. Hoy ny gazety Vaovaon’i Etazonia & Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao (anglisy): “Mety ho ny fivavahana kristianina no nampahalaza ny afobe, kanefa tsy izy io ihany no mino izany. Saika ny fivavahana rehetra, na kely na lehibe, no mampianatra hoe ampijalina ny mpanota aorian’ny fahafatesana, ho valin’ny fahotany.” Mino afobe isan-karazany ny Hindoa, Bodista, Silamo, ary ny fivavahana hafa any Azia.

Niova anefa ny fiheveran’ny olona ankehitriny momba ny afobe. Hoy ilay gazety voalaza teo: “Mbola misy ihany ireo mino ny afobe mirehitra, kanefa misy koa izao ireo manomboka mihevitra hoe toerana mitokana mahasorena no misy an’ireo voaheloka mandrakizay. Toa manondro izany fa tsy toerana mahamay akory ny afobe.”

Hoy ny gazety zezoita iray: “Voafitaka . . . izay mieritreritra hoe mampiasa ny demonia Andriamanitra mba hampijalijaly ireo voaheloka, amin’ny alalan’ny afo, ohatra.” Hoy koa izy io: “Misy ny afobe, saingy tsy toerana ara-bakiteny, fa fahorian-tsaina tsapan’ireo olona tafasaraka amin’Andriamanitra.” Hoy ny Papa Jean-Paul II tamin’ny 1999: “Tsy hoe toerana ara-bakiteny ny afobe, fa zavatra tsapan’ireo minia miala tanteraka amin’Andriamanitra, ilay mpanome aina sy fifaliana.” Hoy kosa izy momba ireo sarina afobe mirehitra: “Asehon’izy ireny fa feno fahadisoam-panantenana sy tsy misy dikany ny fiainana tsy misy an’Andriamanitra.” “Tsy hino mihitsy ny olona”, raha nilaza ny Papa hoe ‘miredareda sy misy devoly mitana fanindronana’ ny afobe, hoy ilay mpanoratra tantara momba ny eglizy atao hoe Martin Marty.

Misy fiovana toy izany koa any amin’ny fivavahana hafa. Hoy ny tatitra nataon’ny vaomieran’ny Eglizy Anglikanina: “Tsy toeram-pijaliana mandrakizay ny afobe, fa fanafoanana tanteraka, ho an’ireo olona mifidy fiainana mifanohitra tanteraka amin’Andriamanitra.”

Ny afobe dia “fahafatesana mandrakizay vokatry ny fandavantsika an’Andriamanitra”, hoy ny katesizin’ny Eglizy Episkopalin’i Etazonia. Lazain’ny Vaovaon’i Etazonia & Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao, fa mihamitombo ny olona mihevitra hoe “fanafoanana, fa tsy fahoriana mandrakizay, no iafaran’ny ratsy fanahy. . . . Mihevitra [izy ireo] fa, amin’ny farany, ireo mandà an’Andriamanitra dia hofoanana fotsiny ao amin’ny ‘afo mandevona’, ao amin’ny afobe.”

Efa mirona hiala amin’ny resaka afo sy solifara ny olona amin’izao andro izao, kanefa mbola maro ihany no mino hoe toeram-pijaliana ny afobe. “Miresaka mazava ny Soratra Masina fa toeram-pijaliana mirehitra ny afobe”, hoy i Albert Mohler, avy ao amin’ny sekoly fiofanana ho pretra batista any Louisville, any Etazonia. Nisy tatitra iray hoe Ny Tena Afobe (anglisy), navoakan’ny Vaomieran’ny Fifanekena Ara-pilazantsara, nilaza hoe: “Ny afobe dia fahatsapana ho nafoy sy fijaliana.” Hoy koa izy io: “Misy ambaratongany ny sazy, ary arakaraka ny haben’ny fahotana natao tetỳ an-tany ny fijaliana any amin’ny afobe.”

Toeram-pijaliana mandrakizay àry ve izany ny afobe, sa fanafoanana? Sa izy io fisarahana amin’Andriamanitra fotsiny? Inona tokoa moa ny afobe?

[Efajoro/Sary, pejy 4]

Tantara Fohy Momba ny Afobe

OVIANA moa ireo mitonona ho Kristianina no nanomboka nino ny afobe? Ela be taorian’ny andron’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny. “Ny Apokalypsin’i Petera (taonjato faharoa) no boky kristianina tsy ara-tsindrimandry voalohany miresaka momba ny fanasaziana sy fampijaliana ny mpanota ao amin’ny afobe”, hoy ny Rakipahalalana Momba Izao Rehetra Izao (frantsay).

Tsy nitovy hevitra anefa ireo Rain’ny Eglizy. Nino i Justin Maritiora, sy Clément avy any Aleksandria, ary i Tertullien sy Cyprien, fa toerana misy afo mirehitra ny afobe. I Origène sy ilay teolojianina atao hoe Grégoire avy any Nysse indray nihevitra fa toerana lavitra an’Andriamanitra ny afobe, izany hoe fijaliana ara-panahy. I Augustin avy any Hippone kosa anefa nino fa sady ara-panahy no ara-bakiteny ny fijaliana ao amin’ny afobe, ary maro no nanaiky ny heviny. Nanoratra toy izao ny Profesora J. Kelly: “Niely be mihitsy tamin’ny taonjato fahadimy ilay foto-pinoana henjana hoe tsy hahazo famelana intsony ny mpanota aorian’ny fahafatesany, ary tsy ho faty mandrakizay ny afo handevona azy ireo.”

Tamin’ny taonjato faha-16, dia nihevitra ireo mpitondra fanavaozana protestanta, toa an-dry Martin Luther sy Jean Calvin, fa ara-panoharana ny fijaliana ao amin’ny afobe, satria mampiseho fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra. Niverina anefa ilay fiheverana hoe toeram-pijaliana ny afobe, nandritra ireo taonjato roa nanaraka. Fanaon’i Jonathan Edwards, mpitory protestanta, ny nanao sary marevaka mampiseho afobe, mba hampitahorana ireo mpanjana-tany amerikanina tamin’ny taonjato faha-18.

Tsy ela taorian’izay anefa dia tsy nalaza intsony ny afobe mirehitra. “Saiky efa maty mihitsy ny afobe tamin’ny taonjato faha-20”, hoy ny Vaovaon’i Etazonia & Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao.

[Sary]

Nino i Justin Maritiora fa toerana misy afo mirehitra ny afobe

Nampianatra i Augustin avy any Hippone fa ara-panahy sy ara-bakiteny ny fijaliana ao amin’ny afobe