Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ekeo Foana ny Fahefana Napetrak’Andriamanitra

Ekeo Foana ny Fahefana Napetrak’Andriamanitra

Ekeo Foana ny Fahefana Napetrak’Andriamanitra

“Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika.”—ISAIA 33:22.

1. Inona avy no nampiavaka ny firenen’ny Isiraely fahiny tamin’ny firenen-kafa?

NIFORONA ny firenen’ny Isiraely, tamin’ny 1513 Talohan’i Kristy. Tsy nanana renivohitra na tanindrazana na mpanjaka hita maso ilay vahoaka tamin’izany fotoana izany, ary andevo izy ireo taloha. Mbola nisy nampiavaka an’io firenena vaovao io koa ankoatra izany. I Jehovah Andriamanitra no Mpitsara sy Mpanome lalàna ary Mpanjakany tsy hita maso. (Eksodosy 19:5, 6; Isaia 33:22) Tsy nisy firenen-kafa toy izany!

2. Inona no fanontaniana mipetraka momba ny fomba nandaminana ny Isiraely, ary nahoana no zava-dehibe amintsika ny valin’izany?

2 Antenaina fa voalamina tsara izay firenena eo ambany fitondran’i Jehovah, satria Andriamanitry ny filaminana sy ny fiadanana izy. (1 Korintiana 14:33) Tena toy izany ny Isiraely. Ahoana anefa no nahafahan’Andriamanitra tsy hita maso nitarika firenena iray etỳ an-tany? Mahasoa antsika ny mandinika ny fomba nitondran’i Jehovah an’io firenena fahiny io. Mariho ny fomba nifampiraharahany taminy, satria manasongadina ny maha zava-dehibe ny anekena foana ny fahefana napetrany izany.

Ny fomba nitondrana ny Isiraely fahiny

3. Inona no fandaharana nataon’i Jehovah mba hitarihana ny vahoakany?

3 Nanendry lehilahy nahatoky hisolo tena azy i Jehovah, na dia izy aza no Mpanjaka tsy hita mason’ny Isiraely. Filoha sy lohan’ny fianakaviana ary anti-panahy izy ireo, ka nanoro hevitra sy nitsara ny vahoaka. (Eksodosy 18:25, 26; Deoteronomia 1:15) Tsy tokony hihevitra anefa isika fa ho mpitsara nahay nanavaka sy nahataka-javatra ihany izy ireo, raha tsy nanana ny tari-dalan’Andriamanitra. Tsy lavorary izy ireo ary tsy nahalala izay tao am-pon’ny mpiara-mivavaka taminy. Afaka nanome torohevitra nahasoa ny mpiray finoana taminy anefa ny mpitsara natahotra an’Andriamanitra, satria niorina tamin’ny Lalàn’i Jehovah ilay torohevitra.—Deoteronomia 19:15; Salamo 119:97-100.

4. Naniry hanalavitra fironana inona avy ny mpitsara nahatokin’ny Isiraely, ary nahoana?

4 Tsy ny fahafantarana ny Lalàna fotsiny anefa no notakina tamin’ny mpitsara. Tsy maintsy mailaka nifehy ny fironan-dratsiny ireny anti-panahy ireny, noho izy tsy lavorary. Tsy tokony ho tia tena sy hiangatra ary ho tia vola, ohatra, izy ireo fa raha tsy izany, dia mety hanao fitsara-mitanila. Hoy i Mosesy taminy: “Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’Andriamanitra ny fitsarana.” Eny, nisolo tena an’Andriamanitra ireo mpitsaran’ny Isiraely. Voninahitra lehibe tokoa izany!—Deoteronomia 1:16, 17.

5. Ankoatra ireo mpitsara, inona no fandaharana nataon’i Jehovah hikarakarana ny vahoakany?

5 Nanao fandaharana hafa koa i Jehovah mba hikarakarana izay nilain’ny vahoakany teo amin’ny ara-panahy. Nodidiany hanamboatra ny tabernakely, na ny foiben’ny fivavahana marina, izy ireo na dia mbola tsy tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina aza. Nanendry mpisorona koa izy, mba hampianatra ny Lalàna sy hanao sorona biby ary handoro ditin-kazo manitra isa-maraina sy isan-kariva. Nataon’Andriamanitra mpisoronabe voalohany teo amin’ny Isiraely i Arona, zokin’i Mosesy, ary notendreny hanampy azy ny zanany.—Eksodosy 28:1; Nomery 3:10; 2 Tantara 13:10, 11.

6, 7. a) Inona no fifandraisana nisy teo amin’ny mpisorona sy ny Levita tsy mpisorona? b) Koa satria samy hafa ny asa nataon’ny Levita, inona àry no lesona raisintsika avy amin’izany? (Kolosiana 3:23)

6 Asa goavana ny fikarakarana ny zavatra ara-panahy nilain’ny olona an-tapitrisa. Azo lazaina hoe vitsy ihany mantsy ireo mpisorona. Notendrena hanampy azy ireo àry ny olona sasany avy tamin’ny fokon’i Levy. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Homenao an’i Arona sy ny zanani-lahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin’ny Zanak’Isiraely ireo.”—Nomery 3:9, 39.

7 Voalamina tsara ny Levita. Notsinjaraina ho fianakaviana telo izy ireo: ny Gersonita, ny Kehatita, ary ny Merarita. Samy nanana ny asa nanendrena azy avy izy ireo. (Nomery 3:14-17, 23-37) Toa nisy vidiny kokoa ny asa sasany, nefa tena nilaina avokoa izy rehetra. Nikarakara ny fiaran’ny fanekena sy ny fanaka tao amin’ny tabernakely ireo Levita kehatita. Samy nanana tombontsoa lehibe anefa ny Levita rehetra, na Kehatita izy na tsia. (Nomery 1:51, 53) Nampalahelo fa nisy tsy nankasitraka ny tombontsoany. Nanjary tsy afa-po, niavonavona sy naniry laza ary nitsiriritra izy ireo, ka nivadika ary tsy nanaiky intsony ny fahefana napetrak’Andriamanitra. Anisan’izany ny Levita iray antsoina hoe Kora.

“Mitady ho mpisorona koa va hianareo?”

8. a) Iza i Kora? b) Inona no mety ho nahatonga an’i Kora hanomboka hijery an’ireo mpisorona araka ny fijerin’olombelona?

8 Sady tsy lohan’ny fianakavian’i Levy i Kora, no tsy lohan’ny fianakavian’ny Kehatita. (Nomery 3:30, 32) Filoha nohajaina teo amin’ny Isiraely anefa izy. Nety ho nifanerasera akaiky tamin’i Arona sy ny zanany i Kora noho ny asany. (Nomery 4:18, 19) Nety ho nieritreritra toy izao izy rehefa nahita ny tsy fahalavorarian’izy ireo: ‘Tena tsy lavorary mihitsy ireto mpisorona ireto, nefa aho asaina manaiky azy! Vao oviana i Arona no nanao ombilahikely volamena! Ny fivavahana tamin’io ombilahikely io ihany no nahatonga ny vahoaka hanompo sampy. Izao anefa i Arona, rahalahin’i Mosesy, ka lasa mpisoronabe! Fiangarana tsy misy ohatr’izany! Ary i Nadaba sy Abiho zanany? Tsy maintsy namono azy ireo i Jehovah satria tsy nanaja ny asa nanendrena azy mihitsy izy ireo!’ * (Eksodosy 32:1-5; Levitikosy 10:1, 2) Na inona na inona noeritreretin’i Kora, dia mazava fa nanjary nijery an’ireo mpisorona araka ny fijerin’olombelona izy. Izany no nahatonga azy hikomy tamin’i Mosesy sy Arona, ary tamin’i Jehovah mihitsy, raha ny marina.—1 Samoela 15:23; Jakoba 1:14, 15.

9, 10. Ahoana no nanakianan’i Kora sy ny mpikomy namany an’i Mosesy, ary nahoana izy ireo no tsy tokony ho nanao izany raha ny zavatra efa fantany?

9 To teny i Kora, ka tsy sarotra taminy ny namory olona nitovy fomba fihevitra taminy. Nomba azy i Datana sy Abirama, mbamin’ny olona 250. Samy lohan’ny fiangonana daholo izy ireo. Niara-nanatona an’i Mosesy sy Arona izy ireo, ary nilaza hoe: “Masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Jehovah hianareo?”—Nomery 16:1-3.

10 Tsy tokony ho nanohitra ny fahefan’i Mosesy izy ireo, raha ny zavatra efa fantany. Vao haingana mantsy i Arona sy Miriama no nanao toy izany. Tsy nisy hafa tamin’ny eritreritr’i Kora mihitsy ny eritreritr’izy ireo! Izao no nanontanian’izy ireo, araka ny Nomery 12:1, 2: “Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan’i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany?” Nihaino i Jehovah tamin’izay. Nodidiany hivory teo am-baravaran’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy Arona ary Miriama, mba hampisehoana amin’izy ireo hoe iza no nofidiny ho mpitarika. Nilaza mazava i Jehovah avy eo hoe: “Raha misy mpaminanin’i Jehovah eo aminareo, dia amin’ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ny nofy no hitenenako aminy. Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ny tranoko rehetra.” Nataon’i Jehovah lasa boka vetivety i Miriama avy eo.—Nomery 12:4-7, 10.

11. Ahoana no niatrehan’i Mosesy ilay toe-javatra nahakasika an’i Kora?

11 Tsy hoe tsy fantatr’i Kora sy ny mpomba azy io zava-nitranga io. Tsy azo nalan-tsiny ny fikomiany. Be fahari-po anefa i Mosesy ka mbola niezaka nampisaintsaina azy ireo ihany. Nampirisika azy ireo hankasitraka bebe kokoa ny tombontsoany izy, ka nilaza hoe: “Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan’Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin’ny fiangonan’ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy?” Tsy “zavatra kely” mihitsy izany! Efa nomena be dia be ireo Levita, koa inona indray no mbola notadiaviny? Nahariharin’i Mosesy ny tao am-pon’izy ireo, ka hoy izy: “Mitady ho mpisorona koa va hianareo?” * (Nomery 12:3; 16:9, 10) Inona no nataon’i Jehovah nanoloana io fikomiana tamin’ny fahefana napetrany io?

Nisalovana ny Mpitsaran’ny Isiraely

12. Inona no tsy maintsy nataon’ny Isiraely raha tiany ho tsara foana ny fifandraisany tamin’Andriamanitra?

12 Nilaza tamin’ny vahoakan’ny Isiraely i Jehovah, tamin’izy nanome azy ireo ny Lalàna, fa ho tonga “firenena masina” izy ireo raha nankatò azy io. Nilaza koa i Jehovah fa ho masina hatrany ilay firenena raha manaiky ny fandaharany. (Eksodosy 19:5, 6) Nikomy an-karihary anefa izy ireo, koa tonga ny fotoana hisalovanan’ilay Mpitsara sy Mpanome lalàna ny Isiraely! Hoy i Mosesy tamin’i Kora: “Aoka hianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan’i Jehovah rahampitso, dia hianao sy ireo ary Arona. Ary samia maka ny fitondran-afony avy hianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran-afony avy hianareo rehetra ho eo anatrehan’i Jehovah, dia fitondran-afo dimam-polo amby roan-jato; dia hianao sy Arona samy hitondra ny fitondran-afony avy.”—Nomery 16:16, 17.

13. a) Nahoana no niana-kendry ireo mpikomy rehefa nanolotra ditin-kazo manitra teo anatrehan’i Jehovah? b) Inona no nataon’i Jehovah tamin’ireo mpikomy?

13 Ny mpisorona ihany no afaka nanolotra ditin-kazo manitra, araka ny Lalàn’Andriamanitra. Koa Levita tsy mpisorona ve no handeha hanolotra ditin-kazo manitra teo anatrehan’i Jehovah? Tokony ho nahatonga saina an’ireto mpikomy ireto izany. (Eksodosy 30:7; Nomery 4:16) Tsy tonga saina anefa i Kora sy ny mpomba azy! Ny ampitson’iny i Kora dia “nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana hanohitra [an’i Mosesy sy Arona].” Hoy ilay fitantarana: “Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mihataha amin’ity fiangonana ity hianareo handringanako azy amin’ny indray mipì-maso monja.” Nitalaho ny hitsimbinana ny ain’ny vahoaka anefa i Mosesy sy Arona. Nanaiky hanao izany i Jehovah. Raha ny amin’i Kora sy ny tariny kosa, dia “nisy afo nivoaka avy tamin’i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.”—Nomery 16:19-22, 35. *

14. Nahoana no nosazin’i Jehovah ny fiangonan’ny Isiraely?

14 Mahagaga fa mbola tsy nandray lesona avy tamin’izany ihany ny Isiraelita nanatri-maso ny nataon’i Jehovah tamin’ireo mpikomy ireo. “Nony ampitso dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon’i Jehovah.” Niandany tamin’ireo mpioko ny Isiraelita! Tsy nandefitra intsony i Jehovah. Tsy nisy afaka nitalaho ho an’ilay vahoaka intsony, na dia i Mosesy sy Arona aza. Nasian’i Jehovah tamin’ny areti-mandringana ireo tsy nankatò ka “izay efa matin’ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin’i Kora.”—Nomery 17:6-14.

15. a) Nahoana no tsy tokony ho nisalasala nanaiky ny fitarihan’i Mosesy sy Arona ny Isiraelita? b) Inona no ianaranao momba an’i Jehovah avy amin’io fitantarana io?

15 Tsy voatery namoy ny ainy mihitsy ireo olona ireo. Raha mba nisaintsaina ny zava-niseho mantsy izy ireo! Afaka nanontany tena toy izao izy ireo: ‘Iza no nanao vivery ny ainy niseho teo anatrehan’i Farao? Iza no nitaky ny hanafahana ny Isiraelita? Iza irery no nasaina niakatra tany amin’ny Tendrombohitra Horeba rehefa nafahana ny Isiraely, mba hiresaka mivantana tamin’ny anjelin’Andriamanitra?’ Tena noporofoin’ireo zavatra miavaka nataon’i Mosesy sy Arona, fa tsy nivadika tamin’i Jehovah izy ireo sady tia ilay vahoaka. (Eksodosy 10:28; 19:24; 24:12-15) Tsy nahafinaritra an’i Jehovah ny nandringana ireo mpikomy. Nanao zavatra hentitra anefa izy rehefa niharihary fa mbola hikiry hikomy ihany ilay vahoaka. (Ezekiela 33:11) Misy dikany lehibe ho antsika izany rehetra izany ankehitriny. Nahoana?

Iza no ampiasain’i Jehovah ankehitriny?

16. a) Inona no porofo tokony ho naharesy lahatra ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, fa nisolo tena an’i Jehovah tokoa i Jesosy? b) Nahoana no nosoloan’i Jehovah ny fisoronan’ny Levita, ary nosoloany inona izy io?

16 Misy “firenena” vaovao ankehitriny, izay manana an’i Jehovah ho Mpitsara sy Mpanome lalàna ary Mpanjaka tsy hita maso. (Matio 21:43) Niforona tamin’ny taonjato voalohany io “firenena” io. Efa nosoloana tempoly iray tsara tarehy tany Jerosalema tamin’izay, ilay tabernakely tamin’ny andron’i Mosesy. Mbola nisy Levita nanompo tao amin’io tempoly io. (Lioka 1:5, 8, 9) Nisy tempoly hafa, ara-panahy, anefa niforona tamin’ny taona 29, ary i Jesosy Kristy no Mpisoronabe ao. (Hebreo 9:9, 11) Nipoitra indray ilay raharaha momba ny fahefana napetrak’Andriamanitra. Iza no nampiasain’i Jehovah hitarika an’io “firenena” vaovao io? Noporofoin’i Jesosy fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy izy. Tia olona izy sady nanao fahagagana maro. Tsy nanaiky an’i Jesosy anefa ny ankamaroan’ireo Levita, toy ireo razany mafy hatoka ihany. (Matio 26:63-68; Asan’ny Apostoly 4:5, 6, 18; 5:17) Nosoloan’i Jehovah fisoronana hafa tanteraka ilay fisoronan’ny Levita tamin’ny farany. Nosoloany fanjaka-mpisorona ilay izy, ary mbola misy izy io mandraka androany.

17. a) Iza no mahaforona ny fanjaka-mpisorona ankehitriny? b) Ampiasain’i Jehovah hanao inona io fanjaka-mpisorona io?

17 Iza no mahaforona an’io fanjaka-mpisorona io ankehitriny? Mamaly izany ny apostoly Petera ao amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry voalohany. Hoy izy tamin’ireo voahosotra anisan’ny tenan’i Kristy: “Hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.” (1 Petera 2:9) Mazava avy amin’ireo teny ireo fa ny voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy no mahaforona ilay “fanjakà-mpisorona”, izay nantsoin’i Petera koa hoe “firenena masina.” Izy ireo no ampiasain’i Jehovah mba hampianatra sy hitari-dalana ny vahoakany eo amin’ny lafiny ara-panahy.—Matio 24:45-47.

18. Inona no ifandraisan’ny fanjaka-mpisorona sy ny anti-panahy?

18 Misolo tena an’io fanjaka-mpisorona io ireo anti-panahy. Izy ireo no miandraikitra ny fiangonan’ny vahoakan’i Jehovah eran-tany. Mendrika ny hohajaintsika sy hotohanantsika amin’ny fo manontolo ireny lehilahy ireny, na voahosotra izy na tsia. Nahoana? Satria i Jehovah no nanendry azy ireo ho anti-panahy, tamin’ny alalan’ny fanahiny masina. (Hebreo 13:7, 17) Ahoana no hetezan’izany?

19. Nahoana no azo lazaina fa notendren’ny fanahy masina ny anti-panahy?

19 Mahafeno ireo fepetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay vokatry ny fanahiny, ireny anti-panahy ireny. (1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9) Azo lazaina àry hoe notendren’ny fanahy masina izy ireny. (Asan’ny Apostoly 20:28) Tsy maintsy mahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra ny anti-panahy. Tsy maintsy mankahala izay mety ho fitsarana miangatra koa izy, na dia kely aza, tsy misy hafa amin’ilay Mpitsara Fara Tampony nanendry azy.—Deoteronomia 10:17, 18.

20. Nahoana no ankasitrahanao ireo anti-panahy miasa mafy?

20 Tena mankasitraka ny asa mafin’ny anti-panahy isika, fa tsy manohitra ny fahefany! Mahatonga antsika hatoky azy ireo, ny taona maro nanompoany tamim-pahatokiana. Manomana sy mitarika tsy tapaka ny fivorian’ny fiangonana izy ireo. Miara-mitory amintsika ny “filazantsaran’ny fanjakana” koa izy ireo, ary manome torohevitra antsika avy ao amin’ny Soratra Masina, rehefa ilaina izany. (Matio 24:14; Hebreo 10:23, 25; 1 Petera 5:2) Mitsidika antsika izy ireo rehefa marary isika, ary mampionona antsika rehefa nidonam-pahoriana isika. Manohana amim-pahatokiana ilay Fanjakana izy ireo, ary tsy mitady tombony avy amin’izany. Manana ny fanahin’i Jehovah sy mahazo ny fankasitrahany izy ireo.—Galatiana 5:22, 23.

21. Inona no tsy maintsy tadidin’ireo anti-panahy, ary nahoana?

21 Mazava ho azy fa tsy lavorary ny anti-panahy. Tsaroany fa voafetra ny mety ho vitany, ka tsy manjakazaka amin’ny ondrin’Andriamanitra izy. Mihevi-tena ho ‘mpiara-miasa hampandroso ny fifalian’ny rahalahiny’ kosa izy ireo. (1 Petera 5:3; 2 Korintiana 1:24) Tia an’i Jehovah ny anti-panahy manetry tena sy miasa mafy. Fantany fa mitondra soa bebe kokoa ho an’ny fiangonana izy, rehefa manahaka bebe kokoa an’i Jehovah. Noho izany, dia miezaka foana izy hampiseho fitiavana, fangoraham-po ary faharetana, sahala amin’Andriamanitra.

22. Nanamafy ny fatokisanao ny fandaminan’i Jehovah hita maso ve ny fijerena indray ny tantaran’i Kora? Hazavao.

22 Tena faly tokoa isika manana an’i Jehovah ho Filoha tsy hita maso sy Jesosy Kristy ho Mpisoronabe! Faly koa isika manana ireo voahosotra anisan’ny fanjaka-mpisorona ho mpampianatra, ary ireo anti-panahy kristianina mahatoky ho mpanoro hevitra! Tsy ho lavorary mihitsy ny fandaminana tantanan’ny olombelona. Finaritra anefa isika afaka miara-manompo an’Andriamanitra amin’ireo mpiray finoana amintsika mahatoky, izay faly manaiky ny fahefana napetrany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Mpanompon’i Jehovah fakan-tahaka i Eleazara sy Itamara, zanakalahin’i Arona hafa.—Levitikosy 10:6.

^ feh. 11 Anisan’ny fokon’i Robena i Datana sy Abirama, mpiara-mioko tamin’i Kora. Toa tsy nitsiriritra ny fisoronana àry izy ireo. Sady sosotra tamin’ny fitarihan’i Mosesy kosa izy ireo no diso fanantenana, satria mbola tsy tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina ihany.—Nomery 16:12-14.

^ feh. 13 Fahiny, dia ny raim-pianakaviana no nisolo tena ny vady aman-janany teo anatrehan’Andriamanitra. Nanao sorona ho azy ireo mihitsy aza izy. (Genesisy 8:20; 46:1; Joba 1:5) Rehefa nomena anefa ny Lalàna, dia ny lehilahy tao amin’ny fianakavian’i Arona no notendren’i Jehovah ho mpisorona. Niharihary fa tsy naniry hanaraka io fanitsiana io ireo mpikomy 250.

Inona no Nianaranao?

• Inona no fandaharana feno fitiavana nataon’i Jehovah mba hikarakarana ny Isiraelita?

• Nahoana no tsy azo nalan-tsiny ny fikomian’i Kora tamin’i Mosesy sy Arona?

• Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nataon’i Jehovah tamin’ireo mpikomy?

• Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka ny fandaharan’i Jehovah isika ankehitriny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Sarobidy aminao ve ny fanendrena rehetra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

[Sary, pejy 10]

“Koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Jehovah hianareo?”

[Sary, pejy 13]

Misolo tena ny fanjaka-mpisorona ny anti-panahy