Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fantatr’i Abela ve fa nilaina ny fanatitra biby mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra?

Fohy dia fohy ny fitantaran’ny Baiboly momba ny nanaovan’i Kaina sy Abela fanatitra. Izao no vakintsika ao amin’ny Genesisy 4:3-5: “Rehefa afaka elaela, dia nitondran’i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an’i Jehovah; fa nitondran’i Abela koa ny voalohan-terak’ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an’i Abela mbamin’ny fanatiny; fa Kaina mbamin’ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany.”

Tsy lazain’ny Baiboly raha efa nanome fanazavana voafaritra tsara momba ny fanatitra amin’ny ankapobeny sy izay karazana fanatitra azony nekena i Jehovah, talohan’io. Izay tian’izy ireo hatao fanatitra fotsiny àry no natolotr’i Kaina sy Abela. Tsy navela hiditra tao amin’ilay Paradisa nonenan’ny ray aman-dreniny izy ireo. Nanomboka nahatsapa ny vokatry ny ota izy ireo, ary tafasaraka tamin’Andriamanitra. Tsy maintsy ho tsapan’izy ireo tokoa, tao anatin’izany toe-piainana ratsy sy nahonena izany, fa nilaina ny nangataka ny fanampian’Andriamanitra. Nifidy ny hanolotra fanomezana ho an’Andriamanitra àry izy ireo, mba hahazoana sitraka aminy.

Nankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitr’i Abela, fa ny an’i Kaina kosa tsy nankasitrahany. Nahoana? Nety ve ireo zavatra natolotr’i Abela fa ny an’i Kaina kosa tsy mba nety? Tsy azontsika antoka raha niankina tamin’ny karazan-javatra natao fanatitra ilay izy na tsia, satria tsy nisy nilazana izay zavatra nety sy tsy nety izy ireo. Toa samy azo nekena anefa ny karazana fanatitra nataon’izy ireo. Nasehon’ny Lalàna nomen’i Jehovah ny firenen’ny Isiraely tatỳ aoriana, fa tsy ny fanatitra biby na ny tapany tamin’ny biby ihany no fanatitra azo nekena, fa anisan’izany koa ny lango, amboarana ôrza, koba tsara toto, mofo voaendy ary divay. (Levitikosy 6:12-16; 7:11-13; 23:10-13) Toa tsy ilay zavatra nataon’i Kaina sy Abela fanatitra ihany no nahatonga an’Andriamanitra hanaiky ny iray ary handa ilay iray hafa.—Ampitahao amin’ny Isaia 1:11; Amosa 5:22.

Hoy ny apostoly Paoly, taonjato maro tatỳ aoriana: “Finoana no nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony.” (Hebreo 11:4) Neken’Andriamanitra ho marina àry i Abela satria nanam-pinoana. Finoana ny inona anefa? Finoana ny fampanantenan’Andriamanitra hanome ilay Taranaka ‘hanorotoro ny lohan’ilay menarana’, ary hamerina indray ilay fiadanana sy fahalavorariana nananan’ny olombelona. Nety ho nihevitra i Abela fa nilaina ny fanatitra nisy fandatsahan-dra, noho ilay teny hoe ho ‘torotoro ombelahin-tongotra’ ilay Taranaka. (Genesisy 3:15) Ny finoana nasehony anefa no tena nahatonga ny fanatitra nataony ho “tsara noho ny an’i Kaina.”

Nolavina kosa i Kaina, satria nasehon’ny zavatra nataony fa tsy nanam-pinoana izy, fa tsy hoe ratsy akory ilay karazana fanatitra nataony. Nolazain’i Jehovah mazava tamin’i Kaina hoe: “Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va?” (Genesisy 4:7) Tsy ilay fanatitra akory no nahatonga an’Andriamanitra handa an’i Kaina. Nolaviny kosa izy satria “ratsy ny asany”, dia ny fialonana sy fankahalana ary famonoana olona.—1 Jaona 3:12.