Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lesona avy Amin’ny Vano

Lesona avy Amin’ny Vano

Lesona avy Amin’ny Vano

“NA DIA ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan’androny . . . fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik’i Jehovah [na ny didim-pitsarany].” (Jeremia 8:7) Toy izany no nanambaran’i Jeremia ny didim-pitsaran’i Jehovah nanameloka ny mponin’i Joda nivadi-pinoana. Nandao an’i Jehovah Andriamaniny mantsy izy ireo, ka nivavaka tamin’ny andriamanitry ny firenen-kafa. (Jeremia 7:18, 31) Nahoana ny vano no nataon’i Jeremia ohatra mba hananarana ireo Jiosy nivadika?

Fantatry ny Isiraelita tsara ny vano, indrindra fa ny vanobe, satria nifindrafindra monina nanerana ireo tany resahin’ny Baiboly izy io. Vorondrano lehibe sady lava fe izy io. Ny teny hebreo iantsoana azy dia midika hoe “tsy mivadika; be hatsaram-panahy miharo fitiavana.” Mifanentana aminy tokoa izany. Tsy mifankafoy mandra-maty mantsy ny vano lahy sy vavy, tsy mba toy ny vorona maro. Isan-taona dia miverina ao amin’ny akaniny taloha foana ny ankamaroany, rehefa avy mitady hafanana any an-tany hafa mandritra ny ririnina.

Efa voajanahary amin’ny vano ny tsy mivadika, ary misy fomba miavaka hafa koa isehoan’izany. Miara-mikotrika atody sy mamahana an-janany ny vano lahy sy vavy. Hoy ny boky Zavamiaina Mahatalanjona any An’ala (anglisy): “Mahavariana fa tsy mba mivadika amin’ny vano vavy mihitsy ny vano lahy, ary toy izany koa ny vavy. Nisy vano lahy iray, ohatra, tany Alemaina nisaringotra tamin’ny tariby elektrika ka matin’ny elektrisite. Ny vavy no nanohy nikotrika ny atodin’izy ireo nandritra ny telo andro, ka indray mandeha no mba nandao ny akany hitady sakafo vetivety. . . . Nisy koa vano lahy nitaiza ny vano keliny, raha sendra voatifitra ny vavy.”

Mety tsara amin’ny vano tokoa ny dikan’ilay anarany hoe “tsy mivadika”, satria tsy mivadika amin’ny vadiny mandrakizay izy sady miahy amim-pitiavana ny vano keliny. Ohatra nety tsara tokoa àry ny vano, ho an’ireo Isiraelita nivadika sy naniasia.

Maro no mihevitra fa efa lany andro ny tsy fivadihana. Toetra mahatehotia, hono, izy io saingy tsy azo ampiharina. Tsy zava-dehibe amin’ny olona intsony tokoa izy io, satria mitombo izaitsizy ny fisaraham-panambadiana, ny vady mandao tokantrano, ny fanodinkodinam-bola, ary ny fitaka isan-karazany. Tena sarobidy kosa izy io ao amin’ny Baiboly, indrindra fa rehefa vokatry ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy. Mampirisika ny Kristianina io boky io mba ‘hitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana [na tsy fivadihana] momba ny fahamarinana.’ (Efesiana 4:24) Manampy ny olona mba tsy hivadika tokoa ny toetra vaovao. Mampianatra antsika mba tsy hivadika koa anefa ny vano.