Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mahery ny Tenin’Andriamanitra”

“Mahery ny Tenin’Andriamanitra”

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

“Mahery ny Tenin’Andriamanitra”

MAHAFANTATRA tsara ny Baiboly ny ankamaroan’ny olona any Jamaika, iray amin’ireo nosy talaky masoandro any Caraïbes. Saika manana Baiboly ny fianakaviana tsirairay, ary misy tena mahatsapa fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” (Hebreo 4:12) Afaka manova fiainana io hery io, araka ny asehon’ity fitantarana ity.

Notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny lehilahy iray atao hoe Cleveland, rehefa iny avy niasa iny. Nanazava taminy hevitra sasany avy tao amin’ny Soratra Masina io Vavolombelona io, ary nanome azy ilay boky fianarana Baiboly hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Tsy azon’i Cleveland an-tsaina mihitsy hoe tena hisy heriny lehibe eo amin’ny fiainany ny Tenin’Andriamanitra.

Zatra nivavaka intelo isan’andro i Cleveland, nangataka tamin’Andriamanitra mba hanoro azy ny fomba tokony hivavahany aminy. Niaiky izy fa tsy nety ny fomba nanompoan’ny ray aman-dreniny an’Andriamanitra. Rehefa nandinika fivavahana hafa anefa izy, dia tsy nahafa-po azy izany. Nandre momba ny Vavolombelon’i Jehovah ihany izy, saingy nisalasala raha tena manana ny fahamarinana tokoa izy ireo. Na izany aza anefa, dia nanaiky hianatra Baiboly niaraka tamin’ilay Vavolombelona nitsidika azy ihany izy. Nahoana? Mba hanaporofoana fa diso ny Vavolombelona!

Tsy ela dia nianaran’i Cleveland, fa tsy mahafaly an’Andriamanitra ny nanaovany tokantranomaso tamin’ny vehivavy anankiroa. (1 Korintiana 6:9, 10) Vao indroa fotsiny izy no nianatra dia nisikina herim-po ka nanapaka ny fifandraisany tamin’izy roa vavy ireo. Nanomboka nanatrika ireo fivoriana kristianina tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa izy. Fitsapana hafa ho azy koa anefa izany.

Nazoto nilalao baolina kitra niaraka tamin’ny ekipa teo an-tanànany mantsy izy. Nanakantsakana ny famonjeny fivoriana anefa izany. Inona no nataony? Niala tamin’ilay ekipa izy, na dia teo aza ny fanerena faran’izay mafy avy tamin’ireo mpiara-milalao taminy sy ny mpanazatra ary ireo namany. Eny, nanomboka nisy heriny teo aminy ny Tenin’Andriamanitra ka nampirisika azy hanao zavatra tsara!

Niseho indray ny herin’ny Tenin’Andriamanitra rehefa nanomboka nizara ny fahalalana avy ao amin’ny Baiboly i Cleveland. (Asan’ny Apostoly 1:8) Ho vokany, dia nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny roa tamin’ireo mpiara-nilalao taminy taloha. Rehefa nahafeno fepetra i Cleveland, dia lasa mpitory ny vaovao tsara. Tena faly izy mampiasa ny Tenin’Andriamanitra mba hanampiana ny hafa.

Nanan-kery teo aminy hatrany ny Tenin’Andriamanitra, ka nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ary nampiseho izany rehefa natao batisa tao anaty rano. Manana tombontsoa manokana izy izao satria mpanompo manontolo andro sady mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana.

Any Jamaika sy maneran-tany, dia olona an’arivo no mianatra fa tena “velona sy mahery” ny Tenin’Andriamanitra.

[Sarintany/Sary, pejy 8]

(Jereo ny gazety)

JAMAIKA

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany sy gilaoby: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.