Mifehy ny Fiainanao ve ny Finoanoam-poana?
Mifehy ny Fiainanao ve ny Finoanoam-poana?
HITA maneran-tany ny finoanoam-poana. Misy mihevitra azy io ho zava-dehibe satria anisan’ny kolontsaina indraindray. Mety hoheverina ho zavatra kely mahaliana fotsiny koa anefa izy io, ka hoe mampisy tsirony kokoa ny fiainana. Tsy raharahaina na tsy inoana loatra izy io matetika, any amin’ny tany tandrefana. Misy vokany lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona anefa izy io any an-tany hafa, toy ny atsy Afrika.
Miorina amin’ny finoanoam-poana ny ankabeazan’ny kolontsaina afrikanina. Ny filma sy ny fandaharana amin’ny radio ary ny asa soratra vokarin’ny Afrikanina, dia manasongadina finoanoam-poana, fanaovana mazia, fivavahana amin’ny razana, ary ny ody atao fiaro. Nahoana ny finoanoam-poana no misy heriny lehibe toy izany eo amin’ny olona? Avy aiza izy io?
Avy aiza ny finoanoam-poana?
Ny tahotra ny fanahin’ny maty na ny tahotra ny fanahy hafa no tena mahatonga ny finoanoam-poana. Heverina fa miezaka mifandray amin’ny olona ireo fanahy ireo, matoa misy zava-mitranga, ka mandrahona, na mampitandrina, na manome valisoa, izy ireo.
Tsy misaraka amin’ny fanasitranana sy ny fanafody koa ny finoanoam-poana. Lafo be ho an’ny ankamaroan’ny olona atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ny fanafody maoderina, sady matetika no tsy misy tsotra izao. Noho izany, dia maro no mifandray amin’ny maty na manaraka fomban-drazana na finoanoam-poana, mba ho sitrana na hisorohana aretina. Mahazo aina kokoa izy ireo rehefa mankany amin’ny mpimasy, toy izay ho any amin’ny dokotera. Fantatr’ilay mpimasy mantsy ny fombafomban’izy ireo sy ny fiteniny. Miroborobo hatrany ny finoanoam-poana, noho izany.
Araka ny finoanoam-poana dia ny fanahy no mahatonga ny aretina sy ny loza, fa tsy kisendrasendra akory. Mety hilaza ny mpimasy fa misy zavatra mahasosotra ny razana matoa mitranga izany. Mety hilaza koa ny mpanelanelana amin’ny fanahy, fa nisy nangataka tamin’ny mpimasy rafiny mba hanozona an’ilay olona, ka izany no nampaharary azy na nahitany loza.
Samy hafa be ny finoanoam-poana eran-tany. Arakaraka ny vakomanitra sy ny angano ary ny zava-miseho eo an-toerana no mampiely azy. Ny itovian’izy ireo anefa, dia ny finoana fa mila hampitonena ny olona na zavatra any amin’ny tontolon’ny fanahy tsy hita maso any.
Tsy mampaninona ve sa mampidi-doza?
Fifaliana be ho an’ny ankamaroan’ny olona izany miteraka kambana izany, sady tsy mpitranga matetika. Mety hihevitra izany ho fambara anefa ireo minomino foana. Olona maro atsy Afrika Andrefana no mino fa andriamanitra ny zaza kambana, ka ivavahan’izy ireo. Raha sanatria maty ny iray na izy roa mihitsy, dia misy manamboatra sarivongana mitovy amin’ireo zaza ireo, ary tsy maintsy manolotra sakafo ho an’ireo sampy ireo ilay fianakaviana. Any an-tany hafa
indray, dia heverina fa voaozona izay miteraka kambana, ka misy mihitsy ray aman-dreny mamono ny iray amin’izy ireo, fara faharatsiny. Nahoana? Satria mino izy ireo fa hamono ny ray aman-dreniny ireo kambana ireo indray andro any, raha samy mbola velona.Hita avy amin’izany fa misy finoanoam-poana tena mampidi-doza, ary mety hahafaty mihitsy aza, na dia heverina ho mahaliana sy tsy mampaninona aza ny hafa. Lasa mampidi-doza ny zava-mitranga tsy dia misy dikany rehefa raisina amin’ny fomba ratsy.
Karazana fivavahana mihitsy ny finoanoam-poana, raha ny marina. Koa satria mety hampidi-doza izy io dia ilaina ny manontany tena hoe: Iza no tena mandray soa avy amin’ny finoanoam-poana sy ny zavatra fanaon’ny olona vokatr’izy io?
Ny fototry ny finoanoam-poana
Misy olona tsy mino hoe misy i Satana na ny fanahy ratsy, na dia voaporofo aza fa tena misy izy ireo. Raha tsy ekenao anefa fa tena misy ny fahavalo iray mampidi-doza, mandritra ny ady, dia tsy maintsy hiharam-pahavoazana ianao. Marina koa izany raha ny amin’ny fiadiana amin’ny fanahy ratsy mahery noho ny olombelona. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: ‘Mitolona amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra isika.’—Efesiana 6:12.
Tena misy ny fanahy ratsy na dia tsy afaka mahita azy ireo aza isika. Tantarain’ny Baiboly fa nampiasa bibilava ny fanahy iray tsy hita maso, mba hiresahana tamin’i Eva, ilay vehivavy voalohany, ka nitarika azy hikomy tamin’Andriamanitra. (Genesisy 3:1-5) Lazain’ny Baiboly fa io fanahy io dia “ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao.” (Apokalypsy 12:9) Nahavita nitarika anjely hafa mba hikomy koa i Satana. (Joda 6) Lasa demonia fahavalon’Andriamanitra ireny anjely ratsy fanahy ireny.
Namoaka demonia tamin’ny olona i Jesosy sy ny mpianany. (Marka 1:34; Asan’ny Apostoly 16:18) Tsy ny razana efa maty ireny fanahy ireny, satria “tsy mba mahalala na inona na inona” ny maty. (Mpitoriteny 9:5) Anjely nikomy, nofitahin’i Satana, kosa izy ireo. Tsy tokony hatao kilalao ny fifandraisana amin’izy ireo, na ny fanekena ny fitaomany. Te handrapaka antsika mantsy izy ireny, toa an’i Satana Devoly, ilay mpitarika azy ireo. (1 Petera 5:8) Ny tanjon’izy ireo dia ny tsy inoantsika intsony fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenan’ny olombelona.
Asehon’ny Baiboly ny iray amin’ny fomba ampiasain’i Satana sy ny demoniany. Izao no lazainy: “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava.” (2 Korintiana 11:14) Te hamitaka antsika i Satana mba hinoantsika fa afaka manatsara ny fiainantsika izy. Noho izany, dia toa ahazoana soa vetivety ny asan’ny fanahy ratsy. Tsy afaka manome vahaolana maharitra anefa izy ireny. (2 Petera 2:4) Tsy afaka manome fiainana mandrakizay mihitsy izy ireny, ary kely sisa dia horinganina. (Romana 16:20) Ny Mpamorona antsika ihany no afaka manome fiainana mandrakizay sy ny tena fahasambarana, ary ny fiarovana tsara indrindra amin’ny fanahy ratsy.—Jakoba 4:7.
Melohin’Andriamanitra ny fifandraisana amin’ny maty mba hahazoana fanampiana. (Deoteronomia 18:10-12; 2 Mpanjaka 21:6) Miandany amin’ny fahavalo izay manao izany, ary manao fifanekena amin’ny mpamadika an’Andriamanitra! Raha mijery tonon’andro ianao, na maka hevitra any amin’ny mpimasy, na manao fombafomba mifandray amin’ny finoanoam-poana, dia midika izany fa avelanao hifehy ny fanapahan-kevitrao ny fanahy ratsy. Toy ny hoe mikomy amin’Andriamanitra toa azy ireo koa ianao amin’izay.
Azo atao ve ny miaro tena amin’ny fanahy ratsy?
Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Ade *, mipetraka any Niger. Nanana ody fiaro izy tany am-pivarotany. Ny anton’izany, hoy izy, dia satria “betsaka ny fahavalo.” Nohazavain’ilay mpampianatra Baiboly taminy fa i Jehovah ihany no azo itokisana fa tena hiaro azy. Novakiny tamin’i Ade ny Salamo 34:7, manao hoe: “Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.” Farany, dia hoy i Ade: “Hesoriko io ody fiaro io, raha tena afaka miaro ahy i Jehovah.” Anti-panahy sady mpanompo manontolo andro i Ade izao, taona maro atỳ aoriana. Tsy nisy nanisy ratsy azy ny fahavalony, na dia iray aza.
Mpitoriteny 9:11) Tsy manisy ratsy antsika mihitsy anefa i Jehovah. (Jakoba 1:13) Ny fahotana nolovantsika tamin’i Adama no mahatonga ny fahafatesana sy ny tsy fahalavorariana. (Romana 5:12) Izany no mahatonga ny olona harary indraindray, na hanao fahadisoana izay mety hitondra fahavoazana. Tsy mety àry ny milaza hoe ny fanahy ratsy no mahatonga izao aretina sy zava-manahirana rehetra izao. Raha mino izany isika dia vao mainka hitady fomba hampitonena ny fanahy. * Tokony hanatona dokotera isika rehefa marary, fa tsy haka hevitra any amin’i Satana Devoly, ilay ‘mpandainga sady rain’ny lainga.’ (Jaona 8:44) Araka ny tatitra azo, dia tsy ela velona kokoa na tsara fiainana kokoa ny olona any amin’ny tany be finoanoam-poana, raha oharina amin’ny any an-tany hafa. Mazava àry fa tsy manatsara ny fahasalamana ny finoanoam-poana.
Asehon’ny Baiboly fa samy azon-tsampona isika rehetra, na minomino foana na tsia. (Mahery kokoa noho ny fanahy ratsy Andriamanitra, ary ny hahasoa antsika no iriny. “Ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.” (1 Petera 3:12) Mivavaha aminy mba hiarovany anao sy hanomezany fahendrena anao. (Ohabolana 15:29; 18:10) Miezaha mba hahafantatra ny Teniny Masina, dia ny Baiboly. Tsy misy fiarovana tsara noho ny fahalalana marina ny Baiboly. Hanampy antsika hahatakatra ny antony mahatonga ny zava-dratsy hitranga izany, ary hanampy antsika koa hahazo sitraka amin’ilay Andriamanitra Tsitoha.
Ny soa entin’ny fahalalana an’Andriamanitra
Ny fahalalana marina an’i Jehovah sy ny fikasany, fa tsy ny finoanoam-poana na ny tsy fahalalana, no tena fiarovana. Izany no asehon’ny zavatra niainan’ny lehilahy iray atao hoe Jean, avy any Bénin. Efa fiainan’ny fianakaviany mihitsy ny finoanoam-poana. Araka ny finoanoam-poana ao amin’ny fokony dia tsy maintsy mijanona ao anaty trano bongo manokana ny vehivavy vao tera-dahy, mandritra ny sivy andro. Raha tera-bavy indray izy, dia herinandro izy no tsy maintsy mijanona ao.
Niteraka zazalahy kely mahafatifaty ny vadin’i Jean, tamin’ny 1975. Nantsoin’izy ireo hoe Marc izy io. Tsy nety nifandray tamin’ny fanahy ratsy mihitsy ry Jean mivady, noho ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly. Ho resin’ny tahotra sy ny fanerena hanaraka ny finoanoam-poana anefa ve izy ireo, ka handeha hipetraka ao anatin’ilay trano bongo ny vadin’i Jean? Tsy nanaraka izany finoanoam-poanan’ny fokony izany izy ireo.—Romana 6:16; 2 Korintiana 6:14, 15.
Niharan’ny loza ve izy ireo? Taona maro izay no lasa ary mpanampy amin’ny fanompoana i Marc izao, eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Faly izy mianakavy fa tsy navelany hofehezin’ny finoanoam-poana ny fiainany. Nety ho nanimba ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra mantsy izany.—1 Korintiana 10:21, 22.
Tsy maintsy manalavitra ny fanao ratsy mifandray amin’ny finoanoam-poana ny tena Kristianina. Tsy maintsy eken’izy ireo ny fahazavana ara-panahy avy amin’i Jehovah, ilay Mpamorona, sy i Jesosy Kristy, Zanany. Tena hilamin-tsaina izy ireo amin’izay, satria fantany fa manao izay lazain’Andriamanitra fa mety izy ireo.—Jaona 8:32.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 20 Novana ny anarana.
^ feh. 21 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Devoly ve no Mahatonga Antsika Harary?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1999.
[Efajoro/Sary, pejy 5]
Karazana Finoanoam-poana Fahita Eran-tany
• Ho faty ianao raha mitsatoka ao anatin’ny viliam-barinao ny hazokely fihinanana
• Maharatsy vintana ny mahita vorondolo amin’ny antoandro
• Mihaodihaody ny fanahy ratsy matoa misy labozia maty mandritra ny fankalazana iray
• Raha misy mandatsaka elo ao an-trano, dia hisy vonoan’olona ao izay
• Maharatsy vintana ny mametraka satroka ambony fandriana
• Mampandositra ny demonia ny feon-dakolosy
• Raha indray mandeha monja ny olona iray no mitsoka ka maty ny labozia eo ambony mofomamy amin’ny aniverserany, dia ho tanteraka ny faniriany
• Raha mitehika amin’ny fandriana ny kifafa, dia manan-kery eo amin’izay handry eo amboniny ny fanahy ratsy ao anatin’ilay kifafa
• Ho ratsy vintana ianao raha mifanena amina saka mainty
• Raha mandatsaka forosety ianao, dia hisy lehilahy hitsidika anao
• Mahatsara vintana ny sarina elefanta raha manatrika ny varavarana
• Mahatsara vintana ny vy amin’ny kitron-tsoavaly atao eo ambony tolam-baravarana fidirana
• Miaro amin’ny fanahy ratsy ny zavamaniry mandady amin’ny trano
• Maharatsy vintana ny mandeha ambany tohatra
• Vintan-dratsy haharitra fito taona no miandry izay mamaky fitaratra
• Hifamaly amin’ny namanao akaiky indrindra ianao raha mandraraka dipoavatra
• Maharatsy vintana ny mandraraka sira, raha tsy anipazana sira kely eo ambony soroka havia
• Ny demonia no ho avy hipetraka ambonin’ny seza misavily, raha avela hisavily izy io nefa tsy misy olona eo amboniny
• Maharatsy vintana ny kiraro mihohoka
• Tsy maintsy avela hisokatra ny varavarankely rehefa misy maty, mba hivoahan’ny fanahy
[Efajoro, pejy 6]
Tsy Voagejan’ny Finoanoam-poana Intsony
Teo am-pitoriana tany amin’ny faritra iray atsy Afrika Atsimo ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa nandondòna tamin’ny varavarana iray izay izy ireo, dia vehivavy nanao akanjon’ny Sangoma (mpimasy) no nitsena azy ireo. Efa andeha hiverin-dalana izy ireo, saingy tsy nety ilay ramatoa raha tsy nilaza ny hafany izy ireo. Namaky ny Deoteronomia 18:10-12 ny iray tamin’ireo Vavolombelona, mba hampisehoana taminy ny fiheveran’Andriamanitra ny fifandraisana amin’ny maty. Nandray ilay hafatra io mpimasy io sady nanaiky hianatra Baiboly. Nilaza izy fa raha resy lahatra izy hoe tsy tian’i Jehovah ny fanaovana Sangoma, dia tsy hanao izany intsony izy.
Rehefa avy nianatra ny toko faha-10 amin’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany izy, niaraka tamin’ny Baiboly, dia nodorany daholo ny fitaovany filalaovana ody. Nanomboka nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa izy. Nandeha nisoratra izy mivady, mba ho ara-dalàna ny fanambadiany, na dia efa 17 taona aza no efa tsy niara-nipetraka. Samy nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy mivady izao, ary Vavolombelon’i Jehovah vita batisa.
[Sary, pejy 6]
“Sangoma” manipy taolana mba hamantarana izay mahatonga ilay olona harary
[Sary, pejy 7]
Ny fahalalana marina an’Andriamanitra no tena fiarovana sy antoky ny fahasambarana