Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fiainan’ny Olona Voafehin’ny Finoanoam-poana

Ny Fiainan’ny Olona Voafehin’ny Finoanoam-poana

Ny Fiainan’ny Olona Voafehin’ny Finoanoam-poana

MIFANENA amin’olona ianao rehefa mivoaka ny trano. Voafingan’ny vato ny tongotrao. Misy feom-borona sasany re amin’ny alina. Matetika mitovy ny nofinao. Zavatra tsotra tsy misy voka-dratsiny izany, ho an’ny olona maro. Mety hihevitra izany ho fambara, na hafatra avy amin’ny fanahy anefa, ny olona sasany atsy Afrika Andrefana. Mino izy ireo fa hisy fanambinana na loza hitranga tsy ho ela, arakaraka ilay fambara sy ny fandraisana azy.

Mazava ho azy fa tsy ny olona atsy Afrika ihany akory no minomino foana. Mahagaga, ohatra, fa olona maro no minomino foana any Chine sy any amin’ireo firenena anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Tsy nino an’Andriamanitra hatramin’ny taona maro mantsy ireo firenena ireo. Any amin’ny tany tandrefana, dia maro no mijery tonon’andro, matahotra ny zoma faha-13 amin’ny volana, ary mandositra saka mainty. Miparitaka ny SIDA any Inde, satria mino ny mpitondra kamiao fa mila manao firaisana izy, mba hampangatsiatsiaka ny vatany amin’ny andro mahamay. Mihevitra ny mpandavaka tionelina any Japon fa ho ratsy vintana izay vehivavy mandeha ao amin’ny tionelina mbola tsy vita. Maro be koa ny matihanina amin’ny fanatanjahan-tena no minomino foana. Nisy mihitsy aza mpilalao volley-ball nihevitra fa matoa naharesy imbetsaka ny ekipany dia satria nanao ba kiraro mainty izy, fa tsy fotsy. Mbola betsaka ny finoanoam-poana toy izany.

Ary ianao? Mety misy zavatra atahoranao ve, nefa tsy fantatry ny olona sady tsy hitanao izay tena antony? Misy ‘zavatra inoanao ve na eritreretinao fa mety ho marina, na fombafomba arahinao, nefa tsy misy antony mitombina mahatonga anao hanao izany’? Izany mantsy no atao hoe ‘finoanoam-poana’, ka arakaraka ny valin-teninao no ahitana raha mifehy ny fiainanao izy io na tsia.

Raha misy olona mamela ny finoanoam-poana hanan-kery eo amin’ny fanapahan-keviny sy ny asa fanaony isan’andro, dia manaiky hofehezin’ny zavatra tsy tena fantany tsara izy. Fahendrena ve izany? Tokony hanaiky hofehezin’ny hery tsy fantapantatra sady mety hampidi-doza toy izany ve isika? Kilema kely tsy mampaninona ve ny finoanoam-poana sa tena mety hampidi-doza?