Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana no Tahin’i Jehovah ny Ezaka Mafy Ataontsika?

Rahoviana no Tahin’i Jehovah ny Ezaka Mafy Ataontsika?

Rahoviana no Tahin’i Jehovah ny Ezaka Mafy Ataontsika?

“AVELAO Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro.”

“Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.”

“Iza moa no anaranao?”

“Jakoba.”

“Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona hianao ka nahery.”—Genesisy 32:27-29.

Tena nahavita nitolona tamin’ny anjely i Jakoba na dia efa 97 taona aza, ary ireo ambony ireo no resaka nifanaovan’izy ireo avy eo. Tsy milaza ny Baiboly hoe nahay tolona i Jakoba, nefa dia nifampitolona tamin’ilay anjely nandritra ny alina manontolo izy. Nahoana? Nanahy mafy ny amin’ilay lova ara-panahy nampanantenain’i Jehovah ny razambeny i Jakoba.

Natakalon’i Esao rahalahiny voanemba iray vilia taminy ny fizokiana, taona maro talohan’izay. Ren’i Jakoba anefa izao fa manatona azy miaraka amin’ny lehilahy 400 i Esao. Tsy mahagaga raha nitebiteby izy. Nanontany an’i Jehovah indray àry izy raha ho tanteraka ilay fampanantenany hoe tena hitombo ny ankohonany, ka honina eny ampitan’ny Ony Jordana. Tonga dia nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony i Jakoba. Nandefa fanomezana be dia be ho an’i Esao, izay efa nihananakaiky, izy. Nandray fepetra fiarovana koa izy, ka nozarainy roa ny olona niaraka taminy, ary nentiny nita ny ranon’i Jaboka ny vady aman-janany. Vao mainka niezaka mafy izy avy eo, satria nitolona tamin’ny anjely nandritra ny alina manontolo sady nitomany mafy. “Hifona”, na hangataka fanampiana, no antony niadiany mafy toy izany.—Hosea 12:5; Genesisy 32:2-33.

Jereo koa ny zava-nitranga taloha kelin’izay, dia ny amin’i Rahely, vadin’i Jakoba faharoa, sady ny vadiny tiany indrindra. Fantatr’i Rahely tsara ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hitahy an’i Jakoba. Notahina i Lea rahavaviny, vadin’i Jakoba voalohany, satria niteraka zanakalahy efatra. Momba kosa anefa i Rahely. (Genesisy 29:31-35) Tsy nitsetra tena izy, na izany aza, fa nangataka tamin’i Jehovah foana, ary tonga dia nanao zavatra nifanaraka tamin’izany. Nanao toy izay nataon’i Saraha razambeny tamin’i Hagara izy, ka nomeny ho vadin’i Jakoba i Bila ankizivaviny mba ‘hahazoany zaza avy aminy.’ * Niteraka zazalahy roa tamin’i Jakoba i Bila, dia i Dana sy Naftaly. Izao no nolazain’i Rahely momba ny ezaka nataony mba handreseny ny alahelony, ka nahazoany an’i Naftaly: “Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko, ka nahery aho.” Vao mainka notahina i Rahely tatỳ aoriana satria izy mihitsy no niteraka zazalahy roa, dia i Josefa sy Benjamina.—Genesisy 30:1-8; 35:24.

Nahoana no notahin’i Jehovah ny ady mafy nataon’i Jakoba sy ny ezaka nataon’i Rahely mba handreseny ny alahelony? Ny sitrapon’i Jehovah foana no nifantohan’izy ireo, ary nankamaminy ny lovany. Nivavaka mafy izy ireo mba hankasitrahan’i Jehovah ny fiainany. Nanao zavatra nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra sy tamin’ny vavaka nataony koa izy ireo.

Maro ankehitriny no toa an’i Jakoba sy Rahely, ka mahita fa ilaina ny ezaka mafy raha te hotahin’i Jehovah. Matetika izy ireo no mitomany sy kivy eo am-piezahana mafy. Tsy nivory nandritra ny fotoana ela be ny renim-pianakaviana kristianina iray atao hoe Elizabeth. Niezaka mafy izy tatỳ aoriana mba hivoriana tsy tapaka indray. Tsaroany fa tena sarotra taminy ilay izy satria dimy lahy mbola kely ny zanany, tsy mpino ny vadiny, ary 30 kilaometatra niala teo aminy ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra. ‘Tena nila namola-tena be mihitsy aho mba handehanana hivory tsy tapaka. Fantatro anefa fa nahasoa ahy sy ny zanako izany. Nanjary takatr’izy ireo fa tena zava-dehibe ny nanatrika fivoriana tsy tapaka rehefa nahita izany ezaka izany izy ireo.’ Nitahy ny ezaka nataon’io renim-pianakaviana io i Jehovah. Mavitrika tsara eo anivon’ny fiangonana kristianina ny zanany telo, ka mpanompo manontolo andro ny roa aminy. Faly ilay reny mahita ny fandrosoan’izy ireo, ka hoy izy: “Ry zareo indray izao no zokiko ara-panahy.” Tena notahina tokoa ny ezaka mafy nataony!

Ezaka mafy tahin’i Jehovah

Tena misy valiny tokoa ny ezaka sy asa mafy. Arakaraka ny hiezahantsika kokoa amin’izay asa na fanendrena omena antsika no hahafa-po kokoa antsika. Noforonin’i Jehovah ho toy izany mihitsy isika. Izao no nosoratan’i Solomona Mpanjaka: “Raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 3:13; 5:17, 18) Tokony ho azontsika antoka tsara anefa hoe inona no zavatra anaovantsika ezaka, mba hitahian’Andriamanitra antsika. Ohatra, mety ve ny hanantenantsika ny fankasitrahan’i Jehovah, raha hita amin’ny fomba fiainantsika fa tsy ataontsika loha laharana ny zavatra ara-panahy? Afaka manantena ve ny Kristianina iray nanolo-tena fa hankasitrahan’i Jehovah izy raha manaiky asa na toerana ambony kokoa, nefa tsy ho afaka hanatrika fivoriana intsony, ka tsy hankafy ny fiarahana sy fampianarana manatanjaka ny finoana hita any?—Hebreo 10:23-25.

Tsy voatery ho “finaritra” ny olona iray raha ny hanana asa tsara kokoa sy harena no hany iezahany mafy eo amin’ny fiainany, fa tsy ny zavatra ara-panahy. Niresaka ny vokatry ny ezaka very maina toy izany i Jesosy tao amin’ilay fanoharany momba ny mpamafy. Nilaza izy fa ireo voa “nafafy teny amin’ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.” (Matio 13:22) Nampitandrina ny amin’izany fandrika izany koa i Paoly, ary nilaza fa izay tsy manao afa-tsy ny mikatsaka harena dia “latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.” Inona no fanafodin’izany fomba fiaina manimba ara-panahy izany? Hoy ihany i Paoly: ‘Mandosira izany zavatra izany. [Aza] matoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.’—1 Timoty 6:9, 11, 17.

Afaka mandray soa isika rehetra raha manahaka ny ezaka mafy nataon’i Jakoba sy Rahely, na firy taona isika na firy taona, ary na efa ela na vao haingana no nanompoantsika an’i Jehovah. Tsy nanadino ny lovany ara-panahy mihitsy izy mivady ireo, rehefa nitady ny fankasitrahan’i Jehovah, na dia nety ho nampahatahotra sy nahakivy aza ny toe-javatra nisy azy. Mety hampahatahotra, na hahakivy mihitsy aza ankehitriny ny zava-tsarotra atrehintsika. Manjary tsy te hiady intsony isika ka ho resin’i Satana koa. Mety hampiasa izay fomba rehetra eo am-pelatanany izy mba hahatratrarany ny tanjony, ka mety ho fialam-boly izany, na fanatanjahan-tena, na asa tsara kokoa, na fikatsahana harena. Omeny fampanantenana tsara ny olona nefa zara raha tanteraka ilay izy. Diso fanantenana tanteraka matetika ireo voafitaka na voasarika tamin’ireo zavatra ireo. Aoka isika hanahaka an’i Jakoba sy Rahely, ka hiady mafy mba handresena ny fitak’i Satana.

Ny hahita antsika hilavo lefona no tena tadiavin’ny Devoly, ka hilaza hoe: ‘Tsy misy fanafodiny intsony ilay izy. Tsy hitako intsony izay hatao, sady tsy hitako koa izay antony iadiana.’ Tena mety hampidi-doza àry raha resy tsy miady isika, ka hieritreritra hoe ‘tsy misy tia ahy’ sy hoe ‘hadinon’i Jehovah aho.’ Manimba antsika ny eritreritra toy izany. Tsy mety hidika ve izany fa niraviravy tanana isika, ka tsy miady mafy intsony mba hahazo fitahiana? Tadidio fa raha miezaka mafy ihany isika vao tahin’i Jehovah.

Miadia mafy hatrany mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah

Ireto misy fahamarinana fototra roa momba ny fiainantsika mpanompon’i Jehovah. Miankina be dia be amin’ny fahafantarantsika izany ny fahasalamantsika ara-panahy: 1) Tsy isika irery akory no ianjadian’ny olana sy ny aretina ary ny toe-javatra sarotra eo amin’ny fiainana; 2) Henoin’i Jehovah ireo mitaraina mafy aminy mba hahazo fanampiana sy fitahiana.—Eksodosy 3:7-10; Jakoba 4:8, 10; 1 Petera 5:8, 9.

Aza manaiky ho tratran’ilay “ota izay malaky mahazo antsika”, dia ny tsy fahampiam-pinoana, na sarotra toy inona aza ny toe-javatra misy anao ary na tsapanao aza hoe tsy dia afa-manoatra loatra ianao. (Hebreo 12:1) Miadia mafy mandra-pahazonao fitahiana. Mahareta ka tadidio i Jakoba, izay efa be taona, nefa mbola nitolona nandritra ny alina manontolo mba hahazoana fitahiana. Toy ny tantsaha mamafy voa amin’ny lohataona, ary miandry ny fotoam-pijinjana, dia mahareta miandry ny fitahian’i Jehovah amin’ny asa ara-panahy ataonao, na dia tsapanao aza hoe voafetra ihany ny vitanao amin’izany. (Jakoba 5:7, 8) Tadidio foana koa ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana.” (Salamo 126:5; Galatiana 6:9) Miorena tsara, ary aoka ianao ho anisan’ireo miady mafy foana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Efa nisy talohan’ny nanorenana ny faneken’ny Lalàna ny fananana vadikely. Nekena izy io rehefa tonga ny Lalàna, ary nisy fitsipika navoaka momba izany. Hitan’i Jehovah fa mbola tsy nety ny fampiharana ilay fitsipika momba ny fananana vady tokana, nomeny tany amin’ny zaridainan’i Edena, raha tsy rehefa tonga tetỳ an-tany i Jesosy Kristy. Namoaka fitsipika niaro ny vadikely anefa izy. Nampitombo haingana kokoa ny zanak’Isiraely ny fananana vadikely.