Tratrantitra Sady Voky Andro
Tantaram-piainana
Tratrantitra Sady Voky Andro
NOTANTARAIN’I MURIEL SMITH
Nisy nandondòna mafy tao am-baravaranay. Avy nitory aho ny maraina manontolo, ary vao tonga tao an-trano hisakafo antoandro. Nampangotraka rano hanaovana dite kely toy ny fanaoko aho tamin’izay, ary saika hitsotsotra haka aina kely mandritra ny antsasak’adiny. Nandondòna tsy an-kijanona ilay olona. Nieritreritra aho rehefa handeha ho any am-baravarana hoe, iza no mety ho tonga hitsidika tamin’io ora io. Tsy ela dia fantatro. Nampahafantatra ny tenany ho polisy ireo lehilahy roa teo am-baravarana. Nilaza izy ireo fa tonga hitady bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-tranonay. Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany.
Inona no antony nandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ Aostralia? Ary ahoana no nahatonga ahy ho Vavolombelon’i Jehovah? Fanomezana avy amin’i Neny no niandohan’ny tantara. Taona 1910 tamin’izay, ary folo taona aho.
NIPETRAKA tao amin’ny trano hazo tany avaratr’i Sydney, faritanàna manamorona an’i Crows Nest, izahay. Avy nianatra aho indray andro, no nahita an’i Neny niresaka tamin’ny lehilahy iray teo am-baravarana. Tiako ho fantatra io vahiny io. Nanao kompile izy ary nitondra kitapo feno boky. Nanao aza fady aho, ary menamenatra erỳ niditra tao an-trano. Vetivety teo anefa dia niantso ahy i Neny, ary niteny hoe: “Tsara ny bokin’ity lehilahy ity sady
momba ny Baiboly. Efa hitsingerina ny andro nahaterahanao, ka inona no tianao, akanjo sa ireto boky ireto?”“Misaotra Neny a! Boky no tiako”, hoy aho.
Vao folo taona àry aho, dia efa nahazo ny boky telo voalohany tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina (anglisy), nosoratan’i Charles Russell. Nilaza tamin’i Neny ilay lehilahy, fa ho sarotra tamiko ny hahazo izay raketin’ireo boky, ka nila ny hohazavain’i Neny. Nilaza i Neny fa hanao izany izy. Nampalahelo anefa fa maty izy, taoriana kelin’izay. Nikarakara tsara anay telo mianadahy i Dada. Navesatra tamiko anefa ireo andraikitra fanampiny tsy maintsy niantsorohako. Nananontanona koa ny loza hafa.
Nipoaka ny Ady Lehibe I tamin’ny 1914, ary nisy namono i Dada, herintaona monja taorian’izay. Lasa kamboty izahay, ka nalefa tany amin’ny havanay izy mianadahy zandriko ary izaho nalefa tany amin’ny kilasimandry katolika. Nampahory ahy indraindray ny fahatsapana ho irery. Faly anefa aho mbola afaka nanohy ny fianarana nankafiziko, dia ny mozika, indrindra fa ny piano. Vita ny fianarako rehefa nandeha ireo taona. Nanambady an’i Roy Smith, mpivarotra zavamaneno, aho tamin’ny 1919. Niteraka izahay tamin’ny 1920, ary vao mainka indray aho sahirana tamin’ny fiainana. Ary nanao ahoana ireo boky?
Nizara ny fahamarinana ny mpifanila trano
Tsy nisaraka tamiko ireo “boky ara-baiboly” nandritra izany taona rehetra izany. Mbola tsy voavakiko tsara izy ireo, nefa tsapako fa lehibe ny hafatra noraketiny. Nitsidika anay i Lil Bimson, mpifanila trano taminay, indray andro, tamin’ny faramparan’ireo taona 1920. Nipetraka hisotro dite tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny izahay.
Niteny tampoka izy hoe: “Hay manana an’iretsy boky iretsy ianao!”
Gaga aho, ka nanontany hoe: “Boky inona?”
Notondroiny ireo Fianarana ny Soratra Masina, nipetraka teo amin’ny talantalam-boky. Nindraminy izy ireo, ka nentiny nody ary novakiny haingana. Tsy ela dia niharihary fa nampientam-po an’i Lil izay novakiny. Nahazo boky hafa koa izy, avy tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Tsy naharitra izy, fa nolazainy taminay daholo izay nianarany. Nahazo ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra (anglisy) koa izy, ary vetivety dia efa tany an-tranonay ilay izy no hita. Nanokana fotoana namakiana azy io aho, ka nanomboka tamin’izay ny fiainako tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Azoko ihany ny valin’ireo fanontaniana lehibe tsy voavalin’ny fiangonana nisy ahy.
Soa ihany fa tena liana tamin’ny hafatra ara-baiboly i Roy, ka lasa mpianatra ny Baiboly nazoto izahay. Tao amin’ny fikambanana ara-pivavahana atao hoe Framasao i Roy taloha. Tafaray ao amin’ny fivavahana marina izao izahay mianakavy, ary nisy anadahy nampianatra Baiboly anay, indroa isan-kerinandro. Mbola nahazo fampaherezana koa izahay rehefa nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly. Trano kely nohofana tany amin’ny faritanàna manamorona an’i Newtown no nivoriana tany Sydney. Mbola latsaka ny 400 ny Vavolombelona teto Aostralia tamin’izany, ka tsy maintsy nandeha lavitra ny ankamaroanay rehefa hivory.
Tsy maintsy niampita ny Seranan’i Sydney izahay mianakavy, rehefa nandeha nivory. Nandeha baka izahay, tamin’ny mbola tsy vita ny Tetezan’ny Seranan’i Sydney, talohan’ny 1932. Niezaka izahay mba tsy ho tapaka tamin’ny sakafo ara-panahy nomen’i Jehovah, na dia nandany fotoana sy vola aza izany. Tsy very maina ny fiezahanay hitoetra tsara tao amin’ny fahamarinana. Efa nananontanona mantsy ny Ady Lehibe II ka tsy maintsy ho voasedra ny fianakavianay, satria tsy nanao raharaha miaramila.
Fotoam-pitsapana sy fitahiana
Fotoana nampientam-po ho anay ny fiandohan’ireo taona 1930. Natao batisa aho tamin’ny 1930, ary nanatrika fivoriambe tsy hay hadinoina tamin’ny 1931. Niara-nitsangana izahay rehetra, ary nanaiky handray ilay anarana mahafinaritra hoe Vavolombelon’i Jehovah. Niezaka niaina nifanaraka tamin’izany anarana izany izahay mivady, ka nandray anjara tamin’ny fomba fitory rehetra sy ny ezaka manokana nampirisihan’ny fandaminana. Nandray anjara, ohatra, izahay rehefa natao ny ezaka manokana hizarana bokikely tamin’ireo vahoaka nijery ny fisokafan’ny Tetezan’ny Seranan’i Sydney, tamin’ny 1932. Zavatra nisongadina ho anay ny fampiasana fiara nasiana fanamafisam-peo, ary nanana tombontsoa izahay satria nety tamin’ilay fitaovana fanamafisam-peo ny fiaranay. Tamin’io fomba vaovao io, dia nataonay nanakoako nanerana ny araben’i Sydney ny lahateny noraisim-peo, nataon’ny Rahalahy Rutherford.
Niova anefa ny toe-javatra, ary vao mainka nihasarotra. Nisy fiantraikany be teto Aostralia ny Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe tamin’ny 1932, ka nanapa-kevitra hanatsotra ny fiainanay izahay. Nifindra tany akaikin’ny toeram-pivoriana àry izahay, ka nihena be ny fandanianay tamin’ny saran-dalana. Ny horohoro vokatry ny Ady Lehibe II indray anefa no nampahory kokoa noho ny olana ara-toe-karena.
Nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, satria nankatò ny didin’i Jesosy tsy ho naman’ity tontolo ity, ary niharan’izany koa i Aostralia. Efa nisahotaka noho ny ady ny olona, ka nolazain’ny sasany ho Kominista izahay. Nanana radio efatra ny Vavolombelon’i Jehovah teto, ka nendrikendrehin’ny mpanohitra hoe nampiasa izany handefasana hafatra ho an’ny tafika japoney.
Noterena hivadika ireo anadahy tanora nantsoina hanao raharaha miaramila. Faly aho fa tsy nivadika tamin’ny finoany ny zanakay telo lahy, ka tsy nety nanao raharaha miaramila. Voasazy higadra 18 volana i Richard, zanakay lahimatoa. Nahavita nisoratra anarana ho anisan’ireo nanda tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, i Kevin, zanakay lahiaivo. Nampalahelo kosa fa maty niharan-doza tamin’ny môtô i Stuart zanakay faralahy, tamin’izy nandeha ho any amin’ny fitsarana, hamita ny raharaha momba ny tsy fanaovany miaramila. Nalahelo mafy izahay noho iny loza iny. Nifantoka tamin’ilay Fanjakana sy ny fampanantenan’i Jehovah fitsanganana amin’ny maty anefa izahay, ka afaka niaritra.
Tsy hitan’izy ireo ilay tena sarobidy
Norarana ny asan’ny Vavolombelona teto Aostralia, ny Janoary 1941. Toy ny nataon’ny apostolin’i Jesosy anefa, dia Andriamanitra no nekenay nihoatra noho ny olona, ka nanohy niasa an-tsokosoko izahay mivady nandritra ny roa taona sy tapany. Tamin’izany fotoana izany indrindra no nandondòna tao am-baravaranay ny polisy roa tsy nanao fanamiana, noresahiko tetsy aloha. Inona no nitranga?
Nampandrosoiko izy ireo, ary nanontaniako hoe: “Tsy maninona ve raha mba manapitra ity dite ity aho, alohan’ny hisavanareo ny trano?” Gaga aho fa nanaiky ry zareo. Nankany an-dakozia aho, hivavaka tamin’i Jehovah sy handamina tsara ny saiko. Rehefa niverina aho, dia niditra tao amin’ny toeram-pianaranay ny iray tamin’ireo polisy, ary nalainy daholo izay hitany nisy ny marika Tilikambo Fiambenana. Nalainy koa ny boky sy ny Baiboliko tao anatin’ny kitapo fitondrako mitory.
Hoy izy avy eo: “Tena tsy misy boky hafa miafina anaty baoritra intsony ve ato? Renay
mantsy fa mivory any amin’ny trano iray any amin’ny faran’ity lalana ity ianareo isan-kerinandro, ary mitondra boky be dia be any.”“Marina izany”, hoy aho, “fa tsy any ireo boky izao.”
“Fantatray izany Ramatoa Smith a!”, hoy izy. “Fantatray koa fa tehirizina any an-tranon’olona manodidina eto ireo boky.”
Nahita dimy baoritra tamin’ilay bokikely hoe Fahafahana sa Fanandevozan’ny Foto-pinoana Katolika (anglisy) izy ireo, tao amin’ny efitrano fandrian’ny zanako lahy.
Hoy indray izy: “Tena tsy misy boky hafa intsony ve any amin’ny garazy?”
“Tsisy na inona na inona any”, hoy aho.
Nosokafany avy eo ny lalimoara kely tao amin’ny efitrano fisakafoana. Taratasy fitanana an-tsoratra ny tatitry ny fiangonana no hitany tao. Mbola tsy nisy soratra anefa izy ireo. Nalainy ireo taratasy ireo, ary nanizingizina hisava ny garazy izy.
“Avia àry atỳ”, hoy aho.
Nanaraka ahy tany amin’ny garazy izy ireo, ary lasa rehefa avy nisava tao.
Nieritreritra tokoa izy ireo fa tena sarobidy ireo baoritra dimy azony! Nolalovany fotsiny anefa ilay tena sarobidy. Tao amiko mantsy ny lisitry ny mpitory sy ny antontan-taratasy tena nilaina momba ny fiangonana, satria mpitan-tsoratry ny fiangonana aho tamin’izany. Soa ihany fa efa nampiomanin’ireo anadahy ny amin’ny fisavana toy izany izahay, ka nafeniko tsara ireo antontan-taratasy. Nataoko tao anaty valopy izy ireo, ary napetrako tao amin’ny fanambanin’ny boaty fasiako dite sy siramamy ary lafarinina. Nataoko tao amin’ny tranom-borona teo akaikin’ny garazy ny sasany. Nandalovan’ireo polisy mihitsy ireo antontan-taratasy tena notadiaviny.
Nanomboka nanompo manontolo andro
Lasa nanorin-tokantrano ireo zanakay lahy, tamin’ny 1947, ka nieritreritra izahay mivady fa hahavita hanao fanompoana manontolo andro. Nilana mpitory maro kokoa ny faritra atsimon’i Aostralia, ka namidinay ny tranonay ary nividy tranofiara izahay. Mizpa, midika hoe “Tilikambo Fiambenana” no nataonay anarany. Afaka nitory tany amin’ny faritra lavitra be àry izahay. Niasa tany amin’ny faritany ambanivohitra tsy nisy mpitory izahay matetika. Mbola tsaroako ireo zavatra maro nahafinaritra tamin’izany. Nitarika fampianarana tamin’ny tovovavy atao hoe Beverly aho. Nandao ilay tanàna izy talohan’ny batisany. Eritrereto ny hafaliako, taona maro tatỳ aoriana, rehefa nisy rahavavy nanatona ahy tany amin’ny fivoriambe ary nilaza fa izy no Beverly! Faly be aho nahita fa nanompo an’i Jehovah izy sy ny vady aman-janany.
Nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana aho, tamin’ny 1979. Anisan’ny nantitranterina nandritra io sekoly io ny hoe: ilaina ny fianarana samirery tsy tapaka raha tiana ny haharitra amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana. Tena hitako fa marina izany. Fianarana sy fivoriana ary fanompoana no niompanan’ny fiainako manontolo. Nanana tombontsoa aho nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana nandritra ny 50 taona mahery.
Niatrika aretina
Nahita zava-manahirana aho, nandritra ireo am-polo taona farany. Nahitana famantarana
areti-maso glaucome aho, tamin’ny 1962. Mbola tsy nisy fitsaboana firy azo natao tamin’io aretina io tamin’izany, ka vetivety dia nihajamba aho. Nihatsy salama koa i Roy, ary tapaka lalan-dra tamin’ny 1983. Nisy faritra nalemy tamin’ny tenany, ary tsy afa-niteny izy. Nodimandry izy tamin’ny 1986. Tena nanampy ahy i Roy, nandritra ny nanaovako fanompoana manontolo andro. Tena malahelo azy aho.Na teo aza izany sakantsakana rehetra izany, dia niezaka aho hanohy ny fahazarana tsara nanao zavatra ara-panahy. Nividy fiara mafy tsara nety tamin’ny faritaninay somary ambanivohitra aho, ary nanohy ny asan’ny mpisava lalana. Nanampy ahy i Joyce zanako vavy. Nihanarary ny masoko, ary tsy nahita intsony ny ilany tamin’ny farany, ka nosoloan’ny dokotera maso tavoahangy. Mbola afaka nianatra adiny telo ka hatramin’ny adiny dimy isan’andro aho, tamin’ny masoko ilany mbola nahita kely, niaraka tamin’ny lopy sy boky nisy soratra vaventy.
Tena sarobidy tamiko foana ny fotoana fianarana. Azonareo sary an-tsaina àry ny fahatairako, raha iny teo am-pianarana iny aho no tsy nahita na inona na inona tampoka teo. Toy ny hoe nisy namono ny jiro. Jamba tanteraka aho izao. Ahoana no nanohizako nianatra? Kasety no ampiasaiko, na dia lalodalovana aza aho, ary manampy ahy amim-pitiavana mba hatanjaka ara-panahy ny fianakaviako.
Miaritra hatramin’ny farany
Efa zato taona aho izao, ary misy zavatra hafa tsy metimety koa amin’ny fahasalamako ka tsy mahavita zavatra firy intsony aho. Mahatsiaro ho toy ny very aho indraindray. Ary tena very aho indraindray, satria tsy mahita intsony! Tiako raha mba manana fampianarana Baiboly indray aho. Tsy nanana intsony anefa aho, satria tsy salama. Nahakivy ahy izany tamin’ny voalohany. Tsy maintsy nianatra nanaiky ny fetran’ny mety ho vitako aho, ary nianina tamin’izany. Tsy mora ilay izy. Tena faly anefa aho satria afaka mamerina tatitra isam-bolana, amin’izay fotoana laniko niresahana momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika lehibe. Hararaotiko izay hirika azoko iresahana momba ny Baiboly. Hararaotiko iresahana amim-panajana, ohatra, ireo mpitsabo mpanampy, na mpivarotra, na olon-kafa tonga ato an-trano.
Iray amin’ireo valisoa tena mahafaly ahy ny fahitako ny zanako sy ny zafikeliko ary ny zafiafiko manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana. Misy amin’izy ireo mpisava lalana any amin’izay ilana mpitory maro kokoa, anti-panahy, mpanampy amin’ny fanompoana, ary mpiasan’ny Betela. Naniry ny hahatongavan’ny faran’ity tontolo ity aloha kokoa aho, sahala amin’ireo mitovitovy taona amiko. Nahita fitomboana be aho nandritra ny 70 taona nanompoako! Tena finaritra aho fa nandray anjara tamin’izany fitomboana lehibe izany.
Milaza ireo mpitsabo mpanampy mitsidika ahy, fa ny finoako mihitsy no mbola mahavelona ahy. Mitovy hevitra amin’izy ireo aho. Ny fahavitrihana amin’ny fanompoana an’i Jehovah no hananana fiainana tsara indrindra. Toa an’i Davida Mpanjaka, dia tena afaka milaza aho fa tratrantitra sady voky andro.—1 Tantara 29:28.
(Maty ny 1 Aprily 2002 ny anabavy Muriel Smith, raha mbola teo an-dalam-pahavitana ity lahatsoratra ity. Tsy ampy iray volana monja no tsy naha 102 taona azy. Tena fakan-tahaka tamin’ny fahatokiana sy fiaretana izy.)
[Sary, pejy 24]
Tamin’izaho 5 taona; sy tamin’ny 19 taona nifankahita tamin’i Roy vadiko
[Sary, pejy 26]
Ny fiaranay sy ilay tranofiara nantsoinay hoe Mizpa
[Sary, pejy 27]
Miaraka amin’i Roy, tamin’ny 1971