Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Yoga—Fanatanjahan-tena Fotsiny Ve?

Yoga—Fanatanjahan-tena Fotsiny Ve?

Yoga—Fanatanjahan-tena Fotsiny Ve?

TENA irin’ny olona ankehitriny ny ho tsara bika sy salama. Izany no nahatonga ny maro hanao fanatanjahan-tena sy hankany amin’ny toerana fanaovana spaoro isan-karazany. Izany koa no mahatonga ny Tandrefana maro hanao yoga, toy ny Tatsinanana.

Manao yoga koa ny olona kivy na ketraka na malahelo, mba hahitana fampiononana sy vahaolana. Tena niely nanerana ireo tany tandrefana ny fivavahan’ny Tatsinanana sy ireo fombafombany mifono mistery, nanomboka tamin’ireo taona 1960. Ireo mpilalao sarimihetsika sy mpihira rock no nampahalaza ny fisaintsainana zavatra tsy hita maso, izay avy amin’ny yoga ihany. Mihamaro ireo liana amin’ny yoga, ka mety hanontany tena isika hoe: ‘Fanazaran-tena fotsiny ve ny yoga, ka mahasalama sy mahatsara bika ary mampilamin-tsaina? Azo atao ve ny manao yoga, fa tsy mitsabaka amin’ny fivavahana? Mety amin’ny Kristianina ve izy io?’

Ny niavian’ny yoga

Mifandray amin’ilay teny anglisy hoe “yoke”, midika hoe “zioga” ny fiavian’ilay teny hoe “yoga.” Izy io dia mety hidika hoe manakambana na mampitondra zioga miaraka, na mametraka eo ambany zioga na fahefana iray. Amin’ny Hindoa, ny yoga dia teknika na fomba iray mitarika ho amin’ny fikambanana amin’ny hery na fanahy iray any ivelan’ny tontolon’ny olombelona. Nolazaina fa amin’izy io, dia “miara-mitondra zioga amin’Andriamanitra ny herin’ny vatana sy ny saina ary ny fanahy.”

Oviana no nisy firesahana voalohany momba ny yoga? Ahitana fitomboka misy sarin’olona manao yoga any amin’ny Lohasahan’i Indus, any Pakistan. Milaza ny arkeology fa teo anelanelan’ny taonarivo fahatelo sy faharoa Talohan’i Kristy no nisian’ny sivilizasionan’ny Lohasahan’i Indus, izany hoe niarakaraka tamin’ny kolontsaina mezopotamianina. Ny sombin-javatra hitan’izy ireo dia mampiseho lehilahy iray, toy ny andriamanitra, manao satroboninahitra tandroka, ary voahodidina biby, ka toa mampahatsiahy an’i Nimroda, ilay “mpihaza mahery.” (Genesisy 10:8, 9) Lazain’ireo Hindoa fa i Siva, tompon’ny biby sy ny yoga, no asehon’ireo sarin’olona mipetraka manao yoga, ary matetika izy io no ivavahana amin’ny alalan’ny sarina filahiana antsoina hoe linga. Ny yoga àry dia antsoin’ilay boky Tontolo Hindoa (anglisy) hoe “fehezan-dalàna momba ny fampijalian-tena, izay nanomboka talohan’ny andron’ny Arianina, tamin’ny ankapobeny, ary ahitana taratr’ireo fiheverana na fomba taloha be.”

Nampitaina am-bava ny fomba fanaovana yoga tamin’ny voalohany. Nanoratra izany tamin’ny an-tsipiriany avy eo ilay olon-kendry karàna mpanao yoga, nantsoina hoe Patañjali. Anisan’ny boky nosoratany, ohatra, ny Yoga Sutra, izay lasa boky fototra fianarana yoga. “Fiezahana hahatratra ny fahalavorariana, amin’ny alalan’ny fifehezana ny hery ara-batana sy ara-tsaina ananan’ny olombelona” ny yoga, hoy i Patañjali. Tafiditra tanteraka tao amin’ny fivavahan’ny Tatsinanana izy io, nanomboka tamin’izay, indrindra fa tao amin’ny Hindoisma sy Jainisma ary Bodisma. Mino ny mpanao yoga sasany fa ho tonga amin’ny fanafahana, na moksha, izy ireo, ka hiriaria hiaraka amin’ny fanahy iray mahenika ny zavatra rehetra.

Manontany indray àry isika hoe: ‘Azo atao ve ny manao yoga toy ny manao fanatanjahan-tena tsotra fotsiny, mba hahasalama sy hampilamin-tsaina, fa tsy misy resaka fivavahana?’ Tokony ho tsia ny valiny, rehefa dinihina ny niandohan’izy io.

Inona no mety ho herin’ny yoga eo aminao?

Ny tena zava-kendren’ny yoga, dia ny hitarika ny olona iray hiray “zioga” na hiara-miriaria an’eritreritra amin’ny fanahy iray mahery noho ny olombelona. Fanahy manao ahoana anefa izany?

Hoy ilay mpanoratra atao hoe Benjamin Walker ao amin’ny Tontolo Hindoa, momba ny yoga: “Angamba izy io fanao taloha mifandray amin’ny mazia, ary mbola misy resaka famosaviana sy asan’ny maizina ny heviny ankehitriny.” Miaiky ireo filozofa hindoa fa afaka manome hery mihoatra noho ny an’ny olombelona ny yoga, na dia lazain’izy ireo matetika aza fa tsy izany no tena tanjona farany. Ao amin’ilay boky hoe Filozofia Karàna (anglisy), ohatra, dia nilaza ny Dr. S. Radhakrishnan, prezidàn’i Inde taloha, fa “manjary tsy heno[n’ilay mpanao yoga] intsony ny hatsiaka mamirifiry na ny hafanam-be, rehefa voafehiny tsara ny vatany amin’ny fomba fipetrany na fijorony. . . . Afaka mahita sy mandre zavatra lavitra koa ny mpanao yoga . . . Tena azon’ny olona roa atao mihitsy ny mifampita hevitra, nefa tsy miteny na mihetsika. . . . Afaka mampanjavona ny tenany ny mpanao yoga.”

Rehefa mieritreritra mpanao yoga iray matory eo ambony fantsika na manitsaka vain’afo ny olona sasany, dia mety hihomehy, na hihevitra izany ho fandrebirebena fotsiny. Zavatra tena fahita anefa izany any Inde, ary misy koa olona mijoro amin’ny tongotra ilany, sady mibanjina ny masoandro mandritra ny ora maro. Misy aza mahavita tsy miaina ela be, ka milevina ao anaty fasika mandritra ny fotoana maharitra. Nanao tatitra Ny Gazetin’i Inde (anglisy) tamin’ny Jona 1995, fa nampatorina ny zazavavy iray telo taona sy tapany, ka nasaina nitsahin’ny fiara 750 kilao mahery. Gaga ireo mpijery, rehefa nifoha izy avy eo nefa tsy naninona mihitsy. Hoy ilay tatitra: “Tena herin’ny yoga mihitsy izany.”

Tsy isalasalana fa tsy misy olon-tsotra mahavita zavatra toy izany. Tsy maintsy manontany tena àry ny Kristianina hoe: Manaporofo inona moa ireny zava-mahagaga ireny? Moa ve izy ireny avy amin’i Jehovah Andriamanitra, “ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra”, sa avy amin-javatra hafa? (Salamo 83:18) Mazava ny lazain’ny Baiboly momba izany. Hoy i Jehovah tamin’ny Isiraelita, tamin’ny alalan’i Mosesy, fony izy ireo teo akaikin’ny Tany Nampanantenaina, izay nitoeran’ny Kananita: “Aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon’ireo firenena ireo.” Inona izany “fahavetavetana” izany? Nampitandrina momba ireo “mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody” i Mosesy. (Deoteronomia 18:9, 10) Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ireo zavatra ireo, satria asan’ny demonia sy ny nofo mpanota.—Galatiana 5:19-21.

Tsy natao ho an’ny Kristianina

Tsy fanatanjahan-tena fotsiny ny yoga, na inona na inona lazain’ireo mpampianatra momba ny fahasalamana. Tantarain’ny boky hindoa iray ny olona roa vao nanomboka nianatra yoga, ka nanaraka ny toro lalan’ny mpampianatra ao amin’ny fivavahana hindoa. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Ezaka mafy mihoatra noho ny vitan’ny olombelona no nataoko mba tsy hifoka rivotra ela araka izay azoko natao, ka rehefa tena nila tsy ho tantiko vao niaina aho. . . . Indray andro, tamin’ny antoandro be, dia nahita volana mazava be aho, izay toa nihetsiketsika niankavia sy niankavanana. Indray mandeha koa dia toy ny tao anatin’ny haizim-pito aho tamin’ny mitataovovonana. Tena faly . . . ilay tale . . . rehefa nolazaiko taminy ireo zavatra hitako ireo. . . . Tsy ho ela intsony, hoy izy nanome toky ahy, dia hahita vokatra vao mainka tena hahagaga ianao ho valin’ny fihafianao.” Hoy koa ilay mpianatra iray: “Notereny hijery ny lanitra aho isan’andro, ka sady tsy nakimpy ny maso no tsy nihetsika. . . . Indraindray aho dia toy ny mahita pitik’afo eny amin’ny habakabaka, na gilaoby mirehitra sy tain-kintana hafa. Faly erỳ ilay mpampianatra ahy, satria nahomby ny ezaka nataoko.”

Mazava àry fa zava-mahagaga toy izany no nantenain’ireo mpampianatra tao amin’ny fivavahana hindoa, mandra-pahatonga tamin’ny tena zava-kendren’ny yoga. Ny moksha no tena tanjona farany amin’ny yoga, izany hoe fandehanana miriaria miaraka amin’ny fanahy iray tena mahery. Lazaina hoe “fampijanonana (an-tsitrapo) ny fiasan’ny saina” izy io. Mazava anefa fa mifanohitra amin’ny tanjon’ny Kristianina izany, satria izao no asaina ataon’izy ireo: “[Atolory] ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.”—Romana 12:1, 2.

Anjaran’ny tsirairay ny mifidy izay fanatanjahan-tena hataony. Ny Kristianina anefa dia tsy hamela na inona na inona hanimba ny fifandraisany amin’i Jehovah Andriamanitra, na fanazaran-tena ara-batana izany, na sakafo, na zava-pisotro, na akanjo, na fialam-boly, na zavatra hafa. (1 Korintiana 10:31) Ho an’ireo manao fanatanjahan-tena mba hahasalama azy fotsiny, dia misy fomba maro be azo atao, izay tsy mifandray amin’ny fanahy ratsy na ny asan’ny maizina. Afaka manantena ny fitahian’Andriamanitra isika, dia ny hiaina ao amin’ny tontolo vaovao sy marina, raha manalavitra fomba sy finoana avy amin’ny fivavahan-diso. Ho salama tanteraka ara-batana sy ara-tsaina isika amin’izay, ary hiaina mandrakizay.—2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.

[Sary, pejy 22]

Maro no manao fanatanjahan-tena mahasalama, tsy misy fifandraisana amin’ny fanahy ratsy