Afaka Miaro Anao ve ny Fahaiza-misaina?
Afaka Miaro Anao ve ny Fahaiza-misaina?
MAHASONDRIANA ny olona ny mijery ireo onja avo be, nefa fambara loza izy ireny ho an’ny tantsambo. Mety hamoizan’izy ireo ny ainy ireny rano mivalombalona mafy ireny.
Mety hiatrika zava-tsarotra be dia be toy izany koa ny mpanompon’Andriamanitra, ka hatahorana handifotra azy ireo izany. Voamarikao angamba fa misy onjam-pisedrana sy fakam-panahy mifanesy mitambesatra amin’ny Kristianina. Azo antoka fa te hanohitra azy ireny tsy misy fihambahambana ianao, ary tapa-kevitra hanao izay azonao atao mba tsy ho vaky sambo ara-panahy. (1 Timoty 1:19) Anisan’ny fiarovana lehibe ho anao ny fahaiza-misaina. Inona moa izany? Ary ahoana no hahazoana azy?
Ny teny hebreo hoe mezim·mahʹ nadika hoe “fisainana mazava” na ‘fahaiza-misaina’, dia avy amin’ny fototeny midika hoe “mamaritra mialoha na manao tetika.” (Ohabolana 1:4) Misy dikan-tenin’ny Baiboly sasany àry mandika azy io hoe “malina” na “mahatsinjo ny hoavy.” Manazava i Jamieson sy Fausset ary Brown, manam-pahaizana momba ny Baiboly, fa ny mezim·mahʹ dia midika hoe “mitandrina mba tsy ho tratran’ny loza ka hahita ny soa.” Te hilaza izany hoe mieritreritra ny ho vokatry ny fihetsitsika eo no ho eo sy any aoriana. Raha mahay misaina àry isika, dia handinika tsara, alohan’ny hanaovan-javatra, indrindra fa rehefa tsy maintsy handray fanapahan-kevitra lehibe.
Mieritreritra tsara ny loza sy ny fandrika mety hitranga ny olona mahay misaina, alohan’ny hanapahany hevitra momba ny hoaviny na ny toe-javatra misy azy. Fantariny avy eo ny fomba hialana amin’ireo loza, ka dinihiny sao ny manodidina azy sy ny olona ifaneraserany no mahatonga izany. Avy eo, dia azony faritana ny zavatra mahasoa tokony hataony, ka mety hahazoany ny fitahian’Andriamanitra mihitsy. Andeha isika handinika ohatra sasany tena mampiseho izany dingana izany.
Halaviro ny fandriky ny fahalotoam-pitondran-tena
Mety hoentin’ny rivotra hamely ny lohan-tsambo ny onja mahery. Atahorana hivadika ny sambo amin’izay, raha tsy hain’ny tantsambo ny manohitra ny onja amin’ny lohan-tsambo.
Miatrika toe-javatra mitovy amin’izany isika, satria miaina eo amin’ny tontolo adalan’ny firaisana. Mifanehatra amin’ny onjan’ny sary sy fisainana momba ny filan’ny nofo isika isan’andro. Tsy azontsika odian-tsy hita ny fiantraikan’izy ireny eo amin’ny faniriantsika voajanahary momba ny lahy sy ny vavy. Tsy maintsy mampiasa ny fahaizantsika misaina isika ary ho tapa-kevitra hanohitra ny fakam-panahy, fa tsy hanara-drian-drano fotsiny ka hahita loza.
Matetika, ohatra, ny lehilahy kristianina no miara-miasa amin’ny olona tsy manaja ny vehivavy, na mihevitra azy ireo ho toy ny zavatra hanomezana fahafaham-po ny filan’ny nofo fotsiny. Angamba manao vazivazy vetaveta ny mpiara-miasa rehefa miresaka, na miresaka an-kolaka momba ny firaisana. Hanjary hanana eritreri-dratsy ilay Kristianina amin’ny farany, raha izany foana no iainany.
Mety hahita olana koa ny anabavy kristianina miasa. Angamba tsy manaraka fitsipi-pitondran-tena toa azy ireo lehilahy sy vehivavy mpiara-miasa aminy. Mety hisy ho raiki-pitia aminy ireo lehilahy mpiara-miasa. Tsara fanahy aminy fotsiny angamba ilay lehilahy amin’ny voalohany, ary mety hanaja ny zavatra inoany mihitsy aza. Rehefa maneho fiheverana azy sy mifandray aminy foana anefa io olona io, dia mety haniry hifandray bebe kokoa aminy ilay anabavy.
Nahoana no azo lazaina fa manampy antsika Kristianina ny fahaiza-misaina, amin’ny toe-javatra toy izany? Voalohany, mampitandrina antsika amin’ny loza ara-panahy izy io. Faharoa, mahatonga antsika hieritreritra izay zavatra mahasoa tokony hataontsika izy io. (Ohabolana 3:21-23) Amin’ny toe-javatra toy ireo, dia tokony hohazavaintsika tsara amin’ireo mpiara-miasa fa hafa ny zavatra inoantsika araka ny Baiboly, ka tsy sahala amin’ny azy ireo ny foto-pitsipika arahintsika. (1 Korintiana 6:18) Tokony hisongadina amin’ny tenintsika sy ny ataontsika izany. Ilaina hoferana koa angamba ny fifandraisana amin’ny mpiara-miasa sasany.
Tsy any am-piasana ihany anefa no misy tarehin-javatra mety hitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena. Mety hitranga koa izany raha avelan’ny mpivady hanimba tsikelikely ny firaisan-tsainany ny zava-manahirana. Nilaza ny mpiandraikitra mpitety faritany iray hoe: “Tsy misy fanambadiana rava tampoka izany. Mety hihena tsikelikely ny fifankatiavan’ny mpivady, ary tsy mifampiresaka firy izy ireo na mahalana vao miara-manao zavatra. Angamba izy ireo variana mitady vola mba hamenoana ny banga ao an-tokantranony. Tsy mba mifaneho fankasitrahana mihitsy koa izy mivady, ka mety ho raiki-pitia amin-dehilahy na amim-behivavy hafa.”
Hoy ihany io mpiandraikitra efa za-draharaha io: “Tokony hanokana fotoana tsy tapaka hifampiresahana ny mpivady, sao misy zavatra efa manimba ny fifandraisan’izy ireo. Tokony hofaritan’izy ireo izay azo atao mba hiaraha-mianatra sy mivavaka ary mitory. Tena hahasoa azy ireo ny fifampiresahana ‘ao an-trano, eny an-dalàna, na mandry na mifoha’, toy ny ataon’ny ray aman-dreny sy zanaka.”—Deoteronomia 6:7-9.
Rehefa misy tsy mety ataon’ny Kristianina hafa
Tsy hoe manampy antsika hanohitra ny fakam-panahy haloto fitondran-tena fotsiny ny fahaiza-misaina, fa sady manampy antsika koa hiatrika ny olana eo amin’ny samy Kristianina. Mety hoentin’ny rivotra hamely ny vody sambo ny onja. Mety hanainga ny vody sambo ireny onja ireny, ka hanjary hitsivalana ny sambo. Ho mora avadiky ny onja izy amin’izay satria ny lavany indray no lasa manaraka ny fandehan’ny onja.
Mety hamely antsika mora foana toy izany koa ny loza avy any amin’ny toerana tsy ampoizina. Manompo an’i Jehovah “amin’ny firaisan-kina” miaraka amin’ny rahalahy sy anabavy kristianina mahatoky maro isika. (Zefania 3:9) Mety tsy hatoky ny namantsika kristianina intsony anefa isika raha misy tsy mety ataony, ary mety hampalahelo mafy antsika izany. Nahoana no azo lazaina fa ny fahaiza-misaina dia misakana antsika tsy hisafoaka na halahelo loatra?
Tsarovy fa “tsy misy olombelona tsy manota.” (1 Mpanjaka 8:46) Fantatsika izany, ka tsy tokony hahagaga antsika raha manorisory na manao izay mampalahelo antsika ny rahalahy kristianina indraindray. Afaka miomana ho amin’izany isika sady mandinika izay tokony hatao raha mitranga izany. Ahoana no nataon’ny apostoly Paoly rehefa nanaratsy sy nanao tsinontsinona azy ny rahalahiny kristianina sasany? Tsy nanimba ny fahasalamany ara-panahy izany. Nanatsoaka hevitra kosa izy fa zava-dehibe kokoa ny mahazo sitraka amin’Andriamanitra noho ny amin’olona. (2 Korintiana 10:10-18) Ny toe-tsaina toy izany dia hisakana antsika tsy hanao zavatra maimaika fotsiny, ho valin’izay ataon’ny olon-kafa.
Mitovitovy amin’izany ny zava-mitranga rehefa tafintohina ny tongotsika. Donto kely aloha ny saintsika, mandritra ny iray na roa minitra. Afaka misaina tsara sy manao zavatra ara-dalàna indray anefa isika rehefa afaka ny fanaintainana. Toy izany koa, fa tsy tokony hovaliantsika eo no ho eo ny teny na fihetsika mahasosotra nataon’ny olona tamintsika. Miandrasa kely aloha, ka diniho izay mety ho vokatry ny famaliana maimaika.
Manazava ny ataony rehefa misy mahatezitra azy, i Malcolm, misionera nandritra ny taona maro. “Manao lisitra fanontaniana maro aho aloha: *
Tezitra amin’iny rahalahy iny ve aho satria tsy mitovy ny toetranay? Tena zava-dehibe ve ny zavatra nolazainy? Sao dia ny tazo manjo ahy no manamafy ny hatezerako? Mety hiova ve ny fahitako ilay toe-javatra rehefa afaka kelikely?” Hitan’i Malcolm matetika fa tsy fifankahazoan-kevitra kely fotsiny ilay izy ka azo odian-tsy hita.Hoy ihany i Malcolm: “Mbola tsy mihavana tsara amiko ihany ilay rahalahy indraindray, na dia efa niezaka nandamina ilay raharaha aza aho. Tsy ataoko mahatezitra ahy izany. Miova ny fahitako ilay toe-javatra, rehefa nataoko izay azoko natao handaminana azy. Ataoko ao an-tsaiko ho toy ny raharaha mihantona eo iny, ka tsy mila alamiko eo no ho eo. Tsy avelako hanimba ny fahasalamako ara-panahy izany, ary tsy avelako hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisako amin’i Jehovah sy ireo rahalahiko.”
Toa an’i Malcolm, dia tsy tokony hataontsika mahatezitra loatra ny fihetsika tsy mety ataon’ny olon-kafa. Misy rahalahy sy anabavy maro mahatoky sady mahafinaritra eo anivon’ny fiangonana rehetra. Mahafinaritra ny manaraka ny fahamarinana ‘miaraka’ amin’izy ireo. (Filipiana 1:27) Hanampy antsika hijery ny toe-javatra amin’ny saina tsy miangatra koa ny fitadidiana fa manampy antsika amim-pitiavana ilay Raintsika any an-danitra.—Salamo 23:1-3; Ohabolana 5:1, 2; 8:12.
Aza tia izay zavatra eo amin’izao tontolo izao
Manampy antsika hanohitra fitaomana an-kolaka hafa koa ny fahaiza-misaina. Mety hoentin’ny rivotra hamely ny lavan’ny sambo ny onja. Hanosika tsikelikely ny sambo hiala amin’ny lalana tokony halehany izany raha tsara ny andro, fa mety hampivadika ny sambo kosa izany raha misy tafio-drivotra.
Hanosika antsika hiala tsikelikely amin’ny lalana tokony haleha koa ny fitiavan-karena, raha manaiky ho resin’ny fitaomana hankafy izay 2 Timoty 4:10) Hampiala antsika tanteraka amin’ny fomba fiaina kristianina ny fitiavantsika an’izao tontolo izao, raha tsy voafehintsika. (1 Jaona 2:15) Nahoana no azo lazaina fa manampy antsika ny fahaiza-misaina?
rehetra atolotr’ity tontolo ratsy ity isika. (Voalohany, manampy antsika hahafantatra tsara izay loza miandry antsika izy io. Mamandrika antsika amin’izao dokam-barotra rehetra izao ity tontolo ity. Aderaderany foana ny fomba fiaina izay heverina fa tokony hokatsahin’ny olon-drehetra. Izany dia ny fiainana tia sehosehon’ny mpanan-karena sy ny olona tiam-bahoaka ary ireo heverina ho “tafita.” (1 Jaona 2:16) Lazainy fa raha toy izany ny fiainantsika dia ho tia sy hankasitraka antsika daholo ny olona, indrindra fa ny namana sy ny mpiara-monina amintsika. Manampy antsika hanohitra izany fampielezan-kevitra izany ny fahaiza-misaina, ary mampahatsiahy antsika fa zava-dehibe ny hanalavirana ny “fitiavam-bola”, satria nampanantena i Jehovah fa ‘tsy handao antsika mihitsy izy.’—Hebreo 13:5.
Faharoa, ny fahaiza-misaina dia hisakana antsika tsy hanaraka ireo “nania tamin’ny marina.” (2 Timoty 2:18) Sarotra tokoa ny manohitra an’ireo olona tiantsika sy nitokisantsika. (1 Korintiana 15:12, 32-34) Na dia resin’ny fitaomana kely fotsiny avy amin’ireo niala tsy ho Kristianina aza anefa isika, dia efa hanembantsembana ny fandrosoantsika ara-panahy izany ka hampidi-doza antsika. Mety ho toy ny sambo nihataka kely fotsiny tamin’ny lalana tokony hizorany isika. Hanjary hihataka lavitra be ny toerana tokony halehany anefa izany sambo izany, rehefa ela ny ela.—Hebreo 3:12.
Ny fahaiza-misaina dia manampy antsika hahafantatra tsara ny fahasalamantsika ara-panahy ankehitriny sy amin’ny hoavy. Angamba isika hahatsapa hoe mila mandray anjara betsaka kokoa amin’ny fanompoana kristianina. (Hebreo 6:11, 12) Mariho ny fomba nampiasan’ny tanora Vavolombelona iray ny fahaizany misaina, mba hanampy azy hahatratra tanjona ara-panahy: “Afaka nanao ny asan’ny mpanao gazety aho, ary tena tiako io asa io. Tsaroako anefa ilay andininy ao amin’ny Baiboly milaza hoe ‘mandalo izao fiainana izao’ fa ‘izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.’ (1 Jaona 2:17) Nieritreritra aho hoe tokony ho hita taratra amin’ny fiainako ny zavatra inoako. Tsy te hanahaka ireo ray aman-dreniko izay niala tamin’ny finoana kristianina aho. Tapa-kevitra àry aho fa hametra tanjona eo amin’ny fiainako. Niditra tamin’ny fanompoana manontolo andro aho, ka nanao mpisava lalana maharitra. Tsapako fa nanao safidy tsara aho, satria nahafa-po ahy ny fiainako nandritra izay efa-taona izay.”
Fisetrana tafio-drivotra ara-panahy
Nahoana no iankinan’ny aina ny hampiasana ny fahaiza-misaina, dieny izao? Tsy maintsy mailo ny tantsambo rehefa misy loza manambana, indrindra fa rehefa mihamafy ny rivo-doza. Raha vao mihamangatsiaka tampoka ny andro ary mihamahery ny rivotra, dia efa hidian’izy ireo mafy tsara ny varavaran’ny lakalin-tsambo ary miomana izy ireo hiatrika izay loza hitranga. Toy ny rivo-mahery koa ireo fakam-panahy satria efa akaiky ny faran’ity tontolo ratsy ity, ka tsy maintsy miomana hiatrika azy ireny toy izany koa isika. Mihamigoragora ny fitsipi-pitondran-tena arahin’ny olona, ary ‘ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky dia mandroso miharatsiratsy kokoa.’ (2 Timoty 3:13) Mitovy amin’ny tantsambo izay mihaino filazana toetrandro foana, isika koa dia tsy maintsy mihaino tsara ny fampitandremana raketin’ireo faminaniana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry.—Salamo 19:7-11.
Mampihatra ny fahalalana mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay isika rehefa mampiasa ny fahaiza-misaina. (Jaona 17:3) Amin’izay dia ho tsinjontsika ny olana mety hitranga, ary ho hitantsika ny vahaolana amin’izy ireny. Hahatonga antsika ho tapa-kevitra hitoetra ho Kristianina hatrany izany. Afaka hametraka ‘fanorenana tsara ho an’ny tenantsika ho amin’ny andro ho avy’ koa isika, raha mametra tanjona ara-panahy sy miezaka hanatratra izany.—1 Timoty 6:19.
Tsy “manahy ny tahotra avy tampoka” isika, raha tandremantsika tsy ho simba ny fahendrentsika sy ny fahaizantsika misaina. (Ohabolana 3:21, 25, 26) Mahery kosa aza isika noho ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe: “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny [fahaiza-misaina], ary hiambina anao ny fahalalana.”—Ohabolana 2:10, 11.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 19 Tokony hiezaka hanao izay hihavanana ny Kristianina, araka ny torohevitra ao amin’ny Matio 5:23, 24. Raha misy ota lehibe tafiditra amin’ilay raharaha, dia tokony hiezaka hanao izay hahazoana ny rahalahiny ny Kristianina, araka ny Matio 18:15-17. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1999, pejy faha-17-22.
[Sary, pejy 23]
Mampaharitra ny fanambadiana ny fifampiresahana tsy tapaka