Faly Izy Ireo fa Nianatra Namaky Teny!
Faly Izy Ireo fa Nianatra Namaky Teny!
NY VALOPOLO isan-jaton’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny faritra sasany amin’ny Nosy Salomon, no tsy nahay namaky teny taloha. Noho izany, dia tsy afaka nandray anjara firy tamin’ny fivorian’ny fiangonana isan-kerinandro izy ireo. Tsy vitan’izany ihany, fa sarotra kokoa ho azy ireo ny nampianatra ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. Afaka mianatra mamaky teny tokoa ve ny olon-dehibe, na dia mbola tsy nandray pensilihazo mihitsy aza?
Saika ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra nanerana ireo Nosy Salomon, no nampiasa ny bokikely Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra, any amin’ireo kilasy fianarana mamaky teny. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io bokikely io. Asehon’ireto fitantarana manaraka ireto, fa nanampy olona an-jato hampitombo ny fahaizany io fandaharana io. Ny zava-dehibe kokoa anefa dia ny hoe, nahay nanazava kokoa ny fanantenany izy ireo rehefa nahay namaky teny.—1 Petera 3:15.
Notendrena hiara-miasa tamin’ny fiangonana nisy mpitory ilay Fanjakana zato mahery ny misionera iray. Voamariny fa vitsy no nanana gazety, rehefa nianatra Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro. Mbola vitsy kokoa aza no nandray anjara. Ny antony? Tsy nahay namaky teny izy ireo. Rehefa nilazana ny fiangonana fa hisy sekoly fampianarana mamaky teny sy manoratra, dia faly ilay misionera nanolo-tena hampianatra. Vitsy ny mpianatra tonga tamin’ny voalohany. Tsy ela anefa dia nihoatra ny 40 izy ireo, tao avokoa na antitra na tanora.
Inona no vokany? Hoy ilay misionera: “Taoriana kelin’ny nanokafana ilay kilasy fianarana mamaky teny, dia nandeha tany an-tsena aho tamin’ny enina maraina, mba hividy sakafo ho anay sy ny misionera hafa. Hitako nivarotra legioma sy voaniho teny an-tsena ny mpianatra
vitsivitsy, eny fa na dia ireo kely indrindra aza. Nahoana? Satria te hahazo vola hividianana stylo sy kahie hianarana mamaky teny izy ireo! Nanatrika ilay kilasy koa izy ireo, mba hahazoany gazety Ny Tilikambo Fiambenana ho azy manokana. Manome valin-teny daholo izao na ny antitra na ny tanora, mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Velombelona erỳ ny dinidinikay.” Tena faly io misionera io, rehefa nangataka ny hitory ny mpianatra efatra. “Tsy matahotra intsony”, hono, izy ireo izao.Be lavitra noho ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ny soa azon’ny mpianatra tao amin’ny kilasy fianarana namaky teny. Nampanahy ny fiangonana nandritra ny taona maro, ohatra, ny vehivavy iray tsy mpino, vadina Vavolombelona. Notorahany vato ny olona raha vao misy mahatezitra kely azy fotsiny. Ny vehivavy hafa aza noveleziny tamin’ny hazo. Saro-piaro tsy nisy ohatra izany izy, rehefa mba nanatrika fivoriana kristianina niaraka tamin’ny vadiny. Nanao solomaso mainty mihitsy àry ny vadiny, mba tsy hoendrikendrehiny ho mijerijery vehivavy hafa.
Nanontany moramora toy izao anefa io vehivavy io, raha vao nisokatra kelikely ny kilasy fianarana namaky teny: “Mahazo mianatra koa ve aho?” Eny no valiny. Nianatra sy nanatrika fivoriana foana izy hatramin’izay. Niezaka mafy izy nianatra namaky teny, ary tena faly satria nanao fandrosoana nahatalanjona. Nangataka indray izy hoe: “Mahazo mianatra Baiboly ve aho?” Faly erỳ ny vadiny nanomboka nampianatra azy ny Baiboly. Mihamahay mamaky teny sy manoratra izy, ary mihamandroso amin’ny fahalalana ny Baiboly.
Na dia ny mitana stylo sy manoratra abidy fotsiny aza dia tena sarotra be, ho an’ny olona 50 taona, izay mbola tsy nandray pensilihazo mihitsy. Miempaka ny rantsantanan’ny sasany, tany am-piandohan’ny fianarana, satria notsindriany mafy be ilay pensilihazo rehefa nanoratra izy. Rehefa avy niezaka mafy nandritra ny herinandro maromaro ny sasany, mba hahay hampiasa tsara ny pensilihazony, dia nitsiky be sady nilaza hoe: “Misosa tsara izao ny tanako rehefa manoratra aho!” Mahafaly ny mpampianatra koa ny mahita ny fandrosoan’ny mpianatra. Hoy ny mpampianatra iray: “Tena mahafinaritra ny mampianatra kilasy iray. Matetika no mitehaka ny mpianatra, rehefa vita ny fianarana, mba hanehoany fa tena mankasitraka io fandaharana avy amin’i Jehovah io izy ireo.”
Faly toa an’ireo misionera koa ireo Vavolombelona lasa mahay taratasy ireo. Nahoana? Satria afaka mampiasa ny fahaizany mamaky teny sy manoratra izy ireo izao, mba hanomezana voninahitra an’i Jehovah.
[Sary, pejy 8, 9]
Samy mankasitraka ny kilasy fianarana mamaky teny na ny antitra na ny tanora