Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no tari-dalana omen’ny Soratra Masina momba ny fitaizan-janaka, ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah iray manambady tsy mitovy finoana aminy?

Misy toro lalana fototra roa mahakasika izany omen’ny Soratra Masina. Ity ny iray: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29) Ilay iray hafa manao hoe: “Ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana.” (Efesiana 5:23) Mihatra amin’ny vehivavy Vavolombelona rehetra io farany io, na mitovy finoana aminy ny vadiny na tsia. (1 Petera 3:1) Ahoana no hampifandanjan’ny ray na reny Vavolombelona an’ireo toro lalana ireo rehefa mampianatra ny zanany?

Raha ilay lehilahy no Vavolombelon’i Jehovah, dia izy no tompon’andraikitra amin’ny famelomana ny ankohonany sy ny fikarakarana ny ara-panahin’izy ireo. (1 Timoty 5:8) Mety handany fotoana betsaka kokoa miaraka amin’ny zanak’izy ireo ilay reny tsy mpino. Na izany aza anefa, dia tokony hampianatra ny zanany ilay ray Vavolombelona amin’ny fanomezana fampiofanana ara-panahy any an-trano sy amin’ny fitondrana azy ireny any am-pivoriana. Hahasoa azy ireo izany, satria any no andraisany toromarika momba ny fitondran-tena sy ahitany namana tsara.

Ahoana raha manizingizina ilay vadiny fa tsy maintsy hoentina any amin’ny toerana fivavahany na hampianarina ny zavatra inoany, ny zanak’izy ireo? Mety hamela azy hanao izany ny lalàna eo an-toerana. Tena miankina amin’ny hatsaran’ny fampianarana ara-panahin’ilay ray anefa no hahatonga ireo ankizy ho liana na tsia amin’ny fanompoam-pivavahana toy izany. Tokony hanampy ireo ankizy hanaraka ny fahamarinana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fanabeazana araka ny Soratra Masina nomen’ny rainy azy ireo, rehefa mihalehibe izy ireo. Tena ho faly mihitsy ilay ray Vavolombelona raha toa ka tapa-kevitra hanaraka ny fahamarinana ny zanany!

Raha ilay reny no Vavolombelon’i Jehovah dia tsy maintsy manaja ny fahefan’izay lohany izy, nefa koa hiahy izay hahasoa mandrakizay ireo zanany. (1 Korintiana 11:3) Matetika no tsy hampaninona ny vadiny raha manome fanabeazana ara-pitondran-tena sy ara-pivavahana ho an’ny zanak’izy ireo izy. Ary afaka manampy azy amin’izany ireo fivorian’ny vahoakan’i Jehovah. Afaka manampy ny vadiny izy mba hahita ny soa raisin’ny zanak’izy ireo avy amin’ny fampianaran’ny fandaminan’i Jehovah. Azony asongadina koa fa tena mahasoa ny fampianarana ireo zanany ny toro lalana ara-baiboly satria miaina eto amin’ity tontolo mikororosy ara-pitondran-tena ity izy ireo. Tokony hahay handanjalanja io renim-pianakaviana io rehefa manao izany.

Kanefa, mety hanizingizina ny hanarahan’ireo zanany ny fivavahany ilay vady tsy Vavolombelona, ka hitondra azy ireo any amin’ny toerana fivavahany sy hampianatra azy ireo ny zavatra inoany. Na koa mety hanohitra ny fivavahana rehetra izy ka hanizingizina fa tsy mila fanabeazana ara-pivavahana mihitsy ny zanany. Amin’ny maha filoham-pianakaviana azy dia izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. *

Manaja ny fahefan’ny vadiny amin’ny maha filoha azy ilay reny mpino, nefa tokony hataony ao an-tsaina izao voalazan’ny apostoly Petera sy Jaona izao: “Izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.” (Asan’ny Apostoly 4:19, 20) Hitady fomba hanomezana tari-dalana ara-pitondran-tena an’ireo zanany ilay reny Vavolombelona noho ny fiheverany ny fahasalaman’izy ireo ara-panahy. Andraikiny eo anatrehan’i Jehovah ny mampahafantatra ny fahamarinana amin’ny olona, anisan’izany ny zanany. (Ohabolana 1:8; Matio 28:19, 20) Ahoana no hamahany izany olana saro-bahana izany?

Raiso, ohatra, ny finoana an’Andriamanitra. Mety tsy ho afaka hitarika fampianarana Baiboly miaraka amin’ny zanany ilay reny satria tsy avelan’ny vadiny. Tsy tokony hiresaka momba an’i Jehovah amin’izy ireo mihitsy ve anefa izy noho izany? Tsia. Ho hita taratra amin’ny zavatra teneniny sy ny ataony ny finoany ny Mpamorona. Hanana fanontaniana momba izany ireo zanany. Tokony hampihatra ny fahalalahany ara-pivavahana, ka haneho ny finoany ny Mpamorona amin’ireo zanany izy. Afaka mampita ny fahalalany an’i Jehovah Andriamanitra amin-janany izy na dia mety tsy ho afaka hitarika fampianarana Baiboly aminy sy hitondra azy ireo any am-pivoriana tsy tapaka aza.—Deoteronomia 6:7.

Hoy ny apostoly Paoly mahakasika ny fifandraisan’ny Vavolombelona iray sy ny vadiny tsy mpino: “Ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin’ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin’ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy.” (1 Korintiana 7:14) Masina ilay fatoram-panambadiana araka ny fijerin’i Jehovah, noho ilay vady mpino, ary heveriny ho masina koa ireo ankizy. Tokony hanao araka izay fara heriny ilay reny Vavolombelona mba hanampy ny zanany hahalala ny fahamarinana, ary avy eo hametraka eo am-pelatanan’i Jehovah ny ho fiafaran-javatra.

Tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra miorina amin’ny fahalalana noraisiny tamin’ny ray aman-dreniny ireo ankizy rehefa mihalehibe. Mety hanao zavatra mifanaraka amin’ity tenin’i Jesosy ity izy ireo: “Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.” (Matio 10:37) Nodidiana koa izy ireo hoe: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo.” (Efesiana 6:1) Tanora maro no nanapa-kevitra ny ‘hanaiky an’Andriamanitra’ toy izay ray na reny iray tsy Vavolombelona, na dia eo aza ny zava-tsarotra avy amin’io ray na reny io. Tena ho valisoa lehibe ho an’ny ray aman-dreny tokoa ny hahita ireo zanany tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah na dia eo aza ny fanoherana!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Araka ny lalàna, dia zon’ilay vehivavy manambady ny manatrika fivoriana kristianina. Indraindray ilay vady dia tsy nety nikarakara ireo zanany tsy ampy taona, amin’ireny fotoana ireny. Voatery nitondra azy ireo niaraka taminy tany am-pivoriana àry ilay reny be fitiavana.