Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fantatrareo ve hoe Nahoana no Averiko ny Volanareo?”

“Fantatrareo ve hoe Nahoana no Averiko ny Volanareo?”

“Fantatrareo ve hoe Nahoana no Averiko ny Volanareo?”

‘AIZA izao no hahitako vola?’, hoy i Nana anakampo. Mitaiza irery ny zanany telo lahy io vehivavy io, ary monina any Kaspi, any amin’ny Repoblikan’i Géorgie. Tanteraka tokoa ny faniriany hahita vola, indray maraina. Nahita 300 lari (1 000 000 FMG eo ho eo) teo akaikin’ny paositry ny polisy izy. Tsy nisy nahita azy. Azo lazaina hoe vola be ihany ilay izy. Vola taratasy ny 100 lari (350 000 FMG eo ho eo), nefa mbola tsy nanana an’izany mihitsy i Nana na dia efa dimy taona aza izay no nampiasana ny vola lari tao amin’ny taniny. Tsy mahazo an’izany akory na ny mpivarotra efa niasa an-taona maro aza.

Nieritreritra i Nana hoe: “Ity vola ity ve no hanariako ny finoako sy ny fahatahorako an’Andriamanitra ary ny fahasalamako ara-panahy.” Efa namboly an’ireo toetra kristianina ireo izy sady efa niaritra fanenjehana mafy sy kapoka mihitsy aza noho ny fivavahany.

Nahita polisy dimy sahirana mafy nitady zavatra i Nana rehefa handeha ho any amin’ny paositry ny polisy. Fantany fa nitady an’ilay vola izy ireo, ka nanatona izy ary nanontany hoe: “Very zavatra angaha ianareo?”

“Vola”, hoy ny navalin’izy ireo.

“Ohatrinona?”

“Telonjato lari!”

“Hitako ny volanareo”, hoy i Nana. Nanontany izy avy eo hoe: “Fantatrareo ve hoe nahoana no averiko ny volanareo?” Tsy fantatr’izy ireo.

“Satria Vavolombelon’i Jehovah aho”, hoy ihany izy. “Raha tsy izany, dia tsy ho naveriko mihitsy ny volanareo.”

Nanome azy 20 lari (81 000 FMG eo ho eo) ilay sefon’ny polisy tompon’ilay vola very mba ho fankasitrahana ny fihetsika tsara nasehony.

Niely haingana be nanerana ny faritr’i Kaspi io zava-nitranga io. Ny ampitson’iny, dia nisy vehivavy iray mpanadio ao amin’ny paositry ny polisy niteny tamin’i Nana hoe: “Misy bokinareo foana ao amin’ny biraon’ny [sefo]. Vao mainka izao mety ho tiany kokoa izy ireny.” Nisy polisy niteny mihitsy aza hoe: “Tsy hisy hanao heloka bevava intsony raha Vavolombelon’i Jehovah daholo ny olona rehetra.”