Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fianarana no Nomeko Anareo”

“Fianarana no Nomeko Anareo”

“Fianarana no Nomeko Anareo”

‘Tokony ho efa mpampianatra ianareo noho ny fahelan’ny andro.’—HEBREO 5:12.

1. Nahoana no ara-dalàna raha mety ho somary hampanahy ny Kristianina ny voalazan’ny Hebreo 5:12?

SOMARY mampanahy anao ve ireo teny ara-tsindrimandry ireo? Raha eny, dia tsy ianao irery no toy izany. Fantatsika fa tsy maintsy mampianatra isika mpanara-dia an’i Kristy. (Matio 28:19, 20) Fantatsika fa mila mahay mampianatra isika, ary ilaina maika izany, indrindra fa amin’izao andro iainantsika izao. Fantatsika koa fa zava-dehibe ny fampianarantsika satria iankinan’ny ain’olona! (1 Timoty 4:16) Ara-dalàna àry raha manontany tena isika hoe: ‘Tena araka ny tokony ho izy ve ny fomba fampianatro? Ahoana no hanatsarako izany?’

2, 3. a) Inona no nolazain’ny mpampianatra iray fa tena ilaina mba hampandaitra ny fampianarana? b) Inona no ohatra nomen’i Jesosy antsika eo amin’ny fampianarana?

2 Tsy tokony hanakivy antsika anefa izany fanahiana izany. Raha mieritreritra isika fa tsy afaka mampianatra raha tsy manana fahaizana manokana, dia mety hihevitra isika fa sarotra loatra amintsika ny hanatsara ny fomba fampianatsika. Zava-dehibe lavitra noho ny fahaizana anefa no tena ilaina mba hampandaitra ny fampianarana. Mariho ny voalazan’ny mpampianatra mahay momba izany: “Tsy ny teknika na ny fomba fampianatra voafaritra tsara na ny fihetsiky ny mpampianatra fotsiny akory no mampandaitra ny fampianarana. . . . Ny fitiavana no tena ilaina amin’ny fampianarana.” Marina fa tsy mpampianatra ara-pivavahana izy. Vao mainka anefa azo ampiharina amin’ny fampianarana ataontsika Kristianina io heviny io. Amin’ny fomba ahoana?

3 I Jesosy Kristy no mpampianatra Modelintsika. Hoy izy tamin’ny mpanara-dia azy: “Fianarana no nomeko anareo.” (Jaona 13:15) Ny fanetren-tena nasehony no noresahin’i Jesosy tamin’io. Nanome fianarana ho antsika koa anefa izy teo amin’ilay asa lehibe indrindra nataony teto an-tany, dia ny fampianarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lioka 4:43) Koa raha asaina milazalaza ny fanompoan’i Jesosy amin’ny teny fohy ianao, dia azo inoana fa hiteny hoe be “fitiavana” izy, sa tsy izany? (Kolosiana 1:15; 1 Jaona 4:8) Ny fitiavan’i Jesosy an’i Jehovah Rainy any an-danitra no lehibe indrindra. (Jaona 14:31) Naneho fitiavana tamin’ny fomba roa hafa koa anefa izy rehefa nampianatra: tiany ny fahamarinana nampianariny ary tiany ny olona nampianariny. Hifantoka amin’ny ohatra navelany amin’ireo lafiny roa ireo isika izao.

Tia ny fahamarinana hatramin’ny ela

4. Ahoana no nataon’i Jesosy mba hitiavana ny fampianaran’i Jehovah?

4 Tena arakaraka ny fiheveran’ny olona ny taranja ampianariny no mahatsara ny fampianarany. Misy olona tsy liana amin’ilay taranja ampianariny, ary tsikaritry ny mpianany izany ka tsy liana amin’izy io koa izy ireo. Tsy toy izany no niheveran’i Jesosy ireo fahamarinana sarobidy nampianariny momba an’i Jehovah sy ilay Fanjakany. Lalina ny fitiavany ny zavatra nampianariny. Niezaka ny hanana io fitiavana io izy tamin’izy mpianatra. Mpianatra nazoto io Zanaka lahitokana io nandritra ny fotoana lava be niainany talohan’ny nahatongavany ho olombelona. Mifanitsy tsara amin’izao voalazan’ny Isaia 50:4, 5 izao izany: “Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay. Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.”

5, 6. a) Inona no azo inoana fa nitranga rehefa natao batisa i Jesosy, ary inona no vokatr’izany teo aminy? b) Inona no tsy mampitovy an’i Jesosy sy Satana, teo amin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra?

5 Mbola tia ny fahendren’Andriamanitra hatrany i Jesosy rehefa tonga olombelona tetỳ an-tany. (Lioka 2:52, Fandikan-teny Katolika) Nisy zava-nahagaga nitranga rehefa natao batisa izy. “Nisokatra ny lanitra”, hoy ny Lioka 3:21. Toa nitamberina tao an-tsainy tamin’izay ny zavatra niainany talohan’ny nahatongavany ho olombelona. Nankany an’efitra izy avy eo ary nifady hanina nandritra ny 40 andro. Azo antoka fa tena nahafinaritra azy ny nisaintsaina ny zavatra maro nianarany tamin’i Jehovah tany an-danitra. Nosedraina anefa ny fitiavany ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra taoriana kelin’izay.

6 Naka fanahy an’i Jesosy izay efa reraka sy noana i Satana. Tsy nitovy mihitsy ireo zanak’Andriamanitra ireo! Samy nanonona ny Soratra Hebreo izy, saingy samy hafa tanteraka ny toe-tsainy. Tsy nanaja ny Tenin’Andriamanitra i Satana fa nandika vilana azy io ho tombontsoan’ny tenany fotsiny. Nankahala ny fahamarinana avy tamin’Andriamanitra mihitsy io mpikomy io. Niharihary kosa anefa fa nanonona ny Soratra Masina tamim-pitiavana i Jesosy. Nitandrina tsara izy rehefa nampiasa azy io tamin’ny valin-teniny tsirairay. Niaina efa ela talohan’ny nanoratana ireo teny ara-tsindrimandry ireo i Jesosy, nefa nanaja lalina azy ireo. Fahamarinana sarobidy avy tamin’ilay Rainy any an-danitra ireo! Nilaza tamin’i Satana izy fa zava-dehibe noho ny sakafo ny tenin’i Jehovah. (Matio 4:1-11) Tian’i Jesosy tokoa ny fahamarinana rehetra nampianarin’i Jehovah azy. Ahoana anefa no nampisehoany izany rehefa nampianatra izy?

Tia ny fahamarinana nampianariny

7. Nahoana i Jesosy no tsy nampianatra ny heviny manokana?

7 Niharihary foana ny fitiavan’i Jesosy ny fahamarinana nampianariny. Tsy ho sarotra taminy tokoa ny namoaka ny heviny manokana. Betsaka mantsy ny fahalalana sy fahendrena nananany. (Kolosiana 2:3) Nampahatsiahy imbetsaka ny mpihaino azy anefa izy fa avy amin’ilay Rainy any an-danitra ny zava-drehetra ampianariny, fa tsy avy aminy. (Jaona 7:16; 8:28; 12:49; 14:10) Tiany aoka izany ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, ka tsy nosoloany ny fomba fiheviny manokana mihitsy.

8. Raha vao nanomboka ny fanompoany i Jesosy, ahoana no nampisehoany fa mila mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra foana ny fampianarantsika?

8 Nisy fianarana, na ohatra, nomen’i Jesosy avy hatrany, raha vao nanomboka ny fanompoany ho an’ny besinimaro izy. Diniho, ohatra, ny fomba nanambarany voalohany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra fa izy ilay Mesia nampanantenaina. Niseho teo anatrehan’izy ireo fotsiny ve izy, ka nilaza hoe ‘izaho no Kristy’, ary nanao fahagagana mba hanaporofoana izany? Tsia. Nankany amin’ny synagoga izy, tany amin’ny toerana famakian’ny vahoakan’Andriamanitra ny Soratra Masina. Tao izy dia namaky tamin’ny feo avo ny faminaniana ao amin’ny Isaia 61:1, 2 ary nanazava fa nihatra taminy izany. (Lioka 4:16-22) Noporofoin’ny fahagagana maro nataony fa nomba azy i Jehovah. Na izany aza anefa, dia nifototra tamin’ny Tenin’Andriamanitra foana ny fampianarany.

9. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy nivadika tamin’ny fitiavany ny Tenin’Andriamanitra izy, rehefa nifandray tamin’ny Fariseo?

9 Rehefa nanohitra azy ny mpitondra fivavahana, dia tsy nitady hifandahatra taminy izy, na dia azo inoana aza fa ho resiny mora foana izy ireo raha nifaninana taminy. Navelany hanaporofo ny fahadisoan’izy ireo kosa ny Tenin’Andriamanitra. Tadidio, ohatra, fa nilaza ny Fariseo hoe nandika ny lalàn’ny Sabata ny mpanara-dia an’i Jesosy, satria nioty salohim-bary kely teny an-tsaha ary nihinana izany teny an-dalana. Namaly azy ireo i Jesosy hoe: “Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy?” (Matio 12:1-5) Azo inoana tokoa fa fantatr’ireo mpanamarin-tena ireo ny tantara ara-tsindrimandry ao amin’ny 1 Samoela 21:2-7. Tsy voadinik’izy ireo anefa ny lesona lehibe raketin’izy io. Nisaintsaina tsara an’io tantara io kosa i Jesosy, fa tsy vitan’ny hoe namaky azy io fotsiny. Nandray am-po sady tia ny toro lalana omen’i Jehovah ao amin’ireo andininy ireo izy. Nampiasa an’io fitantarana io niampy ohatra iray tao amin’ny Lalàn’i Mosesy àry izy, mba hampisehoana fa tsy tafahoatra ny zavatra takin’ny Lalàna. Tsy nivadika tamin’ny fitiavany ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy, ka voatosika hiaro azy io rehefa nitady handika vilana azy io ho tombontsoan’ny tenany fotsiny ireo mpitondra fivavahana. Niaro ny Soratra Masina koa izy, rehefa ny lovantsofina no notadiavin’izy ireo hasongadina kokoa.

10. Misy faminaniana manambara ny hatsaran’ny fampianaran’i Jesosy. Ahoana no nanatanterahany azy ireo?

10 Tsy nataon’i Jesosy tsianjery fotsiny, tsy nisy fihetseham-po na nahamonamonaina ny fampianarany, satria tiany ny zavatra nampianariny. Nambaran’ny faminaniana ara-tsindrimandry fa ‘fahasoavana no aidina amin’ny molony [ny Mesia]’ ary “teny mahafinaritra” no ataony. (Salamo 45:2; Genesisy 49:21) Nanatanteraka ireo faminaniana ireo i Jesosy, satria nataony mahaliana sy velombelona ny hafatra nambarany. Nampiasa teny nahafinaritra koa izy mba hampianarana fahamarinana izay tena tiany. (Lioka 4:22) Tsy isalasalana fa nisoritra teny amin’ny endriny ny hafanam-pony sy ny fitiavany ny zavatra nampianariny. Tsy maintsy ho nahafinaritra be ny nihaino an’i Jesosy! Ohatra tsara dia tsara tokony hotahafintsika izy, rehefa miresaka momba ny zavatra nianarantsika isika!

11. Nahoana i Jesosy no tsy nieboebo mihitsy na dia nahay nampianatra aza?

11 Nanjary nieboebo ve i Jesosy satria nahatakatra tsara ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra sady nahay niteny? Manao izany ny mpampianatra matetika. Tadidio anefa fa nanana fahendrena araka an’Andriamanitra i Jesosy. Tsy manambony tena ny olona manana io fahendrena io, satria “ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.” (Ohabolana 11:2) Nisy zavatra hafa nanampy an’i Jesosy mba tsy hieboebo na hanambony tena.

Tia ny olona nampianariny i Jesosy

12. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy nanambany ny mpanara-dia azy izy sady tsy tiany hatahotra azy izy ireo?

12 Lalina ny fitiavan’i Jesosy ny olona ary hita taratra tamin’ny fampianarany foana izany. Tsy nanambany na nampitahotra ny olona ny fomba fampianatr’i Jesosy, mifanohitra amin’ny fomba fampianatry ny mpieboebo. (Mpitoriteny 8:9) Talanjona i Petera indray mandeha rehefa nahita ny fahagagana nataony, ka niankohoka teo anatrehany. Tsy tian’i Jesosy hatahotra azy fadiranovana anefa ny mpanara-dia azy. Nilaza tamin-katsaram-panahy izy hoe “aza matahotra.” Nohazavainy koa ny asa mampientam-po hataon’i Petera, dia ny fanaovana mpianatra. (Lioka 5:8-10) Tsy ny tahotra ny mpampianatra no tian’i Jesosy hanosika ny mpianany hanao zavatra, fa ny fitiavana ny fahamarinana sarobidy momba an’Andriamanitra.

13, 14. Ahoana avy no nampisehoan’i Jesosy fa niara-niory tamin’ny olona izy?

13 Hita koa fa tia olona i Jesosy, satria nahay niara-niory taminy. “Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:36) Nampalahelo azy ireo olona nahonena ireo, ka voatosika izy hanampy azy.

14 Mariho koa fa nahay niara-niory tamin’ny olona i Jesosy tamin’ity indray mandeha ity: Sitrana tamin’ny fomba nahagaga ny vehivavy nitsi-dra iray, rehefa nanavatsava vahoaka be sy nikasika ny moron-tongotr’akanjony. Tsapan’i Jesosy fa nisy hery niala taminy, nefa tsy hitany izay olona sitran’izany. Tsy nety izy raha tsy nahita ilay vehivavy. Nahoana? Tsy nitady hanakiana an’io vehivavy io noho izy nandika ny Lalàna na ny fitsipiky ny mpanora-dalàna sy Fariseo, i Jesosy. Izany angamba no natahoran’io vehivavy io. Hoy kosa i Jesosy taminy: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao.” (Marka 5:25-34) Mariho fa asehon’ireo teny ireo hoe nahay niara-niory tamin’io vehivavy io izy. Tsy nilaza fotsiny izy hoe “Sitràna”, fa hoe: “Sitràna amin’ny aretinao”, na “aretina mampijaly anao”, araka ny dikan-teny tany am-boalohany. Raha raisina ara-bakiteny io teny nampiasain’i Marka io, dia azo adika hoe “fikapohana” na fampijaliana olona amin’ny karavasy. Takatr’i Jesosy, araka izany, fa nampijaly an’io vehivavy io ny aretiny, angamba nampanaintaina azy mafy sady nankarary ny fony. Nalahelo azy i Jesosy.

15, 16. Inona no zava-nitranga teo amin’ny fanompoan’i Jesosy, ka mampiseho fa niezaka nijery ny toetra tsaran’ny olona izy?

15 Nampiseho ny fitiavany koa i Jesosy, rehefa niezaka nijery ny toetra tsaran’ny olona. Diniho ny zava-nitranga rehefa nifanena tamin’i Natanaela, izay tonga apostoliny, izy. “Jesosy nahita an’i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.” Voadinik’i Jesosy tamin’ny fomba nahagaga ny tao am-pon’i Natanaela, ka nahafantatra zavatra maro momba azy izy. Mazava ho azy fa tsy lavorary i Natanaela. Nanana ny kilemany izy, sahala amintsika rehetra. Rehefa nandre ny momba an’i Jesosy aza izy dia nivantambantana nanao hoe: “Moa mba misy zava-tsoa avy any Nazareta?” (Jaona 1:45-51) Tamin’ny zavatra rehetra azo nolazaina momba azy anefa, dia nifidy ny toetra tsarany, na ny fahamarinany, i Jesosy ary nifantoka tamin’izany.

16 Nisy kapiteny koa nanatona an’i Jesosy. Angamba Jentilisa izy na Romanina, ary nangataka an’i Jesosy mba hanasitrana ny mpanompony. Fantatr’i Jesosy fa nanana kilema io kapiteny io. Azo inoana mantsy fa ny kapiteny tamin’izany andro izany dia efa nanao herisetra be, namono olona maro, ary mety ho nanaraka fivavahan-diso mihitsy aza. Nifantoka tamin’ny toetra tsaran’io lehilahy io, dia ny finoany niavaka, anefa i Jesosy. (Matio 8:5-13) Tatỳ aoriana, dia tsy nanakiana an’ilay jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana teo akaikiny koa i Jesosy, na dia nanao ratsy aza izy io taloha. Nampahery azy kosa izy rehefa niresaka mahakasika ny fanantenana momba ny hoavy. (Lioka 23:43) Fantatr’i Jesosy fa vao mainka ho kivy ny olona, raha kianina lava. Tsy isalasalana fa vao mainka nanosika olona maro hihatsara i Jesosy rehefa niezaka hijery ny toetra tsaran’izy ireo.

Vonona hanampy ny olona

17, 18. Nasehon’i Jesosy fa vonona hanampy ny olona izy, rehefa nanaiky ilay fanendrena ho etỳ an-tany. Hazavao.

17 Niharihary koa fa tia ny olona nampianariny i Jesosy, satria vonona hanampy azy ireo. Efa tia ny olombelona foana io Zanak’Andriamanitra io talohan’ny nahatongavany teto an-tany. (Ohabolana 8:30, 31) Mety ho efa nifanerasera imbetsaka tamin’ny olona izy, satria antsoina hoe “Teny” na mpitondra tenin’i Jehovah. (Jaona 1:1) ‘Nanafoana ny tenany ary naka endriky ny mpanompo’ anefa izy, ka nandao ny toerana ambony nananany tany an-danitra. Mba hampianatra ny olombelona mivantana no anisan’ny antony nanaovany izany. (Filipiana 2:7; 2 Korintiana 8:9) Tsy nanantena hotompoina i Jesosy tetỳ an-tany, fa hoy kosa izy: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28) Nanatanteraka izany tsara i Jesosy.

18 Nanetry tena izy ary nanome izay nilain’ny olona nampianariny, tsy niahotra na nitsitsy aina mba hanasoa azy ireo. Nanao dia lavitra an-tongotra izy, namakivaky ny Tany Nampanantenaina, mba hitory tamin’ny olona betsaka araka izay azo natao. Nanetry tena sady mora nifandraisana foana anefa izy, tsy toy ny Fariseo sy mpanora-dalàna niavonavona. Nazoto nanatona azy ny rehetra sady tsy nisy natahotra, na olo-manan-kaja izany, na miaramila, na mpahay lalàna, na vehivavy, na ankizy, na mahantra, na marary, ary na dia ireo halan’ny fiaraha-monina sy nailikiliny aza. Nety reraka sy noana anefa i Jesosy, satria olombelona ihany izy na dia lavorary aza. Nikarakara izay nilain’ny olona foana izy talohan’ny tenany, eny fa na dia rehefa reraka aza izy ka nila niala sasatra na nila fotoana mangina mba hivavahana.—Marka 1:35-39.

19. Hazavao fa namela fianarana ho antsika i Jesosy, rehefa nanetry tena sy nampiseho faharetana sy hatsaram-panahy tamin’ny mpianany.

19 Naniry hanampy ny mpianany koa i Jesosy, ka nampiseho hatsaram-panahy sy faharetana, rehefa nampianatra azy ireo. Tsy nilavo lefona izy, na tezitra, na nanakiana ny mpianany, rehefa somary elaela izy ireo vao nahazo ireo lesona lehibe. Nitady fomba vaovao foana izy mba hanampiana azy ireo hahatakatra izay tiany holazaina. Eritrereto fotsiny, ohatra, hoe impiry ny mpianany no nifanditra momba ny hoe iza no lehibe indrindra tamin’izy ireo. Na dia ny alina talohan’ny hamonoana azy aza, dia nahita fomba vaovao foana i Jesosy, mba hampianarana azy ireo hanetry tena rehefa mifandray amin’izy samy izy. ‘Nanome fianarana ho antsika’ tokoa i Jesosy, raha ny amin’ny fanetren-tena sy ny lafiny hafa rehetra.—Jaona 13:5-15; Matio 20:25; Marka 9:34-37.

20. Inona no nampiavaka ny fomba fampianatr’i Jesosy tamin’ny an’ny Fariseo, ary nahoana ny an’i Jesosy no nandaitra?

20 Mariho fa tsy niteny fotsiny tamin’ny mpianany izy hoe inona ilay fianarana tokony harahina. Izy mihitsy no namela ohatra, ary izany no fomba nampianarany azy ireo. Tsy niseho ho ambony izy rehefa niresaka taminy, na nihevi-tena ho manan-kaja loatra ka tsy tokony hanatanteraka ny zavatra asainy hataon’izy ireo. Ny Fariseo no mpanao izany. “Miteny ihany izy, nefa tsy manao”, hoy i Jesosy. (Matio 23:3) Nanetry tena i Jesosy ary nampihatra izay nampianariny, mba hahitan’ny mpianany tsara ny tena dikan’ny fampianarany. Koa tsy voatery naminavina izay tiany hambara ny mpanara-dia azy rehefa nampirisika azy ireo mba hanana fiainana tsotra sy tsy ho matimatin-karena izy. Hitan’izy ireo fa marina ny teniny hoe: “Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” (Matio 8:20) Nanampy ny mpianany tamim-panetren-tena i Jesosy, rehefa namela ohatra ho azy ireo.

21. Inona no hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 I Jesosy tokoa no Mpampianatra lehibe indrindra teto an-tany! Niharihary tamin’ny olona tso-po nahita azy sy nandre ny teniny, fa tia ny zavatra nampianariny sy ny olona nampianariny izy. Miharihary amintsika izay mianatra ny ohatra navelany koa izany. Ahoana anefa no anahafantsika ny ohatra lavorary navelan’i Kristy? Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no tena ilaina mba hampandaitra ny fampianarana, ary iza no ohatra amin’izany?

• Ahoana avy no nampisehoan’i Jesosy fa tiany ny fahamarinana nampianariny?

• Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tiany ny olona nampianariny?

• Inona avy no ohatra mampiseho fa vonona hanampy ny olona nampianariny i Jesosy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tia ireo toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy?