Tadidinao Ve?
Tadidinao Ve?
Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:
• Inona no atao hoe fiaraha-miory, ary nahoana ny Kristianina no tokony hiezaka hanana azy io?
Izy io dia fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, izany hoe mahatsapa ao am-pontsika ny fahoriany. Ampirisihina ny Kristianina mba ‘hiara-ory, hifankatia tahaka ny mpirahalahy, ary hifamindra fo.’ (1 Petera 3:8) Namela ohatra ho antsika raha ny amin’ny fampisehoana fiaraha-miory i Jehovah. (Salamo 103:14; Zakaria 2:12) Afaka mahatsapa kokoa ny zavatra ilain’ny hafa isika raha mihaino sy mandinika ary mampiasa saina.—15/4, pejy faha-24-26.
• Nahoana no tsy maintsy ny fanasitranana ara-panahy no mandeha aloha vao ny fanasitranana ara-batana, mba hahazoana ny tena fahasambarana?
Maro no tsy sambatra na dia salama tsara aza satria tototry ny zava-manahirana. Kristianina maro kosa anefa ankehitriny no tena sambatra manompo an’i Jehovah na dia kilemaina ara-batana aza. Ho afaka hahita ny hanafoanana ny kilema ara-batana ireo salama ara-panahy, ao amin’ny tontolo vaovao.—1/5, pejy faha-6-7.
• Nahoana ny Hebreo 12:16 no mampitovy an’i Esao amin’ny mpijangajanga?
Asehon’ny Baiboly fa nanana toe-tsaina nifantoka tamin’ny valisoa teo no ho eo i Esao, ka nanamavo ny zava-masina. Raha mamela izany toe-tsaina izany hitombo ao aminy ny olona iray, dia hitarika azy ho amin’ny fahotana lehibe, toy ny fijangajangana izany.—1/5, pejy faha-10, 11.
• Iza moa i Tertullien, ary inona no nampahalaza azy?
Mpanoratra sy teolojianina niaina tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo izy. Nalaza noho ireo asa soratra natao hiarovana ny Kristianisma anarana izy. Nampiditra hevitra sy filozofia izay nametraka fototra ho amin’ny fampianaran-diso, toy ny Trinite izy mba hiarovana azy io.—15/5, pejy faha-29-31.
• Nahoana no tsy ny fototarazo ihany no tompon’andraikitra amin’ny aretina sy ny fitondran-tena ary ny fahafatesana?
Nanatsoaka hevitra ireo mpahay siansa fa toa ny fototarazo no miteraka ireo aretina samihafa mahazo ny olombelona. Misy amin’izy ireo koa mino fa ny fototarazontsika no mamaritra ny fitondran-tena. Manome antsika fahatakarana ny amin’ny niandohan’ny olombelona sy ny nahatonga azy ireo ho mpanota sy tsy lavorary anefa ny Baiboly. Mety handray anjara amin’ny famolavolana ny toetra ny fototarazo, nefa mbola mandray anjara lehibe amin’izany koa ny tsy fahalavorariana sy ny zavatra iainana.—1/6, pejy faha-9-11.
• Inona no hazavain’ny sombin-taratasy papyrus hita tany Oxyrhynchos, any Ejipta, momba ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra?
Hita ao amin’io sombin-taratasin’ny bokin’ny Joba 42:11, 12 avy ao amin’ny fandikan-teny grikan’ny Fitopolo io, ny Litera Hebreo Efatra (manondro ny anaran’Andriamanitra). Mbola manaporofo amintsika izany fa hita tao amin’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo ny anaran’Andriamanitra tamin’ny teny hebreo. Naka teny matetika avy tao amin’izy io ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina.—1/6, pejy faha-30.
• Inona ankehitriny no fanatanjahan-tena nampitahaina tamin’ny adina gladiatera feno herisetra izay niafara tamin’ny fahafatesana, tany amin’ny Fanjakana Romanina?
Hita taratra tamin’ilay fampirantiana nisy fampisehoana vidéo natao vao haingana, tany amin’ny kianja filalaovana tany Roma, Italia, fa misy toy izany koa amin’izao andro izao. Naseho tao amin’ilay vidéo ny lalao tolon’omby, ady totohondry, ny fifaninanana mitondra fiarakodia sy môtô, ary ny adin’ny samy mpijery fanatanjahan-tena maoderina hafa. Tsy tian’i Jehovah na ny herisetra na ny olona mahery setra. Noraisin’ny Kristianina voalohany am-po izany ary tokony hanao toy izany koa ny Kristianina ankehitriny. (Salamo 11:5)—15/6, pejy faha-29.
• Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Ezra eo am-piezahantsika ho tonga mpampianatra mahay?
Manasongadina zavatra efatra nataon’i Ezra izay azontsika iezahana hotahafina ny Ezra 7:10. Izao no voalaza ao: “Ezra [1] nampiomana ny fony [2] hitady ny lalàn’i Jehovah ka [3] hankatò izany ary [4] hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.”—1/7, pejy faha-20.
• Amin’ny toe-javatra roa inona avy no ilan’ny vehivavy kristianina manao saron-doha?
Eo anivon’ny tokantranony ny voalohany. Asehony fa manaiky ny andraikitry ny vadiny hivavaka sy hitarika fampianarana Baiboly izy rehefa manao saron-doha. Eo anivon’ny fiangonana ny faharoa. Manaiky izy fa ireo lehilahy vita batisa no nahazo lalana araka ny Soratra Masina hampianatra sy hitarika eo anivon’ny fiangonana. (1 Korintiana 11:3-10)—15/7, pejy faha-26-27.
• Nahoana ny Kristianina no manaiky hoe tsy fanazaran-tena fotsiny ny yoga fa mampidi-doza?
Ny tena zava-kendren’ny yoga, dia ny hitarika ny olona iray hiara-miriaria an’eritreritra amin’ny fanahy iray mahery noho ny olombelona. Mahafaoka ny fampijanonana ny fiasan’ny saina ny yoga, ka mifanohitra amin’ny toro lalan’Andriamanitra izany. (Romana 12:1, 2) Mety hahatonga ny olona iray hifandray amin’ny fanahy ratsy na ny asan’ny maizina izy io. (Deoteronomia 18:10, 11)—1/8, pejy faha-20-22.