Tontolo Iray Manolana ny Atao hoe Tsy Fivadihana
Tontolo Iray Manolana ny Atao hoe Tsy Fivadihana
NANATONA tanora maromaro niandry teo ivelan’ny boîte de nuit ny tovolahy iray, indray zoma hariva nafana, tany Tel Aviv, any Israely. Taoriana kelin’izay, dia nisy baomba nipoaka ka nandripaka ireo olona ireo.
Namono tanora 19 hafa io tovolahy io rehefa nanapoaka baomba hamonoany tena. Tatỳ aoriana dia hoy ny mpamonjy voina iray tamin’ny mpanao gazety: “Niparitaka tetsy sy teroa ny rantsambatana, tanora avokoa ireo voa sady vao herotrerony tokoa. Mbola tsy nahita zavatra nampihoron-koditra toy izany aho.”
“Ny toetra tian’ny olona toy ny tsy fivadihana, dia mety hiteraka ady mora foana, sady mety hahatonga ny ady ho sarotra atsahatra”, hoy i Thurstan Brewin, tao amin’ny gazety anglisy iray. Tena voaloton’ny ra nandriaka ny tantaran’ny olombelona. Ohatra amin’izany ny ady nolazaina hoe ‘masina’, nataon’ny Kristianisma Anarana sy ny famonoana olona tambabe nataon’i Alemaina Nazia.
Mihamaro ny mahita faisana vokatry ny fivadihana
Tena mety hampidi-doza ny tsy fivadihana atosiky ny hafanam-po tafahoatra. Mandrava ny fiaraha-monina koa anefa ny fivadihana. Olona na hevitra ijoroana no anehoana tsy fivadihana. Tsy mandao ary tsy mamadika mihitsy ny olona tsy mivadika, na eo aza ny fakam-panahy hanao izany. Mifikitra amin’ilay olona na hevitra ijoroany foana izy. Milaza ho tia ny tsy fivadihana ny ankamaroan’ny olona, nefa tena tsy ampy io toetra io eo amin’ny fiaraha-monina, indrindra eo anivon’ny fianakaviana. Mitombo haingana ny taham-pisaraham-panambadiana, ary vao mainka mihabetsaka satria be loatra ny fanantitranterana ny fahombiazan’ny tena manokana, henjana sy manery ny fiainana ary maro ny manitsakitsa-bady. Tanora matetika no mahita faisana tsy fidiny amin’izany, toa an’ireo nipoahan’ilay baomba tany Tel Aviv.
Hoy ny tatitra iray: “Matetika no lasa tsizarizary ny fitaizana zanaka, satria tsy mafy orina ny fianakaviana rehefa misaraka ny mpivady, na misy misintaka, na mitaiza irery ny zanany izy ireo.” Ny ankizilahy tezain’ny reniny irery no tena mety ho voa mafy, ka tsy hahay any am-pianarana, hamono tena na hanao asan-jiolahy. Ankizy iray tapitrisa isan-taona, any Etazonia, no mahita ny ray aman-dreniny misaraka. Azo inoana koa fa mbola tsy hahatratra 18 taona akory ny antsasaky ny ankizy any amin’io tany io, dia hisaraka ny ray aman-dreniny. Asehon’ny antontan’isa fa zavatra tena mampalahelo toy izany koa no miandry ny tanora maro eran-tany.
Sarotra loatra ve ny hoe tsy mivadika?
Rehefa jerena ny tsy fisian’ny tsy fivadihana amin’ireo zavatra na olona tokony hanehoana an’izany, dia tena mety ireto tenin’i Davida Mpanjaka ireto: “Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy [na ny tsy mivadika]; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ny zanak’olombelona.” (Salamo 12:1) Nahoana no miely toy izany ny fivadihana? Hoy i Roger Rosenblatt, mpanoratra ao amin’ny gazetiboky Ny Fotoana (anglisy): “Marina fa toetra tena tsara ny tsy fivadihana. Tsy azo antenaina haneho azy io foana anefa isika olombelona mora solafaka. Raiki-tampisaka amintsika mantsy ny tahotra, ny tsy fatokisan-tena, ny fitia te hanararaotra ary ny fanirian-daza.” Milaza mazava toy izao ny Baiboly, momba ny fotoana iainantsika: “Ny olona ho tia tena, . . . tsy manaja izay masina [na mpivadika], tsy manam-pitiavana.”—2 Timoty 3:1-5.
Koa satria misy heriny lehibe eo amin’ny saina sy ny ataon’ny olona ny fanehoany tsy fivadihana, na fivadihana, dia tsara raha manontany tena isika hoe: ‘Iza no tena mendrika ny hanehoantsika tsy fivadihana?’ Diniho izay lazain’ny lahatsoratra manaraka momba io fanontaniana io.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Sary eto ambony: © AFP/CORBIS