Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Tokony Hiheverantsika ny Fisedrana?

Ahoana no Tokony Hiheverantsika ny Fisedrana?

Ahoana no Tokony Hiheverantsika ny Fisedrana?

FITSAPANA! Fisedrana! Tsy maintsy miatrika izany isika rehetra. Mety hiteraka fisedrana ny tsy fitovian-toetra, fahasahiranana ara-bola, aretina, fakam-panahy, fitaoman-dratsin’ny namana, fanenjehana, ny fandavantsika tsy hanao politika sy raharaha miaramila na fanompoan-tsampy, sy ny maro hafa. Matetika no miteraka fahorian-tsaina be ny fisedrana, na inona na inona endrika isehoany. Ahoana no hiatrehantsika azy ireny amim-pahombiazana? Mety hahasoa antsika ihany ve izy ireny?

Ny fanampiana tsara indrindra

Feno fisedrana ny fiainan’i Davida Mpanjaka fahiny, nefa nahatoky mandra-pahafatiny izy. Nahoana izy no afaka niaritra? Hoy izy momba ilay nanome hery azy: “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.” Hoy koa izy: “Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.” (Salamo 23:1, 4) Tsy manam-petra tokoa ny fanampiana omen’i Jehovah. Toy ny mpiandry ondry nitarika an’i Davida nandritra ny fotoana tena sarotra izy, ary vonona hanao izany amintsika koa, raha ilaina izany.

Ahoana no hahazoantsika ny fanampian’i Jehovah? Hoy ny Baiboly momba izany: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah.” (Salamo 34:8) Feno hatsaram-panahy izany fanasana izany, nefa inona no tena dikany? Izany dia fampirisihana hanompo an’i Jehovah sy hampifanaraka tanteraka ny fiainantsika amin’ny sitrapony. Misy zavatra afointsika na ataontsika sorona amin’izany. Tonga hatramin’ny fisedrana izany indraindray, izany hoe fanenjehana sy fijaliana. Tsy tokony hanenina mihitsy anefa ireo nanaiky ny fanasan’i Jehovah tamin’ny fony rehetra. Tena hikarakara azy ireo i Jehovah, ka hitarika azy sy hanome izay ilainy ara-panahy. Ny Teniny sy ny fanahiny masina ary ny fiangonana kristianina no hampiasainy, mba hanampiana azy ireo hiaritra fisedrana. Homeny fiainana mandrakizay koa izy ireo amin’ny ho avy.—Salamo 23:6; 25:9; Isaia 30:21; Romana 15:5.

Ireo manapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah ka nanova ny fiainany, ary mifikitra amin’izany fanapahan-keviny izany, dia mahita fa manatanteraka foana ny fampanantenany i Jehovah. Nahita izany ireo Isiraelita nanaraka an’i Josoa nankany amin’ny Tany Nampanantenaina. Raha vao tafita an’i Jordana izy ireo, dia nisy fisedrana tsy maintsy niaretany, sy ady tsy maintsy nataony, ary zava-tsarotra tsy maintsy nianarany. Nahatoky kokoa anefa io taranaka io, tsy toy ny razany izay nivoaka an’i Ejipta sy maty tany an’efitra. Nanampy an’ireo olona nahatoky àry i Jehovah. Hoy ny Baiboly, momba izany, talohan’ny nahafatesan’i Josoa: “Nomen’i Jehovah fitsaharana amin’ny manodidina izy, araka izay rehetra nianianany tamin’ny razany . . . Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak’Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.” (Josoa 21:44, 45) Hahazo fitahiana toy izany koa isika, raha mitoky tanteraka amin’i Jehovah, mandritra ny fisedrana sy amin’ny fotoana rehetra.

Inona no mety hampihena ny fatokisantsika an’i Jehovah? Nanondro antony iray i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; . . . Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna [na harena] hianareo.” (Matio 6:24) Tsy hitady fiarovana amin’ny harena, toy ny ataon’ny ankamaroan’ny olona eto amin’ity tontolo ity isika, raha mitoky amin’i Jehovah. Nanoro hevitra ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany [zavatra tena ilaina] rehetra izany.” (Matio 6:33) Manao safidy tsara ny Kristianina raha mahay mandanjalanja eo amin’ny fomba fiheverany ny harena, ary ny Fanjakan’Andriamanitra no ataony zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. (Mpitoriteny 7:12) Mazava ho azy fa mety hisy zavatra hafoiny ho takalon’izany. Mety hisy zavatra tsy maintsy hataony sorona. Hijinja voka-tsoa maro anefa izy. Hanampy azy koa i Jehovah.—Isaia 48:17, 18.

Fianarana avy amin’ny fisedrana

Tsy ho voaro tanteraka amin’ny fanafihan’i Satana sy ireo solontenany anefa isika, rehefa mifidy ny hanaraka ilay torohevitra hoe “andramo ka izahao fa tsara Jehovah.” (Mpitoriteny 9:11) Mety hotsapaina àry ny Kristianina raha tena vokatry ny fony ny fanompoany, ary raha tena tapa-kevitra ny tsy hivadika izy. Nahoana moa no avelan’i Jehovah hiharan’ny fisedrana toy izany ny mpivavaka aminy? Nanome antony iray i Petera, rehefa nilaza hoe: “Ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza), dia amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy.” (1 Petera 1:6, 7) Afaka manaporofo ny finoantsika sy ny fitiavantsika an’i Jehovah tokoa isika mandritra ireo fitsapana. Mamaly ny fihantsiana sy ny fiampangan’i Satana Devoly koa izy ireny.—Ohabolana 27:11; Apokalypsy 12:10.

Manampy antsika hamboly toetra mendrika ny Kristianina koa ny fitsapana. Diniho, ohatra, ilay tenin’ny mpanao salamo hoe: “Mijery ny ambany toetra [i Jehovah], ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.” (Salamo 138:6) Tsy toetra mampiavaka ny ankamaroantsika ny fanetren-tena, nefa manampy antsika hamboly io toetra tena ilaina io ny fisedrana. Tsarovy ilay tantara tamin’ny andron’i Mosesy, rehefa nilaza ny Isiraelita sasany fa nankaleo azy ny nihinana mana mandavantaona. Toa fisedrana ho azy ireo izany, na dia sakafo nomena tamin’ny fomba mahagaga aza ny mana. Inona no nokendrena tamin’ilay fitsapana? Hoy i Mosesy: “[Jehovah] nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao.”—Deoteronomia 8:16.

Mety hotsapaina koa ny fanetren-tenantsika. Amin’ny fomba ahoana? Ahoana, ohatra, ny fihetsitsika rehefa misy fanitsiana atao eo anivon’ny fandaminana? (Isaia 60:17) Moa ve isika manao ny asa fitoriana sy fampianarana amin’ny fo rehetra? (Matio 24:14; 28:19, 20) Dodona ve isika ny hanaiky ireo fanazavana ny fahamarinana ara-baiboly omen’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”? (Matio 24:45-47; Ohabolana 4:18) Moa ve isika manohitra ny fitaomana hahazo ny fitaovana maoderina nivoaka farany, na ny lamaody farany, na ny modelina fiara farany? Ho afaka hilaza hoe eny amin’ny fanontaniana toy ireo ny olona manetry tena.—1 Petera 1:14-16; 2 Petera 3:11.

Manampy antsika hamboly toetra iray tena ilaina koa ny fisedrana, dia ny fiaretana. Hoy i Jakoba mpianatra: “Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana [na fiaretana].” (Jakoba 1:2, 3) Raha mahavita miaritra an’ireo fitsapana isan-karazany isika, ka miantehitra tanteraka amin’i Jehovah, dia hitombo ao amintsika ny fahatokiana, sy tsy fiovaovana, ary tsy fivadihana. Manatanjaka antsika izany hiatrika ny hoavy, ka hanohitra ny fanafihan’i Satana, ilay andriamanitr’ity tontolo ity, izay tezitra mafy.—1 Petera 5:8-10; 1 Jaona 5:19; Apokalypsy 12:12.

Hevero araka ny tokony ho izy ny fisedrana

Niaritra fisedrana maro i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra lavorary, tamin’izy teto an-tany. Nahazo valisoa lehibe maro izy noho ny fiaretany. Nanoratra i Paoly fa “nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny” i Jesosy. (Hebreo 5:8) Nahatoky hatramin’ny fahafatesana izy, ka nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah, sady afaka nanolotra ny vidin’ny ainy lavorary hanavotana ny olombelona. Nanjary afaka manantena fiainana mandrakizay ireo rehetra maneho finoana an’i Jesosy. (Jaona 3:16) Tsy nivadika mihitsy i Jesosy nandritra ny fisedrana, ka lasa Mpisoronabe sy Mpanjaka nomena fiandrianana.—Hebreo 7:26-28; 12:2.

Ahoana kosa ny amintsika? Hahazo fitahiana tondraka koa isika raha tsy mivadika mandritra ny fisedrana. Hoy ny Baiboly momba ireo manana fanantenana ho any an-danitra: “Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy.” (Jakoba 1:12) Afaka matoky koa ireo manana fanantenana hiaina eto an-tany, fa handova fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa raha miaritra amim-pahatokiana. (Apokalypsy 21:3-6) Ambonin’izany, dia manome voninahitra ny anaran’i Jehovah ny tsy fivadihan’izy ireo.

Afaka matoky isika mpanara-dia an’i Jesosy, fa azontsika atao ny miaritra amim-pahombiazana ny fitsapana rehetra mety hisy eto amin’ity tontolo ity. (1 Korintiana 10:13; 1 Petera 2:21) Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fianteherana amin’i Jehovah, izay manome ‘hery lehibe’ ho an’ireo miankina aminy. (2 Korintiana 4:7) Enga anie isika ho tapa-kevitra ny tsy hivadika toa an’i Joba. Tena voasedra mafy izy, nefa mbola feno toky nilaza hoe: “Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.”—Joba 23:10.

[Sary, pejy 31]

Nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah ny tsy fivadihan’i Jesosy. Afaka manao izany koa isika