Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Nankaiza Daholo ny Mpifanila Trano?

Fa Nankaiza Daholo ny Mpifanila Trano?

Fa Nankaiza Daholo ny Mpifanila Trano?

“Tsy miraharaha ny mpifanila trano aminy intsony ny olona amin’izao andro izao.”—Benjamin Disraeli, mpitondra fanjakana anglisy, tamin’ny taonjato faha-19.

HAFAKELY ny fomba anampian’ny be taona any Cuba ny mpiara-belona aminy. Manana fikambanana antsoiny hoe círculos de abuelos, na fikambanan-dry dadabe sy bebe, izy ireo. Ambaran’ny tatitra iray tamin’ny 1997 fa be taona iray amin’ny dimy eo ho eo, no anisan’izany fikambanana izany, any Cuba. Any no ahazoan’izy ireo namana, fampiononana sy fampaherezana ary fanampiana mba hitandrovana fahasalamana. Hoy ny gazetiboky Fahasalamana Eran-tany (anglisy): “Rehefa misy ezaka manokana ataon’ny mpitsabo eo an-tanàna mba hanaovana vaksiny ny olona, dia vonona ny hanampy azy ireo foana ny círculos de abuelos.”

Mampalahelo anefa fa tsy misy intsony ny olona miahy ny mpiara-belona aminy toy izany, any amin’ny faritra maro. Raiso, ohatra, ilay tantara mahonena mahakasika an’i Wolfgang Dircks. Nipetraka tao amin’ny tranobe iray, tany amin’ny faritra andrefan’i Eoropa, izy. Taona vitsivitsy lasa izay, dia nilaza ny Gazetin’i Canberra (anglisy) fa ‘tsy nisy nanana eritreritra ny hitsidika an’i Wolfgang’ ireo fianakaviana 17 niara-nipetraka taminy tao amin’io tranobe io, na dia voamarik’izy ireo aza fa tsy hitahita izy. Rehefa niditra tao amin’ilay trano ny tompon-trano tamin’ny farany, dia “karana nipetraka teo anoloan’ny televiziona no hitany.” Nivelatra teo am-pofoan’ilay karana ny fandaharan’ny televiziona, tamin’ny 5 Desambra 1993. Efa dimy taona no nahafatesan’i Wolfgang, tamin’izay. Porofoin’izany tantara mampalahelo izany fa tsy mifampiahy intsony ny mpifanila trano! Tsy mahagaga raha nilaza tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy) ny mpanoratra iray, fa lasa “tanànan’olon-tsy fantatra” ny tanànany, toy ny tanàna maro hafa. Toy izany koa ve ny any aminareo?

Marina aloha fa mbola tena mifandray tsara ny mpiray tanàna sasany any ambanivohitra, ary misy mpiray tanàna miezaka ny hifampiahy kokoa any amin’ny tanàn-dehibe sasany. Maro amin’ny mponina an-tanàn-dehibe anefa no mahatsiaro ho manirery sy tsy manam-piarovana, na dia misy olona mipetraka aza manodidina azy. Malahelo izy ireo, satria tsy mifankahalala amin’ny mpifanila trano aminy. Nahoana?

Tsy mifankahalala ny mpifanila trano

Mifanila trano amin’olona tokoa ny ankamaroantsika. Ny hazavana avy amin’ny televiziona, aloka mihetsiketsika eo am-baravarankely, jiro arehitra sy vonoina, feona fiara tonga sy lasa, tongotra mamindra any an-dalantsara, ary ny lakile mamoha sy manidy varavarana dia samy famantarana fa “misy olona mipetraka ao akaiky ao.” Tsy tena mifandray intsony anefa ny mpiara-monina rehefa tsy mifankahafantatra, na tsy mifampiahy intsony noho ny rotoroton’ny fiainana. Mety hisy hihevitra fa tsy voatery hifandray na hanao na inona na inona amin’ny mpifanila trano aminy izy. Niaiky toy izao ny gazety aostralianina iray: “Tsy mifankahafantatra amin’ny mpifanila trano aminy mihitsy ny olona, hany ka tsy mihevitra izy fa tokony hanampy azy ireo. Mora kokoa ankehitriny ny tsy miraharaha na manilika izay olona tsy tiana hifaneraserana.”

Tsy mahagaga raha mitranga izany. Tsy mahalala afa-tsy ny tenany ny ankamaroan’ny olona eto amin’ity tontolo ity, hany ka mizaka ny vokatr’izany ‘fitiavan-tena’ izany ny manodidina azy. (2 Timoty 3:2) Noho izany, dia betsaka no mahatsapa ho manirery sy mitokantokana. Manjary tsy atokisan’ny olona izay mitokantokana, indrindra raha feno herisetra sy vonoan’olona ny manodidina. Mahatonga ny olona tsy hahay hangoraka koa io tsy fatokisana io.

Na izany na tsia no mitranga eo amin’ny manodidina anao, dia azo antoka fa ekenao hoe sarobidy amin’ny mpiara-belona aminy ny olona tsara fanahy. Betsaka ny zavatra vita rehefa miara-mientana ny rehetra mba hanatratrarana tanjona iray. Mitondra soa koa ny mpifanila trano tsara fanahy. Hanazava izany ny lahatsoratra manaraka.