Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mifamelà Heloka”

“Mifamelà Heloka”

“Mifamelà Heloka”

HEVERINAO ve fa namela ny helokao Andriamanitra? Toa mino izany ny ankamaroan’ny olon-dehibe any Etazonia. Nanontany Amerikanina 1 423 ny Dr. Loren Toussaint, ao amin’ny Oniversiten’i Michigan, any Etazonia. Nanao tatitra izy avy eo fa tokony ho 80 isan-jaton’ireo olon-dehibe maherin’ny 45 taona nanontaniany no nilaza fa nahazo famelan-keloka tamin’Andriamanitra.

Tsara homarihina anefa fa 57 isan-jaton’izy ireo monja no nilaza fa namela ny heloky ny hafa. Mampahatsiahy antsika ny toritenin’i Jesosy teo an-tendrombohitra izany antontan’isa izany. Hoy izy: “Raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.” (Matio 6:14, 15) Eny, anisan’ny zavatra takina amintsika ny famelana ny heloky ny hafa raha tiantsika ny hamelan’Andriamanitra ny fahotantsika.

Nampahatsiahivin’ny apostoly Paoly an’ireo Kristianina tany Kolosia io toro lalana io. Nampirisika mafy azy ireo izy hoe: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” (Kolosiana 3:13) Marina fa tsy mora foana akory izany. Raha nisy olona, ohatra, nasiaka na nanao teny tsy voahevitra taminao dia mety ho sarotra aminao ny hamela izany olona izany.

Kanefa, maro ny soa azo avy amin’ny famelana ny heloky ny hafa. Hoy ny manam-pahaizana iray atao hoe Dr. David Williams momba ny fikarohana nataony: “Nandinika ny Amerikanina zokinjokiny sy be taona izahay ary hitanay fa tena mifandray akaiky ny famelan-keloka sy ny fahasalaman’ny saina.” Mifanaraka tsara amin’ny tenin’i Solomona Mpanjaka hendry izany. Hoy izy, 3 000 taona lasa teo izay: “Ny fo mionona no fiainan’ny nofo.” (Ohabolana 14:30) Koa satria ny fitiavana mamela heloka mampihavana antsika amin’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika, dia manana antony tsara isika hamelana heloka amin’ny fo.—Matio 18:35.