Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarobidy ny Mpifanila Trano Tsara Fanahy

Sarobidy ny Mpifanila Trano Tsara Fanahy

Sarobidy ny Mpifanila Trano Tsara Fanahy

“Tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.”—Ohabolana 27:10.

NANONTANY an’i Jesosy toy izao ny manam-pahaizana iray, tamin’ny taonjato voalohany: “Iza àry no namako?” Tsy nilaza i Jesosy hoe iza no namany, fa hoe inona no atao hoe tena namana. Fantatrao tsara angamba ilay fanoharan’i Jesosy ny amin’ilay Samaritanina tsara fanahy, voatantara ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka. Izao no fomba nitantaran’i Jesosy azy:

“Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty. Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’izany làlana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy. Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa. Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena. Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin’ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ny tranom-bahiny, dia notsaboiny. Ary nony ampitson’iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho. Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?”—Lioka 10:29-36.

Takatr’ilay manam-pahaizana tsara ny hevi-dehibe tamin’ilay fanoharana. Nolazainy avy hatrany mantsy hoe iza no naman’ilay lehilahy naratra, ary marina ny valin-teniny hoe: “Ilay niantra azy.” Dia hoy Jesosy taminy: “Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.” (Lioka 10:37) Izany ka fanoharana mandaitra momba ny atao hoe tena namana! Mety hahatonga antsika hanontany tena toy izao mihitsy aza iny fanoharan’i Jesosy iny: ‘Namana manao ahoana moa aho? Izay mitovy firazanana na firenena amiko ihany ve no ataoko namana? Manakana ahy tsy hanampy izay mpiara-belona amiko hitako manan-java-manahirana ve izany? Miezaka bebe kokoa ve aho, mba ho tsara fanahy amin’ny mpiara-belona amiko?’

Aiza no anombohana?

Raha mahatsapa isika fa mila miezaka amin’io lafiny io, dia ny toe-tsaintsika mihitsy aloha no mila hatsaraina. Izay hahatonga antsika ho tsara fanahy amin’ny mpiara-belona amintsika no tokony hahintsika voalohany. Mety ho tsara fanahy amintsika koa izy ireo amin’izay. Efa ho roa arivo taona lasa izay, dia nanamafy io toro lalana lehibe momba ny fifandraisan’ny mpiara-belona io i Jesosy, tao amin’ilay toriteniny malaza teo an-tendrombohitra. Hoy izy: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12) Hitondra anao amim-panajana sy amim-pahamendrehana ary amin-katsaram-panahy ny olona, raha mitondra azy ireny toy izany ianao.

Nilaza fomba tsotra vitsivitsy azo arahina mba hifandraisana tsara amin’ny mpiara-belona, i Lise Funderburg, mpanoratra sady mpanao gazety, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Tiavo ny Mpiara-belona Aminao.” Niseho tao amin’ilay gazetiboky hoe Ny Firenena Nanomboka Tamin’ny 1865 (anglisy) izy io. Hoy izy: ‘Tiako raha hita taratra amin’ny fifanampiana madinidinika, eo amin’ny mpifanila trano, ny fifandraisana misy eo amin’izy ireo. Tafiditra amin’izany ny fijerijerena ny ankizy sy ny fividianana zavatra kely eny an-tsena. Tiako raha mba misy fifandraisana toy izany eto amin’ity tontolo mihamisara-bazana ity. Tsy misy fandriampahalemana intsony mantsy eo amin’ny fiaraha-monina, noho ny tahotra sy ny heloka bevava.’ Hoy ihany izy: “Ianao no tokony hanomboka aloha, ary mety ho amin’ny mpifanila trano aminao no hanombohanao izany.”

Nanome hevitra tsara hanampiana ny mpifanila trano hifandray tsara koa ny gazetiboky Jeografia Kanadianina (anglisy). Hoy ilay mpanoratra atao hoe Marni Jackson: “Toy ny ray aman-dreny sy ny mpiray tam-po ny mpifanila trano. Tsy ianao mazàna no mifidy azy ireo. Mila mahay mandanjalanja sy mahalala fomba ary mahay mandefitra ianao, rehefa mifandray amin’izy ireo.”

Tia manome ny mpifanila trano tsara fanahy

Marina aloha fa maro no mety ho sanganehana rehefa hanatona ny mpifanila trano aminy. Mety ho mora kokoa ny tsy mifandray aminy sy ny mitokantokana. Milaza anefa ny Baiboly fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Noho izany, dia miezaka mafy mba hifankahalala amin’ny manodidina azy ny mpifanila trano tsara fanahy. Tsy voatery hifandray be amin’izy ireo izy, nefa miezaka kosa mba hiresaka kely aminy tsindraindray, angamba hanomboka amin’ny tsikitsiky kely na fiarahabana.

Ny “fifanampiana madinidinika” no tena zava-dehibe, araka ny voalaza tetsy ambony, mba hahafahan’ny mpifanila trano hifandray tsara sy hihazona izany fifandraisana izany. Tsara àry raha mitady fomba hanehoana hatsaram-panahy aminy ianao, satria matetika izany no hahatonga anareo ho tia hifanampy sy hifanaja. Amin’izay koa isika dia hanaraka ilay fananaran’ny Baiboly hoe: “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany.”—Ohabolana 3:27; Jakoba 2:14-17.

Mahay mankasitraka ny mpifanila trano tsara fanahy

Tena tsara raha mankasitraka ny fanampiana sy fanomezana atolotra azy daholo ny olona. Mampalahelo anefa fa tsy izany foana no mitranga. Tena tsy nahay nankasitraka ny fanampiana, na fanomezana natao tamim-pahatsorana ny olona sasany, ka mety hieritreritra toy izao ilay olona tso-po nanome: ‘Tsy mahavita intsony aho, farany iny!’ Miezaka mafy erỳ ianao indraindray mba ho sariaka sy hiarahaba amin-katsaram-panahy ireo mpifanila trano aminao, nefa dia zara izy ireo raha mamaly.

Tsy voatery ho tsy mahalala fomba anefa ilay olona matetika, na dia izany aza no fahitana azy. Ny kolontsainy angamba no mahatonga azy ho sadaikatra na ho menamenatra, ka lasa tsy rototra, na toa somary miavona izy. Miaina eo anivon’ny tontolo iray tsy mahay mankasitraka koa isika, ka mety tsy hahazatra ny olona ny hatsaram-panahy asehonao, na mety hampiahiahy azy mihitsy aza. Mety hila toky izy ireo. Mety hilana fotoana sy faharetana àry ny fanorenana fifandraisana tsara. Na izany aza, ireo mpifanila trano miezaka ny ho tia manome sy hahay hankasitraka dia mampisy fihavanana sy fahasambarana, eo amin’ny manodidina azy.

Rehefa misy loza

Rehefa misy loza indrindra no tena sarobidy ny mpifanila trano tsara fanahy. Amin’io fotoana io no ahitana ny tena atao hoe namana. Maro ny fitantarana momba ireo asa an-tsitrapo ataon’ny mpifanila trano, amin’ny fotoana toy ireny. Tonga dia mifanampy izy ireo rehefa tonga ny loza, ary mikely aina mba hamonjena ny hafa. Na dia ireo tsy mifanara-tsaina aza dia hiara-miasa, matetika.

Nilaza, ohatra, ny Gazetin’i New York, fa niray hina ireo mpifahavalo hatramin’ny ela, rehefa nandrava an’i Torkia ny horohoron-tany iray, tamin’ny 1999. Hoy ny mpanoratra an-gazety grika iray atao hoe Anna Stergiou: “Efa hatramin’ny taona maro izahay no nampianarina hankahala ny Tiorka. Tsy faly tamin’ny fahoriana mafy nahazo azy ireo anefa izahay. Nalahelo sy nitomany izahay rehefa nahita fatin-jazakely, ka toy ny hoe nanjavona ilay fifankahalana nisy hatramin’izay.” Mbola nitady ireo nieren-doza ihany ny mpamonjy voina grika, na dia nambara tamin’ny fomba ofisialy aza fa nifarana ilay asa famonjena.

Faran’izay tsara sady mampiseho herim-po tokoa ny famonjena ny mpiara-belona aorian’ny loza. Na izany aza, dia tokony hoheverina ho sarobidy kokoa noho izany ny famonjena ny ain’ny mpiara-belona, amin’ny fampitandremana azy ireo alohan’ny loza. Mampalahelo anefa fa araka ny zava-niseho, dia tsy tian’ny olona ireo mampitandrina ny mpiara-belona aminy ny amin’ny loza hitranga. Mbola tsy miharihary amin’ny fotoana anaovana ilay fampitandremana mantsy ny famantarana ilay loza mitatao. Matetika no tsy inoan’ny olona ireo mandefa fampitandremana. Mila fikirizana sy fahafoizan-tena be izay te hanampy ireo tsy mahatsapa ny loza hanjo azy.

Ny fomba tsara indrindra anehoana fitiavana ny mpiara-belona

Mbola hisy fisehoan-javatra tena lehibe noho ny loza araka ny natiora, ho tonga amin’ny taranak’olombelona ankehitriny. Io ilay zavatra nambara mialoha fa hataon’ilay Andriamanitra Tsitoha, mba hanesorana ny heloka bevava sy ny faharatsiana ary ny olana rehetra aterak’izany. (Apokalypsy 16:16; 21:3, 4) Tena hitranga io fisehoan-javatra tena lehibe io fa tsy honohono fotsiny akory! Mila fahalalana ireo izay te ho tafita velona amin’io fisehoan-javatra goavana sady mananontanona io. Mazoto mizara io fahalalana io amin’ny olona betsaka araka izay azo atao ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany no mahatonga azy ireo tsy mety mampijanona ilay asany fantatry ny olona tsara, dia ny fitoriana maneran-tany. (Matio 24:14) Manao azy io an-tsitrapo izy ireo, noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy.

Aza avela hanakana anao tsy hihaino ny Vavolombelona àry ny fitsarana an-tendrony, na ny fahasosorana, rehefa tonga eo am-baravaranao, na manatona anao any an-toeran-kafa, izy ireo. Miezaka mba ho tsara fanahy amin’ny mpiara-belona aminy izy ireo. Ekeo àry ny fampianarana Baiboly atolotr’izy ireo. Aoka ho fantatrao fa mampanantena ny Tenin’Andriamanitra hoe tsy ho ela dia hiara-miaina amim-pifaliana sy amim-piadanana ny mpiara-belona. Amin’izay fotoana izay, dia tsy handrava ilay fihavanana irin’ny ankamaroantsika intsony ny fanavakavahana ara-pirazanana sy ara-pivavahana ary ara-tsaranga.

[Sary, pejy 6, 7]

Tsara ny manao asa feno hatsaram-panahy ho an’ny manodidina anao

[Sary nahazoan-dalana]

Gilaoby: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.