Tahafo Ilay Mpampianatra Lehibe
Tahafo Ilay Mpampianatra Lehibe
“Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny [olona] . . . sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”—MATIO 28:19, 20.
1, 2. a) Amin’ny heviny ahoana isika rehetra no atao hoe mpampianatra? b) Inona no andraikitra tsy manam-paharoa ananan’ny tena Kristianina?
MPAMPIANATRA ve ianao? Azo lazaina hoe mpampianatra daholo isika. Mampianatra ianao isaky ny manoro lalana olona very, mampiseho amin’ny mpiara-miasa ny fanaovana asa iray, ary manazava amin’ny ankizy ny fomba amatorana tadin-kiraro. Mahafa-po ny manampy olona toy izany, sa tsy izany?
2 Manana andraikitra tsy manam-paharoa ny tena Kristianina. Irahina ‘hampianatra’ olona isika mba hahatongavan’izy ireo ho mpianatr’i Jesosy. (Matio 28:19, 20) Afaka mampianatra koa isika eo anivon’ny fiangonana. Misy rahalahy mahay notendrena ho “mpiandry sy mpampianatra” mba hampandroso azy io. (Efesiana 4:11-13) Tokony ‘hampianatra zavatra tsara’ an’ireo vehivavy tanora kokoa ny vehivavy matotra, rehefa manao ny asa fanaon’ny Kristianina andavanandro. (Titosy 2:3-5) Ampirisihina isika rehetra hampahery ny mpiray finoana amintsika, ka hampiasa ny Baiboly rehefa manatanjaka azy ireo toy izany. (1 Tesaloniana 5:11) Voninahitra tokoa ny hoe mampianatra ny Tenin’Andriamanitra, sy mizara zava-tsarobidy ara-panahy mitondra soa maharitra!
3. Ahoana no anatsarantsika ny fahaizantsika mampianatra?
3 Ahoana àry no anatsarantsika ny fahaizantsika mampianatra? Ny zavatra ilaintsika voalohany indrindra dia ny manahaka an’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy? Izy ange lavorary e!’ Marina aloha fa tsy ho mpampianatra lavorary isika. Afaka manao araka izay fara herintsika kosa anefa isika mba hanahafana ny fomba fampianatr’i Jesosy, na manao ahoana na manao ahoana fahaizantsika. Andeha àry hojerentsika hoe ahoana no hampiasantsika ireto fomba fampianany efatra ireto: fomba tsotra, fanontaniana mandaitra, hevitra mirindra tsara ary fanoharana mifanentana.
Fomba tsotra
4, 5. a) Nahoana ny fahatsorana no tena mampiavaka ny fahamarinana ara-baiboly? b) Nahoana no zava-dehibe ny mitandrina ny voambolana ampiasaintsika mba hampianarana amin’ny fomba tsotra?
4 Tsy sarotra ny fahamarinana fototra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nivavaka toy izao i Jesosy: “Midera Anao Aho, Raiko, . . . fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika.” (Matio 11:25) Nasehon’i Jehovah tamin’ireo tso-po sy manetry tena ny fikasany. (1 Korintiana 1:26-28) Tsotra àry ny fahamarinana ara-baiboly. Izany no tena mampiavaka azy.
5 Ahoana no ampianarana amin’ny fomba tsotra rehefa mampianatra ny Baiboly na miverina mitsidika ireo olona liana? Inona no nianarantsika avy tamin’ilay Mpampianatra Lehibe? Nampiasa teny tsotra i Jesosy, mba ho azo antoka tsara fa azon’ny mpihaino azy ny fampianarany. Maro tamin’izy ireo mantsy no “tsy mba mpahay lalàna na nampianarina.” (Asan’ny Apostoly 4:13) Mba hampianarana amin’ny fomba tsotra àry dia izao no takina voalohany: Tandremo ny voambolana ampiasaintsika. Tsy ilaina ny teny mampideradera fahaizana, mba hampiekena ny olona momba ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mety hahasaikatra ny ‘teny marevaka’ toy izany, indrindra ho an’ny olona tsy nianatra firy, na tsy dia mahataka-javatra. (1 Korintiana 2:1, 2) Hita amin’ny ohatr’i Jesosy fa teny tsotra sy voafidy tsara no tena mampiaiky ny olona momba ny fahamarinana.
6. Inona no tokony hatao mba tsy ho be loatra ny fanazavana omentsika ny mpianatra ny Baiboly?
6 Tsy tokony ho be loatra koa ny fanazavana omentsika ny mpianatra ny Baiboly, raha tiantsika ho tsotra ny fampianarantsika. Nihevitra ny fetran’ny mety ho vitan’ny mpianany i Jesosy. (Jaona 16:12) Tsy maintsy mihevitra ny fetran’ny mety ho vitan’ny olona ampianarintsika koa isika. Tsy voatery hanazava ny tsipiriany rehetra isika, ohatra, rehefa mampianatra amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Tsy ilaina koa ny mirotoroto, ka toy ny hoe ny hamita ilay fianarana no zava-dehibe indrindra. Ny zavatra ilain’ilay mpianatra sy ny fahaizany no tokony hamaritra ny hafainganan’ilay fianarana. Ny hanampy azy ho tonga mpianatr’i Kristy sy mpivavaka amin’i Jehovah no tanjontsika. Na hafiriana na hafiriana ilain’ilay mpianatra hahatakarany ilay lesona, dia tokony ho vonona isika haka izany fotoana izany. Mety hanohina ny fony ny fahamarinana amin’izay, ary hanosika azy hanao zavatra.—Romana 12:2.
7. Inona avy no fanoloran-kevitra manampy antsika hampianatra amin’ny fomba tsotra, rehefa manao lahateny ho an’ny fiangonana?
7 Inona no atao mba ‘hazava’ izay lazaintsika, rehefa manao anjara na lahateny ho an’ny fiangonana isika, indrindra raha misy vaovao manatrika eo? (1 Korintiana 14:9) Mety hanampy ireto fanoloran-kevitra telo ireto. Voalohany, hazavao ireo teny tsy mahazatra ampiasainao. Misy voambolana mampiavaka antsika mantsy noho ny fahatakarantsika ny Tenin’Andriamanitra. Mety hilaintsika hohazavaina amin’ny teny tsotra ny teny toy ny hoe “mpanompo mahatoky sy malina”, “ondry hafa” ary “Babylona Lehibe.” Faharoa, aza mampiasa teny be loatra sy niangaliana be loatra. Mety tsy ho liana intsony ny mpihaino raha izany no ataontsika. Mazava izay lazaina rehefa esorina ny teny tsy ilaina. Fahatelo, aza miresaka zavatra be loatra. Mety ho nahita tsipiriany mahaliana maro isika rehefa nanao fikarohana. Tsara anefa raha zaraina ho hevi-dehibe vitsivitsy ilay lahateny. Aza mampiasa afa-tsy izay fanazavana manaporofo ireo hevitra ireo ihany, sy izay azo velabelarina tsara ao anatin’ny fotoana nomena hanaovana ilay anjara.
Fanontaniana mandaitra
8, 9. Ahoana no ifidianantsika fanontaniana mahaliana ilay tompon-trano? Manomeza ohatra.
8 Tsarovy fa tena nahay nampiasa fanontaniana i Jesosy mba hilazan’ny mpianany izay tao an-tsainy, ary mba hampirisihana sy hampianarana azy ireo hieritreritra. Nanohina tamin-katsaram-panahy ny fon’ny mpihaino azy ny fanontanian’i Jesosy, ary nanosika azy ireo hanao zavatra. (Matio 16:13, 15; Jaona 11:26) Ahoana koa no ahaizantsika mampiasa fanontaniana mandaitra toa an’i Jesosy?
9 Azontsika atao ny mametraka fanontaniana rehefa mitory isan-trano, mba hanairana ny fahalianan’ny olona. Hitarika ho amin’ny firesahana momba ny Fanjakan’Andriamanitra izany. Ahoana no ifidianantsika fanontaniana mahaliana ilay tompon-trano? Mahaiza mandinika. Jereo ny manodidina rehefa manatona ilay trano ianao. Misy kilalao ve eo an-tokotany? Mampiseho izany fa misy ankizy ao amin’ilay trano. Azontsika atao àry ny milaza hoe: ‘Efa mba nanontany tena ve ianao hoe hanao ahoana ity tontolo ity rehefa ho lehibe ny zanakao?’ (Salamo 37:10, 11) Be hidiny be ve ny varavarana, sa misy fiarovana hafa amin’ilay trano? Afaka manontany isika hoe: ‘Heverinao ve fa indray andro any isika tsy hatahotra ny hisy hanafika intsony, na ao an-trano na eny an-dalana?’ (Mika 4:3, 4) Voamarikao ve fa misy marary ao amin’ilay trano? Azontsika atao ny manontany hoe: ‘Mba ho salama tsara ihany ve ny olon-drehetra indray andro any?’ (Isaia 33:24) Misy fanoloran-kevitra maro ao amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina. *
10. Fanontaniana manao ahoana no azontsika apetraka mba ‘hanovozana’ ny eritreritra sy ny fihetseham-pon’ilay mpianatra ny Baiboly, kanefa inona no tokony hotadidintsika?
10 Ahoana no atao mba hahaizana mampiasa fanontaniana mandaitra rehefa mampianatra ny Baiboly? Tsy mahafantatra ny ao am-pon’ny olona toa an’i Jesosy isika. Manampy antsika ‘hanovo’ ny eritreritra sy ny fihetseham-pon’ilay mpianatra anefa, ny fanontaniana voalanjalanja sy mifanaraka amin’ny toe-javatra. (Ohabolana 20:5) Ohatra, aoka hatao hoe mianatra ny boky Fahalalana isika ao amin’ilay toko hoe “Ny Antony Itondran’ny Fananana Fiainana Araka An’Andriamanitra Fahasambarana.” Voalaza ao ny fiheveran’Andriamanitra ny tsy fanaovana ny marina sy ny fijangajangana, ary ny zavatra hafa koa. Mety ho marina ny valiny omen’ilay mpianatra rehefa apetraka aminy ny fanontaniana ao amin’ny boky. Ekeny ve anefa ilay izy? Azontsika atao ny manontany hoe: ‘Hitanao ho ara-drariny ve izany fomba fihevitr’i Jehovah izany?’ ‘Ahoana no ampiharanao izany toro lalan’ny Baiboly izany?’ Tadidio anefa fa tokony hanaja ilay mpianatra isika. Tsy tokony hametraka fanontaniana mahasanganehana na manambany azy isika.—Ohabolana 12:18.
11. Inona no azon’ny mpandahateny atao mba hampiasana fanontaniana mandaitra?
11 Afaka mampiasa fanontaniana mandaitra koa ny mpandahateny. Manampy ny mpihaino hieritreritra sy hanjohy hevitra ny fanontaniana fampieritreretana, na tsy miandry valiny. Nampiasa fanontaniana toy izany i Jesosy indraindray. (Matio 11:7-9) Afaka mampiasa fanontaniana koa ny mpandahateny aorian’ny teny fampidirana, mba hilazana ireo hevi-dehibe hodinihina. Afaka miteny izy hoe: “Ireto avy no fanontaniana hovaliantsika mandritra ity fiaraha-midinika ity . . .” Azony atao ny misarika ny saina ho amin’ireo fanontaniana ireo mba hamerenana ny hevi-dehibe, rehefa mamarana ilay lahateny.
12. Afaka mampiasa fanontaniana ny anti-panahy kristianina mba hanampiana ny mpiray finoana aminy hanovo fampiononana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Manomeza ohatra.
12 Afaka mampiasa fanontaniana koa ny anti-panahy kristianina rehefa manao fitsidihan’ny mpiandry, mba hanampiana ny ketraka hanovo fampiononana avy ao amin’ny Tenin’i Jehovah. (1 Tesaloniana 5:14) Afaka misarika ny sain’ilay olona ketraka ho amin’ny Salamo 34:18, ohatra, ilay anti-panahy mba hanampiana azy. Hoy ilay andininy: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” Mba hahazoana antoka fa hitan’ilay olona kivy hoe tena mihatra aminy ilay andininy, dia afaka manontany ilay anti-panahy hoe: ‘Akaiky an’iza i Jehovah? Manana “fo mangorakoraka” sy “torotoro fanahy” ve ianao indraindray? Raha milaza ny Baiboly fa akaiky ny olona toy izany i Jehovah, tsy midika ve izany fa akaiky anao izy?’ Afaka mamelombelona ilay olona ketraka, ny fanomezan-toky amim-pitiavana toy izany.—Isaia 57:15.
Hevitra mirindra tsara
13, 14. a) Inona no fanjohian-kevitra azontsika ampiasaina amin’ny olona milaza fa tsy mino an’Andriamanitra izay tsy hitany izy? b) Nahoana isika no tsy tokony hanantena fa ho resy lahatra ny rehetra?
13 Rehefa mandeha manompo isika, dia tokony Asan’ny Apostoly 19:8; 28:23, 24) Midika ve izany fa tsy maintsy mampiasa fanjohian-kevitra sarotra be isika, vao hampiaiky ny olona momba ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Tsy izany mihitsy. Tsy voatery ho sarotra ny fanjohian-kevitra marim-pototra. Ny fanaporofoan-kevitra mirindra tsara aseho amin’ny fomba tsotra no mandaitra indrindra matetika. Ity misy ohatra.
hanohina ny fon’ny olona amin’ny hevitra marim-pototra sy fanjohian-kevitra maharesy lahatra. (14 Inona no azontsika lazaina raha misy olona milaza fa tsy mino an’Andriamanitra izay tsy hitany izy? Azontsika atao ny mampisaintsaina azy hoe matoa misy ny zavatra iray, dia tsy maintsy ho nisy antony nahatonga izany. Lalàna voajanahary izany. Azontsika atao ny milaza hoe: ‘Aoka hatao hoe mahita trano tsara tarehy feno sakafo ianao any amin’ny faritra mitokana iray. Hanaiky avy hatrany ianao fa nisy olona nanorina an’io trano io sy nameno ny efitrano fitehirizan-tsakafony. Toy izany koa fa, rehefa jerena ny firafitry ny natiora sy ny sakafo be dia be ao amin’ny “efitrano fitehirizan-tsakafon’ny tany”, tsy ara-dalàna ve ny hanekena hoe nisy nanao izy ireny?’ Mazava sy tsotra toy izao ny ilazan’ny Baiboly izany: “Ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4) Tsy ny rehetra anefa no ho resy lahatra, na dia marim-pototra aza ny fanjohian-kevitsika. Mampahatsiahy antsika ny Baiboly fa ireo tia ny fiainana mandrakizay ihany no ho tonga mpino.—Asan’ny Apostoly 13:48; 2 Tesaloniana 3:2.
15. Inona no fanjohian-kevitra azontsika ampiasaina mba hanasongadinana ny toetra sy ny fomba fiasan’i Jehovah? Manomeza ohatra roa.
15 Rehefa mampianatra eny amin’ny fanompoana na eo anivon’ny fiangonana isika, dia afaka mampiasa hevitra mirindra tsara mba hanasongadinana ny toetra sy ny fomba fiasan’i Jehovah. Tena mandaitra ilay fomba fanjohian-kevitra nampiasain’i Jesosy tsindraindray, dia ilay hoe ‘tsy mainka va.’ (Lioka 11:13; 12:24) Mety hisy vokany lehibe eo amin’ny mpihaino io fomba fanjohian-kevitra mifototra amin’ny fifanoheran-javatra io. Mba hampisehoana fa tsy mitombina ny foto-pampianarana momba ny afobe, dia azontsika atao ny milaza hoe: ‘Tsy misy ray be fitiavana handoro ny tanan-janany mba hanasaziana azy. Tsy vao mainka ve haharikoriko an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra ny afobe?’ (Jeremia 7:31) Mba hampianarana fa miahy ny mpanompony tsirairay i Jehovah, dia azontsika atao ny miteny hoe: ‘Fantatr’i Jehovah amin’ny anarany ny kintana tsirairay, izay miisa an’arivo tapitrisa. Tsy vao mainka ve izy hiahy ny olona tia azy sy novidiny tamin’ny ra sarobidin’ny Zanany?’ (Isaia 40:26; Asan’ny Apostoly 20:28) Afaka manampy antsika hanohina ny fon’ny olona ny fanjohian-kevitra mampiaiky toy izany.
Fanoharana mifanentana
16. Nahoana no zava-dehibe ny fanoharana rehefa mampianatra?
16 Toy ny zavatra mampahatsiro sakafo ny fanoharana. Mahatonga ny fampianarana ho mahaliana kokoa izy ireny. Nahoana no zava-dehibe ny fanoharana rehefa mampianatra? Hoy ny mpanabe iray: “Anisan’ny sarotra indrindra amin’ny olombelona ny mieritreritra hevitra fotsiny, tsy misy ohatra.” Mahatonga sary misy heviny ao an-tsaina ny fanoharana, ka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ireo hevi-baovao. Tena niavaka ny fampiasan’i Jesosy fanoharana. (Marka 4:33, 34) Andeha hodinihintsika ny fomba fampiasa an’io fomba fampianatra io.
17. Zavatra efatra inona avy no mahatonga ny fanoharana handaitra?
17 Inona no mahatonga ny fanoharana handaitra? Voalohany, tokony hifanentana amin’ny mpihaino sy ho azony avy hatrany izy io. Tsaroantsika fa maro tamin’ny fanoharan’i Jesosy no nalainy avy tamin’ny fiainana andavanandron’ireo mpihaino azy. Faharoa, tokony hifanaraka tsara amin’ny hevitra resahina ilay fanoharana. Raha tsy izany, dia mety hampivily ny sain’ny mpihaino fotsiny izy io. Fahatelo, tsy tokony ho be tsipiriany tsy ilaina ny fanoharana. Tsarovy fa izay tsipiriany tena nilaina ihany no nomen’i Jesosy. Fahefatra, tokony ho azontsika antoka hoe mazava ny fampiharana ilay fanoharana. Raha tsy izany, dia mety hisy tsy hahatakatra azy io.
18. Ahoana no ahitantsika fanoharana mifanentana?
Asan’ny Apostoly 3:19, izay milaza fa ‘mamono’ na mamafa ny fahadisoantsika i Jehovah. Marina fa efa sarin-teny mazava io ampiasaina eo io, nefa ohatra mivaingana inona no azontsika omena hanazavana izany: gaoma ve? sa sponjy? Azontsika atao ny miteny hoe: ‘Toy ny hoe mampiasa sponjy (na gaoma) i Jehovah hamafana ny fahotantsika rehefa mamela ny helotsika.’ Mora takatra ny hevitra tiana haseho amin’ny fanoharana tsotra toy izany.
18 Ahoana no ahitantsika fanoharana mifanentana? Tsy voatery hitady tantara lava be sy be pitsony isika. Tena mandaitra ny fanoharana fohy. Mitadiava fotsiny ohatra mifanentana amin’ilay hevitra dinihina. Ohatra, aoka hatao hoe miresaka isika fa mamela heloka Andriamanitra. Mitady ohatra isika hanazavana ny19, 20. a) Aiza isika no afaka mahita fanoharana tsara? b) Inona avy no fanoharana mandaitra sasany navoaka tao anaty boky sy gazetintsika? (Jereo koa ny faritra voafefy.)
19 Aiza no ahitanao fanoharana mifanentana, anisan’izany ny ohatra tena misy eo amin’ny fiainana? Mitadiava zava-nitranga teo amin’ny fiainanao na toe-javatra isan-karazany niainan’ny mpiray finoana aminao. Betsaka no azo akana fanoharana: zavatra mananaina na tsia, kojakoja ao an-tokantrano na zava-nitranga fantatry ny mpiara-monina. Raha tiantsika ny hahita fanoharana tsara, dia tokony ho mailaka isika ‘handinika’ ny zava-miseho manodidina antsika isan’andro. (Asan’ny Apostoly 17:22, 23) Nanazava toy izao ny boky iray momba ny fahaizana mandaha-teny: “Raha manao ireto zavatra ireto ny mpandahateny iray dia hahangona fanoharana maro be, izay tena hanampy azy amin’ny fotoana ilany izany: Mandinika ny fiainan’ny olombelona sy ny asa aman-draharahany, miresaka amin’ny karazan’olona rehetra, mandini-javatra tsara, ary manontany mandra-pahazony tsara ny valiny.”
20 Misy fanoharana mandaitra maro koa ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ary ny boky hafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mianatra zavatra betsaka ianao raha mandinika ny fomba ampiasana fanoharana ao amin’ireny boky sy gazety ireny. * Raiso, ohatra, ilay fanoharana eo amin’ny fehintsoratra faha-11, amin’ny toko faha-17 ao amin’ny boky Fahalalana. Ampitahainy amin’ny fiara maro samihafa miray lalana aminao, ny toetran’ny olona maro samihafa eo anivon’ny fiangonana. Nahoana no mandaitra ilay fanoharana? Mariho fa nalaina avy tamin’ny tarehin-javatra fahita andavanandro ilay izy, sy tena mifanaraka tsara amin’ilay hevitra tiana hasongadina, ary mazava ny fampiharana azy. Afaka mampiasa ireo fanoharana hita ao amin’ny bokintsika isika rehefa mampianatra. Mety ho azontsika ampifanarahina amin’ny zavatra ilain’ilay mpianatra ny Baiboly izy ireny, na amin’ny anjara na lahateny ataontsika.
21. Inona avy no valisoa azon’izay mahay mampianatra ny Tenin’Andriamanitra?
21 Maro ny valisoa raisin’ny mpampianatra mahay. Malala-tanana amin’ny olona isika rehefa mampianatra, satria mahafoy tena manampy azy ireny. Mahasambatra antsika izany, satria hoy ny Baiboly: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Ny mahasambatra antsika mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra, dia ny fifaliana mahalala hoe zavatra maharitra sy tena misy vidiny no omentsika. Tsy inona izany fa ny fahamarinana momba an’i Jehovah. Afa-po koa isika satria mahafantatra fa manahaka an’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 6 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 9 Jereo ilay fizarana hoe “Fampidiran-dresaka Fampiasa eo Amin’ny Asa Fitoriana”, pejy faha-9-15.—Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 20 Mba hahitana ohatra, dia jereo ny hoe “Fanoharana” ao amin’ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah 1991-1993.—Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fiteny maromaro.
Tadidinao Ve?
• Ahoana no ampianarana amin’ny fomba tsotra rehefa mampianatra ny Baiboly sy rehefa manana anjara na lahateny ho an’ny fiangonana?
• Ahoana no ahaizana mampiasa fanontaniana rehefa mitory isan-trano?
• Ahoana no azo ampiasana hevitra mirindra tsara rehefa manasongadina ny toetran’i Jehovah sy ny fomba fiasany?
• Aiza no ahitantsika fanoharana mifanentana?
[Fanontaniana]
[Efajoro/Sary, pejy 23]
Tadidinao ve Ireto Fanoharana Ireto?
Ireto misy fanoharana mandaitra vitsivitsy. Nahoana raha jerena ny boky na gazety nakana ilay fanoharana, ary marihina ny fomba anasongadinan’izy io ilay hevitra dinihina?
• Toy ny olon-droa mandihy afindrafindrao ny fanambadiana vanona. Miankina be dia be amin’ny fananana vady tsara izy io.—Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2001, pejy 16.
• Toy ny manipy baolina isika rehefa maneho ny fihetseham-pontsika. Azonao atsipy moramora ilay izy na atsipy mafy be ka handratra.—Mifohaza! 8 Janoary 2001, pejy 10.
• Toy ny fianarana fiteny vahiny ny fianarana maneho fitiavana.—Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1999, pejy 18, 22, 23.
• Toy ny jono ampiasain’ny mpihaza no ampiasan’ny demonia ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy. Manintona ny remby izy io.—Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, pejy 111.
• Ny namonjen’i Jesosy ny taranak’i Adama, dia azo ampitahaina amin’ny mpanasoa manankarena, izay nandoa ny trosan’ny orinasa iray (nanao ny tsy marina mantsy ny talen’izy io ka nahatonga io trosa io) ary nanokatra azy io indray, ka nandray soa avy tamin’izany ny mpiasa maro tao aminy.—Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 1991, pejy 13.
• Hiezaka mafy ny mpitia zavakanto mba hamerina amin’ny laoniny ny sangan’asa iray simba be. Toy izany koa fa mamela ny fahadisoantsika i Jehovah, sy mahita ny tsara ao anatintsika ary hamerina antsika ho amin’ny fahalavorariana izay verin’i Adama.—Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 1990, pejy 22.
[Sary, pejy 20]
Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra ny tena Kristianina
[Sary, pejy 21]
Afaka mampiasa fanontaniana ny anti-panahy mba hanampiana ny mpiray finoana aminy hanovo fampiononana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra