Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Hanova na Inona na Inona Aho!”

“Tsy Hanova na Inona na Inona Aho!”

Tantaram-piainana

“Tsy Hanova na Inona na Inona Aho!”

NOTANTARAIN’I GLADYS ALLEN

Misy manontany ahy indraindray hoe: “Raha averina indray ny fiainanao, inona no tianao hovana?” Tsy misalasala aho mamaly hoe: “Tsy hanova na inona na inona aho!” Mamelà ahy hanazava ny antony ilazako izany.

NAHITA zavatra tena tsara ny raiko, i Matthew Allen, tany antenatenan’ny 1929. Roa taona aho tamin’izay. Nahazo ilay bokikely kely velarana hoe Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy! (anglisy) izy. Izy io dia navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Vao namaky pejy vitsivitsy monja izy, dia niteny hoe: “Ity no fanazavana tsara indrindra novakiko hatramin’izay!”

Nahazo boky sy gazety hafa avy tamin’ny Mpianatra ny Baiboly i Dada taoriana kelin’izay. Noresahiny avy hatrany tamin’ny mpiara-monina rehetra ny zavatra nianarany. Tsy nisy fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa tany amin’ilay faritra ambanivohitra nisy anay. Tsapan’i Dada fa ilaina ny mivory tsy tapaka, ka nifindra tany Orangeville, eto Kanada, izahay tamin’ny 1935, satria nisy tany.

Tsy dia nampirisihina hanatrika fivoriana loatra ny ankizy tamin’izany; ny olon-dehibe ihany no nivory fa izy ireo kosa matetika nilalao tany ivelany mandra-pirava. Tsy nankasitrahan’i Dada izany. Nieritreritra izy hoe: “Raha mahasoa ahy ny fivoriana, dia mahasoa ny zanako koa.” Koa na dia vaovao aza i Dada, dia niteny tamiko sy Bob anadahiko ary Ella sy Ruby rahavaviko izy mba hanatrika fivoriana niaraka tamin’ny olon-dehibe, ary dia nanao izany tokoa izahay. Nanatrika koa ny zanaky ny Vavolombelona hafa tsy ela taorian’izay. Lasa tena zava-dehibe teo amin’ny fiainanay ny fanatrehana fivoriana sy fanomezana valin-teny.

Tia Baiboly i Dada, ary nahafinaritra ny fomba nilalaovany ny tantara ao amin’izy io. Tamin’ny alalan’ireny no nandentehany tao am-ponay lesona tena lehibe, izay mbola tadidiko tsara foana hatramin’izao. Ity no anankiray amin’ireny: Mitahy ireo mankatò azy i Jehovah.

Nampianatra anay hampiasa ny Baiboly mba hiarovana ny finoanay koa i Dada. Nanao kilalao izahay rehefa nianatra azy io. Ohatra, niteny i Dada hoe: “Mino aho fa hankany an-danitra rehefa maty. Porofoy amiko fa tsy ho any aho.” Nitady andinin-teny manohitra an’io fampianarana io tao amin’ny boky fizahana teny ara-baiboly izahay sy Ruby. Hoy i Dada rehefa avy namaky izay andinin-teny hitanay izahay: “Mahaliana izany, nefa mbola tsy resy lahatra aho.” Nitady andinin-teny hafa tao amin’ilay boky indray àry izahay. Ora maro mihitsy matetika vao afa-po tamin’izay valiny nomenay i Dada. Lasa hainay sy Ruby tsara àry ny nanazava sy niaro ny finoanay.

Fandresena ny tahotra olona

Tena miaiky anefa aho, fa na dia teo aza ny fampiofanana tsara azoko tany an-trano sy tany amin’ny fivorian’ny fiangonana, dia nisy zavatra sasany notakina tamin’ny Kristianina tsapako hoe sarotra. Toy ny tanora maro, dia tsy tiako mihitsy izany hoe tsy mitovy amin’ny hafa izany, indrindra ny mpiara-mianatra tamiko. Anisan’ny nisedra voalohany ny finoako ny filaharana teny amin’ny arabe nilanja takelaka.

Izao no natao tamin’ilay izy: Nisy anadahy sy rahavavy maromaro nilahatra nandeha moramora teny amin’ny arabe, nitondra takelaka nisy teny faneva. Nisy 3 000 teo ho eo ny olona tao an-tanànanay ka nifankahalala daholo ny rehetra. Izaho no farany tamin’ilay filaharana, indray mandeha, sady nitondra takelaka nisy soratra hoe: “Ny Fivavahana dia Fandrika sy Fanambakana.” Nahita ahy ny mpiara-mianatra tamiko sasany, ka tonga dia nilahatra tao aoriako koa sady nihira ny hiram-pirenena kanadianina. Inona no nataoko tamin’izay? Nivavaka mafy aho mba hanana herim-po hanohizana. Nankany amin’ny Efitrano Fanjakana haingana aho, raha vao vita ilay filaharana, mba hanatitra ilay takelaka, ary hody avy eo. Niteny tamiko anefa ny mpiandraikitra fa nisy filaharana hafa efa nanomboka, nefa mbola nila olona iray izy ireo hitondra takelaka. Nandeha indray àry aho sady nivavaka mafy kokoa. Efa lasa nody ireo mpiara-mianatra tamiko tamin’izay satria vizana. Nanjary vavaka fisaorana no nataoko fa tsy vavaka hangatahana herim-po intsony!—Ohabolana 3:5.

Faly foana izahay nandray mpanompo manontolo andro. Olona falifaly izy ireo, ary nahafinaritra anay ny nampiantrano azy. Tadidiko, fa nasehon’ny ray aman-dreniko anay ankizy foana hoe ny fanompoana manontolo andro no asa tsara indrindra.

Nanomboka io asa io àry aho tamin’ny 1945, noho ny fampirisihan’izy ireo. Nanaraka an’i Ella rahavaviko, izay mpisava lalana tany London, Ontario, aho avy eo. Endri-panompoana iray noheveriko fa tsy ho vitako mihitsy no niandry ahy tany. Fanaon’ny mpitory ny niditra tao amin’ireo trano fisotroan-toaka teo an-toerana, ary nanolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy Fampiononana (Mifohaza! ankehitriny) ho an’ny mpividy isaky ny latabatra. Soa ihany fa isaky ny asabotsy tolakandro no natao io asa io, ka nanana ny herinandro manontolo nivavahana aho mba hahazoana herim-po handehanana! Tena sarotra be tamiko ilay asa, nefa nahafa-po ahy.

Nianatra nizara gazety Fampiononana niresaka manokana momba ny fanenjehana ireo rahalahintsika tany amin’ny toby fitanana nazia koa aho. Ny mpandraharaha kanadianina, anisan’izany ireo mpitantana fikambanana lehibe, no tena niresahana tamin’izany. Hitako, arakaraka ny fandehan’ny taona, fa manampy antsika foana i Jehovah raha mbola miantehitra aminy isika mba hanome hery antsika. Mifanaraka amin’ilay tenin’i Dada matetika izany hoe: Mitahy ireo mankatò azy i Jehovah.

Nanaiky hanompo tany Québec

Norarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Kanada, tamin’ny 4 Jolay 1940. Nofoanana io fandrarana io tatỳ aoriana, nefa mbola nenjehina ihany izahay tany Québec, provansy katolika. Nisy ezaka manokana natao mba hisarihana ny sain’ny olona ho amin’ny fampijaliana ireo mpiray finoana amintsika tany. Taratasy mivalona iray misy teny mahery tamin’izay no nampiasaina, ka izao no lohateniny: Henatra ho An’i Kanada ny Fankahalan’i Québec An’Andriamanitra sy Kristy ary ny Fahafahana (frantsay). Nihaona tamin’ny mpisava lalana an-jato tany amin’ny tanànan’i Montréal i Nathan Knorr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanazava ny mety ho vokatr’io asa hataonay io. Nilaza izy hoe tokony hiomana izay manaiky hanao azy io fa mety ho voasambotra ka ho voagadra. Izany tokoa no nitranga! Efa nisy fotoana naha voasambotra ahy in-15. Nitondra borosy nify sy fihogo foana izahay rehefa nanao fanompoana teny amin’ny saha, satria nety ho any am-pigadrana ny alina.

Tamin’ny alina izahay no tena nanao ilay asa, tamin’ny voalohany, mba tsy dia ho voamarika loatra. Fanaoko ny nitondra taratasy mivalona fanampiny tao anatina kitapo, izay niambozonako ary notakonako pardesia. Somary nibontsina ilay kitapo noho izy feno taratasy mivalona, ka toy ny hoe bevohoka aho. Tombony ho ahy ilay izy rehefa feno be ny tramway (aotobisy mandeha amin’ny lalamby) handehanako ho eny amin’ny faritany. Imbetsaka mantsy no nisy lehilahy mahalala fomba, nitsangana ary nanome ahy ny toerany noho izaho toy ny hoe bevohoka.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nataonay antoandro indray ilay asa. Trano telo na efatra no anateranay taratasy mivalona, ary miova faritany hafa indray izahay avy eo. Tena nahomby izany matetika. Efa manampo anefa izahay hoe hahita zava-manahirana, raha sendra nisy mompera nahalala fa nandalo tao amin’ny faritra iandraiketany izahay. Indray mandeha, dia nampirisika vahoaka romotra nisy olon-dehibe sy ankizy 50 na 60 teo ho eo ny pretra iray, mba hitoraka anay tamin’ny voatabiha (tomaty) sy atody. Niafina tany an-tranon’ny rahavavy kristianina iray izahay, ary tsy maintsy natory tamin’ny tany nandritra ny alina.

Mpisava lalana be dia be no nilaina mba hitory tany amin’ny mponina miteny frantsay any Québec, ka nanomboka nianatra teny frantsay izahay sy Ruby tamin’ny Desambra 1958. Notendrena tany amin’ny faritany maromaro miteny frantsay izahay avy eo. Samy nanana ny nampiavaka azy izy ireny. Tany amin’ny faritany iray, dia nitory nandritra ny adiny valo isan’andro izahay nandritra ny roa taona, nefa tsy nisy olona nandray na iray aza! Nitsirika kely teo am-baravarana fotsiny ilay olona ary lasa avy eo. Tsy kivy anefa izahay. Misy fiangonana roa mandroso tsara izao any amin’io tanàna io.

Nampian’i Jehovah tamin’ny lafiny rehetra

Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana izahay tamin’ny 1965. Nanjary takatray tsara ny maha zava-dehibe ilay tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 6:8, tany amin’ny toerana iray nanendrena anay. Hoy izy: “Raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” Tsy maintsy nahay nitsitsy vola tsara izahay mba hahazoana izay nilaina. Nanokana vola ho an’ny famanana trano, hofan-trano, herinaratra, ary sakafo izahay. Dimy amby roapolo cents (1 100 FMG eo ho eo) sisa no ambim-bolanay isam-bolana, rehefa voatokana ireo rehetra ireo.

Tsy nanam-bola firy hividianana solika handefasana ny famanana trano izahay, ka mandritra ny ora vitsivitsy monja amin’ny alina izy io no azonay nalefa. Tsy nihoatra ny 15 degre mihitsy àry ny hafanana tao amin’ny efitrano fandrianay, ary nangatsiaka kokoa noho izany aza matetika. Nitsidika anay anefa indray andro ny zanaky ny vehivavy iray nampianarin’i Ruby Baiboly. Azonay antoka fa tsy maintsy niteny tamin’ny reniny izy rehefa tonga tany an-trano hoe tena nangatsiaka be izahay, satria nandefa folo dolara kanadianina (44 000 FMG eo ho eo) ho anay isam-bolana io reniny io avy eo mba hividiananay solika. Afaka nandefa famanana foana àry izahay. Tsy nahatsiaro nijaly mihitsy izahay. Tsy nanankarena izahay, nefa nanana izay nilainay foana. Noraisinay ho fitahiana izay zavatra fanampiny azonay. Tena marina mihitsy ny Salamo 37:25 hoe: “Tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina”!

Faly aho fa lasa nahalala ny fahamarinana ny maro tamin’ireo olona nampianariko Baiboly, na dia teo aza ny fanenjehana. Nanao fanompoana manontolo andro ny sasany, ka vao mainka tena nahafaly ahy.

Nahavita niatrika fisedrana hafa

Notendrena teto Cornwall, Ontario, izahay tamin’ny 1970. Narary i Neny, raha vao tonga herintaona teo ho eo teto Cornwall izahay. Maty tamin’ny 1957 i Dada, ka izaho sy ny rahavaviko roa no nifandimby nikarakara an’i Neny, mandra-pahafatiny tamin’ny 1972. Nanampy anay handamina kokoa ny fiainanay sady nanohana anay tamim-pitiavana, nandritra izany fotoana izany, i Ella Lisitza sy Ann Kowalenko, mpisava lalana manokana niara-nanompo taminay. Izy ireo no nampianatra an’ireo olona nampianarinay Baiboly sady nanao ny andraikitray hafa, rehefa tsy teo izahay. Tena marina mihitsy ny Ohabolana 18:24 hoe: “Misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza”!

Tena feno fisedrana ny fiainana. Nahavita niatrika azy ireny aho noho ny fanampiana feno fitiavana avy tamin’i Jehovah. Mbola faly foana aho manao fanompoana manontolo andro. Mpisava lalana nandritra ny 20 taona mahery i Bob, izay maty tamin’ny 1993. Niarahany tamin’i Doll vadiny, ny folo taona tamin’izany. Mpisava lalana nandritra ny 30 taona mahery i Ella zokiko vavy, ary nanana toe-tsain’ny mpisava lalana foana, mandra-pahafatiny tamin’ny Oktobra 1998. Voan’ny kansera i Ruby, tamin’ny 1991. Mbola nanao izay vitany ihany anefa izy hitoriana ny vaovao tsara. Mbola tia vazivazy foana koa izy, mandra-pahafatiny ny marainan’ny 26 Septambra 1999. Tsy manana rahavavy intsony aho, nefa manana fianakaviana ara-panahy misy anadahy sy rahavavy, izay manampy ahy ho tia vazivazy foana.

Tsy hanova na inona na inona mihitsy aho, rehefa mandinika indray ny fiainako. Tsy nanambady mihitsy aho, nefa notahina satria nanana ray aman-dreny be fitiavana sy anadahy ary rahavavy nanao ny fahamarinana ho loha laharana teo amin’ny fiainany. Tsy andriko izay hahitana azy ireo indray tsy ho ela, amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Toy ny tsapako sahady ny raiko mamihina ahy. Toy ny hitako sahady koa ny ranomason’ny reniko eo am-pamihinana ahy amin’izay. Ho dibo-kafaliana i Ella sy Ruby ary Bob.

Mandra-pahatongan’izany, dia mbola mikasa hampiasa ny tanjako sy heriko sisa aho hiderana sy hanomezam-boninahitra an’i Jehovah. Tena tsara sady mahafa-po ny fanompoana manontolo andro. Izao indrindra no nolazain’ny mpanao salamo momba ireo mandeha amin’ny lalan’i Jehovah: “Sambatra sady ambinina hianao.”—Salamo 128:1, 2.

[Sary, pejy 26]

Tia Baiboly i Dada. Nampianariny hampiasa azy io izahay mba hiarovana ny finoanay

[Sary, pejy 28]

Ankavia miankavanana: Ruby, izaho, Bob, Ella, Neny, ary Dada tamin’ny 1947

[Sary, pejy 28]

Laharana voalohany, ankavia miankavanana: Izaho sy Ruby ary Ella tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 1998