Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Mbola Nisy Olona Niteny Tahaka Izany”

“Tsy Mbola Nisy Olona Niteny Tahaka Izany”

“Tsy Mbola Nisy Olona Niteny Tahaka Izany”

“Izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany.”—LIOKA 4:22.

1, 2. a) Nahoana no nody maina ireo mpiandry raharaha nirahina hisambotra an’i Jesosy? b) Inona no mampiseho fa tsy ireo mpiandry raharaha ireo ihany no talanjona tamin’ny fampianaran’i Jesosy?

TSY nahavita ny asa nanirahana azy ny mpiandry raharaha nirahina hisambotra an’i Jesosy Kristy. Nody maina izy ireo. Nangata-panazavana àry ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo: “Nahoana hianareo no tsy nitondra Azy?” Nahoana tokoa moa no tsy nosamborin’ireo mpiandry raharaha ilay lehilahy, izay tsy ho nanohitra azy ireo akory? Nanazava ny mpiandry raharaha hoe: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” Talanjona izy ireo noho ny fampianaran’i Jesosy, hany ka tsy vitany ny nisambotra an’io lehilahy tia fihavanana io. *Jaona 7:32, 45, 46.

2 Tsy ireo mpiandry raharaha ireo ihany no talanjona tamin’ny fampianaran’i Jesosy. Milaza ny Baiboly fa be dia be ny olona tonga mba hihaino azy fotsiny. Talanjona ny mpiray tanàna taminy “noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany.” (Lioka 4:22) Imbetsaka izy no nampianatra vahoaka be teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia, raha tao anaty sambokely izy. (Marka 3:9; 4:1; Lioka 5:1-3) Nisy ‘vahoaka be’ koa indray mandeha nijanona niaraka taminy andro maromaro, na dia tsy nihinan-kanina aza.—Marka 8:1, 2.

3. Inona no tena nahatonga an’i Jesosy ho mpampianatra niavaka?

3 Inona no nahatonga an’i Jesosy ho mpampianatra niavaka? Ny fitiavana no tena nahatonga izany. * Tiany ny fahamarinana nampitainy, ary tiany koa ny olona nampianariny. Niavaka koa anefa ny fahaizan’i Jesosy nampiasa fomba fampianatra mandaitra. Handinika ny sasany amin’izy ireo isika ato amin’ny lahatsoratra natao hianarana, ato amin’ity gazety ity. Hodinihintsika koa ny fomba anahafantsika azy ireny.

Teny tsotra sy mazava

4, 5. a) Nahoana i Jesosy no nampiasa teny tsotra rehefa nampianatra, ary nahoana izany no samy hafa amin’ny fanaon’ny olon-kafa? b) Hita amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra fa tsotra ny fampianaran’i Jesosy. Nahoana?

4 Matetika ny olona nahita fianarana no mampiasa teny tsy azon’ny mpihaino azy. Ahoana anefa no andraisan’ny olona soa avy amin’ny fahalalantsika raha tsy azony izay lazaintsika? Tsy nampiasa teny tsy azon’ny olona mihitsy i Jesosy rehefa nampianatra. Eritrereto ny voambolana be dia be azony nampiasaina. Betsaka ny zavatra hainy, nefa ny mpihaino azy no noeritreretiny fa tsy ny tenany. Fantany fa maro tamin’izy ireo no “tsy mba mpahay lalàna na nampianarina.” (Asan’ny Apostoly 4:13) Nampiasa teny azon’ireny olona ireny àry izy. Marina fa tsotra ny teny nampiasainy, nefa lalina ny fahamarinana nampitainy.

5 Raiso, ohatra, ny Toriteny teo An-tendrombohitra ao amin’ny Matio 5:3–7:27. Mety ho 20 minitra monja no nanaovan’i Jesosy azy io. Lalina anefa ny fampianarany, satria namotopototra ny amin’ny fanitsakitsaham-bady sy fisaraham-panambadiana ary fitiavan-karena. (Matio 5:27-32; 6:19-34) Tsy sarotra na niangaliana be anefa ny teny nampiasainy. Na ny ankizy aza nahatakatra avy hatrany ny ankamaroan’izy ireny! Tsy mahagaga àry raha ‘talanjona noho ny fampianarany’ ny vahoaka, rehefa vita ilay toriteny! Ary azo inoana fa maro taminy no tantsaha sy mpiandry ondry ary mpanjono.—Matio 7:28.

6. Manomeza ohatra mampiseho fa tsotra ny tenin’i Jesosy nefa misy heviny lehibe.

6 Matetika i Jesosy no nampiasa teny mazava sy fohy ary tsotra, nefa tena nisy heviny lehibe. Tamin’izany fomba izany no nandentehany ny hafany tao an-tsaina sy tao am-pon’ny mpihaino azy. Ireto misy ohatra: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; . . . Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna hianareo.” “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo.” “Ny voany no hahafantaranareo azy.” “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.” “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” * (Matio 6:24; 7:1, 20; 9:12; 26:52; Marka 12:17; Asan’ny Apostoly 20:35) Efa ho 2000 taona izay no nilazan’i Jesosy ireo teny mafonja ireo, nefa mbola mora tadidy ihany.

Fampiasana fanontaniana

7. Nahoana i Jesosy no nametraka fanontaniana?

7 Niavaka ny fampiasan’i Jesosy fanontaniana. Nanao izany matetika izy, na dia nety ho nitsitsy fotoana kokoa aza ny nilaza nivantana ilay hevitra tamin’ny mpihaino azy. Nahoana àry izy no nametraka fanontaniana? Nametraka fanontaniana lalina izy indraindray, mba hampiharihariana ny tao am-pon’ireo mpanohitra azy ka hampanginana azy ireo. (Matio 12:24-30; 21:23-27; 22:41-46) Matetika anefa, dia naka fotoana hametrahana fanontaniana izy mba hampitana ny fahamarinana. Nanao izany koa izy mba hahafahan’ny mpihaino azy hamoaka ny tao am-pony, ary mba hampirisihana sy hampianarana ny mpianany hieritreritra. Andeha isika handinika ohatra roa nahatafiditra ny apostoly Petera.

8, 9. Nahoana ireo fanontanian’i Jesosy no nanampy an’i Petera hanatsoaka hevitra marina momba ny fandoavana ny hetran’ny tempoly?

8 Voalohany, tadidio izay nitranga rehefa nisy mpitaky hetra nanontany an’i Petera raha nandoa ny hetran’ny tempoly i Jesosy na tsia. * Olona taitaitra izay ihany i Petera ka namaly hoe: “Mandoa ihany Izy.” Nanjohy hevitra niaraka taminy anefa i Jesosy taoriana kelin’izay: “Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany fadintseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany va, sa avy amin’ny olon-kafa? Ary nony hoy Petera taminy hoe: Avy amin’ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.” (Matio 17:24-27) Tokony ho nazava tamin’i Petera ny hevitra tian’i Jesosy hasongadina. Nahoana?

9 Fantatra mantsy fa nahazo tsy nandoa hetra ny fianakavian’ny mpanjaka tamin’ny andron’i Jesosy. Tsy tokony ho nitakiana io hetra io àry i Jesosy, noho izy Zanaka lahitokan’ilay Mpanjaka any an-danitra, izay nivavahana tao amin’ny tempoly. Mariho fa tsy nolazain’i Jesosy tamin’i Petera fotsiny ny valiny marina. Nampiasa fanontaniana nandaitra nefa tsy nahasanganehana kosa izy, mba hanampiana azy hanatsoaka hevitra marina. Te hanampy an’i Petera koa angamba izy mba hieritreritra tsara vao hamaly.

10, 11. Inona no nataon’i Jesosy rehefa nokapain’i Petera ny sofin’ny lehilahy iray, tamin’ny alin’ny Paska taona 33? Ahoana no ahitantsika avy amin’izany fa takatr’i Jesosy ny hasarobidin’ny fanontaniana?

10 Ny zava-niseho tamin’ny alin’ny Paska taona 33 no ohatra faharoa. Nisy vahoaka romotra tonga hisambotra an’i Jesosy. Nanontany azy ny mpianany raha tokony hiady izy ireo mba hiarovana azy. (Lioka 22:49) Tsy niandry ny valiny i Petera fa nikapa avy hatrany ny sofin’ny lehilahy iray tamin’ny sabatra (mety ho ratsy kokoa noho izany aza no noeritreretin’i Petera hatao). Nifanohitra tamin’ny sitrapon’ny tompony no nataony, satria tena efa vonona ny hosamborina i Jesosy. Inona no nataon’i Jesosy? Nanam-paharetana hatrany izy, ka nametraka ireto fanontaniana telo ireto tamin’i Petera: “Ny kapoaka nomen’ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?” “Ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny? Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?”—Jaona 18:11; Matio 26:52-54.

11 Saintsaino vetivety izay nitranga. Voahodidina vahoaka romotra i Jesosy. Fantany fa ho faty tsy ho ela izy, ary niankina taminy ny fanadiovana ny anaran-dRainy tamin’ny fahafaham-baraka, sy ny famonjena ny fianakavian’olombelona. Mbola naka fotoana ihany anefa izy hametrahana fanontaniana, mba handentehana fahamarinana lehibe tao an-tsain’i Petera. Tsy tena miharihary ve fa takatr’i Jesosy ny hasarobidin’ny fanontaniana?

Fampitomboana fomba filaza nanaitra

12, 13. a) Inona no atao hoe fampitomboana fomba filaza? b) Hazavao ilay fampitomboana fomba filaza nampiasain’i Jesosy, mba hanamafisana fa hadalana ny manakiana ny fahadisoana kely ataon’ny rahalahintsika.

12 Ny fampitomboana fomba filaza no fomba fampianatra iray hafa tena nandaitra nampiasain’i Jesosy tamin’ny fanompoany. Izy io dia fomba filazan-javatra mihoatra noho izay tena izy mba hanamafisana hevitra. Nanao izany i Jesosy mba hahazoan’ny olona sary an-tsaina izay nolazainy, ka tsy hanadinoany izany. Handinika ohatra vitsivitsy isika.

13 Nohamafisin’i Jesosy tamin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra fa tsy mety ny “mitsara” olona. Hoy izy: “Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?” (Matio 7:1-3) Hitanao an’eritreritra ve izany? Manolo-kevitra ny hanaisotra ny sombin-kazo kely eo amin’ny ‘mason’ny’ rahalahiny, ny olona iray be fanakianana. Nety ho nilaza angamba izy fa tsy nahay nitsara zavatra ilay rahalahiny satria tsy dia nahita loatra. Ny fahaizan’ilay mpanakiana mitsara zavatra aza anefa takon’ny “andry.” Ny andry dia vatan-kazo na vato mety hampiasaina hanohanana tafo. Tena fomba tsy hay hadinoina tokoa izany mba hanamafisana fa hadalana ny manakiana ny fahadisoana kely ataon’ny rahalahintsika, nefa mety ho lehibe lavitra noho ny azy ny antsika!

14. Nahoana no tena nandaitra ny fampitomboana fomba filaza nampiasain’i Jesosy momba ny fitantavanana ny moka sy fitelemana ny rameva?

14 Nomelohin’i Jesosy ny Fariseo indray mandeha hoe: “Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.” (Matio 23:24) Tena nandaitra io fampitomboana fomba filaza io. Nahoana? Nanaitra tokoa ny fahasamihafan’ny moka kely sy ny rameva, izay anisan’ny biby lehibe indrindra fantatry ny mpihaino an’i Jesosy. Tombanana ho moka 70 tapitrisa vao mifandanja amin’ny rameva salasalany! Fantatr’i Jesosy koa fa notantavanin’ny Fariseo tamin’ny lamba kely ny divainy. Nanao izany ireo mpanizingizina ny lalàna ireo sao nahatelina moka, ka hanjary haloto araka ny lalàn’i Mosesy. Tamin’ny heviny an’ohatra anefa, dia natelin’izy ireo ny rameva, izay biby maloto koa. (Levitikosy 11:4, 21-24) Nazava ny tian’i Jesosy holazaina. Nitandrina fatratra ny zavatra kely indrindra notakin’ny Lalàna ny Fariseo, nefa tsy niraharaha “ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana”, izay zava-dehibe kokoa. (Matio 23:23) Tena nahariharin’i Jesosy tokoa ny naha izy azy ireo!

15. Inona avy no sasany amin’ireo lesona nampianarin’i Jesosy tamin’ny fampiasana fampitomboana fomba filaza?

15 Matetika no nampiasa fampitomboana fomba filaza i Jesosy nandritra ny fanompoany. Diniho ireto ohatra ireto. “Finoana hoatra ny voan-tsinapy [bitika] iray” nefa mahafindra tendrombohitra. Fomba faran’izay mandaitra tokoa izany mba hanasongadinana fa afaka mahavita zavatra be ny finoana, na dia kely aza. (Matio 17:20) Rameva goavana misisika hiditra amin’ny vodi-fanjaitra. Ohatra mety tsara tokoa izany ilazana, fa sarotra ho an’ny manankarena ny sady hiezaka hanompo an’Andriamanitra no ho tia harena tafahoatra! (Matio 19:24) Tsy talanjona ve ianao noho ireo sarin-teny manaitra ny saina nampiasain’i Jesosy, sy ny fahaizany nampiasa teny faran’izay kely mba hahitana vokatra faran’izay lehibe?

Hevitra mirindra tsara sy tsy azo lavina

16. Nampiasain’i Jesosy tamin’ny inona foana ny fahiratan-tsainy?

16 Tena nahay nampiasa hevitra mirindra tsara i Jesosy satria nanana saina lavorary izy. Tsy nampiasainy tamin’ny fomba ratsy mihitsy anefa io fahaizany io. Nampiasainy foana kosa ny fahiratan-tsainy mba hampahalalana ny fahamarinana. Nampiasa hevitra nirindra tsara izy indraindray, mba hanoherana ny fiampangana diso nataon’ireo mpitondra ara-pivavahana. Imbetsaka koa izy no nampiasa hevitra nirindra tsara mba hampianarana lesona lehibe tamin’ny mpianany. Andeha hojerentsika ny fahakingan’i Jesosy nandrindra hevitra.

17, 18. Inona no hevitra mirindra tsara nampiasain’i Jesosy hanoherana ny fiampangan’ireo Fariseo azy?

17 Diniho, ohatra, izay nitranga rehefa nanasitrana lehilahy iray nisy demonia, i Jesosy. Sady jamba io lehilahy io no moana. Vao ren’ny Fariseo izany, dia hoy izy: “Tsy misy amoahan’Ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba [na Satana], lohan’ny demonia.” Mariho fa neken’ny Fariseo hoe raha tsy mahery noho ny olombelona tsy hahavita hamoaka demonian’i Satana. Nolazainy anefa fa avy tamin’i Satana ny hery nanaovan’i Jesosy izany, mba tsy hinoan’ny olona azy. Nasehon’i Jesosy anefa fa tsy noeritreretin’izy ireo tsara ny hiafaran’ilay hevitra narosony. Hoy izy: “Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. Ary raha Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany?” (Matio 12:22-26) Toy ny nilaza i Jesosy hoe: ‘Raha marina ny teninareo hoe irak’i Satana aho sady mandrava ny asany, dia midika izany fa mandrava ny tombontsoan’ny tenany ihany i Satana, ka tsy ho ela dia ho resy izy.’ Nirindra tsara tokoa izany hevitra izany, sa tsy izany?

18 Mbola nanjohy hevitra momba io zava-nitranga io ihany i Jesosy. Fantany fa nisy Fariseo namoaka demonia. Nametraka fanontaniana tsotra nefa nandresy lahatra àry izy hoe: “Raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan’ny zanakareo [na mpianatrareo] azy?” (Matio 12:27) Mitovitovy amin’izao ny hevitra naroson’i Jesosy: ‘Raha ny herin’i Satana no amoahako demonia, dia tsy maintsy io hery io koa izany no anaovan’ny mpianatrareo izany.’ Kepoka tsy nahateny ny Fariseo. Tsy nanaiky mihitsy izy ireo hoe ny herin’i Satana no namoahan’ny mpianany demonia. Nampiasa hevitra nirindra tsara sy tsy azo lavina àry i Jesosy, mba hampisehoana fa tsy nitombina ny fiampangan’izy ireo.

19, 20. a) Ahoana no nanampian’i Jesosy ny olona tamin’ny hevitra nirindra tsara? b) Ahoana no nampiasan’i Jesosy ilay fanjohian-kevitra hoe ‘tsy mainka va’, rehefa nangataka ny hampianariny hivavaka ny mpianany?

19 Nampiasa hevitra nirindra tsara sy nandresy lahatra i Jesosy mba hampanginana ny mpanohitra azy. Nanao izany koa izy mba hampianarana fahamarinana mampahery momba an’i Jehovah. Rehefa nanjohy hevitra izy, dia nilaza imbetsaka hoe ‘tsy mainka va’, mba hampiaiky bebe kokoa ny mpihaino azy ny amin’ny fahamarinana efa fantany tsara. Ireto misy ohatra roa.

20 Nangataka an’i Jesosy ny mpianany mba hampianatra azy ireo hivavaka. Nanao fanoharana ny amin’ny lehilahy iray nangata-javatra tamin’ny namany àry i Jesosy. Nalaina ny hanome izay nilain’io namany io izy, nefa nanome ihany tamin’ny farany noho ny “fitarainany fatratra.” Niresaka momba ny ray aman-dreny vonona “hanome zava-tsoa” ho an-janany i Jesosy avy eo, ary namarana ny teniny toy izao: “Raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:1-13) Fifanoheran-javatra no nampiasain’i Jesosy teto fa tsy fampitoviana. Raha olona malaina aza resy lahatra ihany ka nanome izay nilain’ny namany, ary raha ray aman-dreny tsy lavorary aza miahy izay ilain’ny zanany, tsy mainka ve ny Raintsika be fitiavana any an-danitra no hanome fanahy masina ho an’ny mpanompony mahatoky mivavaka aminy amim-panetren-tena?

21, 22. a) Inona no fanjohian-kevitra nampiasain’i Jesosy rehefa nanome torohevitra ny amin’ny fomba iatrehana ny fanahiana momba ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana izy? b) Inona no fanatsoahan-kevitsika rehefa avy namerina nijery ireo fomba fampianatr’i Jesosy vitsivitsy ireo isika?

21 Nanjohy hevitra toy izany koa i Jesosy rehefa nanome torohevitra ny amin’ny fomba iatrehana ny fanahiana momba ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana. Hoy izy: “Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va hianareo? Hevero ny fanirin’ny vonin-kazo; tsy mba miasa na mamoly ireny . . . Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo ry kely finoana?” (Lioka 12:24, 27, 28) Raha ny vorona sy ny voninkazo aza ahin’i Jehovah, tsy mainka ve ny mpanompony? Azo antoka fa nanohina ny fon’ireo mpihaino an’i Jesosy izany fanjohian-kevitra nafonja nefa tamin-katsaram-panahy izany.

22 Rehefa avy namerina nijery ireo fomba fampianatr’i Jesosy vitsivitsy ireo isika, dia mora amintsika ny manatsoaka hevitra fa tsy nanitatra tokoa ireo mpiandry raharaha tsy nahavita nisambotra an’i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” Ny fampiasan’i Jesosy fanoharana anefa angamba no fomba fampianatra tena ahafantarana azy. Nahoana izy no nampiasa fanoharana? Ary nahoana no tena nandaitra izy ireny? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Sady iraky ny Synedriona angamba ireo mpiandry raharaha ireo no teo ambany fahefan’ny lohan’ny mpisorona.

^ feh. 3 Jereo ny lahatsoratra hoe “Fianarana no Nomeko Anareo” sy ‘Manaraha Ahy’, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2002.

^ feh. 6 Ny apostoly Paoly ihany no nanonona ireo teny ireo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:35, na dia hita ao amin’ny Filazantsara aza ny hevitra fonosiny. Nisy nilaza izany taminy angamba (mpianatra nahare an’i Jesosy nilaza izany na i Jesosy natsangana tamin’ny maty), na azony tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 22:6-15; 1 Korintiana 15:6, 8.

^ feh. 8 Farantsakely roa (karama roa andro teo ho eo) isan-taona no hetran’ny tempoly notakina tamin’ny Jiosy. Io no nandoavana ny lany tamin’ny fikojakojana ny tempoly, ny fanompoana natao tao, ary ny sorona natao isan’andro ho tombontsoan’ny firenena.

Tadidinao Ve?

• Inona avy no ohatra mampiseho fa tsotra sy nazava ny fampianaran’i Jesosy?

• Nahoana i Jesosy no nampiasa fanontaniana rehefa nampianatra?

• Inona no atao hoe fampitomboana fomba filaza, ary ahoana no nampiasan’i Jesosy an’io fomba fampianatra io?

• Ahoana no nampiasan’i Jesosy fanjohian-kevitra nirindra tsara mba hampianarana ny mpianany fahamarinana mampahery momba an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Nampiasa teny tsotra azon’ny olona tsy dia nahita fianarana i Jesosy

[Sary, pejy 10]

‘Notantavanin’ny Fariseo ny moka fa nateliny ny rameva’