Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Nisy Nolazainy Taminy, Afa-tsy Tamin’ny Fanoharana”

“Tsy Nisy Nolazainy Taminy, Afa-tsy Tamin’ny Fanoharana”

“Tsy Nisy Nolazainy Taminy, Afa-tsy Tamin’ny Fanoharana”

“Fanoharana no nilazan’i Jesosy izany . . . tamin’ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin’ny fanoharana.”—MATIO 13:34.

1, 2. a) Nahoana no sarotra hadinoina ny fanoharana mandaitra? b) Inona avy no karazana fanoharana nampiasain’i Jesosy, ary inona avy no fanontaniana mipetraka momba ny fampiasany fanoharana? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

MAHATADIDY fanoharana renao efa taona maro lasa ve ianao? Renao tamin’ny lahateny ho an’ny besinimaro angamba izany. Tsy mora hadino ny fanoharana mandaitra. Nomarihin’ny mpanoratra iray fa ny fanoharana dia “mahatonga ny mpihaino ho afaka haka sary an-tsaina ny zavatra reny, satria lasa toy ny hitan’ny masony ilay izy.” Mahatonga ny hevitra ho mora azo kokoa ny fanoharana, satria ny sary matetika no tena manampy antsika hahataka-javatra. Mahatonga ny teny hisy heviny mazava tsara koa izy io, ka manjary mifantoka tsara ao an-tsaintsika ny lesona ianarana.

2 Tsy nisy mpampianatra nahay nampiasa fanoharana toa an’i Jesosy Kristy mihitsy hatramin’izay. Mbola tadidy foana ireo fanoharana maro nampiasainy, na dia efa ho roa arivo taona aza izao no nilazany azy ireny. * Nahoana i Jesosy no nampiasa imbetsaka an’io fomba fampianatra io? Ary nahoana no tena nandaitra ny fanoharany?

Ny antony nampiasan’i Jesosy fanoharana

3. a) Inona no antony nampiasan’i Jesosy fanoharana, araka ny Matio 13:34, 35? b) Nahoana no azo antoka fa sarobidy eo imason’i Jehovah io fomba fampianatra io?

3 Lazain’ny Baiboly fa misy antony roa lehibe nampiasan’i Jesosy fanoharana. Voalohany, mba hanatanterahana ny faminaniana. Hoy ny apostoly Matio: “Fanoharana no nilazan’i Jesosy izany . . . tamin’ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin’ny fanoharana, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: ‘Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho.’ ” (Matio 13:34, 35) Ny mpanoratra ny Salamo 78:2 io “mpaminany” resahin’i Matio io. Nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra izy mba hanoratra io faminaniana io, taonjato maro talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Tsy mahagaga ve hoe an-jato taona mialoha i Jehovah dia efa nanapa-kevitra fa hampiasa fanoharana ny Zanany rehefa hampianatra? Azo antoka fa sarobidy eo imason’i Jehovah io fomba fampianatra io!

4. Inona no nolazain’i Jesosy fa antony nampiasany fanoharana?

4 Faharoa, i Jesosy mihitsy no nanazava fa nampiasa fanoharana izy mba hanavahana ireo nanana fo tsy nihontsina. Rehefa avy nilaza ilay fanoharana momba ny mpamafy tamin’ny “vahoaka betsaka” izy, dia nanontany azy ny mpianany hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?” Namaly i Jesosy hoe: “Satria hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela. Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala. Dia tanteraka aminy ny faminanian’Isaia, izay manao hoe: ‘Handre mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahita; fa efa adala ny fon’izao olona izao.’ ”—Matio 13:2, 10, 11, 13-15; Isaia 6:9, 10.

5. Nahoana ny fanoharan’i Jesosy no nahafahana nanavaka ny mpihaino nanetry tena tamin’ireo niavonavona?

5 Nahoana ny fanoharan’i Jesosy no azo nanavahana ny olona? Tsy maintsy nieritreritra tsara izay nolazain’i Jesosy ny mpihaino azy indraindray, mba hahatakarana ny tena tiany hambara. Voatosika hangataka fanazavana bebe kokoa ny olona nanetry tena. (Matio 13:36; Marka 4:34) Nampiharihary ny fahamarinana tamin’ireo nangetaheta izany àry ny fanoharan’i Jesosy, fa nanafina izany kosa tamin’ireo niavonavona. Mpampianatra tena niavaka tokoa i Jesosy! Andeha hojerentsika ny antony sasany tena nampandaitra ny fanoharany.

Fifantenana ny tsipiriany

6-8. a) Inona no mbola tsy nananan’ny mpihaino an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona avy no ohatra mampiseho fa nifantina izay tsipiriany holazaina i Jesosy?

6 Efa mba nanontany tena ve ianao hoe ahoana izany mandre mivantana an’i Jesosy nampianatra izany? Nanana tombontsoa nahare ny feony ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany, nefa mbola tsy nanana zavatra voasoratra azony nojerena mba hitadidiana izay nolazainy. Tsy maintsy nitadidy sy nitahiry izany tao am-pony àry izy ireo. Nampiasa fanoharana tamim-pahakingana i Jesosy mba ho mora kokoa tamin’izy ireo ny nitadidy ny fampianarany. Ahoana no nataony?

7 Nifantina izay tsipiriany holazaina i Jesosy. Tsy maintsy nomeny foana izay nifandray tamin’ilay tantara na izay tsipiriany nilaina, mba hanasongadinana hevitra. Nolazainy àry hoe firy marina ny ondry sisa tavela rehefa nitady ilay nania ny tompony. Nolazainy koa hoe adiny firy no lanin’ny mpiasa tany amin’ny tanimboaloboka, ary firy ny talenta nankinina tamin’ireo mpanompo.—Matio 18:12-14; 20:1-16; 25:14-30.

8 Tsy nomen’i Jesosy kosa izay tsipiriany tsy nilaina, na nety ho nanasarotra ny fahatakarantsika ny hevitr’ilay fanoharana. Ao amin’ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy mba namindra fo, ohatra, dia tsy nohazavainy hoe nahoana no nahatratra talenta iray alina ny trosany. Ny ilana hamela heloka no nohamafisin’i Jesosy. Tsy zava-dehibe ny antony nahatonga ilay mpanompo hitrosa. Ny zava-dehibe kosa dia ny fomba nanafoanana ny trosany, sy ny fomba nitondrany ilay mpanompo namany nananany trosa, izay azo lazaina hoe kely ihany. (Matio 18:23-35) Toy izany koa ny amin’ilay fanoharana momba ilay zanaka adala. Tsy nohazavain’i Jesosy hoe nahoana no nangataka ny lovany ilay zandriny, ary nahoana no nolanilaniny foana izy io. Tena nanome tsipiriany kosa anefa izy momba izay tsapan’ilay ray sy ny fihetsiny, rehefa niova ka nody ny zanany. Tena nilaina izany tsipiriany momba ilay ray izany, mba hanasongadinana ilay hevitra tian’i Jesosy hisongadina hoe: Mamela heloka ‘dia mamela heloka tokoa’ i Jehovah.—Isaia 55:7; Lioka 15:11-32.

9, 10. a) Inona no nifantohan’i Jesosy rehefa nilazalaza ireo olona tao amin’ny fanoharany izy? b) Inona no nataon’i Jesosy mba ho mora tadidin’ny mpihaino azy sy ny olon-kafa ny fanoharany?

9 Nahay nanavaka koa i Jesosy rehefa nilazalaza ireo olona tao amin’ny fanoharany. Tsy nanome tsipiriany betsaka momba ny fisehoana ivelan’ny olona noresahiny izy. Ny nataony sy ny fihetsiny nanoloana ny zava-nitranga kosa matetika no nifantohany. Zava-dehibe kokoa noho ny fisehoana ivelan’ilay Samaritanina tsara fanahy àry no noresahin’i Jesosy. Nolazainy ny fomba nanampian’ilay Samaritanina nangoraka an’ilay Jiosy naratra teo an-dalana. Nomen’i Jesosy ireo tsipiriany nilaina mba hampianarana fa tsy ny olona mitovy firazanana na firenena amintsika ihany no tokony ho tiantsika.—Lioka 10:29, 33-37.

10 Tsotra sy tsy be tsipiriany hatrany ny fanoharan’i Jesosy, satria nofantenany tsara izay tsipiriany nomeny. Noho izany, dia nanjary mora kokoa tamin’ny mpihaino azy tamin’ny taonjato voalohany ny nitadidy azy ireny sy ny lesona lehibe nampitainy. Ary tsy ho azy ireo ihany fa ho an’ireo olona maro be hamaky ny Filazantsara ara-tsindrimandry atỳ aoriana koa.

Nalaina avy tamin’ny fiainana andavanandro

11. Niresaka ny zavatra izay azo inoana fa nodinihiny nandritra ny fahazazany tany Galilia i Jesosy, tao amin’ny fanoharany. Manomeza ohatra.

11 Tena nahay nampiasa fanoharana nifandray tamin’ny fiainan’ny olona i Jesosy. Niresaka ny zavatra izay azo inoana fa nodinihiny nandritra ny fahazazany tany Galilia izy, tao amin’ny fanoharany. Eritrereto vetivety ny fahazazany. Matetika izy no nahita an-dreniny naka ambina koba misy leviora (na masirasira) mba hanaovana mofo. (Matio 13:33) Matetika koa izy no nandinika ireo mpanjono nandatsaka ny haratony tao amin’ny ranomasina madio sy mangan’i Galilia. (Matio 13:47) Ary matetika izy no nandinika ankizy nilalao teny an-tsena. (Matio 11:16) Azo inoana fa nahamarika zavatra hafa nahazatra koa i Jesosy, ary nampiasa izany tao amin’ny fanoharany. Ohatra, ny famafazana voa sy ny fampakaram-bady mahafaly ary ny fanirin’ny voa eny an-tsaha.—Matio 13:3-8; 25:1-12; Marka 4:26-29.

12, 13. Ahoana no ahitana avy amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary, fa fantany ny toe-javatra teo an-toerana?

12 Tsy mahagaga àry raha miresaka matetika ny toe-javatra fahita andavanandro ny fanoharan’i Jesosy. Mba hahatakarana bebe kokoa ny fahaizany nampiasa an’io fomba fampianatra io, dia ilaina ny mandinika hoe takatr’ireo Jiosy nihaino azy ve izay nolazainy. Hijery ohatra roa isika.

13 Ny fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary no voalohany. Nilaza i Jesosy fa nisy lehilahy namafy voa tsara tao amin’ny tanimbariny. Nisy “fahavalo” niditra anefa tao ary namafy voan-tsimparifary, na ahidratsy. Nahoana i Jesosy no nifidy io fihetsika feno hasomparana io? Tadidio fa teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia izy no nanao an’io fanoharana io, ary niharihary fa ny fambolena no tena anton’asan’ny Galilianina. Nidiran-doza tokoa ny mpamboly iray raha nisy fahavalo nitsofoka tao amin’ny tanimbariny, ka namafy ahidratsy. Tena nisy tokoa izany, araka ny asehon’ny lalàna tsy ara-pivavahana tamin’izany andro izany. Moa ve tsy miharihary fa niresaka toe-javatra takatry ny mpihaino azy i Jesosy?—Matio 13:1, 2, 24-30.

14. Nahoana no tsara homarihina ny niresahan’i Jesosy ilay lalana “avy tany Jerosalema hankany Jeriko”, tao amin’ny fanoharany momba ilay Samaritanina tsara fanahy?

14 Ny fanoharana momba ilay Samaritanina tsara fanahy no faharoa. Izao no nanombohan’i Jesosy azy: “Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.” (Lioka 10:30) Tsara homarihina fa niresaka ilay lalana “avy tany Jerosalema hankany Jeriko” i Jesosy, mba hanasongadinana ny heviny. Tany Jodia, tsy lavitra an’i Jerosalema, izy tamin’ny fotoana nilazany io fanoharana io. Azo inoana àry fa fantatry ny mpihaino azy io lalana nampidi-doza io, indrindra fa ho an’ny olona nandeha irery. Nangingina sy niolakolaka mantsy izy io, ka nisy toerana maro fieren’ny jiolahy.

15. Nahoana no tsy nisy afaka nanala tsiny ny tsy firaikan’ilay mpisorona sy Levita, tao amin’ilay fanoharana momba ilay Samaritanina tsara fanahy?

15 Tsara homarihina koa ny antony hafa iray nahatonga an’i Jesosy hiresaka ilay lalana “nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko.” Araka ilay fanoharana, dia nisy mpisorona sy Levita koa nandeha tamin’io lalana io, saingy tsy nijanona nanampy ilay naratra izy ireo. (Lioka 10:31, 32) Nanompo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny mpisorona, ary nanampy azy ny Levita. Maro ny mpisorona sy Levita nipetraka tany Jeriko rehefa tsy niasa tao amin’ny tempoly, satria 23 kilaometatra monja avy teo Jerosalema no nisy an’i Jeriko. Azo antoka àry fa nandalo tamin’io lalana io izy ireo. Mariho koa fa “avy tany Jerosalema” ilay mpisorona sy ilay Levita, izany hoe nanalavitra ny tempoly. * Tsy nisy afaka nanala tsiny ny tsy firaikan’izy ireo àry ka hilaza hoe: ‘Tsy nikasika ilay lehilahy naratra izy ireo satria toy ny maty ny fahitana azy. Raha nikasika faty mantsy izy ireo dia tsy ho afaka hanompo tao amin’ny tempoly nandritra ny fotoana kelikely.’ (Levitikosy 21:1; Nomery 19:11, 16) Moa ve tsy mazava fa zavatra fantatry ny mpihaino azy tsara no noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharany?

Nalaina avy tamin’ny zavaboary

16. Nahoana no tsy mahagaga raha nahafantatra tsara ny zavaboary i Jesosy?

16 Hita amin’ireo fanoharan’i Jesosy fa nahafantatra tsara ny zavamaniry sy ny biby ary ny toetr’andro izy. (Matio 6:26, 28-30; 16:2, 3) Ahoana no nahalalany izany? Azo inoana fa nanam-potoana tsara handinihana ny zavaboarin’i Jehovah izy, nandritra ny fahazazany tany Galilia. “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao” mihitsy koa i Jesosy, ary nampiasain’i Jehovah ho “mpità-marika” izy mba hamoronana ny zava-drehetra. (Kolosiana 1:15, 16; Ohabolana 8:30, 31) Mahagaga àry ve raha nahafantatra tsara ny zavaboary izy? Andeha hojerentsika ny fahaizany nampiasa izany fahalalana izany rehefa nampianatra izy.

17, 18. a) Ahoana no ahitantsika fa fantatr’i Jesosy tsara ny mombamomba ny ondry, rehefa jerena ny Jaona toko faha-10? b) Inona no voamariky ny mpitsidika ny tany resahin’ny Baiboly momba ny fifandraisan’ny mpiandry ondry sy ny ondriny?

17 Anisan’ny fanoharan’i Jesosy mampihetsi-po indrindra ilay voatantara ao amin’ny Jaona toko faha-10. Ao izy dia mampitaha ny fifandraisany amin’ny mpanara-dia azy amin’ny fifandraisan’ny mpiandry ondry sy ny ondriny. Hita avy amin’ny tenin’i Jesosy fa tena nahafantatra tsara ny ondry fiompy izy. Nolazainy fa manaiky hotarihin’ny mpiandry azy ny ondry, sady manaraka azy foana. (Jaona 10:2-4) Voadinik’ireo mpitsidika ny tany resahin’ny Baiboly ny fifandraisana hafakely misy eo amin’ny mpiandry ondry sy ny ondriny. Hoy ilay mpandinika ny zavaboary atao hoe H. Tristram, tamin’ny taonjato faha-19: “Nandinika mpiandry ondry nilalao tamin’ny andian’ondriny aho indray mandeha. Mody nandositra izy; nanenjika sy nanodidina azy ny ondriny. . . . Nanao faribolana nanodidina azy izy ireo tamin’ny farany, sady nifalihavanja.”

18 Nahoana no manaraka ny mpiandry azy ny ondry? “Satria mahalala ny feony ireo”, hoy i Jesosy. (Jaona 10:4) Fantatry ny ondry tokoa ve ny feon’ny mpiandry azy? Nitantara ny zavatra hitany i George Smith, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Jeografian’ilay Tany Masina (anglisy): “Niala sasatra kely teo akaikin’ny fantsakana jodianina izahay indraindray, rehefa antoandro. Nisy mpiandry ondry telo na efatra tonga avy any, niaraka tamin’ny andian’ondriny. Nifangaro teo ireo andian’ondry ka nanontany tena izahay hoe ahoana no ahafantaran’ny mpiandry ondry tsirairay ny bibiny. Rehefa avy nisotro rano sy nilalao anefa ireo ondry, dia samy naka toerana samihafa teo amin’ilay lohasaha ireo mpiandry ondry ary nifandimby niantso ny ondriny. Nisaraka tamin’ireo namany àry ny ondrin’ny mpiandry tsirairay, ka nanatona ny mpiandry azy avy. Nandeha nilamina sahala amin’ny nahatongavany teo ihany ireo andian’ondry avy eo.” Tena tsara tokoa ny ohatra hitan’i Jesosy hanazavana ny tiany hambara. Hikarakara antsika amim-pitiavana ilay “Mpiandry Tsara” raha manaiky sy mankatò ny fampianarany isika, ary manaraka ny tari-dalany.—Jaona 10:11.

Nalaina avy tamin’ny zava-niseho fantatry ny mpihaino azy

19. Nahay nampiasa zava-niseho teo an-toerana i Jesosy mba hampisehoana fa diso ny fiheverana iray. Ahoana no nanaovany izany?

19 Anisan’ny fanoharana mandaitra koa ny zavatra niainana, na ohatra azo akana lesona. Nampiasa zava-niseho vao haingana i Jesosy indray mandeha, mba hampisehoana fa diso ilay fiheverana hoe matoa iharan-doza ny olona, dia satria mendrika izany izy. Hoy izy: “Ireny valo ambin’ny folo ireny, izay nianjeran’ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?” (Lioka 13:4) Noporofoin’i Jesosy tsara fa tsy ny lahatra no nahatonga ilay loza. Tsy hoe nanota akory ireo olona 18 ireo, ka maty noho ny kapoka avy tamin’Andriamanitra. Ny fotoana sy ny sampona no nahatonga azy ireo ho niharan-doza. (Mpitoriteny 9:11) Nampiasa zava-niseho fantatry ny mpihaino azy tsara àry i Jesosy mba hanaporofoana fa diso ny fampianarana iray.

20, 21. a) Nahoana ny Fariseo no nanakiana ny mpianatr’i Jesosy? b) Inona no ohatra ara-baiboly nentin’i Jesosy nanazava fa tsy nataon’Andriamanitra mba hampiharina amin’ny fomba hentitra loatra, ny lalàna momba ny Sabata? d) Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Naka ohatra avy tao amin’ny Soratra Masina koa i Jesosy rehefa nampianatra. Tadidio ilay fotoana nanakianan’ny Fariseo ny mpianatr’i Jesosy, noho izy ireo nioty voa ka nihinana izany tamin’ny andro Sabata. Tsy nandika ny Lalàn’Andriamanitra ny mpianatra, raha ny marina. Ny fanazavana hentitra loatra nomen’ny Fariseo momba ny asa tsy azo atao amin’ny Sabata kosa no nodikainy. Nohazavain’i Jesosy fa tsy nataon’Andriamanitra mba hampiharina amin’ny fomba hentitra loatra toy izany, ny lalàna momba ny Sabata. Nampiasainy tamin’izany ny zava-nitranga voaresaka ao amin’ny 1 Samoela 21:4-7. Rehefa noana i Davida sy ny namany, dia nijanona tao amin’ny tabernakely izy ireo ary nihinana ny mofo aseho, izay efa nampiasaina. Natokana ho an’ny mpisorona mazàna, ny mofo toy izany. Tsy nomelohina anefa i Davida sy ny namany tamin’io toe-javatra io, na dia nihinana ireo mofo aza. Tsara homarihina fa io ihany no tantara ao amin’ny Baiboly miresaka fa nisy olona tsy mpisorona nihinana ny mofo efa nampiasaina. Fantatr’i Jesosy tsara hoe inona no tantara nifanaraka tamin’ilay toe-javatra. Azo antoka koa fa nahafantatra tsara azy io ireo Jiosy nihaino azy.—Matio 12:1-8.

21 Tena Mpampianatra Lehibe tokoa i Jesosy! Tena mahatalanjona ny fahaizany tsy manam-paharoa nampita fahamarinana lehibe tamin’ny fomba mora takatry ny mpihaino azy. Ahoana àry no anahafantsika azy rehefa mampianatra isika? Hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Isan-karazany ny fanoharana nampiasain’i Jesosy, anisan’izany ny ohatra, fampitahana, fampitoviana, ary teny an’ohatra. Fantatra noho ny fampiasany fanoharana izy. Izy io dia “tantara fohy, mazàna noforonina, anatsoahana fitsipika ara-pitondran-tena na fahamarinana ara-pivavahana.”

^ feh. 15 Avo kokoa noho i Jeriko, i Jerosalema. Koa “nidina” àry ny olona nandeha ‘avy tany Jerosalema nankany Jeriko’, araka ny resahin’ilay fanoharana.

Tadidinao Ve?

• Nahoana i Jesosy no nampiasa fanoharana rehefa nampianatra?

• Inona no ohatra mampiseho fa azon’ny mpihaino azy tsara ny fanoharan’i Jesosy?

• Manomeza ohatra mampiseho fa hain’i Jesosy ny nampiasa ny fahalalany ny zavaboary.

• Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’i Jesosy ny zava-niseho fantatry ny mpihaino azy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Niresaka ny amin’ny mpanompo tsy nety namela trosa azo lazaina hoe kely ihany, i Jesosy. Noresahiny koa ny amin’ny ray namela heloka ny zanany, izay nandanilany foana ny lovany rehetra

[Sary, pejy 16]

Inona no tian’i Jesosy hasongadina tao amin’ilay fanoharana momba ilay Samaritanina tsara fanahy?

[Sary, pejy 17]

Tena mahafantatra ny feon’ny mpiandry azy tokoa ve ny ondry?