Afaka Manampy Anao ny Tena Olo-masina
Afaka Manampy Anao ny Tena Olo-masina
MANONDRO an’iza ny teny grika nadika hoe “olo-masina” ao amin’ny Soratra Masina? Hoy ny Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao (anglisy): “Rehefa ilazana ny mpino io teny io, amin’ny endriny milaza maro, dia manondro ny mpino rehetra. Tsy ny olona masina kokoa noho ny hafa fotsiny no tondroiny, na ireo olona efa maty izay nampiseho fahafoizan-tena faran’izay niavaka teo amin’ny fiainany.”
Ny Kristianina voalohany rehetra àry no nantsoin’ny apostoly Paoly hoe olo-masina. Tamin’ny taonjato voalohany izy, ohatra, dia nanoratra ho an’ny “fiangonan’Andriamanitra izay any Korinto mbamin’ny olona masina rehetra eran’i Akaia [provansy romanina].” (2 Korintiana 1:1) Nanoratra “ho an’izay rehetra any Roma, malalan’Andriamanitra sady voantso no masina”, koa izy tatỳ aoriana. (Romana 1:7) Miharihary fa mbola tsy maty ireo olo-masina ireo tamin’izay fotoana izay. Tsy noho izy ireo nampiseho hatsaran-toetra tamin’ny fomba niavaka akory no nanavahana azy ireo ho ambony noho ny mpino hafa. Inona àry no nampiavaka azy ireo ho olo-masina?
Nohamasinin’Andriamanitra
Lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa tsy olona na fikambanana no milaza ny olona iray ho masina. Hoy ny Soratra Masina: “[Andriamanitra] namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany.” (2 Timoty 1:9) Hamasinina ny olona iray noho ny fiantsoan’i Jehovah Andriamanitra, araka ny fahasoavany sy ny fikasany.
Tafiditra ao amin’ny “fanekena vaovao” ireo olo-masin’ny fiangonana kristianina. Ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy no mampanan-kery an’io fanekena io sy manamasina ireo anisan’izy io. (Hebreo 9:15; 10:29; 13:20, 24) Madio eo imason’Andriamanitra ny olo-masina, ary mahaforona ‘fisoronana masina, manatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.’—1 Petera 2:5, 9.
Fitalahoana amin’ny olo-masina mba hanampy sy hanelanelana
Olona an-tapitrisa no mankamasina ny relìkan’ny “olo-masina” na mangataka azy ireo ho mpanalalana. Inoany mantsy fa afaka manome hery manokana ny mpino izy ireny. Izany ve no ampianarin’ny Baiboly? Nampianatra ny mpanara-dia azy ny fomba anatonana an’Andriamanitra i Jesosy, tamin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Hoy izy: “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Matio 6:9) I Jehovah Andriamanitra irery no tokony hivavahana.
Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” (Misy teolojianina mampiasa ny Romana 15:30 mba hanaporofoana fa mety ny mangataka ny “olo-masina” ho mpanalalana. Izao no voalaza ao: “Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ny fivavahanareo amin’Andriamanitra ho ahy.” Nampirisika ny mpino hivavaka taminy ve i Paoly teo, na hiantso ny anarany rehefa manatona an’Andriamanitra? Tsia. Mampirisika antsika hivavaka ho an’ny tena olo-masina ny Baiboly, nefa tsy mandidy antsika mihitsy Andriamanitra mba hivavaka amin’ireny olo-masina ireny na amin’ny alalany.—Filipiana 1:1, 3, 4.
Nanendry Mpanalalana amin’ny vavaka ataontsika kosa anefa Andriamanitra. Hoy i Jesosy Kristy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” Hoy koa izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany.” (Jaona 14:6; 16:23) Afaka matoky isika fa vonona hihaino ny vavaka atao amin’ny anaran’i Jesosy, i Jehovah. Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy: “Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana [na ho mpanalalana] ho azy.”—Hebreo 7:25.
Raha vonona ny ho mpanalalana ho antsika i Jesosy, nahoana àry ny Kristianina Anarana no matetika mitalaho amin’ny “olo-masina”? Manazava ny niandohan’izany fanao izany i Will Durant, mpahay tantara, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Vanim-potoanan’ny Finoana (anglisy). Marihiny fa natahorana ilay Andriamanitra Tsitoha, ary toa mora nohatonina kokoa i Jesosy. Hoy koa izy: “Tsy sahy niresaka mivantana tamin’i [Jesosy] ny olona iray tsy niraharaha mihitsy ny toriteniny teo an-tendrombohitra. Toa fahendrena kokoa ny nivavaka tamin’ny olo-masina, izay inoana fa nankany an-danitra, ary nitalaho taminy mba ho mpanalalana amin’i Kristy.” Mitombina ve izany fanahiana izany?
Ampianarin’ny Baiboly antsika fa afaka ‘manatona an’Andriamanitra amim-pahasahiana sy amim-pahatokiana’ isika amin’ny alalan’i Jesosy. (Efesiana 3:11, 12) Tsy lavitra loatra ny olombelona akory Andriamanitra Tsitoha ka tsy hahare ny vavaka ataontsika. Feno toky i Davida mpanao salamo, nivavaka hoe: “Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ny nofo rehetra.” (Salamo 65:2) Tsy manome hery amin’ny alalan’ny relìkan’ny “olo-masina” efa maty i Jehovah, fa mandatsaka kosa ny fanahiny masina amin’ireo mangataka izany amim-pinoana. Nampisaintsaina toy izao i Jesosy: “Raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”—Lioka 11:13.
Ny anjara asan’ny olo-masina
Efa taonjato maro izay no nahafatesan’ireo olo-masina nanoratan’i Paoly. Nandray ny “satroboninahitra fiainana”, dia ny fitsanganana amin’ny maty ho any an-danitra, izy ireo, tatỳ aoriana. (Apokalypsy 2:10) Takatry ny mpivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra fa sady tsy araka ny Soratra Masina ny fankamasinana ireo tena olo-masina ireo, no tsy miaro amin’ny aretina, loza araka ny natiora, fiovaovan’ny toe-karena, fahanterana, na fahafatesana. Mety hanontany àry ianao hoe: ‘Tena miahy antsika ve ny olo-masin’Andriamanitra? Tokony hanantena ve isika fa hanao zavatra ho antsika izy ireo?’
Misongadina ao amin’ny faminanian’i Daniela ny olo-masina. Nahazo fahitana mahavariana izy tamin’ny taonjato fahenina Talohan’i Kristy (T.K.), ary mbola tanteraka amin’izao androntsika izao izy io. Nisy biby efatra mampahatahotra nivoaka avy tao an-dranomasina. Manondro ny fitondram-panjakan’olombelona, izay tsy mahavita manome izay tena ilain’ny olona, izy ireo. Naminany toy izao i Daniela avy eo: “Nefa ny olo-masin’ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.”—Daniela 7:17, 18.
Nohamafisin’i Paoly izany ‘lovan’ny olona masina’ izany, dia ny ho mpiray lova amin’i Kristy any an-danitra. (Efesiana 1:18-21) Hatsangana amin’ny maty ho amin’ny voninahitra any an-danitra ireo olo-masina 144 000, noho ny ran’i Jesosy. Hoy ny apostoly Jaona: “Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” (Apokalypsy 20:4, 6; 14:1, 3) Nahare zavaboary maro be tany an-danitra nihira nanoloana an’i Jesosy nomem-boninahitra i Jaona, tao amin’ny fahitana. Toy izao ilay hira: “Ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo: Ary manjaka ambonin’ny tany izy.” (Apokalypsy 5:9, 10) Mampahery tokoa izany! I Jehovah Andriamanitra mihitsy no nifantina ireo lehilahy sy vehivavy ireo. Ambonin’izany, dia tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy ireo tetỳ an-tany, ary niatrika ny ankamaroan’ny zava-manahirana fahitan’ny olona. (1 Korintiana 10:13) Afaka matoky àry isika fa ho mpitondra be famindram-po ireo olo-masina natsangana tamin’ny maty ireo sady hahay hiara-miory amintsika. Hanisy fiheverana ny fahalementsika sy ny fetran’ny mety ho vitantsika izy ireo.
Fitahiana hoentin’ilay Fanjakana
Hanala tsy ho ela ny faharatsiana sy fijaliana rehetra etỳ an-tany ilay Fanjakana. Ho akaiky kokoa an’Andriamanitra noho ny hatramin’izay ny olona amin’izay. Hoy i Jaona: “Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.” Tsy Apokalypsy 21:3, 4.
voatanisa ny fitahiana hoentin’izany ho an’ny olombelona. Hoy ihany mantsy ilay faminaniana: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Hahafaly tokoa izany fotoana izany! Mbola resahina ao amin’ny Mika 4:3, 4 koa ny zavatra hataon’ny fitondrana lavorarin’i Kristy Jesosy sy ireo olo-masina 144 000. Izao no voalaza ao: “Hitsara ny adin’ny firenena maro [i Jehovah] ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin’ny lavitra; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony. Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.”
Ny olo-masina no manasa antsika handray ireo fitahiana ireo. Aseho toy ny vehivavy ampakarina ireo tena olo-masina ireo, izay tsy mitsahatra ny milaza hoe: “Avia!” Hoy ihany ilay andininy: “Ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 22:17) Inona no tafiditra amin’ny hoe “ranon’aina”? Anisan’izany ny fahalalana ny marina momba ny fikasan’Andriamanitra. Nivavaka toy izao i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3) Ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly no ahazoana izany fahalalana izany. Faly tokoa isika satria manampy antsika ny Tenin’Andriamanitra hahatakatra hoe iza marina ireo olo-masina, ary ahoana no hampiasan’Andriamanitra azy ireo mba hitondrana soa mandrakizay ho an’ny olombelona!
[Sary, pejy 4]
Nanoratra taratasy ara-tsindrimandry ho an’ireo tena olo-masina i Paoly
[Sary, pejy 4, 5]
Lasa tena olo-masina ny apostoly mahatokin’i Jesosy
[Sary, pejy 6]
Feno toky isika mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy
[Sary, pejy 7]
Ho be fangoraham-po ireo olo-masina hatsangana amin’ny maty, rehefa hitondra ny tany