Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampiharo Hatrany Izay Nianaranareo

Ampiharo Hatrany Izay Nianaranareo

Ampiharo Hatrany Izay Nianaranareo

“Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.”—FILIPIANA 4:9.

1, 2. Manan-kery eo amin’ireo milaza azy ho mpivavaka ve ny Baiboly, amin’ny ankapobeny? Hazavao.

“MIHAMIROBOROBO ny Fivavahana, Mihamikororosy ny Fitsipi-pitondran-tena.” Io no lohateny tao amin’ny gazetikely iray mamintina ny fitsapan-kevitra iray natao tany Etazonia. Araka izany, dia toa mitombo ny isan’ny olona mandeha miangona sy milaza fa zava-dehibe aminy ny fivavahana, any Etazonia. Kanefa, hoy ilay gazety: “Na dia betsaka toy izany aza izy ireo, dia Amerikanina maro no misalasala raha tena manan-kery eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay sy ny olona amin’ny ankapobeny, ny fivavahana.”

2 Hita any amin’ny firenen-kafa koa izany toe-javatra izany. Maro ny olona eran-tany no milaza fa mpivavaka sy manaiky ny Baiboly, nefa tsy avelany hanan-kery eo amin’ny fiainany ny Soratra Masina. (2 Timoty 3:5) Hoy ny mpikaroka iray: “Tena mbola manaja ny Baiboly izahay, saingy efa navalon’ny lasa raha ny fanokanana fotoana hamakiana sy hianarana ary hampiharana azy.”

3. a) Inona no fiovana entin’ny fampiharana ny Baiboly eo amin’ireo lasa tena Kristianina? b) Ahoana no ampiharan’ny mpanara-dia an’i Jesosy ny torohevitra ao amin’ny Filipiana 4:9?

3 Tsy toy izany anefa ny tena Kristianina. Nanova ny fisainany sy ny fitondran-tenany ny fampiharana ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra. Hitan’ny olona miavaka tsara koa ny toetra vaovao asehon’izy ireo. (Kolosiana 3:5-10) Ho an’ny mpanara-dia an’i Jesosy, dia tsy avela hiangonan’ny vovoka sy hipetra-potsiny ny Baiboly. Nilaza tamin’ny Kristianina tany Filipy kosa ny apostoly Paoly hoe: “Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.” (Filipiana 4:9) Tsy vitan’ny hoe manaiky ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra fotsiny ny Kristianina, fa manao, na mampihatra izay ianarany koa. Manaraka hatrany ny torohevitry ny Baiboly izy, eo anivon’ny fianakaviana, any am-piasana, eo anivon’ny fiangonana ary amin’ny lafiny hafa rehetra amin’ny fiainana.

4. Nahoana no sarotra ny mampihatra ny lalàn’Andriamanitra?

4 Tsy mora ny mampihatra ny lalàna sy toro lalan’Andriamanitra. Mifehy ity tontolo misy antsika ity mantsy i Satana Devoly, izay antsoin’ny Baiboly hoe “andriamanitr’izao tontolo izao.” (2 Korintiana 4:4; 1 Jaona 5:19) Noho izany, dia tena mila mitandrina isika amin’izay zava-drehetra mety hampivadika antsika amin’i Jehovah Andriamanitra. Inona no hanampy antsika tsy hivadika?

Tano “ny mariky ny teny tsy misy kilema”

5. Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe: ‘Aoka izy hanaraka ahy hatrany’?

5 Ilaintsika ny tsy mivadika sy miandany amin’ny fivavahana marina mba hampiharana izay ianarantsika, na dia manohitra aza ny tsy mpino. Mitaky ezaka ny fiaretana. Hoy i Jesosy: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.” (Matio 16:24) Tsy nilaza i Jesosy hoe tokony hanaraka azy mandritra ny herinandro, na iray volana, na herintaona fotsiny isika. Araka ny dikan-teny tany am-boalohany, dia nilaza izy hoe: ‘Aoka izy hanaraka ahy hatrany.’ Asehon’ireo teniny ireo fa tsy mandritra ny fotoana voafetra ihany isika no mpianatr’i Jesosy, ary tsy fitiavam-pivavahana mihelina fotsiny koa ny maha mpianany antsika. Ny hoe tsy mivadika sy miandany amin’ny fivavahana marina dia midika hoe maneho fiaretana hatrany amin’izay nofidintsika hatao, na inon-kidona na inon-kihatra. Ahoana no hanaovantsika izany?

6. Inona ilay marika na modelin’ny teny tsy misy kilema nampianarin’i Paoly an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

6 Nampirisika an’i Timoty, mpiara-miasa taminy, i Paoly hoe: “Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.” (2 Timoty 1:13) Inona no tiany hambara? Ilay teny grika nadika hoe ‘marika’, na modely, dia midika ara-bakiteny hoe sarisary nataon’ny mpanao hoso-doko. Tsy be tsipiriany io sarisary io, nefa misy soritra miavaka tsara eo aminy, ka izay olona mahay mandinika dia hahita ny ambangovangon’ilay sary. Toy izany koa fa tsy natao hamaliana ny fanontaniana rehetra mety hipoitra ny modelin’ny fahamarinana nampianarin’i Paoly an’i Timoty sy ny olon-kafa. Toy ireo soritra amin’ilay sarisary anefa ny fitambaran’ireo fampianarana ireo, ka ampy hitari-dalana ireo tso-po, mba hahafantarany izay takin’i Jehovah aminy. Mazava ho azy fa mba hampifaliana an’Andriamanitra, dia mila mitana hatrany izany modelin’ny fahamarinana izany izy ireo, amin’ny fampiharana izay nianarany.

7. Inona no manampy ny Kristianina hitana ny mariky ny teny tsy misy kilema?

7 Nampiely hevitra tsy nifanaraka tamin’ny “mariky ny teny tsy misy kilema” ry Hymeneo sy Aleksandro ary Fileto, tamin’ny taonjato voalohany. (1 Timoty 1:18-20; 2 Timoty 2:16, 17) Inona no nanampy ny Kristianina voalohany tsy ho voafitaky ny mpivadi-pinoana? Ny fianarana tsara sy fampiharana ny soratra ara-tsindrimandry. Ireo nanahaka ny ohatr’i Paoly sy ny olo-nahatoky hafa, dia afaka namantatra sy nanda izay zavatra tsy nifanaraka tamin’ny modelin’ny fahamarinana nampianarina azy. (Filipiana 3:17; Hebreo 5:14) Tsy ‘adala tamin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny’ izy ireo, fa nizotra hatrany tamin’ny lalana nety, dia ny fifikirana amin’Andriamanitra. (1 Timoty 6:3-6) Manao izany koa isika rehefa mampihatra hatrany ny fahamarinana nianarantsika. Tena manatanjaka finoana mihitsy ny mahita fa mitana mafy ny modelin’ny fahamarinana ara-baiboly nampianarina azy, ny mpanompon’i Jehovah an-tapitrisa eran-tany.—1 Tesaloniana 1:2-5.

Lavo ny “anganongano”

8. a) Ahoana no ataon’i Satana mba hahatonga antsika hiala amin’ny finoantsika? b) Inona no fampitandremana nomen’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 4:3, 4?

8 Ataon’i Satana misalasala momba izay nianarantsika isika, mba hahatonga antsika hivadika. Toy ny tamin’ny taonjato voalohany dia misy mpivadi-pinoana sy olon-kafa ankehitriny mitady hampiala ny olona amin’ny finoana, indrindra fa ireo mora fitahina. (Galatiana 2:4; 5:7, 8) Mampiasa ny gazety sy tele ary radio izy ireo indraindray, mba hampielezana fanazavana nadika vilana na lainga mibaribary momba ny fomba fiasa sy ny antony manosika ny vahoakan’i Jehovah hanao ny asany. Nampitandrina i Paoly fa hisy ho voatarika hiala amin’ny fahamarinana. Hoy izy: “Ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano.”—2 Timoty 4:3, 4.

9. Inona no mety ho tao an-tsain’i Paoly rehefa niresaka momba ny “anganongano” izy?

9 Tsy nitana ny teny tsy misy kilema ny sasany, fa nanjary liana tamin’ny “anganongano.” Inona izany anganongano izany? Tantara noforonina, toy ny ao amin’ny boky tsy ara-tsindrimandry nataon’i Tobia, angamba no tao an-tsain’i Paoly tamin’izany. * Anisan’ny anganongano koa angamba ireo tsaho sy fanombantombanana mampitolagaga. Toa ‘nanaraka ny filany’ koa ny sasany ary voasarik’ireo nilefitra loatra teo amin’ny fampiharana ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy, na nanakiana ny mpiandraikitra ny fiangonana. (3 Jaona 9, 10; Joda 4) Na inona na inona zavatra nisakana ny sasany tsy handroso tamin’ny finoana, dia toa naleony zavatra diso toy izay ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy ela dia tsy nampihatra izay nianarany intsony izy, ka nanimba ny ara-panahin’izy ireo izany.—2 Petera 3:15, 16.

10. Inona avy no anganongano amin’izao andro izao, ary ahoana no nanasongadinan’i Jaona fa ilaina ny mitandrina?

10 Tsy ho voasariky ny anganongano isika, raha mandinika sy mifantina tsara izay henointsika sy vakintsika. Matetika ny gazety sy radio ary televiziona no mampirisika ny olona hanao fitondran-tena maloto. Maro no mampirisika ny olona hisalasala momba ny fisian’Andriamanitra, na tsy hino azy mihitsy. Maneso ny Baiboly ireo mpitsikera azy io, satria milaza tena ho ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly. Ataon’ny mpivadi-pinoana foana koa ankehitriny izay hahatonga ny Kristianina hisalasala, mba hialany amin’ny finoana. Nampidi-doza toy izany koa ny mpaminany sandoka tamin’ny taonjato voalohany, ary hoy ny apostoly Jaona momba izany: “Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 4:1) Mila mitandrina àry isika.

11. Inona no fomba iray handinihantsika tena mba hahitana raha mitoetra amin’ny finoana isika na tsia?

11 Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia.” (2 Korintiana 13:5) Nampirisika antsika izy mba handini-tena hahitana raha mitana ny fitambaran’ny zavatra inoan’ny Kristianina isika na tsia. Raha mirona hiray hevitra amin’ireo be taraina isika, dia mila mandini-tena amim-bavaka. (Salamo 139:23, 24) Mirona hanakiana lava ny vahoakan’i Jehovah ve isika? Raha izany no izy, inona no antony? Nisy olona nanao teny na zavatra nahasosotra antsika ve? Raha izany no izy, miezaka hahatakatra ny antony nilazana na nanaovana izany ve isika? Tsy maharitra ny fahoriana rehetra manjo antsika eto amin’ity tontolo ity. (2 Korintiana 4:17) Na dia mahita zava-tsarotra aza isika eo anivon’ny fiangonana, nahoana isika no tsy hanompo an’Andriamanitra intsony? Raha nisy zavatra nahatezitra antsika, tsy tsara kokoa ve ny miezaka mandamina ilay raharaha ary avy eo hamela ilay izy eo am-pelatanan’i Jehovah?—Salamo 4:4; Ohabolana 3:5, 6; Efesiana 4:26.

12. Inona no ohatra tsara navelan’ny Berianina ho antsika?

12 Toy izay ho be fanakianana, dia aoka isika ho olona araka ny fanahy, ka handray tsara ny fanazavana azontsika mandritra ny fianarana samirery sy fivorian’ny fiangonana. (1 Korintiana 2:14, 15) Tsy tokony hisalasala momba ny Tenin’Andriamanitra isika. Fahendrena kosa ny manahaka ny toe-tsain’ny Berianina tamin’ny taonjato voalohany, izay nandinika tsara ny Soratra Masina! (Asan’ny Apostoly 17:10, 11) Avy eo, dia aoka isika hampihatra izay ianarantsika ary handa ny anganongano, fa hifikitra amin’ny fahamarinana.

13. Ahoana no mety hahatonga antsika hampiely tantara tsy marina, na dia tsy fanahy iniana aza?

13 Mila mitandrina amin’ny karazana anganongano hafa koa isika. Maro ny tantara mampitolagaga miely, matetika amin’ny alalan’ny E-mail (hafatra ampitaina amin’ny alalan’ny ordinatera). Fahendrena ny mitandrina amin’ireny tantara ireny, indrindra raha tsy fantatsika hoe avy aiza no tena niaviany. Na dia Kristianina azo itokisana aza no nilaza ilay tantara, dia mety ho efa niampitampita ilay izy. Noho izany, dia tena mila mitandrina isika mba tsy hamerina tantara tsy voamarina. Azo antoka fa tsy te hampiely “anganongano ratsy”, na zavatra tsy marina, isika. (1 Timoty 4:7) Koa satria tsy maintsy mifampilaza ny marina koa isika, dia maneho fahendrena isika raha mitandrina mba tsy hampiely zavatra tsy marina, na dia tsy fanahy iniana aza.—Efesiana 4:25.

Mitondra soa ny fampiharana ny fahamarinana

14. Inona avy no soa azontsika rehefa mampihatra izay ianarantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika?

14 Hitondra soa maro ny fampiharana izay ianarantsika mandritra ny fianarana samirery ny Baiboly sy ny fivoriana. Hihatsara, ohatra, ny fifandraisantsika amin’ny mpiray finoana amintsika. (Galatiana 6:10) Hihatsara koa ny toetrantsika rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika. (Salamo 19:8) Ambonin’izany, dia “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra” isika sady hisarika ny olon-kafa hanaraka ny fivavahana marina.—Titosy 2:6-10.

15. a) Inona no nataon’ny tanora iray nisikina herim-po mba hitoriana tany an-tsekoly? b) Inona no ianaranao avy amin’io zava-niseho io?

15 Betsaka ny tanora eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah no mampihatra izay ianarany avy amin’ny fianarana samirery ny Baiboly sy ny boky aman-gazety kristianina ary ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana. Efa fitoriana amin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra aminy koa ny fitondran-tena tsarany. (1 Petera 2:12) Diniho ny ohatr’i Leslie, ankizivavy 13 taona, any Etazonia. Miaiky izy fa sarotra taminy ny niresaka momba ny finoany tamin’ny mpiara-mianatra taminy. Niova anefa izy indray andro. “Niresaka momba ny fomba ivarotan’ny olona zavatra ny iray kilasy. Nanangan-tanana ny ankizivavy iray ary nataony ho ohatra ny Vavolombelon’i Jehovah.” Inona no nataon’i Leslie, izay Vavolombelon’i Jehovah? Hoy izy: “Niaro ny finoako aho, ary mino aho fa nahagaga azy rehetra izany, satria tsy mba miteny firy aho any am-pianarana.” Inona no vokatry ny fahasahian’i Leslie? Hoy izy: “Nahapetraka bokikely iray sy taratasy mivalona iray tamin’ilay ankizivavy aho, satria nanana fanontaniana izy.” Azo antoka fa faly i Jehovah rehefa mampihatra izay ianarany ny tanora, ary misikina herim-po mba hitoriana any an-tsekoly!—Ohabolana 27:11; Hebreo 6:10.

16. Inona no soa noraisin’ny tanora Vavolombelona iray avy tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana?

16 Ohatra iray koa i Elizabeth. Nanomboka tamin’izy fito taona ary nandritra ny fotoana rehetra nianarany tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra, dia nasainy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana foana ny mpampianatra azy, isaky ny nanana anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana izy. Raha nisy mpampianatra tsy afaka, dia nijanona i Elizabeth rehefa nirava avy nianatra, ary namerina ilay anjarany tamin’io mpampianatra io. Tamin’ny taona farany nianarany teny amin’ny lise, dia nanao tatitra nisy pejy folo i Elizabeth, nilazalaza ny soa entin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ary namelabelatra izany teo anoloan’ny mpampianatra efatra. Nasaina nampiseho ny fomba fanaovana anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana koa izy, ary ny foto-kevitra nofidiny dia hoe: “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?” Nandray soa avy tamin’ny fandaharam-pampianarana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mandritra ny Sekolin’ny Fanompoana, i Elizabeth. Maro ny tanora toa azy, izay midera an’i Jehovah amin’ny fampiharana izay ianarany ao amin’ny Baiboly.

17, 18. a) Inona no torohevitra omen’ny Baiboly momba ny fanaovana ny marina? b) Nanao ahoana ny fihetsiky ny lehilahy iray, rehefa nanao ny marina ny iray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

17 Mampirisika ny Kristianina mba hitondra tena tsara, ka hanao ny marina amin’ny zava-drehetra, ny Baiboly. (Hebreo 13:18) Mety handrava ny fihavanantsika amin’ny olona sy amin’i Jehovah mihitsy, ny fanaovana ny tsy marina. (Ohabolana 12:22) Rehefa mendri-pitokisana isika dia manaporofo fa mampihatra izay ianarantsika. Noho izany, dia maro no lasa manaja kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah.

18 Diniho ny ohatry ny miaramila iray atao hoe Phillip. Tsy hitany izay nasiany ny seky iray mbola tsy feno, nefa efa nasiany sonia. Tsy nahatsikaritra izany anefa izy raha tsy rehefa nisy namerina tamin’ny alalan’ny paositra ilay seky. Vavolombelon’i Jehovah ilay olona. Nisy taratasy nampiarahiny tamin’ilay seky, nilazany fa ny finoany no nanosika azy hamerina ilay seky tamin’ny tompony. Gaga be i Phillip. Hoy izy: “Afaka nangalatra vola 9 000 dolara (60 000 000 FMG eo ho eo) izy!” Diso fanantenana i Phillip indray mandeha, satria nisy nangalatra tany am-piangonana ny satrony. Toa olom-pantany ihany no naka ilay izy. Olona tsy fantany kosa anefa no namerina ny sekiny mety ho nahazoana vola be! Manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra tokoa ny Kristianina manao ny marina!

Ampiharo hatrany izay nianaranao

19, 20. Inona avy no soa raisintsika avy amin’ny fampiharana izay ianarantsika ao amin’ny Soratra Masina?

19 Mandray soa be dia be ireo mampihatra izay ianarany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hoy i Jakoba mpianatra: “Izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany izany olona izany.” (Jakoba 1:25) Eny, tena ho sambatra sy hahay hizaka kokoa ny faneren’ny fiainana isika, raha mampihatra izay ianarantsika ao amin’ny Soratra Masina. Ambonin’ny zava-drehetra, dia hotahin’i Jehovah isika ary hanantena fiainana mandrakizay!—Ohabolana 10:22; 1 Timoty 6:6.

20 Aoka àry ianao hilofo amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Miaraha mivory tsy tapaka amin’ny mpivavaka amin’i Jehovah, ary mifantoha tsara amin’izay zavatra dinihina mandritra ny fivoriana. Ampiharo hatrany izay ianaranao, dia ‘ho aminao ny Andriamanitry ny fiadanana.’—Filipiana 4:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Nosoratana tamin’ny taonjato fahatelo Talohan’i Kristy angamba ny Tobia. Izy io dia tantara feno finoanoam-poana momba ny Jiosy iray atao hoe Tobia. Nanome azy hery hanasitranana sy hamoahana demonia, hono, ny fo sy afero ary atin’ny trondro goavam-be iray.

Tadidinao Ve?

• Inona ilay “mariky ny teny tsy misy kilema”, ary ahoana no itanantsika azy io?

• Inona avy no “anganongano” tokony hohalavirintsika?

• Inona no soa azon’ireo mampihatra izay ianarany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Inona no nanampy ny Kristianina voalohany tsy ho voafitaky ny mpivadi-pinoana?

[Sary, pejy 18]

Mety hahatonga fisalasalana ny gazety, televiziona, radio, Internet, ary ny mpivadi-pinoana

[Sary, pejy 19]

Tsy fahendrena ny mampiely tantara tsy voamarina

[Sary, pejy 20]

Mampihatra ny Tenin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, any am-piasana, any am-pianarana, ary any an-toeran-kafa