Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“An’i Jehovah ny Famonjena”

“An’i Jehovah ny Famonjena”

“An’i Jehovah ny Famonjena”

ANTENAIN’NY vahoaka hamonjy sy hiaro azy ny fitondram-panjakana, rehefa mandia fotoan-tsarotra ny firenena na rehefa misy ny fifanolanana iraisam-pirenena. Ny fitondram-panjakana koa miezaka hanamafy ireo volavolan-kevitra hahatonga ny vahoaka hiray hina. Manantitrantitra ny fitiavan-tanindrazana ireny volavolan-kevitra ireny, ka vao mainka mafana sy mihabetsaka ny fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana.

Mafana fo ho an’ny tanindrazana ny vahoaka rehefa latsaka an-katerena ny firenena, ary manjary tsapany matetika fa miray saina sy matanjaka izy ireo. Mety hahatonga azy ireo ho tia miara-miasa sy vonona hanasoa ny hafa koa izany. Milaza anefa ny lahatsoratra iray tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy), fa “mety hampidi-doza toy ny fihetseham-po rehetra ny fitiavan-tanindrazana, ka mety ho ratsy ny fisehony raha tsy voafehy.” Mety hampihena tsikelikely ny fahafahan’ny hafa sy ny fahalalahany ara-pivavahana, ny fitiavan-tanindrazana asehon’ny olona sasany. Ny Kristianina marina no tena iharam-panerena hampandefitra ny finoany, rehefa mitranga izany. Ahoana no ataony raha izany toe-tsaina izany no manjaka manodidina azy? Inona avy no toro lalana ao amin’ny Soratra Masina, manampy azy hisaina tsara rehefa manao zavatra, ka tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy?

“Aza miankohoka eo anatrehany”

Lasa fomba fampisehoan’ny olona fitiavan-tanindrazana indraindray ny fananganan-tsaina. Matetika ny sainam-pirenena no misy sarina kintana na zavatra hafa eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany. Nilaza ny heviny momba ny fiankohofana amin-javatra toy izany Andriamanitra, rehefa nandidy ny vahoakany hoe: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro.”—Eksodosy 20:4, 5.

Manohitra ny didin’i Jehovah ho tia azy amin’ny fo manontolo tokoa ve isika, raha manangan-tsaina na mandohalika eo anoloan’ny sainam-pirenena? Marina fa nanana “faneva” ny Isiraelita fahiny, ary samy nitangorona nanodidina ny fanevany ny foko telo isaky ny tobin’izy ireo, tany an’efitra. (Nomery 2:1, 2) Izao ny fanazavan’ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong, an’ireo teny hebreo nadika hoe faneva: “Saina no tonga ao an-tsaintsika raha vao miteny hoe ‘faneva.’ Tsy izany mihitsy anefa ny hevitr’ireo teny hebreo nandikana azy io.” Tsy nihevitra ny faneva ho masina koa ny Isiraelita, ary tsy nisy fombafomba nataony rehefa nampiasa an’ireny. Famantarana tsotra fotsiny izy ireny, mba hahitan’ny olona ny toerana tokony hitobiany.

Mba hampisehoana ny kerobima tany an-danitra kosa no tena nanaovana ireo sarina kerobima, tao amin’ny tabernakely sy tao amin’ny tempolin’i Solomona. (Eksodosy 25:18; 26:1, 31, 33; 1 Mpanjaka 6:23, 28, 29; Hebreo 9:23, 24) Miharihary fa tsy natao hankamasinina ireny zavakanto ireny, satria tsy afaka nahita azy ireny akory ny ankamaroan’ny olona. Tsy natao hivavahana koa ny anjely.—Kolosiana 2:18; Apokalypsy 19:10; 22:8, 9.

Diniho koa ny momba ilay bibilava varahina nataon’i Mosesy, nandritra ny fivahinian’ny Isiraelita tany an’efitra. Marika fotsiny iny sary iny, sady nanana heviny ara-paminaniana. (Nomery 21:4-9; Jaona 3:14, 15) Tsy notompoina na nampiasaina tamin’ny fivavahana izy io. Tsy nety anefa ny nataon’ny Isiraelita, taonjato maro taorian’ny andron’i Mosesy. Nivavaka tamin’io sary io sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin’izy io mihitsy izy ireo, ka notorotoroin’i Hezekia mpanjakan’i Joda ilay sary.—2 Mpanjaka 18:1-4.

Marika ilaina amin-javatra sasany fotsiny ve anefa ny sainam-pirenena? Inona marina no dikan’izy ireny? Nilaza i Paul Williams, mpanoratra, fa “ny sainam-pirenena no tena mariky ny finoana sy fitaovana voalohany ivavahana, amin’ny fanindrahindram-pirenena.” Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina (anglisy): “Masina sahala amin’ny lakroa ny saina.” Ny saina no marika famantarana ny Firenena. Fombafomba ara-pivavahana hampisehoana fanajana ny Firenena àry ny fananganan-tsaina na ny fiankohofana amin’izy io. Ny fanaovana izany dia milaza fa avy amin’ny Firenena ny famonjena, sady mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny fanompoan-tsampy.

Hoy anefa ny Soratra Masina: “An’i Jehovah ny famonjena.” (Salamo 3:8) Tsy mahavonjy ny fikambanana naorin’olombelona na ny marika famantarana azy. Nananatra ny Kristianina namany i Paoly hoe: “Ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.” (1 Korintiana 10:14) Tsy nandray anjara tamin’ny fombafomba nampiseho fivavahana tamin’ny Firenena àry ny Kristianina voalohany. Hoy i Daniel Mannix, ao amin’ilay boky hoe Ireo efa ho Faty (anglisy): “Tsy nety nanao . . . sorona ho an’ilay emperora [romanina] neken-teny ny Kristianina. Mitovitovy amin’ny tsy fetezana hanangan-tsaina amin’izao andro izao izany.” Toy izany koa ireo tena Kristianina ankehitriny. Tsy manangan-tsaina mihitsy izy ireo, satria tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo. Asehon’izy ireo amin’izany fa Andriamanitra no ambony, na dia hajain’izy ireo aza ny fitondram-panjakana sy ny mpitondra. Eken’izy ireo tokoa fa adidiny ny manaiky ny “fahefana lehibe” ao amin’ny fitondram-panjakana. (Romana 13:1-7) Ahoana kosa ny hevitry ny Soratra Masina momba ny fanaovana hira mampiseho fitiavan-tanindrazana, anisan’izany ny hiram-pirenena?

Inona no dikan’ny hiram-pirenena?

Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina: “Fomba hampisehoana fitiavan-tanindrazana ny hiram-pirenena, ary matetika ny tonony no misy fangatahana tari-dalana sy fiarovan’Andriamanitra ho an’ny vahoaka sy ny mpitondra.” Hira fiderana na vavaka ho an’ny firenena ny hiram-pirenena, raha ny marina. Fangatahana fanambinana sy faharetana ho an’ny firenena foana izy ireny matetika. Tokony hiray hevitra amin’izany ve ny tena Kristianina?

Nilaza ho mpanompon’Andriamanitra ny mpiara-belona tamin’i Jeremia mpaminany. Hoy anefa i Jehovah tamin’i Jeremia: “Aza mivavaka ho an’ity firenena ity hianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona amiko; fa tsy hihaino anao Aho.” (Jeremia 7:16; 11:14; 14:11) Nahoana izy no tsy navela hanao izany? Satria mpangalatra, mpamono olona, mpijangajanga, mpianian-tsy to, ary mpanompo sampy ny olona tao amin’ilay firenena.—Jeremia 7:9.

I Jesosy no modely, satria izy nilaza hoe: “Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy.” (Jaona 17:9) Milaza ny Soratra Masina fa ‘mipetraka eo amin’ilay ratsy sady mandalo izao tontolo izao.’ (1 Jaona 2:17; 5:19) Hety amin’ny tena Kristianina àry ve ny hivavaka mba hanambinana sy hampaharetana izany tontolo izany?

Marina fa tsy fangatahana amin’Andriamanitra ny tonon’ny hiram-pirenena rehetra. “Samihafa ny hevitra ao amin’ny hiram-pirenena tsirairay”, hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy). “Ny sasany vavaka ho an’ny mpitondra, ny hafa kosa filazana an-kolaka adin’ny firenena na fikomiana . . . hampisehoana fitiavan-tanindrazana.” Tokony hifaly amin’ny ady sy fanonganam-panjakana eo amin’ny firenena ve anefa ireo te hampifaly an’Andriamanitra? Hoy i Isaia momba ny tena mpivavaka: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka.” (Isaia 2:4) “Na dia velona amin’ny nofo aza izahay”, hoy ny apostoly Paoly, “dia tsy mba miady araka ny nofo fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay.”—2 Korintiana 10:3, 4.

Manindrahindra na manambony ny firenena koa matetika ny hiram-pirenena, ary mifanohitra amin’ny Soratra Masina izany. Hoy ny apostoly Paoly tao amin’ny lahateniny teo amin’ny Areopago: “Ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponenin[’i Jehovah Andriamanitra] ambonin’ny tany rehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:26) “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”, hoy ny apostoly Petera, “fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Maro no mahazo tsara ny hevitry ny Baiboly ka tapa-kevitra ny tsy hanangan-tsaina sy tsy hanao hira mampiseho fitiavan-tanindrazana. Ahoana anefa no hataon’izy ireo rehefa tsy maintsy miatrika an’izany?

Tsy manao, nefa manaja

Niezaka hampiray saina kokoa ny fireneny i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona fahiny, ka nanangana sariolona volamena goavambe tao amin’ny lemak’i Dora. Nandamina ny hanaovana fombafomba ho fitokanana an’ilay sariolona izy, ka nanasa ny solo-mpanjaka, mpanapaka, governora, mpanolo-tsaina, ary manam-pahefana hafa koa. Tokony hiankohoka sy hivavaka tamin’ilay sary ny olona rehetra, raha vao naneno ny mozika. Nanatrika teo koa ny tanora hebreo telo, dia i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Ahoana no nampisehoan’izy ireo ny tsy fandraisany anjara tamin’io fombafomba ara-pivavahana io? Niankohoka nanoloana ilay sary ny mpanatrika rehetra, raha vao nanomboka ny mozika, fa izy telo lahy kosa nitsangana ihany.—Daniela 3:1-12.

Rehefa manangan-tsaina ny olona, dia matetika no mijaridina na manao fomba fiarahaban’ny miaramila na mametraka ny tanany tandrifin’ny fony. Misy fihetsika manokana asaina atao koa indraindray. Asaina mandohalika sy manoroka ny saina ny mpianatra any amin’ny tany sasany. Mitsangana mangina fotsiny ny tena Kristianina, rehefa manangan-tsaina ny olona, ka asehony amin’izany fa mpanatrika manaja ilay zavatra atao fotsiny izy.

Ahoana raha efa midika ho fandraisana anjara amin’ny fananganan-tsaina ny fitsanganana tsotra fotsiny? Ohatra hoe, misy mpianatra iray fidina hisolo tena ny sekoly. Izy no asaina manangan-tsaina eny ivelany, fa ny mpianatra hafa ao an-dakilasy ihany no asaina manao jery atrika. Na mitsangana fotsiny aza isika amin’izay, dia efa midika hoe ekentsika ho solontenantsika manangan-tsaina ilay mpianatra eo ivelany. Ny fitsanganana mihitsy amin’izay no midika ho fandraisana anjara amin’ilay fombafomba. Hipetraka mangina fotsiny àry ireo mpanatrika tsy maniry handray anjara, ary manaja ilay zavatra atao. Ahoana anefa raha efa mitsangana ny iray kilasy, amin’ny fotoana hanombohan’ny fombafomba toy izany? Tsy azo lazaina hoe mandray anjara isika amin’izay, raha mitsangana ihany.

Aoka indray hatao hoe mandritra ny matso na ao an-dakilasy na any an-toeran-kafa, dia asaina mitazona an’ilay saina fotsiny ny olona iray, mba hahafahan’ny olon-kafa hanome voninahitra azy io. Tsy ‘mandositra ny fanompoan-tsampy’ araka ny didin’ny Soratra Masina izy amin’izay, fa tena tafiditra tanteraka amin’ilay fombafomba. Mitovy amin’izany koa ny fanaovana matso, hampisehoana fitiavan-tanindrazana. Tsy manao izany ny tena Kristianina, satria midika ho fiandaniana amin’izay omem-boninahitra amin’ilay matso izany.

Tsy maintsy mitsangana ny olona rehetra, amin’ny ankapobeny, rehefa mandre ny hiram-pirenena, mba hampisehoana fa ankasitrahan’izy ireo ilay hira. Mipetraka ihany ny Kristianina amin’izay fotoana izay. Tsy tokony hipetraka anefa izy ireo, raha efa eo am-pitsanganana izy no mandeha ny hiram-pirenena, satria tsy noho ilay hira no antony nitsanganany. Mety ho anisan’ny olona tokony hitsangana sy hihira anefa izy ireo. Azo lazaina fa tsy mankasitraka ilay hira izy ireo amin’izay, raha mitsangana fotsiny fa tsy mihira.

“Manàna fieritreretana tsara”

Hoy ny mpanao salamo, rehefa avy nitanisa ny maha tsinontsinona ny zavatra amboarin’ny olona hivavahana: “Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.” (Salamo 115:4-8) Mazava àry, fa tsy tokony heken’ny mpivavaka amin’i Jehovah ny asa rehetra misy ifandraisany amin’ny fanamboarana zavatra hivavahana, anisan’izany ny sainam-pirenena. (1 Jaona 5:21) Mety hisy toe-javatra hafa hatrehin’ny Kristianina koa any am-piasana, rehefa mampiseho amim-panajana izy ireo fa i Jehovah ihany no ivavahany, fa tsy ny sainam-pirenena na izay asehon’izy io.

Mety hasain’ny mpampiasa hampakatra na hampidin-tsaina any am-piasana, ohatra, ny mpiasa iray. Miankina amin’ny fiheveran’ilay mpiasa ny toe-javatra no hanaovany na tsy hanaovany izany. Mitovy amin’ny fandraisana anjara ihany anefa izany, raha anisan’ny fombafomba manokana ny fampakarana na fampidinan-tsaina izay atrehin’ny olona manao jery atrika na manome voninahitra azy io.

Mitovy amin’ny asa hafa kosa ny fampakarana sy fampidinan-tsaina raha tsy misy fombafomba miaraka aminy; tsy misy hafa amin’ny fanomanana ny trano hampiasaina, toy ny famohana sy fanidiana ny varavarana sy varavarankely. Marika famantarana ny Firenena fotsiny ny sainam-pirenena amin’izay, ary anisan’ny asa fanao mahazatra ny fampakarana sy fampidinana azy. Anjaran’ilay olona àry ny manapa-kevitra, mifanaraka amin’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly, na hanao izany izy na tsia. (Galatiana 6:5) Angamba tsy mandry ny eritreritry ny olona iray hampakatra sy hampidin-tsaina, ka hangataka amin’ny lehibeny izy mba hanendry mpiasa hafa hanao izany. Mety ho mandry tsara kosa anefa ny eritreritry ny Kristianina hafa manao izany, raha tsy misy fombafomba amin’ilay izy. Tokony ‘hanana fieritreretana tsara’ eo anatrehan’Andriamanitra foana anefa ny tena mpivavaka, na inona na inona fanapahan-kevitra raisiny.—1 Petera 3:16.

Tsy raran’ny Soratra Masina ny fiasana any amin’ny tranom-panjakana misy sainam-pirenena, toy ny an’ny mpamonjy trano may, ohatra, na biraom-panjakana na sekoly. Mety hisy sarina saina koa amin’ny hajia na amin’ny nomeraon’ny fiara na zavatra hafa avy amin’ny fanjakana. Tsy azo lazaina hoe mivavaka amin’ny saina ny olona raha mampiasa ireny zavatra ireny fotsiny. Tsy ny fisian’ilay saina na ny marik’izy io akory no tena misy dikany, fa ny fihetsiky ny olona amin’izy io.

Matetika no asiana saina eny amin’ny varavarankely, varavarana, fiara, birao na eny amin-javatra hafa. Misy koa olona manana akanjo misy sarina saina. Raran’ny lalàna ny manao akanjo toy izany any amin’ny tany sasany. Na dia tsy fandikan-dalàna aza anefa izany, hidika ho inona momba ny toeran’ny olona iray eo amin’izao tontolo izao izany? Hoy i Jesosy momba ny mpianany: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16) Tsy azo odian-tsy hita koa ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny mpiray finoana. Mety hanafintohina ny sasany ve izany? Mety hanozongozona ny finoany ve izany? Nanoro hevitra ny Kristianina i Paoly mba ‘hamantatra izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny.’—Filipiana 1:10.

“Malemy fanahy amin’ny olona rehetra”

Miharatsy ny fiainana amin’izao “andro mahory” izao, ka mety ho lasa tia tanindrazana kokoa ny olona. (2 Timoty 3:1) Enga anie ireo tia an’Andriamanitra kosa, tsy hanadino mihitsy fa avy amin’i Jehovah ihany ny famonjena. Mendrika hotiavina amin’ny fo manontolo izy. Hoy ny apostolin’i Jesosy, rehefa nasaina nanao zavatra nifanohitra tamin’ny sitrapon’i Jehovah: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.”—Asan’ny Apostoly 5:29.

“Tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra”, hoy ny apostoly Paoly. (2 Timoty 2:24) Miezaka àry ny Kristianina, ho tia fihavanana, hanaja ary halemy fanahy, ka hampiasa ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly mba hanapahan-kevitra momba ny fananganan-tsaina sy ny fanaovana hiram-pirenena.

[Sary, pejy 23]

Hentitra nefa tamim-panajana no nifidianan’ireo Hebreo telo hampifaly an’Andriamanitra

[Sary, pejy 24]

Ahoana no tokony hataon’ny Kristianina rehefa misy fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana?