Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Iza no antsoina hoe “fitarik’andro” na “kintana mamirapiratra” ao amin’ny Isaia 14:12?

Hoy ny Isaia 14:12: “Endrey! latsaka avy tany an-danitra hianao, ry ilay fitarik’andro, zanaky ny maraina.” “Kintana mamirapiratra” no ilazan’ny Fandikan-teny Katolika azy io. Misy milaza fa miresaka momba an’i Satana io andinin-teny io.

Iza marina anefa io kintana mamirapiratra io? Hita ao amin’ilay didy ara-paminaniana nasain’i Isaia nambaran’ny Isiraelita ho toy ny “oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babylona” ny teny hoe “kintana mamirapiratra.” Noho izany, dia nihatra voalohany indrindra tamin’ny tarana-mpanjaka babylonianina izany. Milaza olona fa tsy anjely ny hoe “ilay mamirapiratra”, ary hita koa izany eto amin’ity andalan-teny ity: “Hampidinina hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita [na Sheola] . . . ianao.” Ny fasan’ny olona rehetra no atao hoe Sheola fa tsy toerana misy an’i Satana Devoly akory. Fanampin’izany, ireo izay nahita an’ilay kintana mamirapiratra naidina tao amin’ny Sheola dia nanontany hoe: “Io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany?” Mazava fa manondro olombelona ny hoe “kintana mamirapiratra”, fa tsy anjely.—Isaia 14:4, 15, 16.

Nahoana no mihatra amin’ny tarana-mpanjaka babylonianina ny filazalazana miavaka toy izany? Tokony ho takatsika fa rehefa nianjera ny fanjakana babylonianina vao nantsoina hoe “kintana mamirapiratra”, ho fanesoana azy. (Isaia 14:3) Nanosika ny mpanjakan’i Babylona hanandra-tena mihoatra ireo manodidina azy ny fitiavan-tena sy ny fieboeboana. Noho ny avonavona be loatra, dia toy ny hoe nizahozaho toy izao ilay tarana-mpanjaka: “Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; dia hipetraka eo an-tendrombohitra fivoriana any am-parany avaratra aho . . . ka ho tahaka ny Avo Indrindra.”—Isaia 14:13, 14.

Antsoina hoe “ny kintan’Andriamanitra” ireo mpanjaka avy tamin’ny taranak’i Davida. (Nomery 24:17) Nanapaka teo amin’ny Tendrombohitra Ziona ireo “kintana” ireo, nanomboka tamin’i Davida. Nantsoina hoe Ziona ilay tanàna iray manontolo taorian’ny nanorenan’i Solomona ny tempoly tao Jerosalema. Tsy maintsy nankany Ziona intelo isan-taona ny lehilahy isiraelita rehetra teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna. Noho izany, dia nanjary “tendrombohitra fivoriana” izy io. Tapa-kevitra ny hifehy ireo mpanjaka jodianina, ary avy eo dia hanala azy ireo avy teo amin’io tendrombohitra io, i Nebokadnezara, ka nanambara ny fikasany hanandra-tena ho ambony noho ireo “kintana” ireo. Tsy nanome voninahitra an’i Jehovah, noho ny fandresena azy ireo izy, fa nizahozaho naka ny toerany kosa. Nantsoina tamim-panesoana hoe “kintana mamirapiratra” àry ny tarana-mpanjaka babylonianina taorian’ny nahareseny.

Tena ahitana taratry ny toe-tsain’ny “andriamanitr’izao tontolo izao”, dia i Satana Devoly, ny avonavon’ireo mpitondra babylonianina. (2 Korintiana 4:4) Mangetaheta fahefana koa i Satana ary maniry mafy ny ho ambony noho i Jehovah Andriamanitra. Tsy anarana iantsoan’ny Soratra Masina an’i Satana mihitsy anefa ny hoe kintana mamirapiratra.

Nahoana no lazain’ny 1 Tantara 2:13-15 hoe zanak’i Jese fahafito i Davida, nefa ny 1 Samoela 16:10, 11 manondro azy ho ny zanany fahavalo?

Nandefa an’i Samoela mpaminany hanosotra ny iray tamin’ny zanak’i Jese ho mpanjaka i Jehovah Andriamanitra, rehefa niala tamin’ny fivavahana marina i Saoly, Mpanjakan’ny Isiraely. Zanak’i Jese fahavalo i Davida, araka ny fitantarana ara-tsindrimandry. I Samoela ihany no nanoratra izany fitantarana izany tamin’ny taonjato faha-11 T.K. (1 Samoela 16:10-13) Izao anefa no nolazain’i Ezra mpisorona, 600 taona teo ho eo taorian’izay: “Ary Jese niteraka an’i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo, sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy, sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy [na fahafito].” (1 Tantara 2:13-15) Inona no nitranga tamin’ny rahalahin’i Davida anankiray, ary nahoana no tsy nosoratan’i Ezra ny anarany?

Milaza ny Soratra Masina fa “nanana zanaka valo mirahalahy” i Jese. (1 Samoela 17:12) Miharihary fa tsy nanambady na nanan-janaka ny zanany iray dia efa maty. Koa satria tsy nanan-taranaka izy, dia tsy manana anjara amin’ny lovan’ny fokony ary tsy ilaina ao amin’ny firaketana an-tsoratry ny tetirazan’i Jese ny anarany.

Hiverina amin’ny andron’i Ezra indray isika. Diniho ny toe-javatra nisy tamin’izy nanoratra ny bokin’ny Tantara. Nifarana 77 taona teo ho eo talohan’izay ny sesitany tany Babylona, ary nanorim-ponenana indray teo amin’ny taniny ny Jiosy. Nanome lalana an’i Ezra ny mpanjakan’ny Persa mba hanendry mpitsara sy mpampianatra ny Lalàn’Andriamanitra, ary hanatsara ny tranon’i Jehovah. Nilaina ny lisitr’ireo tetirazana araka ny marina mba hanamarinana ireo lova ara-poko sy mba hahazoana antoka fa olona nomena lalana ihany no nanompo tao amin’ny fisoronana. Noho izany, dia nanomana ny tantaran’ny firenen’ny Isiraely i Ezra, tafiditra amin’izany ny firaketana an-tsoratra mazava sy azo itokisana momba ny taranak’i Joda sy ny an’i Davida. Tsy nilaina ny anaran’ilay zanak’i Jese maty tsy nanan-janaka, ka tsy nosoratan’i Ezra.