‘Mitandrema Mafimafy Kokoa’
‘Mitandrema Mafimafy Kokoa’
“Tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.”—HEBREO 2:1.
1. Manomeza ohatra ampisehoana fa mety hitera-doza ny tsy fitandremana.
OLONA 37 000 eo ho eo isan-taona no matin’ny lozam-piarakodia, any Etazonia fotsiny. Milaza ny manam-pahaizana fa maro amin’ireny loza ireny no ho azo sorohina raha mifantoka kokoa amin’ny lalana ny mpamily. Variana mijery peta-drindrina na miresaka amin’ny telefaonina entin-tanana ny mpamily sasany. Ao koa ny misakafo sady mamily. Mety hitera-doza ny tsy fitandremana amin’ireo toe-javatra rehetra ireo.
2, 3. Ahoana no nananaran’i Paoly ireo Kristianina hebreo, ary nahoana izany no nety?
2 Efa ho 2 000 taona talohan’ny nisian’ny fiarakodia voalohany, dia nilaza ny apostoly Paoly fa nisy zavatra nahavarimbariana ny Kristianina hebreo sasany. Tena nampidi-doza ho azy ireo izany. Nohamafisin’i Paoly fa nomena toerana ambony kokoa noho ny anjely rehetra i Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty, satria mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra izy. Nilaza izy avy eo hoe: “Ary amin’izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.”—Hebreo 2:1.
3 Nahoana ny Kristianina hebreo no nila ‘nitandrina mafimafy kokoa izay efa reny’ momba an’i Jesosy? Satria efa ho 30 taona no lasa hatramin’ny nandaozan’i Jesosy ny tany. Nanomboka niala tamin’ny tena finoana ny Kristianina hebreo sasany rehefa tsy teo ny Tompony. Variana tamin’ny fivavahany taloha, dia ny Jodaisma, izy ireo.
Nila nitandrina mafimafy kokoa izy ireo
4. Nahoana ny Kristianina hebreo sasany no mety ho nalaim-panahy hiverina tamin’ny Jodaisma?
4 Inona no mety ho nahatonga ny Kristianina halaim-panahy hiverina tamin’ny Jodaisma? Zavatra hita maso no tafiditra tamin’ny fomba fivavahana teo ambany Lalàna. Nahita ny mpisorona ny olona sady nandre ny fofon’ny fanatitra nodorana. Hafa mihitsy anefa ny Kristianisma. Nanana an’i Jesosy Kristy ho Mpisoronabe ny Kristianina, nefa efa 30 taona izay no tsy nahitany azy. (Hebreo 4:14) Nanana tempoly izy ireo, saingy ny lanitra no fitoerana masin’izy io. (Hebreo 9:24) Tsy famorana ara-bakiteny toy ny teo ambany Lalàna no notakina tamin’ny Kristianina, fa ‘famorana ny fo, amin’ny fanahy.’ (Romana 2:29) Mety ho nihevitra àry ny Kristianina hebreo fa tsy nisy zavatra nivaingana teo amin’ny Kristianisma.
5. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa ambony kokoa noho ilay teo ambany Lalàna ny fomba fivavahana nampianarin’i Jesosy?
5 Nila nahatakatra hevi-dehibe Hebreo 9:13, 14) Amin’ny lafiny maro, ny famelan-keloka azo noho ny finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy dia tena lehibe kokoa noho ny famelan-keloka azo avy tamin’ny sorona natao teo ambany Lalàna.—Hebreo 7:26-28.
iray momba ilay fomba fivavahana nampianarin’i Kristy ireo Kristianina hebreo ireo. Niorina tamin’ny finoana fa tsy ny fahitana izy io, ary ambony kokoa noho ny Lalàna nampitaina tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany. Hoy i Paoly: “Raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ombivavy afafy amin’izay voaloto no manamasina hatramin’ny fanadiovana ny nofo, mainka fa ny ran’i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona.” (6, 7. a) Nahoana no tena nila maika ny ‘nitandrina mafimafy kokoa izay efa reny’ ny Kristianina hebreo? b) Firy taona sisa tsy haharava an’i Jerosalema, rehefa nanoratra ny taratasiny ho an’ny Hebreo i Paoly? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
6 Nisy antony iray hafa matoa ny Kristianina hebreo nila nitandrina mafimafy kokoa izay reny momba an’i Jesosy. Nambaran’i Jesosy mialoha mantsy fa ho rava i Jerosalema. Hoy izy: “Ho avy aminao ny andro izay hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina ary hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.”—Lioka 19:43, 44.
7 Rahoviana izany no hitranga? Tsy nilaza ny andro na ny ora hahatongavan’izany i Jesosy, fa nanome izao toromarika izao: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.” (Lioka 21:20, 21) Nandritra ireo 30 taona taorian’ny nilazan’i Jesosy ireo teny ireo, dia nisy Kristianina tany Jerosalema nanadino izany fandravana nananontanona izany ka lasa varimbariana. Toy ny mpamily fiarakodia tsy mifantoka tsara amin’ny lalana izy ireo. Loza no hanjo azy raha tsy manitsy ny fisainany izy ireo. Efa ho rava tokoa i Jerosalema tamin’izay, na nino izany izy ireo na tsia! * Antenaina fa ny fananaran’i Paoly dia nanaitra ny Kristianina sondrian-tory tamin’ny heviny ara-panahy, tany Jerosalema.
‘Fitandremana mafimafy kokoa’ ankehitriny
8. Nahoana isika no mila ‘mitandrina mafimafy kokoa’ ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
8 Mila ‘mitandrina mafimafy kokoa’ ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, toy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nahoana? Satria misy fandravana mananontanona, ary tsy firenena iray monja no ho ringana fa tontolo iray manontolo mihitsy. (Apokalypsy 11:18; 16:14, 16) Marina fa tsy fantatsika ny andro sy ora hanaovan’i Jehovah izany. (Matio 24:36) Hitantsika maso anefa fa tanteraka ny faminanian’ny Baiboly mampiseho mazava fa miaina amin’ny ‘andro farany’ isika. (2 Timoty 3:1-5) Mila mitandrina amin’izay rehetra mety hahavarimbariana antsika àry isika. Mila mitandrina ny Tenin’Andriamanitra isika ary mitadidy hatrany fa mananontanona io fandringanana io. Raha manao izany ihany isika vao ho afaka “handositra izany zavatra ho avy rehetra izany.”—Lioka 21:36.
9, 10. a) Ahoana no ampisehoantsika fa mitandrina ny zavatra ara-panahy isika? b) Nahoana ny tenin’Andriamanitra no atao hoe ‘fanilon’ny tongotsika’ sy ‘fanazavana ny lalantsika’?
9 Amin’izao fotoan-tsarotra izao, ahoana no hampisehoantsika fa ‘mitandrina mafimafy kokoa’ ny zavatra ara-panahy isika? Fomba iray ny famonjena tsy tapaka ny fivoriana sy fivoriambe kristianina. Tokony hazoto hianatra Baiboly koa isika, mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah, izay nampanoratra azy io. (Jakoba 4:8) Raha mandray fahalalana an’i Jehovah isika amin’ny alalan’ny fianarana samirery sy ny fivoriana, dia ho tahaka ilay mpanao salamo izay nilaza tamin’Andriamanitra hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.”—Salamo 119:105.
10 ‘Fanazavana ny lalantsika’ ny Baiboly, satria manambara amintsika ny fikasan’Andriamanitra momba ny hoavy. ‘Fanilon’ny tongotsika’ koa izy io, izany hoe manoro antsika ny lalana tokony haleha, rehefa sendra olana mampitebiteby isika. Tena mila ‘mitandrina mafimafy kokoa’ àry isika rehefa miara-mivory amin’ny mpiray finoana amintsika mba handray fianarana, sy rehefa mamaky samirery ny Tenin’Andriamanitra. Hanampy antsika handray fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena sady mahasoa, ny fanazavana raisintsika. Hahafinaritra an’i Jehovah sy hampifaly ny fony izany. (Ohabolana 27:11; Isaia 48:17) Ahoana no ahafahantsika hifantoka maharitra kokoa any am-pivoriana sy rehefa mianatra samirery, mba handraisantsika soa be indrindra avy amin’ny fandaharana ara-panahy omen’Andriamanitra?
Fiezahana hifantoka kokoa any am-pivoriana
11. Nahoana no sarotra ny mifantoka indraindray mandritra ny fivoriana?
11 Sarotra ny mifantoka indraindray, any am-pivoriana. Mora varimbariana ny saina, angamba noho ny zaza iray mitomany na ny olona tara mitady toerana. Mety ho reraka koa isika rehefa avy niasa mafy nandritra ny andro manontolo. Tsy tena mahaliana angamba ny fomba anaovan’ilay mpandahateny ny anjarany, ka vetivety eo dia lasa manonofinofy isika, ary mety ho rendremana mihitsy aza! Tokony hiezaka ny hifantoka kokoa anefa isika mandritra ny fivoriana, satria tena ilaintsika ny fampianarana omena any. Ahoana anefa no hanaovantsika izany?
12. Inona no hanampy antsika hifantoka any am-pivoriana?
12 Mazàna no mora kokoa ny mifantoka any am-pivoriana rehefa manomana tsara isika. Nahoana àry raha manokana fotoana hijerena mialoha izay zavatra hodinihina? Minitra vitsivitsy monja isan’andro no ilaina, mba hamakiana sy hisaintsainana ampahany amin’ireo toko amin’ny Baiboly vakina isan-kerinandro. Raha mandamin-javatra mialoha isika, dia hahita fotoana koa mba hanomanana ny Fianarana Boky sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Na inona na inona fandaharana fidintsika, dia azo antoka fa hanampy antsika ny fanomanana mba hifantoka amin’ilay zavatra dinihina mandritra ny fivoriana.
13. Inona no mety hanampy antsika hifantoka hatrany amin’ny zavatra dinihina any am-pivoriana?
Salamo 26:12; Lioka 2:36, 37) Fomba lehibe ahazoantsika sakafo ara-panahy ny fivoriana. (Matio 24:45-47) Any koa isika no afaka mifampirisika amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara.”—Hebreo 10:24, 25.
13 Ankoatra ny fanomanana tsara, dia misy mahatsapa fa mifantoka kokoa izy any am-pivoriana, rehefa mipetraka eny aloha. Misakana ny saina tsy hiriorio koa ny fijerena ny mpandahateny, ny fanarahana ao amin’ny Baiboly rehefa misy andininy vakina, ary ny fandraisana an-tsoratra. Mbola zava-dehibe noho izany rehetra izany anefa ny fanomanana ny fo. Mila mahazo ny antony hivoriantsika miaraka amin’ny mpiray finoana amintsika isika. Ny hivavaka amin’i Jehovah no antony voalohany indrindra. (14. Inona no tena mahatonga ny fivoriana handraisan-tsoa?
14 Mety hisy hieritreritra fa arakaraka ny fahaizan’ny mpandray anjara mampianatra no mahatsara ny fivoriana. Mety hisy hilaza hoe mahafinaritra ilay fivoriana rehefa tena mahay ny mpandray anjara. Mety hifanohitra amin’izany anefa no hoeritreretintsika raha heverintsika fa tsy mahay mampianatra izy ireo. Marina fa tokony hanao araka izay fara heriny ny mpandray anjara mba hahay hampianatra, ary indrindra mba hanohina ny fo. (1 Timoty 4:16) Kanefa, tsy tokony hanakiana azy ireo loatra isika mpihaino. Tsy ny fahaizan’ny mpandray anjara mampianatra ihany mantsy no mahatonga ny fivoriana handraisan-tsoa, na dia tena ilaina aza izany. Tsy ekenao ve fa ny mihaino tsara no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika, fa tsy ny fahaizan’ny mpandahateny? Manompo an’Andriamanitra araka ny sitrapony isika, rehefa manatrika fivoriana sady mifantoka amin’izay lazaina any. Izany no mahatonga ny fivoriana handraisan-tsoa. Raha dodona handray ny fahalalana an’Andriamanitra isika, dia handray soa avy amin’ny fivoriana, na manao ahoana na manao ahoana fahaizan’ny mpandray anjara. (Ohabolana 2:1-5) Na ahoana na ahoana àry, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny ‘hitandrina mafimafy kokoa’ any am-pivoriana.
Mandraisa soa betsaka avy amin’ny fianarana samirery
15. Inona no soa raisintsika avy amin’ny fianarana sy ny fisaintsainana?
15 Mandray soa be dia be isika rehefa ‘mitandrina mafimafy kokoa’ mandritra ny fianarana samirery sy ny fisaintsainana. Sarobidy ny fotoana amakiana sy isaintsainana ny Baiboly sy ny boky aman-gazety kristianina. Manampy antsika handray am-po ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra mantsy izy ireny. Hisy vokany lalina eo amin’ny fisainantsika sy ny zavatra ataontsika izany, ka ho finaritra isika hanao ny sitrapon’i Jehovah. (Salamo 1:2; 40:8) Mila zarintsika hifantoka àry ny saintsika mba handraisantsika soa mandritra ny fianarana. Mora varimbariana tokoa mantsy isika! Fanelingelenana kely toy ny antso an-telefaonina na ny tabataba dia efa mety hampiriorio ny saintsika. Na, sarotra amintsika mihitsy ny mifantoka maharitra. Tena maniry hisakafo ara-panahy angamba isika rehefa manomboka, nefa vetivety dia miriorio ny saintsika. Ahoana àry no ‘hitandremantsika mafimafy kokoa’ rehefa mianatra samirery ny Tenin’Andriamanitra isika?
16. a) Nahoana isika no tena mila manokana fotoana mba hianarana samirery? b) Amin’ny fotoana toy inona ianao no mianatra ny Tenin’Andriamanitra?
16 Tsara ny manao fandaharam-potoana sy mifidy toerana ahafahana mifantoka tsara. Maro amintsika no tsy manam-potoana firy ho an’ny tenantsika. Toy ny tapa-kazo kely entin’ny rano mahery angamba no fiheverantsika ny tenantsika, tsy afa-manoatra fa teren’ny rotoroton’ny fiainana andavanandro. Tena mila manohitra an’izany rano mahery izany isika, ka mitady fotoana mangina mba hianarana, na dia be atao aza. Tsy afaka hiandry fotoana malalaka fotsiny isika vao hianatra. Isika mihitsy no mila mandray an-tanana ny raharaha, ka manokana fotoana hianarana. (Efesiana 5:15, 16) Misy manokana fotoana fohy amin’ny maraina mba hianarana, rehefa vitsy kokoa ny zavatra mety hanelingelina. Aleon’ny sasany ny hariva. Ny zava-dehibe dia hoe tsy maintsy tadidintsika fa tena mila mandray fahalalana marina an’Andriamanitra sy ny Zanany isika. (Jaona 17:3) Aoka àry isika hanao fandaharam-potoana mba hianarana samirery ka hanaraka tsara izany hatrany.
17. Inona no atao hoe fisaintsainana, ary inona no soa entin’izy io ho antsika?
17 Sarobidy ny fisaintsainana, izany hoe ny fieritreretana tsara momba izay nianarana. Manampy antsika handray am-po ny hevitr’Andriamanitra izy io. Manampy antsika hahafantatra ny fomba ampiharana ny torohevitry ny Baiboly koa ny fisaintsainana, mba hahatongavantsika ho ‘mpankatò ny teny, fa tsy mpihaino fotsiny.’ (Jakoba 1:22-25) Ambonin’izany, dia manampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah izy io, satria mahatonga antsika hieritreritra ny toetrany sy ny fomba anasongadinana azy ireo ao amin’ilay zavatra ianarantsika.
18. Inona no ilaina mba handraisan-tsoa avy amin’ny fisaintsainana?
18 Tsy maintsy esorintsika ao an-tsaintsika izay zavatra manelingelina, mba handraisantsika soa be indrindra avy amin’ny fianarana sy fisaintsainana. Tsy maintsy mifehy tena tsy hieritreritra ny zavatra manelingelina antsika isika, mba handraisan’ny saintsika zava-baovao mandritra ilay fisaintsainana. Mila fotoana sy mila
mitokana isika mba hanaovana izany. Tena mamelombelona anefa ny mandray sakafo ara-panahy sy mamaky ny Baiboly!19. a) Inona no nanampy ny olona sasany hifantoka maharitra kokoa rehefa mianatra samirery? b) Ahoana no tokony ho fandraisantsika ny fianarana, ary inona no soa raisintsika avy amin’izy io?
19 Ahoana anefa raha tsy mifantoka maharitra ny saintsika ka miriorio rehefa avy nianatra vetivety? Nianatra nifantoka maharitra kokoa ny olona sasany: Nataony fohifohy aloha ny fotoana nianarany, ary nohalavainy tsikelikely avy eo. Tokony hataontsika tanjona ny haka fotoana tsara mba hianarana, fa tsy ny hanao izany maimaika fotsiny. Mila miezaka isika mba ho tena liana amin’ilay foto-kevitra dinihina. Afaka manao fikarohana fanampiny koa isika ao amin’ny boky aman-gazety maro avy amin’ny mpanompo mahatoky sy malina. Tena mahasoa ny mandinika ny “saina lalina izay an’Andriamanitra.” (1 Korintiana 2:10) Hampitombo ny fahalalantsika an’Andriamanitra sy ny fahaizantsika mandinika izany. (Hebreo 5:14) ‘Hahay hampianatra ny sasany’ koa isika raha mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra.—2 Timoty 2:2.
20. Inona no hanampy antsika hifandray tsara amin’i Jehovah Andriamanitra sy hihavana aminy hatrany?
20 Tena hanampy antsika hifandray tsara amin’i Jehovah sy hihavana aminy hatrany, ny fanatrehana fivoriana sy ny fanaovana fianarana samirery. Nanao izany ilay mpanao salamo, izay nilaza hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” (Salamo 119:97) Aoka mihitsy àry isika hanatrika tsy tapaka ireo fivoriana sy fivoriambe. Enga anie isika hanararaotra ny fotoana koa mba hianarana sy hisaintsainana ny Baiboly. Hahazo valisoa lehibe isika rehefa ‘mitandrina mafimafy kokoa’ ny Tenin’Andriamanitra toy izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Angamba tamin’ny taona 61 no nanoratana ny taratasy ho an’ny Hebreo. Raha izany no izy, dia nanodidina an’i Jerosalema ny tafik’i Cestius Gallus, dimy taona monja teo ho eo taorian’izay. Tsy ela dia niala ireo tafika ireo ka afaka nandositra ny Kristianina mailo. Noravan’ny tafika romanina notarihin’ny Jeneraly Titus ilay tanàna, efa-taona taorian’izay.
Tadidinao Ve?
• Nahoana ny Kristianina hebreo sasany no niala tamin’ny tena finoana?
• Inona no hanampy antsika hifantoka tsara mandritra ny fivoriana?
• Inona no hanampy antsika handray soa avy amin’ny fianarana samirery ny Baiboly sy ny fisaintsainana?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 11]
Tsy maintsy notadidin’ny Kristianina hebreo fa efa ho rava i Jerosalema
[Sary, pejy 13]
Afaka manampy ny zanany mba handray soa avy amin’ny fivoriana kristianina ny ray aman-dreny