“Mitondra Ahy eo Amoron’ny Rano” Tony Izy
“Mitondra Ahy eo Amoron’ny Rano” Tony Izy
MILA misotro rano isan’andro ny ondry any Palestina. Tapany lehibe amin’ny asan’ny mpiandry ondry àry ny manome rano ho an’ny bibiny. Mantsaka amin’ny lava-drano indraindray ny mpiandry ondry, ary mandraraka ny rano ao anaty tavy, mba hosotroin’ny ondry. (Genesisy 29:1-3) Tena toerana mahafinaritra misy “ahi-maitso” ny eny amoron-drano, amin’ny fotoana be orana.—Salamo 23:2.
Tsy maintsy mahafantatra ny toerana misy rano sy vilona ampy ho an’ny ondriny, ny mpiandry mahay. Miankina amin’ny fahitany toerana tsara toy izany ny hahaveloman’ny bibiny. Efa niandry ondry nandritra ny taona maro teny amin’ny havoanan’i Jodia i Davida. Nampitahainy tamin’ny fitarihan’ny mpiandry iray ny ondriny ho amin’ny ahi-maitso sy ny rano mahavelona, ny fitarihana ara-panahy omen’Andriamanitra. Nilaza i Davida hoe: “Mitondra ahy eo amoron’ny rano” tony izy.—Salamo 23:1-3.
Taona maro tatỳ aoriana, dia nampiasa fanoharana sahala amin’izany i Jehovah, tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminany. Nampanantena izy fa hanangona ny olony avy any amin’ny tany samihafa, toy ny mpiandry manangona ny ondriny. Nanome toky azy ireo izy hoe: “Ho entiko ho any amin’ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy.”—Ezekiela 34:13.
Tena irin’i Jehovah Andriamanitra ny hanome rano ara-panahy ho an’ny olona. Lazain’ny bokin’ny Apokalypsy fa misy “onin’ny ranon’aina” mivoaka avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. (Apokalypsy 22:1) Asaina hisotro amin’io rano io ny olona rehetra. “Izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.”—Apokalypsy 22:17.
Tsy rano ara-bakiteny izy io, fa fandaharana ataon’Andriamanitra mba hahazoan’ny olona fiainana mandrakizay. Manomboka misotro amin’io rano io ny olona rehefa mianatra momba an’ilay ‘Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahiny.’—Jaona 17:3.