Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahasoa Taloha sy Ankehitriny ny Fandikan-tenin’ny “Fitopolo”

Nahasoa Taloha sy Ankehitriny ny Fandikan-tenin’ny “Fitopolo”

Nahasoa Taloha sy Ankehitriny ny Fandikan-tenin’ny “Fitopolo”

NODY avy tany Jerosalema ilay manam-pahefana etiopianina. Namaky mafy ny teny avy tao anaty horonam-boky ara-pivavahana iray izy, teny am-pamakivakiana tany efitra, tamin’ny kalesiny. Nisy vokany lalina teo aminy ny fanazavana ireo teny novakiny, ka nanova tanteraka ny fiainany. (Asan’ny Apostoly 8:26-38) Ny Isaia 53:7, 8 no novakiny avy tao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly voalohany indrindra. Antsoina hoe fandikan-teny grikan’ny Fitopolo izy io. Nanana anjara lehibe teo amin’ny fampielezana ny hafatry ny Baiboly nandritra ny taonjato maro io fandikan-teny io, ka nolazaina fa nanova an’izao tontolo izao.

Oviana no natao ny fandikan-tenin’ny Fitopolo, ary nanao ahoana ny toe-javatra nanodidina izany? Nahoana no nilaina ny fandikan-teny toy izany? Inona avy no soa nentin’izy io nandritra ny taonjato maro? Inona no mety ho azontsika ianarana avy amin’ny Fitopolo?

Natao ho an’ny Jiosy niteny grika

Noarahabaina toy ny mpanafaka i Aleksandra Lehibe, rehefa nandalo tany Ejipta, tamin’ny 332 T.K., taorian’ny nandravany an’i Tyro, tanàna fenisianina. Tany àry no naoriny ny tanànan’i Aleksandria, ary io no lasa foiben’ny fianarana tamin’izany. Nampianatra ny teny grika iombonana (Koine) tany amin’ny faritra midadasika nanjakany i Aleksandra, mba hanaparitahana ny kolontsaina grika tany amin’ny tany vao resiny rehetra.

Nanjary betsaka ny Jiosy nipetraka tany Aleksandria, tamin’ny taonjato fahatelo T.K. Maro ny Jiosy niparitaka ivelan’i Palestina taorian’ny sesitany tany Babylona. Nifindra nankany Aleksandria izy ireo avy eo. Nahay teny hebreo tsara ve ireny Jiosy ireny? Hoy ny Rakipahalalana nataon’i McClintock sy Strong: “Fantatra tsara fa nohazavaina tamin’ny teny kaldeanina [babylonianina] ny famakiana ny bokin’i Mosesy tany amin’ireo synagogan’i Palestina. Efa tena tsy zatra ny teny hebreo intsony mantsy izy ireo, rehefa niverina avy tamin’ny fahababoana tany Babylona . . . Ny Jiosy tany Aleksandria aza angamba no mbola tsy nahay teny hebreo noho izy ireo. Ny teny grika tany Aleksandria no tena hainy.” Hita mazava àry fa tena nilaina tany Aleksandria ny fandikana ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny grika.

Nanoratra i Aristobule, Jiosy niaina tamin’ny taonjato faharoa T.K., fa nadika tamin’ny teny grika ny lalàna Hebreo, ka vita nandritra ny fanjakan’i Ptolémée Philadelphe izany (285-246 T.K.). Samy manana ny heviny momba ilay hoe “lalàna” resahin’i Aristobule ny olona. Misy milaza fa ny Boky Dimy Voalohany amin’ny Baiboly ihany ireo, nefa misy koa milaza fa mety ho ny Soratra Hebreo manontolo no noresahin’i Aristobule teo.

Na ahoana na ahoana, dia lazain’ny lovantsofina fa manam-pahaizana jiosy 72 teo ho eo no nanao ilay fandikana an-tsoratra voalohany ny Soratra Masina, avy amin’ny teny hebreo ho amin’ny teny grika. Noboriborina ho 70 io isa io tatỳ aoriana. Nanjary nantsoina hoe fandikan-tenin’ny Fitopolo àry izy io, ka LXX, araka ny isa 70 amin’ny tarehimarika romanina, no amantarana azy. Voadika tamin’ny teny grika ny Soratra Hebreo manontolo, tamin’ny faran’ny taonjato faharoa T.K. Ny Soratra Hebreo manontolo nadika ho amin’ny teny grika àry no nanjary nantsoina hoe Fitopolo.

Nahasoa tamin’ny taonjato voalohany

Nampiasa betsaka ny Fitopolo ny Jiosy niteny grika, taloha sy nandritra ny andron’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny. Maro tamin’ireo Jiosy sy proselyta niangona tany Jerosalema, tamin’ny Pentekosta taona 33, no avy tamin’ny faritra nisy olona miteny grika, toa an’i Azia, Ejipta, Libya, Roma, ary Kreta. Azo inoana fa ny fandikan-tenin’ny Fitopolo no novakin’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 2:9-11) Nanana anjara lehibe tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara tamin’ny taonjato voalohany àry io fandikan-teny io.

Niresaka tamin’ny olona avy tany Kyrena, Aleksandria, Kilikia, ary Azia, ohatra, i Stefana mpianatra, indray mandeha, ka niteny hoe: “Josefa naniraka ka nampaka an’i Jakoba rainy mbamin’ny mpianakaviny rehetra [tany Kanana], dia olona dimy amby fito-polo izy.” (Asan’ny Apostoly 6:8-10; 7:12-14) Ny teny hebreo ao amin’ny Genesisy toko faha-46 dia milaza fa fitopolo no isan’ny mpianakavin’i Josefa. Dimy amby fitopolo anefa no lazain’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo. Toa io fandikan-teny io àry no nampiasain’i Stefana teo.—Genesisy 46:20, 26, 27.

Nandeha nitory tany Azia Minora sy Gresy ny apostoly Paoly tamin’ny dia misionera faharoa sy fahatelo nataony. Nitory tamin’ny “jentilisa izay mpivavaka” izy tany, ka anisan’ireo ny Grika. (Asan’ny Apostoly 13:16, 26; 17:4) Nanjary natahotra an’Andriamanitra ireo olona ireo, na nivavaka taminy, satria nahafantatra azy tamin’ny alalan’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo. Nampiasa teny avy tao amin’izy io matetika i Paoly, rehefa nitory tamin’ireo olona niteny grika ireo.—Genesisy 22:18; Galatiana 3:8.

In-320 ny Soratra Grika Kristianina no maka teny mivantana avy amin’ny Soratra Hebreo, ary angamba maka teny tsy mivantana in-890 koa. Miorina amin’ny Fitopolo ny ankamaroan’ireo. Noho izany, dia teny nalaina avy ao amin’io fandikan-teny io, fa tsy avy amin’ny sora-tanana hebreo, no nanjary anisan’ny Soratra Grika Kristianina ara-tsindrimandry. Tena zava-dehibe izany! Efa nilaza i Jesosy fa hotorina maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14) Mba hahavitana izany, dia navelan’i Jehovah hadika tamin’ny fiteny maro hain’ny olona eran-tany ny Teniny ara-tsindrimandry.

Mahasoa ankehitriny

Mbola sarobidy ankehitriny ny fandikan-tenin’ny Fitopolo, ary ampiasaina mba hitadiavana ny fahadisoan’ireo mpandika Baiboly, izay mety ho tafiditra tao amin’ireo sora-tanana hebreo nadika tatỳ aoriana. Izao, ohatra, no lazain’ny Genesisy 4:8, araka ny Baiboly katolika: “Hoy Kaina tamin’i Abela rahalahiny: Andeha isika ho any an-tsaha. Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an’i Abela rahalahiny Kaina ka nahafaty azy.”

Tsy hita ao amin’ireo sora-tanana hebreo natao talohan’ny taonjato fahafolo ilay hoe “andeha isika ho any an-tsaha.” Izany angamba no tsy ahitana ireo teny ireo ao amin’ny Baiboly sasany ankehitriny. Tao amin’ireo sora-tanana tamin’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo sy ny sora-tanana hafa talohany kosa anefa izy ireo. Ahitana an’ilay teny mampiditra ny tenin’i Kaina ireo sora-tanana hebreo ireo, saingy tsy hita kosa ireo zavatra tena nolazainy. Inona no nety ho nitranga? Samy mifarana amin’ny hoe “ho any an-tsaha” ireo fehezanteny roa ao amin’ny Genesisy 4:8, ka izao no valiny naroson’ny Rakipahalalana nataon’i McClintock sy Strong: ‘Angamba voafitak’ireo teny mitovy namarana an’ireo fehezanteny roa ny mason’ilay mpandika ny teny hebreo.’ Noho izany, dia mety ho hadinony ny nandika an’ilay fehezanteny mifarana amin’ny hoe “any an-tsaha.” Mazava àry fa tena mahasoa ny fandikan-tenin’ny Fitopolo sy ireo sora-tanana tranainy hafa, mba hahitana ireo fahadisoana tao amin’ny soratra hebreo nadika tatỳ aoriana.

Mety hahitana fahadisoana koa anefa ny Fitopolo, ka ny soratra hebreo indray no jerena mba hanitsiana ny grika. Manjary hita àry ny fahadisoana nataon’ireo mpandika teny, rehefa ampitahaina ny sora-tanana hebreo sy ny grika ary ny fandikan-teny hafa. Azontsika antoka, noho izany, fa marina ny Tenin’Andriamanitra ananantsika.

Vita tamin’ny taonjato fahefatra ny fandikan-tenin’ny Fitopolo mbola misy ankehitriny. Tsy misy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ao amin’ireny sora-tanana ireny sy ny tatỳ aoriany, izany hoe tsy hita ao ireo Litera Efatra (YHWH). Ny teny grika ho an’ny hoe “Andriamanitra” sy “Tompo” no nasolon’izy ireny an’ireo Litera Efatra ao amin’ireo soratra hebreo. Tsy mety anefa izany, araka ny zavatra hita tany Palestina, 50 taona lasa teo ho eo izay. Nisy ekipa nikaroka tao amin’ireo lavaka tany akaikin’ny morony andrefan’ny Ranomasina Maty. Hitan’izy ireo tao ny sombina horonana hoditra fahiny, mirakitra ny tenin’ireo mpaminany 12 (Hosea ka hatramin’i Malakia), nosoratana tamin’ny teny grika. Vita tamin’ny 50 T.K. ka hatramin’ny 50 A.K. izy ireo. Hita tao amin’ireo horonana ireo fa tsy nosoloana hoe “Andriamanitra”, na “Tompo” ireo Litera Efatra. Voaporofo tamin’izay àry fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny fandikan-tenin’ny Fitopolo voalohandohany.

Naseho vahoaka tamin’ny 1971 ny sombin’ny horonana papyrus iray (Fouad 266 papyri), natao tamin’ny taonjato faharoa, na voalohany T.K. Inona no nasehon’ireo horonana mirakitra ny Fitopolo ireo? Misy ny anaran’Andriamanitra koa ireo. Tena manaporofo ireny sombin’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo tranainy ireny fa nahafantatra sy nampiasa ny anaran’Andriamanitra i Jesosy sy ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany.

Ny Baiboly izao no boky nadika tamin’ny fiteny maro indrindra. Saika ny olona rehetra no afaka mamaky ny tapany amin’izy io, fara faharatsiny, amin’ny fiteniny. Tena ankasitrahantsika ilay fandikan-teny marina sy maoderina antsoina hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay misy amin’ny fiteny 40 ankehitriny, na manontolo na ampahany. Misy fanamarihana ambany pejy an-jato avy amin’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo sy sora-tanana tranainy hafa kosa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, Misy Fanondroana Andininy Hafa. Tena mbola mahaliana sy sarobidy amin’ny mpianatra ny Baiboly ankehitriny tokoa ny fandikan-tenin’ny Fitopolo.

[Sary, pejy 26]

Nanazava andinin-teny novakina avy tamin’ny “Fitopolo” i Filipo mpianatra

[Sary, pejy 29]

Matetika ny apostoly Paoly no naka teny avy tamin’ny “Fitopolo”