Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanora toy ny Ando Mamelombelona

Tanora toy ny Ando Mamelombelona

“Mankanesa atỳ Amiko, ... fa Izaho no Hanome Anareo Fitsaharana”

Tanora toy ny Ando Mamelombelona

TSY isalasalana fa niresaka tamin’ireo tanora nanara-dia azy koa i Jesosy Kristy, rehefa nanao hoe: “Mankanesa atỳ amiko, . . . fa Izaho no hanome anareo fitsaharana [na famelombelomana].” (Matio 11:28) Niezaka nisakana ny olona tsy hitondra ny zanany kely hanatona azy ny mpianany. Hoy anefa i Jesosy: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana.” ‘Nitrotro sy nitso-drano azy ireny’ mihitsy aza izy. (Marka 10:14-16) Azo antoka fa sarobidy taminy ny tanora.

Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny tovolahy sy tovovavy ary koa ankizy nahatoky, izay ohatra tsara dia tsara teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Voalaza mialoha ao amin’ny bokin’ny Salamo fa hisy ‘zatovo’ hamelombelona toy ny ando. Lazainy koa fa hisy “zatovolahy” sy “zatovovavy” hidera ny anaran’i Jehovah.—Salamo 110:3; 148:12, 13.

Toerana mampivelatra ny tanora

Mety tsara ny ampitahana ny tanora amin’ny ando, satria mifandray amin’ny habetsahana sy fitahiana, ny ando. (Genesisy 27:28) Malefaka sy mangatsiatsiaka izy io. Maro be ny tanora kristianina vonona hanolo-tena sy mazoto hanao izany amin’izao fanatrehan’i Kristy izao. Tovolahy sy tovovavy maro toy ny ando mangatsiatsiaka no faly manompo an’Andriamanitra sy manampy ny mpiara-mivavaka aminy.—Salamo 71:17.

Tsy vitan’ny hoe mamelombelona ny hafa fotsiny ny tanora kristianina, fa izy mihitsy no mahatsapa ho velombelona manompo an’Andriamanitra. Afaka mivelatra tsara izy ireo eo anivon’ny fandaminany. Mifandray akaiky amin’Andriamanitra izy ireo satria tena tsara fitondran-tena hatrany. (Salamo 119:9) Manao asa mahasoa sy manana namana tsara koa izy ireo eo anivon’ny fiangonana. Izany no mahatonga ny fiainany hahafa-po sy hisy heviny.

‘Famelombelomana sy fanamandoana’

Mahatsiaro tena ho toy ny “ando” ve ny tanora kristianina? Mazoto mandray anjara amin’ny asan’ny fiangonana ny tovovavy iray antsoina hoe Tania. Faly izy manokana 70 ora mahery isam-bolana eny amin’ny fanompoana. Inona no tsapany? Hoy izy: “Mahatsiaro ho velombelona sy mavitribitrika erỳ aho. ‘Famelombelomana sy fanamandoana’ ho ahy ny manana an’i Jehovah sy ny fandaminana eto an-tany eo amin’ny fiainako.”—Ohabolana 3:8.

Mankasitraka ny sakafo ara-panahy raisiny eo anivon’ny fiangonana i Ariel, tanora hafa iray mpitory manontolo andro. Hoy izy: “Tena mahatsiaro ho velombelona ara-panahy aho rehefa manatrika ireo fivoriana sy fivoriambe kristianina, ka afaka mankafy izay aroso eo amin’ny latabatra ara-panahin’i Jehovah. Mampahery ahy koa ny mahalala hoe misy mpiara-miasa amiko eran-tany.” Hoy izy momba ny tena iavian’ny famelombelomana: “Mamelombelona erỳ ny manana an’i Jehovah ho namana, indrindra rehefa mahita na mandre ny zavatra mahatsiravina manjo ny olona eto amin’ity tontolo ity aho.”—Jakoba 2:23.

Sady mpitory manontolo andro ny vaovao tsara i Abishai, 20 taona, no mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana. Milazalaza ny zavatra tsapany toy izao izy: “Velombelona erỳ aho satria fantatro ny fomba iatrehana ireo olana maro hitan’ny tanora ankehitriny. Manampy ahy hifantoka amin’izay tokony hataoko mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly.”

Mora tezitra i Antoine, tamin’izy mbola kely. Noveleziny tamin’ny seza ny mpiara-mianatra taminy indray mandeha, ary notsindroniny tamin’ny pensilihazo ny iray hafa. Tsy nahafinaritra mihitsy i Antoine! Nanova azy anefa ny fianarany ny Baiboly. Sivy ambin’ny folo taona izy izao, ary mpanampy amin’ny fanompoana sy mpitory manontolo andro eo anivon’ny fiangonana. Hoy izy: “Misaotra an’i Jehovah aho namela ahy hahafantatra azy sy nanampy ahy hahita fa mila mifehy tena sy manova ny toetrako aho. Nisoroka olana maro aho vokatr’izany.”

Misy mandinika ny fihetsika mahafinaritra asehon’ny tanora kristianina. Tanora Vavolombelona any Italia i Matteo. Nanapa-kevitra ny mpampianatra azy fa hosazina handoa lamandy kely, izay tratra miteny ratsy ao am-pianarana. Nangataka ny hanafoanana an’io fitsipika io ny ankizy tatỳ aoriana, satria nolazain’izy ireo fa “tsy misy mahavita tsy miteny ratsy izany.” Nanazava i Matteo hoe: “Nilaza anefa ilay mpampianatra fa tsy marina izany, ka izaho, izay Vavolombelon’i Jehovah no nataony ohatra. Nidera ahy teo anatrehan’ny iray kilasy izy noho izaho tsy mba niteny ratsy.”

Naditra ny kilasy nisy an’i Racha, 11 taona, any Tailandy. Nanasa azy hijoro teo anatrehan’ny iray kilasy ny mpampianany ary nidera azy noho ny fitondran-tenany, ka nanao hoe: “Nahoana ianareo no tsy mba sahala aminy? Sady mazoto mianatra izy no tsara fitondran-tena.” Hoy izy, avy eo: “Raha tsy lasa Vavolombelon’i Jehovah, toa an’i Racha, angamba ianareo tsy ho hendry.”

Mahafinaritra ny mahita tanora kristianina an’arivo miezaka hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah sy manao ny sitrapony. Hendry kokoa noho ireo tanora hafa izy ireo. Sady afaka manampy azy ireo hahomby eo amin’ny fiainana Andriamanitra, no afaka manome azy ireo hoavy mahatalanjona ao amin’ny tontolo vaovao. (1 Timoty 4:8) Mamelombelona tokoa ny tsy fitoviana misy eo amin’izy ireo sy ny tanora tsy afa-po sy kivy mameno ity tontolo toy ny tany ngazana ara-panahy ity!