Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampiofany ny Tenanao

Ampiofany ny Tenanao

Ampiofany ny Tenanao

HAINGANA kokoa, ambony kokoa, mahery kokoa! Ireo no tanjon’ny atleta tany Gresy sy Roma fahiny. Nisy fifaninanana ara-panatanjahan-tena lehibe natao nandritra ny taonjato maro tany Olympie, Delphes sy Némée ary Korinto. Nolazaina fa ‘notahin’ireo’ andriamanitra izy ireny, ary nisy mpijery an’arivo. Niezaka mafy nandritra ny taona maro ireo mpifaninana vao nahazo io tombontsoa io. Hahazo voninahitra izy sy ny tanàna niaviany, raha mandresy.

Tsy mahagaga, rehefa dinihina izany kolontsaina izany, raha nampitaha ny hazakazaky ny Kristianina tamin’ny fifaninanan’ny atleta, ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Samy nampiasa tsara fanoharana miorina amin’ny lalao ny apostoly Petera sy Paoly, mba hampianarana hevi-dehibe. Mbola mitohy ankehitriny ny hazakazaky ny Kristianina. Ny fitondrana jiosy no tsy maintsy natrehin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, fa ity tontolo efa horavana ity kosa no tsy maintsy ‘iezahantsika’ iadiana. (2 Timoty 2:5; 3:1-5) Misy mihevitra fa tsy mety vita sady mandreraka ilay “ady”, na hazakazaky ny finoana. (1 Timoty 6:12) Hanampy antsika ny fandinihana ny sasany amin’ireo fanoharana momba ny lalaon’ny atleta ao amin’ny Baiboly.

Mpanazatra mahay

Miankina betsaka amin’ilay mpanazatra azy ny fahombiazan’ny atleta. Hoy ny Arkeolojia Grika, momba ireo lalao fahiny: “Tsy maintsy nianiana ireo mpilalao hoe efa nanao fanazaran-tena nandritra ny folo volana izy.” Mila fanazarana tsara koa ny Kristianina. Hoy i Paoly tamin’i Timoty, anti-panahy kristianina: “Mampiasà [na mampiofàna] ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.” (1 Timoty 4:7) Iza no mpanazatra ny Kristianina? I Jehovah Andriamanitra mihitsy! Hoy ny apostoly Petera: “Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, . . . dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.”—1 Petera 5:10.

Ilay hoe ‘hahatanteraka anareo’, na hamita ny fanazarana anareo, dia avy amin’ny matoanteny grika midika hoe “manao ny zavatra [na olona] iray hety ho amin’ny nikendrena azy, manomana sy manamboatra azy ho amin’izay tokony hampiasana azy.” (Rakibolana Teolojikan’ny Testamenta Vaovao, anglisy) Milaza koa ny Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott fa azo adika hoe “manomana, mampiofana, na manome amin’ny fomba feno izay ilaina”, io matoanteny io. Inona àry no ataon’i Jehovah mba ‘hanomanana sy hampiofanana ary hanomezana amin’ny fomba feno izay ilaina’ ho amin’ilay hazakazaka sarotra ataon’ny Kristianina? Andeha hodinihintsika ny fomba sasany ampiasain’ireo mpanazatra, mba hahatakarantsika izany fampitahana izany.

Hoy ilay boky hoe Ny Lalao Olympika Tany Gresy Fahiny (anglisy): “Nampiasa fomba fampiofanana roa lehibe ireo mpanazatra ny tanora. Ny voalohany dia nifantoka tamin’ny fampirisihana an’ireo mpianatra mba hanomana ny vatany araka izay azony natao mba hahazoana vokatra tsara indrindra, ary ny faharoa dia ny fanatsarana ny teknika sy ny fomba fiadiny.”

Mampirisika sy manatanjaka antsika toy izany koa i Jehovah Andriamanitsika, mba hahaizantsika be indrindra sy hanatsarantsika ny fahaizantsika manompo azy. Ampiasainy mba hanomezana hery antsika ny Baiboly sy ny fandaminany eto an-tany ary ireo namana kristianina matotra. Ampiofanina amin’ny alalan’ny famaizana isika, indraindray. (Hebreo 12:6) Mety havelany hosedraina sy ho sahirana isika, mba hahaizantsika miaritra. (Jakoba 1:2-4) Omeny antsika koa ny hery ilaina, araka ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.”—Isaia 40:31.

Ambonin’ny zava-drehetra, dia manome antsika ny fanahiny masina Andriamanitra, ka io no manatanjaka antsika hanohy hanompo azy. (Lioka 11:13) Matetika no nosedraina mafy nandritra ny fotoana naharitra ny finoan’ny mpanompon’Andriamanitra. Olona tsotra toa antsika rehetra ihany ireo niaritra toy izany. Nanampy azy ireo hiaritra anefa ny fianteherany tanteraka tamin’Andriamanitra. Tena ‘an’Andriamanitra tokoa ny halehiben’ny hery, fa tsy avy amin’izy ireo.’—2 Korintiana 4:7.

Mpanazatra tsara fanahy

Milaza ny manam-pahaizana iray fa anisan’ny asan’ny mpanazatra ny “mamantatra ny karazana sy isan’ny fanazaran-tena ilain’ny atleta tsirairay sy ny taranja arahiny.” Mampiofana antsika koa Andriamanitra, ka dinihiny ny tarehin-javatra misy antsika tsirairay, ny fahaizantsika sy ny toetrantsika ary ny fetran’ny mety ho vitantsika. Matetika isika no miangavy toa an’i Joba, rehefa ampiofanin’i Jehovah, ka miteny hoe: “Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho.” (Joba 10:9) Ahoana no fihetsik’ilay mpanazatra tsara fanahy? Hoy i Davida, momba an’i Jehovah: “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.”—Salamo 103:14.

Mety ho tena tsy salama ianao ka voafetra ny fanompoana azonao atao. Mety hihevi-tena ho tsy mendrika koa ianao. Mety ho miady amin’ny fahazaran-dratsy ianao, na mihevitra fa tsy afaka miatrika ny faneren’ireo namanao eo an-tanàna, na any am-piasana, na any am-pianarana. Na inona na inona tarehin-javatra misy anao, dia aza hadinoina mihitsy fa takatr’i Jehovah tsara ny zava-manahirana anao. Tsy misy mahatakatra izany tsara kokoa noho izy, na dia ianao aza! Mpanazatra tsara fanahy izy, ka eo foana mba hanampy anao, raha manatona azy ianao.—Jakoba 4:8.

Hain’ireo mpanazatra fahiny ny “manavaka ny havizanana be vokatry ny harerahan-tsaina, na tsy fahitana fifaliana, na fahakiviana, sy ny toy izany. . . . Maro be ny zavatra sahaniny, ka arahiny hatramin’ny tsipirian’ny fiainan’ireo atleta, ary misalovana izy, rehefa heveriny fa ilaina izany.”

Mahatsiaro ho reraka ve ianao indraindray miady amin’ny fanerena sy fakam-panahy eto amin’ity tontolo ity? Tena miahy anao i Jehovah, ilay mpanazatra anao. (1 Petera 5:7) Fantany avy hatrany raha vao malemy na reraka ara-panahy ianao. Manaja ny fahafahana sy ny safidintsika i Jehovah, nefa miahy ny hahazoantsika fiainana mandrakizay koa, ka manampy antsika amin’ny fomba feno sy manitsy antsika, rehefa ilaina izany. (Isaia 30:21) Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny alalan’ny Baiboly sy ireo boky aman-gazety miorina amin’ny Baiboly, ireo anti-panahy ary ireo rahalahy sy anabavy be fitiavana.

“Mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra”

Mazava ho azy fa misy zavatra hafa ilaina, ankoatra ny mpanazatra mahay. Maro koa ny zavatra miankina amin’ilay atleta sy ny fanarahany ny fanazaran-tena tsara. Hentitra ny fitsipika narahina, satria anisan’ny fanazaran-tena ny tsy fanaovan-javatra sasany sy ny fitandreman-tsakafo. Nilaza i Horace, poety tamin’ny taonjato voalohany talohan’i Kristy, fa “nifady vehivavy sy divay” ireo mpifaninana, mba “hahatratrarany ilay tanjona noferany hatry ny ela.” Araka an’i F. Cook, manam-pahaizana momba ny Baiboly, dia tsy maintsy “nifehy tena sy nifehy ny sakafony . . . nandritra ny folo volana” ireo mpandray anjara.

Fantatry ny mponin’i Korinto tsara ny Lalao Ismika, fanao teo akaikin’izy ireo, ka nampiasa io fanoharana io i Paoly rehefa nanoratra toy izao, ho an’ireo Kristianina tany: “Ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra.” (1 Korintiana 9:25) Tsy tia vola, na ratsy na maloto fitondran-tena, toy ireo olona eo amin’izao tontolo izao, ny Kristianina marina. (Efesiana 5:3-5; 1 Jaona 2:15-17) Tokony hesorina koa ireo toetra tsy tian’Andriamanitra sy tsy araka ny Soratra Masina, ka hosoloana toetra toy ny an’i Kristy.—Kolosiana 3:9, 10, 12.

Ahoana no hahavitana izany? Namaly izany i Paoly, ka nanao fanoharana lehibe toy izao: “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.”—1 Korintiana 9:27.

Manan-danja izany hevitr’i Paoly izany! Tsy nampirisika ny hampijalian-tena akory izy. Niaiky kosa izy fa nisy ady anaty nataony. Nanao zavatra tsy tiany hatao izy indraindray, ary tsy nanao ny zavatra niriny hatao. Niady anefa izy mba tsy hahatonga ny fahalemeny handresy mihitsy. ‘Nasiany mafy ny tenany ho mangana’, izany hoe nofeheziny mafy ireo faniriana sy toetran’ny nofony.—Romana 7:21-25.

Tokony hanao izany koa ny Kristianina rehetra. Niresaka momba ny fiovana nataon’ny Korintianina sasany i Paoly. Nijangajanga, nanompo sampy, lehilahy niray tamin’ny lehilahy na vehivavy niray tamin’ny vehivavy, nangalatra sy ny toy izany, izy ireo fahiny. Ahoana no niovan’izy ireo? Noho ny herin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny masina, mbamin’ny fahatapahan-kevitra hanaraka izany. Hoy i Paoly: “Saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.” (1 Korintiana 6:9-11) Nanoratra momba ireo olona niova toy izany koa i Petera. Tena niova tokoa ireny Kristianina ireny.—1 Petera 4:3, 4.

Ezaka misy zava-kendrena tsara

Nasehon’i Paoly fa tsy nivilivily ny sainy fa nifantoka tanteraka tamin’ny zavatra ara-panahy, ka hoy izy: “Mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra.” (1 Korintiana 9:26) Ahoana no fomba famelin’ireo mpifanandrina? Mamaly izany toy izao ilay boky hoe Ny Fiainan’ny Grika sy ny Romanina (anglisy): “Tsy ny hery be ihany no ilaina, fa ny fahaizan’ny maso mamantatra ny faritra mampahalemy an’ilay mpifanandrina koa. Nilaina koa ny fahaizana mamely, nianarana tany amin’ny sekoly fianarana tolona, sy ny fahakingana mamely an’ilay mpifanandrina aminao.”

Ny nofontsika tsy tanteraka no iray amin’ireo mpifanandrina amintsika. Hitantsika ve ny “faritra mampahalemy” antsika? Manaiky ny hijery antsika toy ny fahitan’ny olona, indrindra fa i Satana, antsika ve isika? Mitaky fandinihan-tena amin’ny saina tsy miangatra sy fahavononana hiova izany. Mora ny mamita-tena. (Jakoba 1:22) Tena mora mihitsy ny manamarina ny zavatra tsy nety natao! (1 Samoela 15:13-15, 20, 21) Toy ny ‘mamely rivotra’ anefa izany.

Efa andro farany izao, ka raha te hankasitrahan’i Jehovah sy hahazo fiainana isika, dia tsy maintsy mifidy hoe ny tsara sa ny ratsy, ary ny fiangonan’Andriamanitra sa ny tontolo ratsy. Tsy mahazo misalasala isika, na ‘hiroa saina sy hiovaova amin’ny alehantsika rehetra.’ (Jakoba 1:8) Tsy tokony handany fotoana hitadiavana zavatra tsy mamokatra isika. Ho sambatra ny olona manaraka izany lala-mahitsy izany, ary ‘hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoany.’—1 Timoty 4:15.

Mitohy ny hazakazaky ny Kristianina. Tia antsika i Jehovah, ilay Mpanazatra antsika, ka manome antsika toromarika sy fanampiana ilaina mba hiaretantsika sy handresentsika. (Isaia 48:17) Toy ireo atleta fahiny isika, ka mila mamola-tena sy mifehy tena ary tsy mivilivily saina, mandritra ilay ady ho an’ny finoantsika. Hovalian-tsoa betsaka ny ezaka misy zava-kendrena tsara ataontsika.—Hebreo 11:6.

[Efajoro, pejy 31]

‘Hosory Diloilo’ Izy

Anisan’ny fanazarana ny atleta tany Gresy fahiny ny fanosorana diloilo, na menaka. Ilay mpanosotra no nanosotra menaka ny vatan’ireo lehilahy hanao fanazaran-tena. Araka ny boky Ny Lalao Olympika Tany Gresy Fahiny dia voamarik’ireo mpanazatra fa “nisy soa azo avy tamin’ny fanorana tsara ny hozatra alohan’ny fanazaran-tena, ary rehefa norina moramora ilay atleta dia nanjary nalefaka ny hozany sady afa-bizana izy, rehefa avy nanao fanazaran-tena ela.”

Mamelombelona sy manasitrana ny fanosorana menaka ny vatana. Afaka manitsy sy mampionona ary manasitrana ny Kristianina reraka koa ny Tenin’Andriamanitra. Ampirisihina àry ireo anti-panahy mba hanaraka ny fitarihan’i Jehovah, ka hivavaka ho an’ny olona toy izany, ary toy ny hoe “hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo”, satria tena ilaina izany mba hanasitranana ara-panahy.—Jakoba 5:13-15; Salamo 141:5.

[Sary, pejy 31]

Nianiana ireo mpilalao, rehefa avy nanao fanatitra, fa hoe efa nanao fanazaran-tena nandritra ny folo volana izy

[Sary nahazoan-dalana]

Musée du Louvre, Paris

[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]

Copyright British Museum