Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efitrano Fanjakana Notolorana Meday

Efitrano Fanjakana Notolorana Meday

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Efitrano Fanjakana Notolorana Meday

NATAON’NY Minisiteran’ny Tontolo Iainana any Failandy hoe “Taona ho An’ny Zaridaina” ny taona 2000. Nilaza ny iray tamin’ireo mpikarakara fa ny zava-kendrena tamin’izany dia ny “hampahatsiahy antsika rehetra fa zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika andavanandro sy eo amin’ny fahasalamantsika ny zava-maitso manodidina antsika.”

Nisy taratasy avy tamin’ny Fikambanana Failandey Momba ny Zaridaina, tonga tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Failandy, tamin’ny 12 Janoary 2001. Manazava ilay taratasy fa iray amin’ireo notolorana ny medain’ny zaridaina tsara indrindra ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Tikkurila, satria voakarakara tsara ny zaridainany sady tena kanto ny manodidina azy. Nilaza koa ilay taratasy fa “mahafinaritra sy tsara tarehy ary ambony karazana ny endriky ny manodidina amin’ny ankapobe, na amin’ny fahavaratra na amin’ny ririnina.”

Tao amin’ny hotely Rosendahl, any Tampere (Failandy), no natolotra ny Vavolombelon’i Jehovah ilay meday ary matihanina sy mpandraharaha 400 no nanatrika io fisehoan-javatra io. Nanao filazana an-gazety koa ilay fikambanana failandey, ka nanambara hoe: “Saika vita tsara mandrakariva ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny toerana samihafa eto amin’ny firenena. Saika ny mpandalo rehetra no voasarika rehefa mahita ilay zaridaina voakarakara tsara. Ohatra ny amin’ny zaridaina kanto ny Efitrano Fanjakana eto Tikkurila. Manome taratry ny filaminana sy firindrana ilay trano sy ny manodidina azy.”

Misy Efitrano Fanjakana 233 any Failandy ary maro no voahodidin’ny zaridaina tsara tarehy. Noho izy ireny foiben’ny fivavahana marina sy ny fampianarana Baiboly anefa no tena mahatonga azy ireny ho tsara tarehy. Tena tian’ireo Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa mahery maneran-tany ny Efitrano Fanjakana, na ireo be kojakojany na ireo tsotra. Izany no mahatonga azy ireo ho mazoto erỳ mikarakara azy ireny amim-pitiavana. Mivoha ho an’ny olona rehetra eo amin’ny faritra misy anao ny varavaran’ny Efitrano Fanjakana!