Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiononana ao Anatin’ny Fotoan-tsarotra

Fampiononana ao Anatin’ny Fotoan-tsarotra

Fampiononana ao Anatin’ny Fotoan-tsarotra

TENA tsy mampionona mihitsy ny vaovao ankehitriny. Nisy olona nanoratra hoe: “Tena mahaketraka ny zava-mitranga amin’izao andro izao, ka matetika isika no tsy sahy mijery ny vaovao amin’ny televiziona.” Feno ady eran-tany, eo koa ny asa fampihorohoroana, fijaliana, heloka bevava, ary aretina. Mety hanjo antsika tsy ho ela izany, raha tsy efa izany no nitranga.

Efa voalazan’ny Baiboly mialoha izany toe-javatra izany. Nanambara i Jesosy fa hisy ady lehibe, areti-mandringana, mosary, ary horohoron-tany amin’ny androntsika. (Lioka 21:10, 11) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa hisy “andro mahory”, ary ny olona ho lozabe, ho tia vola, tsy ho tia ny tsara. ‘Andro farany’ no niantsoany izany.—2 Timoty 3:1-5.

Araka izany, dia mitovitovy ny fomba ilazan’ny vaovao sy ny Baiboly ny zava-mitranga eran-tany. Izay ihany anefa no mampitovy azy ireo. Milaza hevitra tsy hita amin’ny vaovao ny Baiboly. Hazavain’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry amintsika ny antony mahabetsaka ny faharatsiana toy izao, ary tsy izay ihany fa izay hitranga amin’ny hoavy koa.

Ny fiheveran’Andriamanitra ny faharatsiana

Hazavain’ny Baiboly ny fiheveran’Andriamanitra ny toe-javatra mampahory amin’izao androntsika izao. Marina fa efa fantany mialoha ireo olana misy ankehitriny. Tsy mankasitraka izany anefa izy sady tsy hamela izany haharitra mandrakizay. “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny apostoly Jaona. (1 Jaona 4:8) Tena miahy ny olona i Jehovah Andriamanitra sady mankahala ny faharatsiana rehetra. Tena mety àry ny itadiavantsika fampiononana any aminy, satria be hatsaram-po sy fangoraham-po izy, ary manan-kery hanala ny faharatsiana eto an-tany sady maniry hanao izany. Hoy ny mpanao salamo: “Hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy [ny Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra any an-danitra]; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.”—Salamo 72:12-14.

Mangoraka ny olona mijaly ve ianao? Azo inoana fa izany no izy. Nataon’i Jehovah hahay hiara-miory amin’ny olona isika, satria araka ny endriny no namoronany antsika. (Genesisy 1:26, 27) Afaka matoky àry isika fa tsy hoe tsy mihontsina amin’ny fijalian’ny olombelona i Jehovah Andriamanitra. Tena miahy antsika sady be fangoraham-po koa izy, araka ny nampianarin’i Jesosy, ary tsy misy mahalala tsara an’i Jehovah toa azy.—Matio 10:29, 31.

Ny zavaboary mihitsy aza dia manaporofo fa miahy ny olombelona Andriamanitra. Nilaza i Jesosy fa Andriamanitra “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:45) Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny mponina tany Lystra: “Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona [Andriamanitra]; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana.”—Asan’ny Apostoly 14:17.

Iza no tompon’andraikitra?

Tsara homarihina fa nilaza tamin’ny olona tany Lystra koa i Paoly hoe: “[Andriamanitra] namela ny firenena rehetra handeha tamin’ny làlana tiany haleha tamin’ny andro lasa.” Araka izany, dia ny firenena, na ny olona ihany, no tena tompon’andraikitra amin’ny ankamaroan’ny zava-manahirana azy. Tsy Andriamanitra no tokony homen-tsiny.—Asan’ny Apostoly 14:16.

Nahoana àry no avelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana? Hamarana izany ve izy indray andro any? Ny Tenin’Andriamanitra ihany no mamaly ireo fanontaniana ireo. Misy anjely tafiditra amin’izany mantsy ary nahatonga raharaha hafa mifandray amin’izany izy tany an-danitra.

[Sary, pejy 4]

Raha ny olombelona aza mahay miara-miory amin’ny hafa, tsy mainka ve fa Andriamanitra?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Tanky: UN PHOTO 158181/J. Isaac; horohoron-tany: San Hong R-C Picture Company

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Ambony havia, Kroasia: UN PHOTO 159208/S. Whitehouse; ankizy mosarena: UN PHOTO 146150 BY O. MONSEN