Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanompoana Sarobidy Maro Taorian’ny Ady

Fanompoana Sarobidy Maro Taorian’ny Ady

Tantaram-piainana

Fanompoana Sarobidy Maro Taorian’ny Ady

NOTANTARAIN’I FILIP HOFFMANN

Vao nifarana ny Ady Lehibe II, tamin’ny Mey 1945. Nitsidika an’i Danemark i Nathan Knorr, mpiandraikitra ny asa fitoriana naneran-tany, tamin’ny Desambra tamin’io taona io. Niaraka taminy i Milton Henschel mpitan-tsorany, izay 25 taona. Trano lehibe iray no nohofana handraisana an’io fitsidihana efa tsy andrin’ny rehetra io. Tena nampientam-po anay tanora ny lahatenin’ny rahalahy Henschel, satria nitovitovy taona taminay izy, ary ny loha hevitra nofidiny dia niresaka momba ny hoe: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.”—Mpitoriteny 12:1.

NAMPAHAFANTARINA anay nandritra io fitsidihana io fa nisy zavatra nampientam-po maromaro natao tamin’izay fotoana izay, mba hampandrosoana ny fitoriana maneran-tany ary nahazo nandray anjara tamin’izany izahay. (Matio 24:14) Nisy sekoly vaovao nosokafana, ohatra, tany Etazonia, mba hampiofanana tovolahy sy tovovavy hanao asa misionera. Nantitranterin’ny Rahalahy Knorr fa raha voantso izahay, dia tsy homena tapakila mandroso sy miverina akory, fa “tapakila mandroso ihany”, ary tsy ho fantatray mialoha ny tany handefasana anay. Na izany aza, dia nisy taminay nameno fangatahana.

Hiverina any amin’ny nahaterahako tamin’ny 1919 aho aloha, vao hitantara ny fiainako taorian’ny Ady Lehibe II. Maromaro ny zava-nitranga taloha sy nandritra ny ady, izay nisy vokany lehibe teo amin’ny fiainako.

Fahamarinana avy tamin’ilay noheverina ho ondry nania

Izaho no zanak’i Neny voalohany. Raha mbola bevohoka ahy izy, dia nivavaka mba ho lasa misionera ny zanany raha lahy. Mpianatra ny Baiboly, na Vavolombelon’i Jehovah, i Dadatoa Thomas, anadahin’i Neny. Noheverin’ny havan’i Neny ho toy ny ondry nania tamin’ny fianakaviana àry izy. Tany akaikin’i Copenhague izahay no nipetraka, ary rehefa nanao ny fivoriambe fanaony isan-taona tao ny Mpianatra ny Baiboly, dia nasain’i Neny natory tany aminay i Dadatoa Thomas. Lavidavitra ihany mantsy izy no nipetraka. Tena nahay Baiboly i Dadatoa ary nirindra tsara ny fanazavany, ka resy lahatra ary lasa Mpianatra ny Baiboly i Neny, tamin’ny taona 1930.

Tia Baiboly i Neny. Nanaraka ny baiko ao amin’ny Deoteronomia 6:7 àry izy, ka nampianatra anay mianadahy, ‘na nipetraka tao an-trano, na nandeha teny an-dalana, na nandry, na nifoha.’ Nanomboka nitory isan-trano aho, tatỳ aoriana. Tiako ny niara-nidinika foto-kevitra sasany nampianarin’ny fiangonana, toy ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny afobe. Haiko tsara ny nanazava avy tao amin’ny Baiboly fa diso ireny fampianarana ireny.—Salamo 146:3, 4; Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4.

Tafaray izahay mianakavy

Nilana fanampiana vetivety tao amin’ny toerana fanatobiana entan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, teto Danemark, taorian’ny fivoriambe natao tao Copenhague tamin’ny 1937. Vao nahavita fianarana momba ny fandraharahana aho tamin’izay, ary tsy nanana adidy na andraikitra. Nanolo-tena hanampy tany amin’ilay fanatobiana entana àry aho. Rehefa vita ny asa tao, dia nasaina niasa tao amin’ny biraon’ny sampana aho. Lasa nipetraka tany amin’ny sampana mihitsy aho taoriana kelin’izay, nefa mbola tsy vita batisa akory. Nanampy ahy handroso ara-panahy ny fiarahana isan’andro tamin’ny Kristianina matotra. Nampiseho ny fanoloran-tenako tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano aho tamin’ny taona nanaraka, ny 1 Janoary 1938.

Nanomboka ny Ady Lehibe II, tamin’ny volana Septambra 1939. Azon’ny miaramila alemà i Danemark, ny 9 Aprily 1940. Nomena fahalalahana tsara ihany anefa ny Danoà, ka afaka nanohy ny asa fitoriana ihany izahay.

Nisy zavatra tena nahafinaritra nitranga avy eo. Lasa Vavolombelona nahatoky sy navitrika i Dada, ka feno ny fahasambaranay mianakavy. Ny mpianakavy rehetra àry no nampahery ahy, rehefa nasaina hanatrika ny kilasy fahavalo tamin’ny Sekolin’i Gileada izaho sy ny rahalahy danoà efatra. Nanomboka tamin’ny Septambra 1946 ilay fianarana naharitra dimy volana, izay natao tao amin’ilay toeram-pianarana tsara tarehy teo akaikin’i South Lansing any avaratr’i New York.

Fiofanana tany Gileada sy taorian’izay

Nahazoako namana vaovao nahafinaritra ny Sekolin’i Gileada. Nitsangantsangana teo amin’ny toeram-pianarana izahay sy i Harold King avy any Angletera, indray hariva, ary niresaka momba ny toerana mety handefasana anay aorian’ny fianarana. Hoy i Harold: “Tsy mino aho hoe tsy hahita ny morontsirak’i Douvres intsony.” Marina aloha ny azy, kanefa tsy nahita ny morontsirak’i Douvres nandritra ny 17 taona izy, ka ny efa-taona sy tapany tamin’izay izy natoka-monina tany am-ponja tany Chine! *

Nahazo diplaoma izahay ary nalefa ho mpiandraikitra mpitety faritany tany Texas, any Etazonia, aho hitsidika fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampy azy ireo ara-panahy. Noraisin’izy ireo an-tanan-droa aho tany. Finaritra ireo rahalahy niaraka tamina tanora avy any Eoropa, izay vao nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada. Fito volana monja anefa aho no tany Texas, ary nantsoina ho any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any New York. Notendren’ny Rahalahy Knorr hiasa birao aho, ary nasainy nianatra ny fomba fanaovana ny asa tao amin’ny sampan-draharaha rehetra. Nasaina nampihatra izay rehetra nianarako aho, rehefa niverina teto Danemark, ary tsy maintsy nampitovina tamin’ny fomba nanaovana azy tany Brooklyn ny zava-drehetra. Tokony hitovy mantsy ny fomba fiasa any amin’ny sampana rehetra, mba hahitam-bokatra kokoa. Nalefan’ny Rahalahy Knorr tany Alemaina aho taorian’izay.

Nampiharina tany amin’ireo sampana ny toromarika

Maro ny tanàna mbola rava tany Alemaina, tamin’izaho tonga tao Wiesbaden, tamin’ny volana Jolay 1949. Lehilahy nenjehina nanomboka tamin’ny nandraisan’i Hitler ny fahefana, tamin’ny taona 1933, no loha laharana tamin’ny asa fitoriana. Nisy tamin’izy ireo nogadraina sy nalefa tany amin’ny toby fitanana nandritra ny valo na folo taona na mihoatra aza! Niara-niasa tamin’ireny mpanompon’i Jehovah ireny aho, nandritra ny telo taona sy tapany. Tena niavaka ny ohatra navelan’izy ireo, ka tsaroako ny tenin’i Gabriele Yonan, mpanoratra alemà, hoe: “Nanome ohatra tsara ireny Kristianina nahatoky ireny, na teo aza ny fitondrana jadon’ny Nazia. Raha tsy teo izy ireny, dia toa tsy ho nisy nahavita nanaraka ny fampianarana kristianina avy tamin’i Jesosy, taorian’ny Auschwitz sy ny famonoana tambabe.”

Nitovy tamin’ny asa nataoko teto Danemark ihany no nataoko tao amin’ny sampan’i Alemaina, dia ny hanomboka fomba vaovao fandaminana ny asan’ny vahoakan’i Jehovah. Nafana fo sady tena vonona hiara-miasa ireo rahalahy alemà, raha vao nahafantatra fa mba hampisy fiaraha-miasa akaiky kokoa amin’ireo sampana sy ny foibe no anton’ireo fanovana, fa tsy fanakianana ny asan’izy ireo akory.

Naharay taratasy avy tamin’ny biraon’ny Rahalahy Knorr aho tamin’ny 1952, ary naniraka ahy ho any amin’ny sampan’i Soisa tany Berne, ilay taratasy. Notendrena ho mpiandraikitra ny sampana tany aho, nanomboka ny 1 Janoary 1953.

Fifaliana hafa indray tany Soisa

Nifankahita tamin’i Esther tao amin’ny fivoriambe iray aho, rehefa tonga kelikely tany Soisa. Lasa mpifamofo izahay, rehefa afaka kelikely. Nampiantso ahy ho any Brooklyn ny Rahalahy Knorr, tamin’ny Aogositra 1954, ary nanazava tamiko momba ny asa vaovao iray nahaliana be. Nihalehibe sy nihamaro ny sampana naneran-tany, ka nisy fandaharana vaovao natomboka. Natambatambatra ho vondrona maromaro ireo sampana eran-tany, ka mpiandraikitra mpitety sampana iray no niandraikitra ny vondrona tsirairay. Nampiandraiketina ahy ireo sampana tany Eoropa sy nanodidina an’i Mediterane.

Niverina tany Soisa aho, taorian’iny fitsidihana vetivety tany Brooklyn iny, ary nanomana ny fitetezana sampana. Nivady izahay sy i Esther ary niara-nanompo tao amin’ny sampan’i Soisa. Nitsidika trano misionera sy sampana tany amin’ireto toerana ireto aho, tamin’ny diako voalohany: Italia, Gresy, Chypre, ireo tanin’i Moyen-Orient sy Afrika Avaratra, ary Espaina sy Portogaly. Tany 13 tamin’ny fitambarany. Niverina kely tany Berne aho, ary nitety an’ireo tanin’i Eoropa hafa rehetra andrefan’ny Rindrim-by. Tsy tao an-trano nandritra ny enim-bolana aho tamin’ny taona voalohany nivadianay, noho ny fanompoana ny rahalahinay kristianina.

Niova ny fiainanay

Bevohoka i Esther tamin’ny 1957. Tsy natao ho an’ny ray aman-dreny sy zanaka anefa ny sampana, ka nanapa-kevitra hifindra teto Danemark izahay. Nandray anay hiara-mipetraka taminy i Dada. Nikarakara an’i Dada sy Rakel zanakay vavy i Esther, ary izaho kosa nanampy tamin’ny asa tao amin’ny biraon’ny sampana vao vita. Nampianatra tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana ho an’ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana aho, sady mbola mpiandraikitra mpitety sampana ihany.

Naharitra ireo dia fitetezana sampana, ka nampalahelo fa tafasaraka ela tamin’ny zanako vavy aho, ary nisy fiantraikany izany. Nijanona elaela tao Paris aho, indray mandeha, satria nisy toerana fanontam-pirinty kely naorina tao. Nandeha fiarandalamby hitsidika ahy i Esther sy Rakel, ary tonga tao amin’ny Gare du Nord. Niara-nitsena azy mianaka izahay sy Léopold Jontès, avy tao amin’ny sampana. Nijoro teo amin’ny tohatry ny fiarandalamby i Rakel kely. Tsy tadidiny tsara aho, ka samy nojereny aloha izahay sy Léopold, ary i Léopold no nofihininy tamin’ny farany!

Nisy fiovana lehibe hafa teo amin’ny fiainako, fony aho 45 taona. Niala tamin’ny fanompoana manontolo andro aho, ka niasa mba hamelomana ny fianakaviako. Efa nanana traikefa aho, noho ny fanompoako teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nahita asa ho mpitantana fandefasana entana aho. Niasa sivy taona teo ho eo tao amin’io kompania io aho, ary vita ny fianaran’i Rakel nandritra izay fotoana izay. Nanapa-kevitra àry izahay fa hamaly ny antso mba hifindra any amin’ny faritra nilana mpitory ilay Fanjakana maro kokoa.

Nanadihady momba an’i Norvezy aho, ka nanontany tamin’ny fikambanana mpanolotra asa raha nety hisy asa ho ahy. Nahakivy ny valiny. Tsy nisy asa firy ho an’ny lehilahy efa 55 taona. Niresaka tamin’ny biraon’ny sampana tany Oslo ihany anefa aho, ary nanofa trano tany akaikin’ny tanànan’i Drøbak izahay. Nanantena izahay fa hahita asa eny ihany aho, ary dia nahita tokoa. Nahafinaritra be ny fanompoana ilay Fanjakana nataonay tany Norvezy.

Ny dianay nianavaratra no nahafinaritra indrindra. Niara-nankany amin’ny faritany tsy nisy tompony ny ankamaroan’ny mpitory tao amin’ny fiangonanay. Nanofa tranokely filasiana maromaro tao amin’ny toerana iray izahay, ary nitsidika an’ireo tantsaha tany amin’ireo tendrombohitra tsara tarehy isan’andro. Nahafinaritra be ny niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ireo olona sariaka tany. Nahapetraka boky sy gazety be dia be izahay, saingy ny taona nanaraka vao afaka niverina nitsidika ireny olona ireny. Tsy nanadino anay anefa izy ireo! Mbola tsaroan’i Esther sy Rakel hatramin’izao, fa nofihinin’izy ireo toy ny hoe havana tsy hita ela be izahay, rehefa niverina tany. Niverina teto Danemark izahay, rehefa avy nijanona telo taona tany Norvezy.

Fiainam-pianakaviana mahafaly

Nanana fofombady i Rakel taoriana kely. Niels Højer no anarany, ary mpisava lalana nafana fo izy. Mpisava lalana foana i Niels sy Rakel mandra-piterak’izy ireo. Vady sady ray tsara i Niels, ary nikarakara tsara ny fianakaviany. Nentiny tamin’ny bisikileta nankany amoron-dranomasina ny zanany lahy indray maraina, hijery ny fiposahan’ny masoandro. Nanontanian’ny mpiray tanàna taminy io zanany lahy io hoe inona no nataon’izy ireo tany. Namaly izy hoe: “Nivavaka tamin’i Jehovah izahay.”

Nanatrika ny batisan’i Benjamin sy Nadja, zafikelinay mianadahy voalohany, izahay sy Esther taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Teo koa i Niels. Nitsangana tampoka teo anoloako izy, ka nibanjina ahy ary niteny hoe: “Tsy mitomany ny tena lehilahy.” Tsitapitapitrizay anefa dia nifamihina sy nitomany izahay. Tena mahafinaritra ny manana vinantolahy afaka miara-mihomehy sy miara-mitomany aminao!

Mbola miaina mifanaraka amin’ny zava-misy foana

Mbola fitahiana ho anay mivady koa ny niantsoana anay hiasa tao amin’ny sampan’i Danemark indray. Efa nanomboka anefa tamin’izay ny fanomanana ny fanorenana tranon’ny sampana lehibe kokoa tao Holbæk. Nomena tombontsoa aho ho anisan’ny mpiandraikitra ilay fanorenana nataon’ny mpiasa an-tsitrapo. Namirifiry ny ririnina, nefa vita ihany ilay asa tamin’ny ankapobeny, tamin’ny faramparan’ny taona 1982, ary faly erỳ izahay rehetra nifindra tao amin’ireo trano lehibe kokoa sy tsara kokoa ireo!

Niasa birao indray aho, tsy ela taorian’izay, ary tena nahafinaritra ahy izany. Mpandray antso an-telefaonina kosa no asan’i Esther. Tsy maintsy nodidiana sy nosoloana anefa ny maojany, ary herintaona sy tapany taorian’izay, dia nodidiana ny tranon’aferony. Nikarakara tsara anay ny mpiasa rehetra tao amin’ny sampana, nefa nanapa-kevitra izahay fa tsara kokoa ny handehananay. Nifindra ho ao amin’ny fiangonana misy ny zanakay vavy sy ny fianakaviany izahay.

Mbola tsy salama tsara i Esther izao. Afaka milaza anefa aho fa tena mpanampy sy namana tsara dia tsara izy nandritra ireo taona maro niarahanay nanompo, na dia niovaova be ihany aza ny fiainanay. Marina fa eo ny tsy fahasalamana, nefa mbola manao araka izay vitanay eo amin’ny asa fitoriana izahay. Velom-pankasitrahana aho rehefa mieritreritra ny fiainako, ary tsaroako ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora.”—Salamo 71:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 1 Novambra 1963, pejy faha-661-666.

[Sary, pejy 24]

Mampiditra ireo boky vao tonga, tao amin’ny Sampana naorina tany Alemaina, tamin’ny 1949

[Sary, pejy 25]

Vavolombelona avy tany amin’ny toby fitanana, niara-niasa tamiko

[Sary, pejy 26]

Izahay sy Esther ankehitriny, sy tamin’ny mariazinay tao amin’ny Betelan’i Berne tamin’ny Oktobra 1955