Mampionona ny Fahalalana Marina An’Andriamanitra
Mampionona ny Fahalalana Marina An’Andriamanitra
MANAHIRAN-TSAINA ny olona sasany ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony. Manontany tena izy ireo hoe: Raha maniry hamarana ny faharatsiana Andriamanitra, ary raha mahay sady manan-kery hanao izany izy, nahoana no mbola be dia be toy izao ny faharatsiana? Manahirana azy ireo ny mampifanaraka ireto hevitra telo ireto: 1) tena mahery Andriamanitra; 2) be fitiavana sy hatsaram-po Andriamanitra; ary 3) mbola misy loza mitranga foana. Mieritreritra izy ireo hoe misy tsy marina ny roa voalohany, satria tsy azo iadian-kevitra ilay fahatelo fa marina. Mino izy ireo fa tsy afaka mamarana ny faharatsiana Andriamanitra na tsy miraharaha izany izy.
Andro maromaro taorian’ny nirodanan’ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena tany New York, dia hoy ny mpitondra fivavahana malaza iray any Etazonia: ‘Efa imbetsaka mihitsy aho no nisy nanontany hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny loza sy fijaliana hisy. Tsy maintsy miaiky aho fa tena tsy fantatro tsara ny valiny, ary tsy afa-po amin’izay fantatro koa aho.’
Tena nampiaiky mpampianatra teolojia iray izany hevitra torin’io mpitondra fivavahana io izany, satria mitombina ilay izy aminy. Manaiky izao tenin’ny manam-pahaizana iray izao koa izy: “Tsy ho fantatra mihitsy ny antony mahatonga ny fijaliana, satria tsy fantatra mihitsy ny momba an’Andriamanitra.” Tena tsy afaka mahafantatra ny antony mahatonga an’Andriamanitra hamela ny faharatsiana hisy ve isika?
Inona no nahatonga ny faharatsiana?
Mifanohitra amin’izay mety holazain’ny mpitondra fivavahana, dia tsy milaza ny Baiboly hoe tsy ho fantatra mihitsy ny antony mahatonga an’Andriamanitra hamela ny faharatsiana hisy. Mba hahatakarantsika izany antony izany, dia tokony hekentsika aloha fa tsy namorona tany feno faharatsiana i Jehovah. Lavorary ny olombelona voalohany noforoniny fa tsy mpanota. “Tsara indrindra” no fahitany ny zavaboariny. (Genesisy 1:26, 31) Izao no fikasany: Tiany hiteraka sy hameno ny tany i Adama sy Eva, ary hanitatra ny Paradisa Edena manerana ny tany manontolo. Tiany ho sambatra ny olona, eo ambany fitondrany amim-pitiavana, izay hiaro azy ireo.—Isaia 45:18.
Nanomboka ny faharatsiana, rehefa naniry hotompoina ny anjely iray, izay nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra taloha. (Jakoba 1:14, 15) Niharihary teto an-tany ny fikomiany rehefa nitarika an’i Adama sy Eva hanohitra an’Andriamanitra koa izy. Tsy nankatò ny didy mazava nomen’Andriamanitra izy ireo, hoe tsy tokony hihinana na hanendry ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ratsy izy. Naka sy nihinana ny voan’io hazo io kosa izy mivady. (Genesisy 3:1-6) Sady tsy nankatò an’Andriamanitra izy ireo tamin’izay, no nampiseho fa aleony tsy miankina aminy.
Iza no manana zo hitondra?
Ilay fikomiana tany Edena dia nampipoitra raharaha lehibe iray, ary tafiditra tamin’izany ny
olombelona sy ny anjely rehetra any an-danitra. Nisalasala ireo mpikomy, izany hoe i Adama sy Eva, raha nety ny fomba nitondran’i Jehovah ny zavaboariny na tsia. Nanan-jo handidy ny olombelona hankatò azy amin’ny zava-drehetra ve ny Mpamorona? Mety ho tsara kokoa ve ny fiainan’ny olombelona raha tsy miankina aminy izy ireo?Nampifandanja tsara ny fitiavany, ny fitiavany ny rariny, ny fahendreny ary ny heriny i Jehovah, rehefa nandamina io raharaha momba ny zony hitondra io. Azony natao ny nampiasa ny heriny mba handringanana avy hatrany ireo mpikomy. Toa rariny izany, satria nanan-jo hanao izany izy. Tsy ho voavaly anefa ireo fanontaniana nipoitra terỳ ambony, raha nanao izany izy. Azon’Andriamanitra natao koa ny nanakimpy ny masony nanoloana ilay fahotana. Mety hisy hilaza fa izany no atao hoe fitiavana. Tsy ho voalamina koa anefa ilay raharaha napoitran’i Satana raha nanao izany izy. Nanipy hevitra mantsy i Satana fa ho tsara kokoa ny fiainan’ny olombelona raha izy ireo ihany no mifampitondra. Ary raha nanakimpy ny masony tokoa i Jehovah, tsy vao mainka ve izany ho nampirisika olon-kafa hikomy aminy? Fahoriana tsy nisy farany no ho vokatr’izany.
Noho ny fahendreny, dia navelan’i Jehovah hanao izay tiany ny olombelona mandritra ny fotoana kelikely. Navelany hisy àry ny faharatsiana, izay tsy haharitra. Kanefa, afaka nampiseho ny olombelona raha mahomby tokoa ny fitondrany rehefa tsy miankina amin’Andriamanitra izy, fa manaraka ny fitsipiny manokana momba izay tsara sy ratsy. Inona no vokany? Tsy nisy afa-tsy ady, tsy rariny, fampahoriana ary fijaliana teo amin’ny fiainan’ny olombelona hatramin’izay. Ho voaporofo tsara amin’ny farany fa tsy nahomby mihitsy ilay fikomiana tamin’i Jehovah, ka ho voalamina tanteraka ilay raharaha nipoitra tany Edena.
Mandritra izany fotoana izany, dia naneho fitiavana Andriamanitra ka nanome an’i Jesosy Kristy Zanany, izay nanolotra ny ainy ho sorom-panavotana. Izany no manafaka ny olombelona mankatò amin’ny fanozonana hanota sy ho faty, vokatry ny tsy fankatoavan’i Adama. Afaka manantena Jaona 3:16.
fiainana mandrakizay ny olona mino an’i Jesosy, noho io avotra io.—Mampionona antsika ny toky omen’i Jehovah hoe tsy haharitra ny fijaliana. Hoy ilay mpanao salamo: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”—Salamo 37:10, 11.
Hoavy feno fiadanana sy fahasambarana
Kely sisa dia hamarana ny aretina sy ny alahelo ary ny fahafatesana Andriamanitra. Manaporofo izany ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka. Naseho tamin’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana ny ampahany kely amin’izany hoavy izany. Mariho fa mahatalanjona tokoa izany, araka izao voalazany izao: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. . . . Ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy [olombelona], dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” Tena azo atokisana izany fampanantenana izany, araka ny nolazaina tamin’i Jaona hoe: “Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.”—Apokalypsy 21:1-5.
Ahoana kosa ny amin’ireo olona maro be tsy nanan-tsiny maty taorian’ilay fikomiana tany Edena? Nampanantena i Jehovah fa hovelominy ireny olona matory ao amin’ny fahafatesana ireny. Hoy ny apostoly Paoly: “Manantena amin’Andriamanitra aho . . . fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Afaka hiaina eo amin’ny tany “itoeran’ny fahamarinana” ireny olona ireny.—2 Petera 3:13.
Ny ray be fitiavana dia hamela ny zanany hodidiana, raha fantany fa hitondra soa maharitra ho azy izany, na dia hanaintaina aza. Toy izany koa i Jehovah: Avelany hiaritra faharatsiana vetivety ny olombelona eto an-tany. Kanefa, hahazo fitahiana mandrakizay ny olona miezaka manao ny sitrapony. Nanazava i Paoly hoe: “Izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”—Romana 8:20, 21.
Tena vaovao izany, saingy vaovao tsara, fa tsy toy ny hitantsika amin’ny televiziona na ao amin’ny gazety. Io no vaovao tsara indrindra avy amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, izay tena miahy antsika.—2 Korintiana 1:3.
[Sary, pejy 6]
Voaporofo fa tsy afaka ny hahomby ny fitondran’olombelona tsy miankina amin’Andriamanitra
[Sary nahazoan-dalana]
Fianakaviana somalianina: UN PHOTO 159849/M. GRANT; baomba ataomika: USAF photo; toby fitanana: U.S. National Archives photo