Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankatoava Hatrany fa Manakaiky ny Farany

Mankatoava Hatrany fa Manakaiky ny Farany

Mankatoava Hatrany fa Manakaiky ny Farany

“Hanoa [an’i Silo] ny firenena.”—GENESISY 49:10.

1. a) Inona matetika no dikan’ny hoe mankatò an’i Jehovah? b) Inona no faminaniana nolazain’i Jakoba momba ny fankatoavana?

NY HOE mankatò an’i Jehovah, dia matetika midika hoe mankatò ny solontenany. Anisan’izany ny anjely, ny loham-pianakaviana toa an-dry Jakoba, ny mpitsara, mpisorona, mpaminany ary mpanjaka. Nantsoina hoe seza fiandrianan’i Jehovah mihitsy aza ny seza fiandrianan’ny mpanjakan’ny Isiraely. (1 Tantara 29:23) Nampalahelo anefa fa maro tamin’ireo mpanjaka ireo no tsy nankatò an’Andriamanitra, ka nidiran-doza izy sy ny olom-peheziny. Nanome fanantenana ho an’ireo tsy nivadika taminy anefa i Jehovah. Nampahery azy ireo izy rehefa nampanantena fa hanendry Mpanjaka izay hanao ny tsara foana, ka ho finaritra hankatò azy ny olo-marina. (Isaia 9:5, 6) Naminany momba an’io mpitondra io i Jakoba, talohan’ny nahafatesany. Hoy izy: “Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ny tongony, Mandra-pahatongan’i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.”—Genesisy 49:10.

2. Inona no dikan’ny hoe “Silo”, ary eo amin’iza izy no hanjaka?

2 Ny teny hebreo “Silo” dia midika hoe “Ilay Tompony.” Handova ny zo hitondra izy, araka ny asehon’ilay tehim-panjakana, ary koa ny fahefana hanapaka, araka ny asehon’ilay tehina fanapahana. Ambonin’izany, dia tsy eo amin’ny taranak’i Jakoba ihany izy no hanjaka fa eo amin’ny “firenena” rehetra. Mifanaraka tsara amin’ity fampanantenan’i Jehovah tamin’i Abrahama ity izany: “Ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony; ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 22:17, 18) Nohamafisin’i Jehovah hoe iza ilay “taranaka” tamin’ny taona 29, rehefa nohosorany tamin’ny fanahy masina i Jesosy avy any Nazareta.—Lioka 3:21-23, 34; Galatiana 3:16.

Ny fanjakan’i Jesosy voalohany

3. Inona no fanjakana noraisin’i Jesosy rehefa niakatra tany an-danitra izy?

3 Tsy avy hatrany dia nanjaka teo amin’ny firenena rehetra i Jesosy, rehefa niakatra tany an-danitra. (Salamo 110:1) Tena nahazo “fanjakana” anefa izy ary nanana olom-pehezina nankatò azy. Niresaka an’io fanjakana io ny apostoly Paoly rehefa nilaza hoe: “[Andriamanitra] nahafaka antsika [Kristianina voahosotry ny fanahy] tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany.” (Kolosiana 1:13) Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 io fanafahana io, rehefa nilatsahan’ny fanahy masina ny mpanara-dia nahatoky an’i Jesosy.—Asan’ny Apostoly 2:1-4; 1 Petera 2:9.

4. Ahoana no nampisehoan’ny mpianatr’i Jesosy voalohany ny fankatoavany, ary ahoana no niantsoan’i Jesosy azy ireo amin’ny fitambarany?

4 “Iraka solon’i Kristy” ireo mpianatra voahosotry ny fanahy ireo. Nankatò izy ireo ka nanomboka nanangona izay olona ho tonga “mpiray fanjakana” aminy, ao amin’io fanjakana ara-panahy io. (2 Korintiana 5:20; Efesiana 2:19; Asan’ny Apostoly 1:8) Tsy maintsy ‘niray saina sy hevitra’ koa izy ireo, mba hankasitrahan’i Jesosy Kristy Mpanjaka azy. (1 Korintiana 1:10) Amin’ny fitambarany, dia izy ireo no “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” na mpitandrin-draharaha mahatoky.—Matio 24:45; Lioka 12:42.

Notahina satria nankatò ny ‘mpitandrin-draharahan’Andriamanitra’

5. Ahoana no nampianaran’i Jehovah ny vahoakany hatramin’izay?

5 Nanome mpampianatra ny vahoakany foana i Jehovah. Rehefa niverina avy tany Babylona, ohatra, ny Jiosy dia tsy namaky ny Lalàn’Andriamanitra tamin’izy ireo fotsiny i Ezra sy ny lehilahy mahay maromaro. ‘Nohazavainy tsara ny hevitry’ ny lalàna, ka “azon’ny olona tsara” ny Tenin’Andriamanitra.—Nehemia 8:8.

6, 7. Inona no sakafo ara-panahy tonga ara-potoana nomen’ilay mpanompo tamin’ny alalan’ny Filan-kevi-pitantanany, ary nahoana isika no tokony hankatò io mpanompo io?

6 Rehefa nipoitra ny raharaha momba ny famorana tamin’ny taona 49, dia nandinika tamim-bavaka azy io ny filan-kevi-pitantanan’ilay mpanompo. Nandray fanapahan-kevitra niorina tamin’ny Soratra Masina izy ireo, ary avy eo, nampahafantatra izany an-taratasy tamin’ny fiangonana. Nankatò ilay toromarika ny fiangonana ka nahazo fitahiana tondraka avy tamin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 15:6-15, 22-29; 16:4, 5) Toy izany koa no ataon’ilay mpanompo mahatoky ankehitriny, amin’ny alalan’ny Filan-kevi-pitantanany. Nanazava raharaha lehibe izy io, toy ny hoe: tsy momba ny atsy na ny aroa ny Kristianina, masina ny ra, ary ny fampiasana zava-mahadomelina sy sigara ary paraky. (Isaia 2:4; Asan’ny Apostoly 21:25; 2 Korintiana 7:1) Notahin’i Jehovah ny vahoakany noho izy ireo mankatò ny Teniny sy ilay mpanompo mahatoky.

7 Asehon’ny vahoakan’Andriamanitra fa mankatò an’ilay Tompo, dia i Jesosy Kristy, koa izy ireo rehefa mankatò ilay mpanompo. Vao mainka zava-dehibe izany fankatoavana izany ankehitriny, satria nitombo ny fahefan’i Jesosy, araka ilay faminaniana nambaran’i Jakoba talohan’ny nahafatesany.

Silo: Ilay manana ny zo hitondra ny tany

8. Ahoana no nitaran’ny fahefan’i Kristy, ary oviana izany no nitranga?

8 Naminany i Jakoba fa “hanoa [an’i Silo] ny firenena.” Mazava àry fa tsy eo amin’ny Isiraely ara-panahy ihany i Kristy no ho mpitondra. Fa eo amin’iza koa? Hoy ny Apokalypsy 11:15: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” Ahariharin’ny Baiboly fa nahazo io fahefana io i Jesosy tamin’ny 1914, tamin’ny faran’ny “fetr’andro fito” ara-paminaniana, na ny “andron’ny jentilisa.” * (Daniela 4:13, 14; Lioka 21:24) Tamin’io taona io ilay Mesia Mpanjaka no nanomboka nanatrika tamin’ny fomba tsy hita maso sy ‘nanapaka teo amin’ny fahavalony.’—Matio 24:3; Salamo 110:2.

9. Inona no nataon’i Jesosy rehefa tonga Mpanjaka izy? Inona no vokatra nentin’izany ho an’ny olombelona, indrindra fa ny mpianany?

9 Ny zavatra voalohany nataon’i Jesosy raha vao tonga mpanjaka izy, dia ny nanjera “tamin’ny tany” an’i Satana, ilay ikoizana amin’ny tsy fankatoavana, mbamin’ny demoniany. Nitondra loza mbola tsy nisy toy izany ho an’ny olombelona ireo anjely ratsy ireo nanomboka tamin’io fotoana io. Tena manasarotra ny fankatoavana an’i Jehovah koa izy ireo. (Apokalypsy 12:7-12; 2 Timoty 3:1-5) Raha ny marina, ny tena lasibatr’i Satana amin’ilay ady ara-panahy, dia ireo voahosotra “mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy” ary ny “ondry hafa” namany.—Apokalypsy 12:17; Jaona 10:16.

10. Inona avy no faminaniana manaporofo fa tsy haharesy i Satana amin’ny ady ataony amin’ny tena Kristianina?

10 Tsy maintsy ho resy anefa i Satana, satria “Andron’ny Tompo” izao, ary tsy misy mahasakana an’i Jesosy tsy “haharesy.” (Apokalypsy 1:10; 6:2) Azo antoka, ohatra, fa hanisy tombo-kase farany ny sisa amin’ireo Isiraelita ara-panahy 144 000 izy. Hiaro ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” koa izy. (Apokalypsy 7:1-4, 9, 14-16) Tsy ho sahala amin’ireo namany voahosotra anefa izy ireo, fa ho tonga olom-pehezina mankatò an’i Jesosy eto an-tany. (Daniela 7:13, 14) Ny fisian’izy ireo amin’izao fotoana izao, dia efa tena porofo fa i Silo tokoa no mitondra “ny fanjakana amin’izao tontolo izao.”—Apokalypsy 11:15.

Izao no fotoana ‘hanekena ny filazantsara’

11, 12. a) Iza ihany no ho tafavoaka velona rehefa hifarana ity tontolo ity? b) Inona no toetra ananan’ireo manahaka “ny fanahin’izao tontolo izao”?

11 Tsy maintsy mianatra ny mankatò, izay rehetra maniry hiaina mandrakizay. Milaza mazava mantsy ny Baiboly fa tsy ho tafavoaka velona amin’ny andro famalian’Andriamanitra “izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika.” (2 Tesaloniana 1:8) Manasarotra ny fanekena na ny fankatoavana ny vaovao tsara anefa ity tontolo ratsy ity, sy ny toe-tsainy tia mikomy amin’ny lalàna sy toro lalan’ny Baiboly.

12 Antsoin’ny Baiboly hoe “fanahin’izao tontolo izao” io toe-tsaina tia mikomy amin’Andriamanitra io. (1 Korintiana 2:12) Nohazavain’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, tany Efesosy, ny vokatr’izy io eo amin’ny olona. Hoy izy: “Izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana; teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.”—Efesiana 2:2, 3.

13. Ahoana no anoheran’ny Kristianina ny toe-tsain’ity tontolo ity, ary inona no soa azony rehefa manao izany izy?

13 Soa ihany fa tsy nanana izany toe-tsaina tsy tia mankatò izany intsony ny Kristianina tany Efesosy. Nanjary zanaka mpankatò an’Andriamanitra kosa izy ireo. Nanaiky ny tari-dalan’ny fanahiny izy ireo, ka nandray ny vokany tondraka sy mahasoa. (Galatiana 5:22, 23) Manampy olona an-tapitrisa hankatò an’i Jehovah koa ankehitriny ny fanahiny, ilay hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao. Noho izany, dia afaka mahazo “ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana hatramin’ny farany”, izy ireo.—Hebreo 6:11; Zakaria 4:6.

14. Ahoana no nampitandreman’i Jesosy ny Kristianina rehetra miaina amin’ny andro farany, fa ho sarotra ny mankatò?

14 Tadidio koa fa manana mpanampy mahery isika, dia i Silo. Tsy havelan’izy sy ny Rainy hisedra antsika mihoatra noho izay zakantsika ka hitarika antsika tsy hankatò, ny fahavalo, na demonia izany na olona. (1 Korintiana 10:13) Nilaza olana voafaritra tsara maromaro atrehintsika amin’izao andro farany izao mihitsy, i Jesosy mba hanampiana antsika amin’io ady ara-panahy io. Hitantsika izany ao amin’ireo taratasy fito tao amin’ny fahitana nomeny ny apostoly Jaona. (Apokalypsy 1:10, 11) Azo antoka fa nirakitra torohevitra tena nilain’ny Kristianina tamin’izany fotoana izany ireo taratasy ireo. Amin’ny “Andron’ny Tompo”, izay nanomboka tamin’ny 1914, anefa no tena mihatra izy ireo. Mety tokoa àry ny handinihantsika an’ireo hafatra ireo! *

Halaviro ny tsy firaharahana sy fahalotoam-pitondran-tena ary fitiavan-karena

15. Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina mba tsy hahazo antsika izay nanjo ny fiangonan’i Efesosy, ary ahoana no anaovantsika izany? (2 Petera 1:5-8)

15 Ny fiangonan’i Efesosy no nanoratan’i Jesosy voalohany. Rehefa avy nidera azy noho ny fiaretany i Jesosy, dia hoy izy: “Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany hianao.” (Apokalypsy 2:1-4) Tsy miredareda toy ny taloha intsony ny fitiavana an’Andriamanitra tao amin’ny Kristianina nazoto sasany. Manimba ny fihavanana amin’Andriamanitra izany, ka tsy maintsy harenina haingana. Ahoana no hamelomana indray izany fitiavana izany? Mila atao tsy tapaka ireto zavatra ireto: mianatra ny Baiboly, manatrika fivoriana, mivavaka ary misaintsaina. (1 Jaona 5:3) Marina fa mitaky ezaka ‘amin-jotom-po’ izany, nefa azo antoka fa hitondra soa. (2 Petera 1:5-8) Raha hitanao fa nihanangatsiaka ny fitiavanao rehefa avy nandini-tena tamim-pahatsorana ianao, dia manaova fanitsiana haingana. Mankatoava izao tenin’i Jesosy izao: “Tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany.”—Apokalypsy 2:5.

16. Inona avy no fitaoman-dratsy nisy teo anivon’ny fiangonan’i Pergamosy sy Tyatira, ary nahoana no mifanentana tsara amin’ny androntsika izay nolazain’i Jesosy?

16 Noderaina ny Kristianina tany Pergamosy sy Tyatira noho izy ireo tsy nivadika sy niaritra ary nazoto. (Apokalypsy 2:12, 13, 18, 19) Nanan-kery teo amin’izy ireo anefa ny sasany izay nanana ny toe-tsaina ratsin’i Balama sy Jezebela. Nanana fitaoman-dratsy teo amin’ny Isiraely fahiny ireo olona roa ireo, satria nitarika azy haloto fitondran-tena sy hivavaka tamin’i Bala. (Nomery 31:16; 1 Mpanjaka 16:30, 31; Apokalypsy 2:14, 16, 20-23) Ahoana kosa anefa amin’izao “Andron’ny Tompo” izao? Mbola misy ihany ve izany fitaoman-dratsy izany? Eny, satria ny fahalotoam-pitondran-tena no antony voalohany mahatonga ny fandroahana eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Zava-dehibe àry ny tsy hifaneraserantsika amin’izay rehetra manana fitaoman-dratsy, na eo anivon’ny fiangonana izany, na any ivelany! (1 Korintiana 5:9-11; 15:33) Hanalavitra ny fialam-boly tsy mety amin’ny Kristianina, ary ny boky sy sary vetaveta koa ireo te ho olom-pehezina mankatò an’i Silo.—Amosa 5:15; Matio 5:28, 29.

17. Nanao ahoana ny fiheveran’ny olona tany Sardisy sy Laodikia ny tenany raha ampitahaina amin’ny fiheveran’i Jesosy ny ara-panahin’izy ireo?

17 Tsy nahazo teny fiderana mihitsy ny fiangonan’i Sardisy, afa-tsy olom-bitsy monja. ‘Nanana anarana ho velona’, na toy ny hoe velona izy, nefa tsy niraharaha ny zavatra ara-panahy mihitsy, ka “maty” izy tamin’i Jesosy. Saika efa fahazarana fotsiny ny fankatoavana ny vaovao tsara. Fanamelohana tokoa izany! (Apokalypsy 3:1-3) Toy izany koa ny fiangonan’i Laodikia. Nirehareha erỳ izy ireo hoe “manan-karena aho”, nefa “ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka” ny fahitan’i Kristy azy.—Apokalypsy 3:14-17.

18. Inona no azo atao mba tsy ho matimaty ara-panahy isika eo imason’Andriamanitra?

18 Manjary tsy mankatò toy izany koa ankehitriny ny Kristianina nahatoky sasany teo aloha. Avelany hanan-kery eo aminy angamba ny toe-tsain’ity tontolo ity, ka tsy tsapany intsony hoe akaiky ny farany. Noho izany, dia manjary matimaty ara-panahy izy ireo, ka malaina mianatra ny Baiboly, mivavaka, mivory, ary manompo. (2 Petera 3:3, 4, 11, 12) Tena mila mankatò an’i Kristy izy ireny, ka hanangona harena ara-panahy, eny “hividy volamena voadio amin’ny afo [any amin’i Kristy]!” (Apokalypsy 3:18) Tafiditra amin’izany tena harena izany ny hoe ‘manao soa, manan-karena amin’ny asa tsara, ary mazoto manome.’ Raha manao izany isika, dia ‘hihary fanorenana tsara ho an’ny tenantsika ho amin’ny andro ho avy isika, mba hihazonana ny tena fiainana.’—1 Timoty 6:17-19.

Noderaina noho ny fankatoavany

19. Inona no teny fiderana sy fampirisihana nomen’i Jesosy ny Kristianina tany Smyrna sy Filadelfia?

19 Ohatra miavaka ny amin’ny fankatoavana ny fiangonan’i Smyrna sy Filadelfia, satria tsy nisy fanakianana mihitsy tao amin’ny taratasy nalefan’i Jesosy ho azy ireo. Hoy izy tamin’ireo tany Smyrna: “Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena hianao).” (Apokalypsy 2:9) Mifanohitra tokoa izy ireo sy ny Laodikiana, izay nirehareha ny amin’ny harenany nefa nahantra raha ny marina! Mazava ho azy fa tsy faly ny Devoly nahita olona nahatoky sy nankatò an’i Kristy. Nampitandrina àry i Jesosy hoe: “Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.” (Apokalypsy 2:10) Nidera an’ireo tany Filadelfia koa i Jesosy. Hoy izy: “Nitandrina [na nankatò] ny teniko [ianao] ary tsy mba nandà ny anarako. Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.”—Apokalypsy 3:8, 11.

20. Ahoana no itandreman’ny olona an-tapitrisa ny tenin’i Jesosy, nefa manao ahoana ny toe-javatra misy azy?

20 Mitandrina ny tenin’i Jesosy koa ny sisa mahatoky sy ny ondry hafa namany an-tapitrisa amin’ny “Andron’ny Tompo”, izay nanomboka tamin’ny 1914. Mazoto manao fanompoana mantsy izy ireo sady mitana mafy ny tsy fivadihany. Toy ireo rahalahiny tamin’ny taonjato voalohany, dia misy amin’izy ireo mijaly satria mankatò an’i Kristy. Misy mihitsy aza nigadra sy nalefa tany amin’ny toby fitanana. Ny hafa indray mitandrina ny tenin’i Jesosy, amin’ny fananana ‘maso’ tsotra foana, na dia betsaka aza ny harena sy ny fitiavam-bola manodidina azy. (Matio 6:22, 23) Mampifaly hatrany ny fon’i Jehovah ny tena Kristianina rehefa mankatò, na aiza na aiza ary na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy azy.—Ohabolana 27:11.

21. a) Inona no andraikitra hosahanin’ilay mpanompo hatrany? b) Ahoana no ampisehoantsika fa irintsika tokoa ny hankatò an’i Silo?

21 Tapa-kevitra hatrany ny tsy hampandefitra ny fankatoavany an’ilay Tompo, dia i Kristy, ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ arakaraka ny anatonan’ny fahoriana lehibe. Tafiditra amin’izany ny fanomanana sakafo ara-panahy tonga ara-potoana ho an’ny ankohonan’Andriamanitra. Aoka àry isika hankasitraka hatrany ny fandaminana tena tsaran’i Jehovah sy izay omeny. Asehontsika amin’izany ny fankatoavantsika an’i Silo, izay hanome ny fiainana mandrakizay ho valisoan’ny olom-peheziny mankatò rehetra.—Matio 24:45-47; 25:40; Jaona 5:22-24.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Mba hahazoana fanazavana ny “fetr’andro fito”, dia jereo ny toko faha-10 amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 14 Mba hahazoana tsipiriany momba ireo taratasy fito, dia mba jereo ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, manomboka eo amin’ny pejy 33.

Tadidinao Ve?

• Inona no anjara asan’i Jesosy araka ilay faminaniana nolazain’i Jakoba talohan’ny nahafatesany?

• Ahoana no ampisehoantsika fa manaiky an’i Jesosy ho Silo isika, ary inona no toe-tsaina tsy maintsy halavirintsika?

• Inona avy no torohevitra azo ampiharina amin’ny androntsika, hita ao amin’ireo taratasy ho an’ny fiangonana fito ao amin’ny Apokalypsy?

• Ahoana no anahafantsika ireo anisan’ny fiangonan’i Smyrna sy Filadelfia fahiny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Tahin’i Jehovah ny vahoakany noho izy ireo mankatò ilay “mpitandrin-draharaha” mahatoky

[Sary, pejy 19]

Manasarotra ny fankatoavana an’Andriamanitra ny fitaoman’i Satana

[Sary, pejy 21]

Manampy antsika hankatò an’i Jehovah, ny fifandraisana matanjaka aminy