Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitahy sy Miaro Ireo Mankatò i Jehovah

Mitahy sy Miaro Ireo Mankatò i Jehovah

Mitahy sy Miaro Ireo Mankatò i Jehovah

“Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.”—OHABOLANA 1:33.

1, 2. Nahoana no zava-dehibe ny mankatò an’Andriamanitra? Hazavao amin’ny ohatra.

VARIANA nitsindroka sakafo tao anaty bozaka ireo akohokely mavomavo sy volomboloina. Tsy hitany mihitsy fa nisy papango nisidintsidina teo amboniny. Nikoràka mafy tampoka ny reniakoho nampitandrina ny zanany sy namelatra ny elany. Nihazakazaka nanatona azy ireo akohokely, ka poatoizay izy ireo dia voaro tao ambany elany. Tsy nahavanona ilay papango. * Inona no lesona tiana hampitaina? Mamonjy aina ny mankatò!

2 Tena zava-dehibe amin’ny Kristianina ankehitriny io lesona io. Manao araka izay fara heriny mantsy i Satana mba hiremby ny vahoakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 12:9, 12, 17) Ny hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no tanjony, mba tsy hahazoantsika intsony ny fankasitrahany sy ny fiainana mandrakizay. (1 Petera 5:8) Matoky anefa isika fa hiaro antsika Andriamanitra raha mitoetra ho akaiky azy isika, ary mankatò avy hatrany ny tari-dalana omen’ny Teniny sy ny fandaminany. Hoy ny mpanao salamo: “Ny volon’elany no anaronany anao, ary ao ambanin’ny elany no hialofanao.”—Salamo 91:4.

Lasa remby ny firenena iray tsy nankatò

3. Inona no nanjo ny Isiraely noho izy tsy nankatò lava?

3 Niahy sy nanara-maso ny firenen’ny Isiraely i Jehovah, rehefa nankatò azy izy io. Indrisy anefa fa imbetsaka izy io no niodina tamin’ilay Mpanao azy, ka nitodika tany amin’ny andriamanitra hazo sy vato, dia ‘zava-poana tsy mahasoa na mahavonjy.’ (1 Samoela 12:21) Nikomy toy izany foana ilay firenena manontolo nandritra ny taonjato maro. Tafalatsaka lalina tao amin’ny fivadiham-pinoana àry izy io, ka tsy tafarina intsony. Nitaraina àry i Jesosy hoe: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo! Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.”—Matio 23:37, 38.

4. Ahoana no nahitana miharihary fa nafoin’i Jehovah i Jerosalema tamin’ny taona 70?

4 Niharihary hoe nafoin’i Jehovah ny Isiraely mpikomy tamin’ny taona 70. Tamin’io taona io, dia toy ny papango nipaoka an’i Jerosalema ny tafika romanina, izay nanandratra ny fanevany nisy sarina voromahery. Nandriaka ny ra satria feno olona nankalaza ny Paska ilay tanàna tamin’io fotoana io. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra izy ireo na dia nanao fanatitra maro be aza. Nampahatsiahy ny tenin’i Samoela tamin’i Saoly Mpanjaka tsy nankatò, io loza io. Hoy izy: “Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehovah? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.”—1 Samoela 15:22.

5. Fankatoavana manao ahoana no takin’i Jehovah, ary ahoana no ahalalantsika fa azo atao ny mankatò toy izany?

5 Fantatr’i Jehovah tsara ny fetran’ny mety ho vitan’ny olombelona tsy lavorary, na dia manantitrantitra ny amin’ny fankatoavana aza izy. (Salamo 130:3, 4) Ny fahatsoram-po sy ny fankatoavana atosiky ny finoana sy fitiavana ary tahotra sao tsy hampifaly azy no takiny. (Deoteronomia 10:12, 13; Ohabolana 16:6; Isaia 43:10; Mika 6:8; Romana 6:17) Azo atao ny mankatò toy izany, satria nisy ‘vavolombelona maro be toy ny rahona niaina talohan’i Kristy’ niatrika fisedrana mafy nefa tsy nivadika, na dia namoy ny ainy aza. (Hebreo 11:36, 37; 12:1) Nampifaly ny fon’i Jehovah tokoa izy ireny! (Ohabolana 27:11) Nisy koa anefa ireo tsy nankatò intsony tatỳ aoriana, na dia tsy nivadika aza tany am-boalohany. Iray amin’izany i Joasy Mpanjakan’i Joda fahiny.

Simban’ny naman-dratsy ilay mpanjaka

6, 7. Mpanjaka nanao ahoana i Joasy tamin’i Joiada mbola velona?

6 Saika nisy namono i Joasy Mpanjaka tamin’izy zazakely. Rehefa fito taona izy, dia nampiseho herim-po i Joiada Mpisoronabe rehefa namoaka azy avy tao amin’ny fiereny ary nanao azy ho mpanjaka. Toy ny ray sy mpanolo-tsaina ho an’i Joasy, i Joiada izay natahotra an’Andriamanitra. Noho izany, dia “nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah tamin’ny andro rehetra niainan’i Joiada mpisorona” ilay mpanjaka tanora.—2 Tantara 22:10–23:1, 11; 24:1, 2.

7 Anisan’ny asa tsara ‘mby tao am-pon’i Joasy’ ny fanamboarana ny tempolin’i Jehovah. Nampahatsiahy an’i Joiada Mpisoronabe izy, fa nilaina nangonina ny hetran’ny tempoly avy tany Joda sy Jerosalema, “araka ny didin’i Mosesy”, mba hamatsiana vola hanaovana ilay asa. Azo inoana fa nianatra sy nankatò ny Lalàn’Andriamanitra ilay mpanjaka tanora, araka ny nampirisihan’i Joiada azy. Vetivety àry dia vita ny asa tao amin’ny tempoly sy ny fanaka nampiasaina tao.—2 Tantara 24:4, 6, 13, 14; Deoteronomia 17:18.

8. a) Inona no tena nahatonga an’i Joasy ho lavo teo amin’ny ara-panahy? b) Inona no nataon’ilay mpanjaka tatỳ aoriana noho izy tsy nankatò?

8 Nampalahelo fa tsy nankatò an’i Jehovah intsony i Joasy avy eo. Nahoana? Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Rehefa maty Joiada, dia avy ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka. Ary nandao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy, dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.” Tsy nihaino ny mpaminanin’Andriamanitra intsony koa ilay mpanjaka, noho ny fitaoman-dratsin’ny mpanapaka ny Joda. Anisan’izany mpaminany izany i Zakaria, zanak’i Joiada, izay sahy nananatra an’i Joasy sy ny vahoaka tsy nankatò. Tsy nibebaka anefa i Joasy fa nandidy kosa ny hitoraham-bato an’i Zakaria ho faty. Tena nanjary mafy fo sy tsy nankatò i Joasy! Noho izy nanaiky hotaomin’ny naman-dratsy no nahatonga izany rehetra izany.—2 Tantara 24:17-22; 1 Korintiana 15:33.

9. Inona no niafaran’i Joasy sy ny mpanapaka ka manasongadina fa hadalana ny tsy mankatò?

9 Inona no niafaran’i Joasy sy ny mpanapaka namany ratsy fanahy, noho izy nandao an’i Jehovah? Nanafika an’i Joda ny miaramilan’i Syria. “Vitsy” izy ireo nefa “matiny avokoa ny mpanapaka rehetra.” Noteren’ny mpanafika koa ilay mpanjaka hanome azy ireo ny fananany mbamin’ny volamena sy volafotsin’ny fitoerana masina. Tsy maty i Joasy saingy ketraka sy narary. Ny mpanompony ihany no namono azy taoriana kelin’izay. (2 Tantara 24:23-25; 2 Mpanjaka 12:18, 19) Marina tokoa ny tenin’i Jehovah tamin’ny Isiraely hoe: “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa hianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny . . . dia ho tonga aminao sy hahatratra anao [ny] fanozonana”!—Deoteronomia 28:15.

Voavonjy ilay mpitan-tsoratra satria nankatò

10, 11. a) Nahoana no mahasoa ny misaintsaina ny torohevitra nomen’i Jehovah an’i Baroka? b) Inona no torohevitra nomen’i Jehovah azy?

10 Kivy ve ianao indraindray, satria vitsy ny olona liana amin’ny vaovao tsara eny am-pitoriana? Somary mitsiriritra kely ny mpanan-karena sy ny fomba fiainany manaram-po amin’izay tiany ve ianao indraindray? Raha izany no izy, dia saintsaino izay nitranga tamin’i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia, sy ny torohevitra feno fitiavana nomen’i Jehovah azy.

11 Mbola teo am-panoratana faminaniana i Baroka no nomarihin’i Jehovah manokana. Nahoana? Satria nanomboka nitsetra tena i Baroka. Naniry zavatra tsara kokoa noho ilay tombontsoam-panompoana manokana nananany izy. Voamarik’i Jehovah izany fiovan’ny toe-tsain’i Baroka izany. Nomeny izao torohevitra mazava nefa tamin-katsaram-panahy izao àry izy: “Mitady zavatra lehibe ho anao va hianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, . . . fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao.”—Jeremia 36:4; 45:5.

12. Nahoana isika no tsy tokony hikatsaka “zavatra lehibe” ho an’ny tenantsika eto amin’ity tontolo ity?

12 Tsapanao amin’ireo tenin’i Jehovah ireo ve ny fiahiany lalina an’i Baroka, lehilahy tena tsara, mpanompo nahatoky sy be herim-po teo anilan’i Jeremia? I Jehovah koa ankehitriny dia miahy lalina an’ireo olona alaim-panahy hikatsaka izay heveriny fa hampanan-karena azy kokoa eto amin’ity tontolo ity. Soa ihany fa maro no toa an’i Baroka, ka manaiky ny fanitsiana amim-pitiavana ataon’ny rahalahy matotra sy araka ny fanahy. (Lioka 15:4-7) Enga anie isika rehetra hahatakatra fa tsy misy fanantenana ho an’ireo mikatsaka “zavatra lehibe” ho an’ny tenany eto amin’ity tontolo ity. Tsy ho tena sambatra izy ireo. Ny tena ratsy kokoa aza dia madiva hanjavona koa izy ireo, miaraka amin’ity tontolo tia tena ity sy ny filany.—Matio 6:19, 20; 1 Jaona 2:15-17.

13. Inona no lesona momba ny fanetren-tena ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Baroka?

13 Mampianatra antsika hanetry tena koa ny tantaran’i Baroka. Mariho fa tsy nanoro hevitra nivantana an’i Baroka i Jehovah, fa niteny azy tamin’ny alalan’i Jeremia. Azo inoana fa fantatr’i Baroka tsara ny kileman’i Jeremia sy ny fahazarany ary ny toetrany. (Jeremia 45:1, 2) Tsy niavonavona anefa i Baroka. Nanetry tena kosa izy ary takany fa i Jehovah no tena nanome ilay torohevitra. (2 Tantara 26:3, 4, 16; Ohabolana 18:12; 19:20) Aoka àry isika ho toa an’i Baroka raha ‘azon’ny ota tsy nahy’ ka mahazo torohevitra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Aoka isika ho matotra, hahay hanavaka ara-panahy, ary hanetry tena.—Galatiana 6:1.

14. Nahoana no mahasoa antsika ny mankatò ny mpitondra antsika?

14 Manampy ireo manome torohevitra koa isika raha manetry tena toy izany. Hoy ny Hebreo 13:17: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.” Tsy mora ho an’ny anti-panahy ny manatanteraka io andraikiny io. Imbetsaka izy ireo no mivavaka mafy amin’i Jehovah, mba hanomezany azy ireo herim-po sy fahendrena ary fahaiza-mandanjalanja mba hanaovana izany! Aoka àry isika hankasitraka “ny tahaka ireny.”—1 Korintiana 16:18.

15. a) Ahoana no nampisehoan’i Jeremia fa natoky an’i Baroka izy? b) Inona no valisoa azon’i Baroka noho izy nanetry tena sy nankatò?

15 Miharihary fa nanitsy ny fomba fisainany i Baroka satria nanendry azy hanao asa tena sarotra i Jeremia avy eo. Nirahiny ho any amin’ny tempoly izy mba hamaky ilay didim-pitsarana nasain’i Jeremia nosoratany iny ihany. Nankatò ve i Baroka? Eny, “nanao araka izay rehetra nandidian’i Jeremia mpaminany azy” izy. Novakiny tamin’ny mpanapaka an’i Jerosalema mihitsy aza io hafatra io, ary azo antoka fa nitaky herim-po be izany. (Jeremia 36:1-6, 8, 14, 15) Noravan’ny Babylonianina ilay tanàna, rehefa afaka 18 taona teo ho eo. Azo antoka fa tena velom-pankasitrahana i Baroka noho izy voatsimbina, satria nihaino ny fampitandreman’i Jehovah izy ka tsy nitady “zavatra lehibe” ho an’ny tenany intsony!—Jeremia 39:1, 2, 11, 12; 43:6.

Namonjy aina ny fankatoavana nandritra ny fahirano

16. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa nangoraka ny Jiosy tany Jerosalema izy, nandritra ny fahirano nataon’ny Babylonianina tamin’ny 607 T.K.?

16 Niharihary indray fa nangoraka ireo olona nankatò i Jehovah Andriamanitra, rehefa noravana i Jerosalema tamin’ny 607 Talohan’i Kristy. Tamin’ny fotoana nahamafy indrindra ilay fahirano, dia hoy izy tamin’ny Jiosy: “Indro, ataoko eo anoloanareo ny làlan’ny fiainana sy ny làlan’ny fahafatesana: Izay mbola mitoetra eto amin’ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahi-rano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.” (Jeremia 21:8, 9) Mendrika haringana ny mponin’i Jerosalema. Nangoraka an’ireo nankatò azy anefa i Jehovah, na dia tamin’ilay fotoana nahamafy indrindra ilay fahirano aza. *

17. a) Nahoana no sarotra tamin’i Jeremia ny nankatò, rehefa nodidian’i Jehovah hilaza tamin’ny Jiosy natao fahirano izy mba ‘hanatona’ ny Kaldeanina? b) Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny fankatoavana sy ny herim-pon’i Jeremia?

17 Azo antoka fa sarotra tamin’i Jeremia ny nankatò, rehefa nasaina nilaza tamin’ny Jiosy mba hitolo-batana izy. Ny antony iray dia satria saro-piaro tamin’ny anaran’Andriamanitra izy. Tsy tiany hanala baraka an’io anarana io ny fahavalo, amin’ny filazana fa sampy tsy manana aina no nahatonga azy ireo handresy. (Jeremia 50:2, 11; Fitomaniana 2:16) Fantatr’i Jeremia koa fa nanao vivery ny ainy izy rehefa nilaza tamin’ny vahoaka mba hitolo-batana. Maro mantsy no hihevitra fa mampirisika ny olona hikomy amin’ny fanjakana izy. Tsy toran-kovitra anefa izy fa nankatò ka nilaza izay nambaran’i Jehovah. (Jeremia 38:4, 17, 18) Hafatra tsy be mpitia toy ny an’i Jeremia koa no torintsika. Io hafatra io koa no nahatonga an’i Jesosy ho natao tsinontsinona. (Isaia 53:3; Matio 24:9) Aoka àry isika tsy ‘ho voafandriky ny tahotra olona’ fa ho be herim-po ka hankatò sy hatoky tanteraka an’i Jehovah, toa an’i Jeremia.—Ohabolana 29:25.

Mankatò rehefa hanafika i Goga

18. Nahoana no ho sarotra amin’ny mpanompon’i Jehovah ny hankatò amin’ny hoavy?

18 Ho rava tsy ho ela ny tontolo ratsin’i Satana manontolo, mandritra ny “fahoriana lehibe” mbola tsy nisy toy izany. (Matio 24:21) Azo antoka fa ho voasedra ny finoan’ny vahoakan’Andriamanitra aloha sy mandritra io fotoana io, ary ho sarotra amin’izy ireo ny hankatò. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa hanafika ny mpanompon’i Jehovah amin’ny fomba mahery vaika i Satana, “i Goga avy any amin’ny tany Magoga.” Hanomana “miaramila betsaka” izy. “Tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany” izy ireo. (Ezekiela 38:2, 14-16) Ho vitsy ny vahoakan’Andriamanitra raha hampitahaina aminy sady tsy hanana fitaovam-piadiana. Hialoka eo ambany ‘elatr’i’ Jehovah izay novelariny mba hiaro ny mpankatò àry, izy ireo.

19, 20. a) Nahoana no tena niankinan’ny aina ny fankatoavan’ny Isiraely, tamin’izy ireo tonga teo amin’ny Ranomasina Mena? b) Nahoana isika no handray soa raha misaintsaina tsara amim-bavaka ny zava-niseho tamin’izay?

19 Mampahatsiahy antsika ny nandaozan’ny Isiraely an’i Ejipta izany. Namely an’i Ejipta tamin’ny loza folo i Jehovah. Tsy nentiny nanitsy nankany amin’ny Tany Nampanantenaina anefa ny vahoakany avy eo, fa nentiny nidina nankany amin’ny Ranomasina Mena. Ho tapi-dalan-kaleha anefa izy ireo tany ary ho mora notafihina. Raha miaramila no nijery izany tetik’ady izany, dia toa tena nampidi-doza ilay izy. Raha teo ianao tamin’izay, ho nankatò ny tenin’i Jehovah nampilazainy an’i Mosesy ve ianao? Ho natoky tanteraka an’i Jehovah ve ianao ka ho nidina nankany amin’ny Ranomasina Mena, nefa fantatrao fa tsy any ny lalana mankany amin’ny Tany Nampanantenaina?—Eksodosy 14:1-4.

20 Hitantsika ny hery mahagaga nampiasain’i Jehovah hanavotana ny vahoakany, rehefa vakintsika ny tohin’ny Eksodosy toko faha-14. Hatanjaka tokoa ny finoantsika raha mianatra sy misaintsaina ireny tantara ireny isika! (2 Petera 2:9) Rehefa matanjaka ny finoantsika, dia ho tapa-kevitra kokoa isika hankatò an’i Jehovah, na dia toa mifanohitra amin’ny eritreritry ny olona aza izay takiny. (Ohabolana 3:5, 6) Manontania àry tena hoe: ‘Miezaka hanatanjaka ny finoako ve aho amin’ny fahazotoana mianatra ny Baiboly, mivavaka, misaintsaina, ary mivory tsy tapaka miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra?’—Hebreo 10:24, 25; 12:1-3.

Mampisy fanantenana ny fankatoavana

21. Inona avy no fitahiana ho azon’ireo mankatò an’i Jehovah, dieny izao sy amin’ny hoavy?

21 Tanteraka dieny izao amin’ireo olona mihevitra ny fankatoavana an’i Jehovah ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany, ny Ohabolana 1:33 hoe: “Fa izay mihaino [ka mankatò] Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.” Hahavariana tokoa ny fahatanterahan’ireo teny mampahery ireo mandritra ny andro famalian’i Jehovah! Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” (Lioka 21:28) Miharihary fa ireo mankatò an’Andriamanitra ihany no hino sy hanaraka ireo teny ireo.—Matio 7:21.

22. a) Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no tsy tokony hatahotra? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

22 Tsy tokony hatahotra koa isika satria “tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” (Amosa 3:7) Tsy manome tsindrimandry mpaminany toy ny taloha intsony i Jehovah ankehitriny. Maniraka ny mpanompo mahatoky kosa izy mba hanome sakafo ara-panahy tonga ara-potoana ho an’ny ankohonany. (Matio 24:45-47) Zava-dehibe tokoa àry ny ankatoavantsika an’io “mpanompo” io! Mampiharihary ny fihetsitsika eo anoloan’i Jesosy, tompon’ilay “mpanompo”, izany fankatoavana izany, araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka. Izy ilay ‘ankatoavin’ny firenena.’—Genesisy 49:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Na dia lazaina aza matetika hoe saro-tahotra ny reniakoho, dia ‘hiady mandra-pahafatiny izy mba hiarovana ny zanany’, hoy ny boky navoakan’ny fikambanana iray mpiaro biby.

^ feh. 16 Asehon’ny Jeremia 38:19 fa nisy Jiosy maromaro “nanatona” ny Kaldeanina ka tsy novonoina fa nentina ho babo. Tsy fantatsika raha nitolo-batana izy ireo ho fankatoavana ny tenin’i Jeremia. Voamarina anefa ny tenin’ilay mpaminany satria tsy maty izy ireo.

Tadidinao Ve?

• Inona no nanjo ny Isiraely noho izy tsy nankatò lava?

• Nahatonga an’i Joasy Mpanjaka hanao inona ny namany, fony izy mbola kely, sy rehefa lehibe izy?

• Inona avy no lesona ianarantsika avy amin’i Baroka?

• Nahoana ny vahoaka mpankatò an’i Jehovah no tsy matahotra na dia efa hifarana aza ity tontolo ity?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Nankatò an’i Jehovah i Joasy rehefa i Joiada no nitari-dalana azy

[Sary, pejy 15]

Ny naman-dratsy no nitarika an’i Joasy hamono ny mpaminanin’Andriamanitra

[Sary, pejy 16]

Ho nankatò an’i Jehovah ve ianao ka ho nahita ny heriny lehibe nahavonjy?