Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanora Tia ny Fahamarinana

Tanora Tia ny Fahamarinana

Tanora Tia ny Fahamarinana

“INONA no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto?”, hoy ny mpanao salamo hebreo iray, an’arivo taona lasa izay. (Salamo 119:9) Mbola mipetraka io fanontaniana io ankehitriny satria miatrika zava-manahirana maro ny tanora, eran-tany. Voan’ny SIDA ny tanora maro noho ny fijangajangana ary efa ho ny antsasaky ny olona voan’io areti-mandoza io no eo anelanelan’ny 15 sy 24 taona. Miteraka olana maro koa ny fidorohana zava-mahadomelina, izay mahafaty ny tanora maro. Mitaona ny tanora hanao zavatra ratsy koa ny mozika mampietry, ny filma feno herisetra sy fahalotoam-pitondran-tena, ny fampisehoana ao amin’ny tele sy vidéo, ary ny sary vetaveta ao amin’ny Internet. Noho izany, dia ray aman-dreny sy tanora maro ankehitriny no mametraka fanontaniana toy ny an’ilay mpanao salamo.

Izao no namalian’io mpanao salamo io ilay fanontaniany: “Ny fitandremana araka ny teninao.” Misy tari-dalana tsara ho an’ny tanora tokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly ary mahita fahombiazana ny tanora maro rehefa manaraka azy io. (Salamo 119:105) Andeha isika hiresaka momba ny tanora vitsivitsy, anisan’ireo tia an’Andriamanitra sy miezaka hatanjaka ara-panahy hatrany, na dia eto amin’ity tontolo tia fahafinaretana sy tia vola ity aza.

Tanora mankasitraka ny tari-dalan’ny ray aman-dreniny

Mpisava lalana nandritra ny taona vitsivitsy i Jacob Emmanuel, talohan’ny nanompoany tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Meksika. Mankasitraka ny fomba nitomboan’ny fitiavany ny fanompoana an’Andriamanitra izy, ka niteny hoe: “Ny ray aman-dreniko no tena nitarika ahy, na dia tena nanampy ahy koa aza ireo rahalahy za-draharaha izay nanjary namako. Nanampy ahy ho tia ny asa fitoriana izy ireo. Nitarika ahy tsimoramora tao amin’ny lalana tsara izy ireo, nefa tsy nanery ahy.”

Tsaroan’i David, izay efa nanompo manontolo andro nandritra ny taona maro, koa fa nanomboka nanao mpisava lalana manokana ny ray aman-dreniny raha mbola kely izy sy ny rahalahiny. Tena nampiaiky volana azy izany. Mbola nanao mpisava lalana manokana ihany ny reniny taorian’ny nahafatesan’ny rainy. Sady nitory ny vaovao tsara izy no nikarakara azy ireo. Hoy i David: “Tsy mba nanery ahy hanao mpisava lalana izany mihitsy izy ireo. Tena nahafaly anay mianakavy anefa ny fanompoan’ny mpisava lalana, ka nahatonga ahy hanao io asa io koa ny fiarahanay nanao izany.” Hoy i David momba ny maha zava-dehibe ny tari-dalana tsara sy ny fikarakaran’ny ray aman-dreny: “Namaky taminay tantara avy tao amin’ilay boky hoe Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray  * ny reniko, isan’alina. Nanampy anay ho tia zavatra ara-panahy ny fomba namakiany azy ireny taminay.”

Fankasitrahana ny fivoriana

Sarotra amin’ny tanora sasany ny mihevitra ny fivoriana kristianina ho sarobidy. Mivory izy ireo satria fotsiny entin’ny ray aman-dreniny. Mety hanjary ho tian’izy ireo ihany anefa ny fivoriana rehefa mandeha foana izy ireo. Anisan’izany i Alfredo, izay nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’izy 11 taona. Niaiky izy fa nanao izay tsy handehanana tany am-pivoriana, tamin’izy dimy taona teo ho eo. Nampatory azy mantsy ny fivoriana, nefa tsy namela azy hatory mihitsy ny ray aman-dreniny. Hoy izy: “Lasa nahaliana ahy tsikelikely ny fivoriana rehefa nihalehibe aho, indrindra taorian’ny nianarako namaky teny sy nanoratra. Nanomboka nanome valin-teny tamin’ny fomba fiteniko manokana mantsy aho.”

Nilaza i Cintia, 17 taona, sady mpisava lalana maharitra, fa tena nanampy azy hampitombo ny fitiavany ny fanompoana an’Andriamanitra ny namana tsara. Hoy izy: “Nifandray tsara tamin’ny mpiara-manompo aho ary namonjy fivoriana tsy tapaka. Noho izany, dia tsy mba manina ny namako tany amin’izao tontolo izao aho, na ireo zavatra fanaon’ny tanora, toy ny fandehanana any amin’ny toeram-pandihizana. Nahatonga ahy haniry hanome ho an’i Jehovah izay rehetra nananako ny fandrenesana ireo valin-teny sy fitantarana tany am-pivoriana. Tsapako fa ny fahatanorako no zavatra tsara indrindra ananako. Nanapa-kevitra àry aho fa hampiasa azy io hanompoana Azy.”

Niaiky toy izao anefa izy: “Mora tamiko ny nahita hirika tsy hamonjena fivoriana, taloha kelin’ny batisako. Nataoko ho fialana ny entimody na ny zavatra hafa natao tany am-pianarana. Maro ny fivoriana tsy novonjeko ary nanomboka nisy fiantraikany teo amin’ny ara-panahiko izany. Nanomboka niaraka tamin’ny tovolahy iray tsy nianatra Baiboly aho. Voavahako ara-potoana ihany anefa izany olana izany, noho ny fanampian’i Jehovah.”

Fanapahan-kevitry ny tena samirery

Hoy i Pablo, tanora hafa manompo manontolo andro, rehefa nanontaniana izay heveriny fa tena manampy mba hitomboan’ny fitiavana ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra: “Misy roa izany amiko: mianatra samirery tsy tapaka ary mazoto mitory. Isaorako ny ray aman-dreniko fa nampianatra ahy ny marina momba an’i Jehovah, ary heveriko fa io no zavatra tsara indrindra azon’izy ireo nomena ahy. Izaho mihitsy anefa no tsy maintsy resy lahatra fa tokony ho tia an’i Jehovah. Nila nahafantatra ‘ny sakany sy ny halalin’ny’ fahamarinana ao amin’ny Baiboly aho, noho izany. Izany ihany no hanampy antsika haniry mafy hianatra ny Tenin’Andriamanitra. Mety ho lasa ‘afo mirehitra’ ao am-pontsika izy io, ka hanosika antsika hitory. Tsy hihena mihitsy ny fankasitrahantsika ny fahamarinana rehefa mazoto mitory toy izany isika.”—Efesiana 3:18; Jeremia 20:9.

Tsaroan’i Jacob Emmanuel, koa fa zava-dehibe ny hisafidianan’ny tena samirery hanompo an’i Jehovah. Nilaza izy fa tsy mba nanery azy hatao batisa mihitsy ny ray aman-dreniny. “Mino aho fa tena nety izany, satria hitako ny vokany tsara. Nanapa-kevitra ny hiaraka hatao batisa, ohatra, ny tanora namako sasany. Na dia tsara aza izany, dia hitako fa nentin’ny fihetseham-po fotsiny ny sasany, ary tsy ela taorian’izay dia nihalefy ny zotom-pony tamin’ny asan’ilay Fanjakana. Tsy mba nanery ahy hanolo-tena ho an’i Jehovah kosa ny ray aman-dreniko. Izaho samirery no nanapa-kevitra.”

Ny anjara asan’ny fiangonana

Nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny tanora sasany nefa tsy nampian’ny ray aman-dreniny. Mety ho sarotra tokoa amin’izay ny hianatra hanao izay mety sy hanao izany hatrany.

Hitan’i Noé fa tena nitondra soa ho azy ny fahamarinana. Olona mora tezitra sy nahery setra hatramin’ny fahakeliny izy. Nihatsara toetra izy rehefa nanomboka nianatra Baiboly, tamin’izy 14 taona. Tena nankasitraka izany ny ray aman-dreniny na dia tsy liana tamin’ny Baiboly aza izy ireo tamin’izany. Naniry hanompo an’Andriamanitra tamin’ny fomba feno kokoa i Noé rehefa nandroso ara-panahy. Manompo manontolo andro izy ankehitriny.

Nanomboka liana tamin’ny fahamarinana kristianina koa i Alejandro, raha mbola kely, na dia tsy liana aza ny ray aman-dreniny. Hoy izy, rehefa naneho ny fankasitrahany ny fahamarinana: “Katolika izahay. Tsy namaly ireo fanontaniana nanakorontan-tsaina ahy hatramin’ny fahakely ny eglizy, ka nanjary nanaraka ny fampianaran’ny Kominisma izay tsy nino an’Andriamanitra aho. Nanampy ahy hahazo ny fahalalana an’Andriamanitra kosa ny fandaminan’i Jehovah. Tena namonjy ahy ara-bakiteny izy io satria raha tsy nianatra ny Baiboly aho, dia nety ho efa naloto fitondran-tena, na mpisotro toaka, na mpifoka rongony ohatr’izay. Nety ho efa anisan’ny antoko politika mpitaky fanovana mihitsy aza aho, ka ho nampalahelo ny vokany.”

Ahoana no ahafahan’ny tanora hikatsaka hatrany ny fahamarinana ka hiandany amin’izany, na dia tsy manampy azy aza ny ray aman-dreniny? Mazava ho azy, fa mandray anjara lehibe ny anti-panahy sy ny hafa eo anivon’ny fiangonana. Hoy i Noé: “Tsy mba mahatsiaro ho irery mihitsy aho, satria eo anilako mandrakariva i Jehovah. Manohana ahy koa ireo rahalahy sy anabavy be fitiavana izay nanjary raiko sy reniko ary rahalahiko ara-panahy.” Manompo ao amin’ny Betela izy izao ary mampiasa ny fotoanany hanompoana an’i Jehovah. Hoy koa i Alejandro: “Tena be fiahiana ireo anti-panahy teo anivon’ny fiangonana nisy ahy. Ho velom-pankasitrahana foana aho noho izany tombontsoa izany. Tena velom-pankasitrahana aho, satria be fisalasalana toy ny tanora rehetra aho, raha vao nanomboka nianatra Baiboly, tamin’izaho 16 taona. Tsy nandao ahy mihitsy ny mpianakavin’ny finoana. Nisy foana ny olona nanasa ahy ho any an-tranony sy hiara-misakafo taminy, sady nandray ahy tamin’ny fony manontolo.” Efa nanompo manontolo andro nandritra ny 13 taona izao i Alejandro.

Misy milaza fa natao ho an’ny olon-dehibe ihany ny fivavahana. Tanora maro anefa no nianatra ny fahamarinana ara-baiboly, hatramin’izy ireo mbola kely, ka nanjary tia an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy. Azo ampiharina amin’ireo tanora ireo ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 110:3 manao hoe: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao; amin’ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.”

Sarotra amin’ny tanora ny mianatra ny fahamarinana sy manaraka azy io hatrany. Mahafaly anefa ny mahita tanora maro mifandray akaiky amin’ny fandaminan’i Jehovah sy manatrika fivoriana tsy tapaka ary mazoto mianatra Baiboly. Noho izany, dia nanjary tia ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanompoana Azy amin’ny fony manontolo izy ireo!—Salamo 119:15, 16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1958, fa tsy atao pirinty intsony.