Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Endrika fampiraisam-pinoana ve ny fividianana trano avy amin’ny antokom-pivavahana hafa mba hanaovana Efitrano Fanjakana?

Tsy manao fifampiraharahana toy izany amin’ny fivavahana hafa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny ankapobeny. Mety ho raharaha ara-barotra fotsiny anefa izany fa tsy voatery ho fampiraisam-pinoana. Tsy miara-miasa amin’ny fivavahana hafa ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanorenana toeram-pivavahana hampiasain’izy roa tonta.

Inona no atao hoe fampiraisam-pinoana eo imason’i Jehovah? Diniho ity toromariky ny apostoly Paoly ity: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino? Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? . . . ‘Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.’” (2 Korintiana 6:14-17) Inona no tian’i Paoly holazaina amin’ny hoe ‘firaisana’ sy ‘fiombonana’?

Tafiditra amin’ilay firaisana resahin’i Paoly ny fivavahana sy fanaovana asa ara-panahy miaraka amin’ny mpanompo sampy sy ny tsy mpino. Nampitandrina ny Korintianina izy hoe: “Tsy mahazo mihinana amin’ny . . . latabatry ny demonia hianareo.” (1 Korintiana 10:20, 21) Noho izany, dia ny fivavahana na ny fanaovana asa ara-panahy miaraka amin’ny fikambanana ara-pivavahana hafa no atao hoe fampiraisam-pinoana. (Eksodosy 20:5; 23:13; 34:12) Raha mividy trano nampiasain’ny fikambanana ara-pivavahana hafa ny fiangonana, dia mba hahazoana Efitrano Fanjakana fotsiny no anton’izany. Tokony hesorina ny zava-drehetra mifandray amin’ny fivavahan-diso ao amin’ilay trano, alohan’ny hampiasana azy ho Efitrano Fanjakana. Avy eo, dia atokana ho an’i Jehovah izy io mba hivavahana aminy irery ihany. Tsy misy firaisana na fiombonana mihitsy eo amin’ny fivavahana marina sy diso.

Tokony hoferana ho faran’izay kely ny fifandraisana amin’ilay fikambanana, ary tokony ho momba ilay varotra irery ihany. Tokony hotadidin’ireo Kristianina eo anivon’ny fiangonana ny fampitandreman’i Paoly hoe “aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino.” Na dia tsy mihevi-tena ho ambony noho ireo tsy mitovy finoana amintsika aza isika dia tsy mifanerasera amin’izy ireo, ary mitandrina mba tsy ho voataona hanaraka ny fivavahany. *

Ahoana ny amin’ny fanofan’ny fiangonana ny tranon’ny fikambanana ara-pivavahana hafa? Mazàna no mifandray matetika amin’io fikambanana io ny fiangonana raha manofa ny tranony. Tokony hohalavirina anefa izany. Na ho amin’ny fisehoan-javatra iray fotsiny aza no hanofana ilay trano dia tokony hodinihin’ny anti-panahy ihany ireto manaraka ireto: Hisy sampy na zavatra hafa ampiasaina amin’ny fivavahana ve ao anatiny na ivelan’ilay trano? Inona no hoeritreretin’ny olona eo amin’ny manodidina raha hampiasa io trano io isika? Mety ho tafintohina ve ny olona eo anivon’ny fiangonana? (Matio 18:6; 1 Korintiana 8:7-13) Mandinika ireo lafin-javatra ireo ny anti-panahy, ary avy eo mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany. Tsy maintsy asiany fiheverana koa ny feon’ny fieritreretany manokana sy ny an’ny fiangonana manontolo, rehefa hanapa-kevitra raha hividy sy hanova ilay trano ho Efitrano Fanjakana izy ireo na tsia.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1999, pejy faha-28 sy 29, manazava ny maha mety na tsy mety ny fifampiraharahana amin’ny fikambanana tsy ankasitrahan’i Jehovah.

[Sary, pejy 27]

Novidina ka nohavaozina ho Efitrano Fanjakana ity trano ity, izay synagoga taloha