Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fotoam-pifaliana Tany Amin’ireo Firenena Balkanika

Fotoam-pifaliana Tany Amin’ireo Firenena Balkanika

Fotoam-pifaliana Tany Amin’ireo Firenena Balkanika

Taona 1922 tamin’izay. Nisy fivoriana nataon’ny Mpianatra Baiboly Tso-po na Vavolombelon’i Jehovah tany Innsbruck, any Aotrisy. Nanatrika tao koa i Franz Brand, tovolahy avy any Vojvodine, any Serbia. Raha vao nanonona ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ilay mpandahateny, dia nisy vahoaka romotra nanomboka nihorakoraka. Tsy afaka nanohy intsony àry ilay mpandahateny, ka noravana ilay fivoriana. Nisy vokany lalina tamin’i Franz anefa izay reny, ka nanomboka nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy. Kely dia kely toy izany ny fanombohan’ny fitomboana ara-panahy tany amin’ny iray amin’ireo firenena balkanika, nefa nahafaly fa lasa be dia be izy io tatỳ aoriana.

MAMPISEHO ady sy faty miampatrampatra ny anarana hoe Iogoslavia, ho an’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Vonoan’olona mahatsiravina, mpitsoa-ponenana kivy, trano rava ary kamboty mijaly no sary mampalahelo tonga ao an-tsaina. Tsy misy teny azo ilazana ny fijaliana mafy sy fahantrana vokatry ny ady nandrava ireo firenena balkanika nanomboka tamin’ny 1991 ka hatramin’ny 1995. Tsy nanantena intsony ny olona tany hoe mbola hisy olombelona hahavita hitondra firoboroboana ara-toe-karena sy filaminana, atỳ aoriana. Sahirana ara-toe-karena sady tena mahantra ny olona any Iogoslavia teo aloha, noho ny ady. *

Angamba tsy dia hisy hanantena hahita olona faly any amin’io firenena io, noho izany fijaliana izany. Toa mahagaga anefa fa tena misy olona faly any. Nisy andro iray nahafaly azy ireo manokana mihitsy aza tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-20. Inona no ifandraisan’i Franz Brand, ilay tovolahy voaresaka etsy ambony, amin’izany fifaliana izany?

Fitomboana ara-panahy tany amin’ireo firenena balkanika

Tena faly noho ireo fahamarinana vaovao reny i Franz Brand ka tapa-kevitra ny hitory ny vaovao tsara. Lasa mpanety tany Maribor, tanàn-dehibe any Slovenia eo akaikin’ny sisin-tanin’i Aotrisy, izy, ary nanomboka nitory tamin’ireo olona nohetezany. Sady nipetraka izy ireo, matetika, no nihaino tsara. Lasa nisy mpitory ilay Fanjakana vitsivitsy tany Maribor tamin’ny faramparan’ireo taona 1920, noho ny ezaka nataon’i Franz. Nisy lahateny natao tany amin’ny hotely fisakafoana iray, ka nety tsara tatỳ aoriana ny niantsoana azy io tamin’ny fitenin-dry zareo midika hoe Hotely Fisakafoana Tontolo Vaovao.

Niely nanerana an’ilay firenena ny vaovao tsara, rehefa nandeha ny fotoana. Tena nanampy tamin’ny fampielezana azy io ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” (naharitra adiny valo izy io, ary nisy sarimihetsika sy sary maizina ary lahateny noraisim-peo). Tamin’ireo taona 1930, dia nanatevin-daharana an’ireo Vavolombelona tany Iogoslavia ny mpisava lalana alemà nandositra avy tany aminy, satria tena nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina. Navelany ny fiainana nampiadana, ka niezaka nandeha nitory tany amin’ny faritra lavitra indrindra tamin’io firenena be tendrombohitra io izy ireo. Toa tsy dia nisy nandray firy ny hafatra nentin’izy ireo, tamin’ny voalohany. Mpitory 150 monja no namerina tatitra tany am-piandohan’ireo taona 1940.

Nanomboka nisy fanenjehana mafy tamin’ny 1941, ary naharitra hatramin’ny 1952 izany. Faly be mihitsy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nekena ara-dalàna izy ireo, ny 9 Septambra 1953, nandritra ny fitondrana kominista notarihin’ny Jeneraly Tito! Nisy mpitory ny vaovao tsara 914 tamin’io taona io, ary nitombo hatrany izany. Lasa 7 420 ny isan’ny mpitory tamin’ny 1991, ary 16 072 no nanatrika ny Fahatsiarovana.

Natao tamin’ny 16 ka hatramin’ny 18 Aogositra 1991 tany Zagreb, any Kroasia, ny fivoriambe iraisam-pirenena voalohany tany amin’io firenena io. Olona 14 684, avy ao amin’ilay firenena sy avy any ivelany, no nanatrika. Nanomana ny vahoakan’i Jehovah ho amin’ny fisedrana niandry azy io fivoriambe tsy hay hadinoina io. Ny bisy nitondra ny solontena serba hody no anisan’ny nandalo farany teo amin’ny toeram-pisavana teo anelanelan’i Kroasia sy Serbia. Nakatona ny sisin-tany raha vao lasa ny bisy farany, ary nanomboka ny ady.

Manana antony ifaliana ny vahoakan’i Jehovah

Tena fotoam-pitsapana faran’izay mafy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny firenena balkanika ireo taona nisian’ny ady. Manana antony ifaliana anefa izy ireo satria namaly soa i Jehovah, ka nampitombo be azy ireo. Nitombo maherin’ny 80 isan-jato ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tany Iogoslavia teo aloha, nanomboka tamin’ny 1991. Nahatratra tampon’isa 13 472 izany tamin’ny taom-panompoana 2001.

Ny biraon’ny sampan’i Zagreb sy Belgrade (Serbia) foana no nikarakara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Iogoslavia teo aloha. Nilaina anefa ny nanorina birao vaovao tany Ljubljana (Slovenia) sy Skopje (Macédoine), noho ny fitomboana sy ny toe-draharaha ara-politika. Nilaina nampiana koa ny birao tany Belgrade sy Zagreb. Mpikambana 140 eo ho eo no manompo ao amin’ireo birao ireo. Tanora ny ankamaroany ary tena be zotom-po sy fitiavana an’i Jehovah. Maro amin’izy ireo no mandika boky fianarana Baiboly amin’ny teny kroaty, masedonianina, serba, ary slovène. Tena faly ny Vavolombelon’i Jehovah any satria miara-mivoaka amin’ny boky sy gazety amin’ny teny anglisy, izay nandikana azy, ny ankamaroan’ny boky sy gazetin’izy ireo! Mampionona sy manome fanantenana olona maro ireo boky sy gazety ireo.

Antony hafa mahafaly koa ny fanampiana tsy misy fitiavan-tena eo amin’ny asa fitoriana, omen’ireo mpanompo manontolo andro avy any an-tany hafa. Vao mainka faly koa ireo fiangonana satria Efitrano Fanjakana tsara tarehy maromaro no naorina tato anatin’ny taona faramparany. Mbola nisy zava-mahafaly niandry azy ireo anefa. Fa nahoana?

Tetik’asa hafakely

Mpitory maro no nanontany tena matetika hoe: ‘Mba hahazo Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteninay ihany ve izahay?’ Niandry foana izy ireo isan-taona hoe hisy fampandrenesana momba izany any amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Ahoana anefa no hahavitana izany tetik’asa lehibe izany? Vao taona vitsivitsy mantsy no niforona ny ekipa mandika teny amin’ireo fiteny ireo sady somary vitsy koa ry zareo.

Rehefa avy nandinika ilay izy ny Filan-kevi-pitantanana, dia nanaiky hoe hanao tetik’asa miaraka ny ekipana mpandika teny kroaty sy masedonianina ary serba. Hiara-miasa akaiky izy ireo amin’izany ka afaka hifampizara traikefa sy torohevitra. Ny ekipa kroaty no hitarika ilay tetik’asa.

Andro tena nahafaly

Tsy hohadinoin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo firenena balkanika mihitsy ny 23 Jolay 1999. Tokony hiaraka hatao tany Belgrade, Sarajevo (Bosnia-Herzegovina), Skopje, ary Zagreb ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra.” Nisalasala nandritra ny fotoana elaela ireo rahalahy hoe ho azo atao sa tsia ny fivoriambe tany Belgrade, satria voarara ny fivorivoriana rehefa nandaroka baomba ny OTAN. Tena faly ireo rahalahy taorian’ny volana maro nisalasalana, rehefa nahafantatra fa ho afaka hiaraka ihany izy ireo! Mihoatra noho izay nantenainy anefa ny zavatra niandry azy ireo.

Nisy fampandrenesana manokana tany amin’ireo tanàna efatra nanaovana fivoriambe ireo, ny zoma tolakandro. Tsindrian-daona ireo mpanatrika 13 497 niandry izay holazain’ilay mpandahateny. Tsy tanan’izy ireo intsony ny hafaliany rehefa nasehon’ilay mpandahateny Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny kroaty sy serba. Nilaza koa izy fa nandroso tsara ny fandikana azy io amin’ny teny masedonianina. Tsy afaka namita ilay fampandrenesana ilay mpandahateny noho ny tehaka nirefodrefotra nataon’ny mpanatrika. Tany amin’ny fivoriamben’i Sarajevo, dia nangina tampoka ny mpanatrika satria taitra be. Tehaka lava be no nanaraka izany fahanginana izany. Tany Belgrade, dia mpanatrika maro no latsa-dranomasom-pifaliana, ary tapatapaka foana ilay fampandrenesana satria tsy nijanona nitehaka ny mpanatrika mandra-pahavitan’ilay izy. Tena faly ny rehetra!

Tena vao mainka nankasitrahana io fanomezana io satria nahazo nanao pirinty ny Soratra Hebreo amin’ny teny kroaty sy serba koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nakambana tamin’ny tsirairay tamin’ireo Soratra Hebreo ireo àry Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny kroaty sy serba. Natao tamin’ny tarehin-tsoratra romanina sy cyrillique koa ny Baiboly serba.

Velom-pankasitrahana noho ireo fanomezana tsara ireo sy ny tari-dalana azony ny vahoakan’i Jehovah any amin’ireo firenena balkanika, ka tena manaiky ireto tenin’i Davida ireto: “Na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao [Jehovah] no amiko.” Vonona hanao ‘ny fifaliana avy amin’i Jehovah ho fiarovana mafy ho azy’ izy ireo, na dia eo aza ny zava-tsarotra mbola atrehiny.—Salamo 23:4; Nehemia 8:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ireto ny repoblika enina nahaforona an’i Iogoslavia teo aloha: Bosnia-Herzegovina, Kroasia, Macédoine, Monténégro, Serbia, ary Slovenia.

[Sary, pejy 20]

Mpitory vitsivitsy voalohany avy any Maribor, Slovenia, mitory any amin’ny faritany lavitra