Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Hendre Amin’izay Hiafaranao’

‘Hendre Amin’izay Hiafaranao’

‘Hendre Amin’izay Hiafaranao’

Hoy i Jean de La Bruyère, mpanoratra frantsay tamin’ny taonjato faha-17: “Ny ankamaroan’ny olona dia mandany ireo taonany voalohandohany hanaovana izay hahatonga ireo farany ho feno alahelo.” Marina tokoa fa mety hiroa saina ny tanora iray, ka hanjary tsy ho afa-po sy hanenina. Na koa mety ho mafy loha sy hikiribiby amin’ny ditrany izy, ka tsy ho sambatra rehefa lehibe. Na ahoana na ahoana dia mety halahelo be ny olona tsy manao izay tokony ho nataony, na manao izay efa nandrarana azy.

Ahoana no hanalavirantsika izany? Hoy ny Tenin’Andriamanitra mampitandrina ny tanora miroa saina: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy sitrako izao.” (Mpitoriteny 12:1) Raha tanora ianao, dia manapaha hevitra ny hianatra momba ny “Mpanao anao” dieny izao.

Amin’ny fomba ahoana àry no anampian’ny Baiboly ny tanora mba tsy hanao hadalana? Izao no lazainy: “Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, mba ho hendry hianao amin’izay hiafaranao.” (Ohabolana 19:20) Asehon’ny Baiboly tsara koa fa miteraka voka-dratsy ny fandavana ny fahendren’Andriamanitra noho ny tsy firaharahana na noho ny fikomiana, mandritra ny fahatanorana na rehefa lehibe. (Ohabolana 13:18) “Andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana”, na fiainana mahafa-po sy mahafaly kosa no entin’ny fanarahana ny toro lalan’Andriamanitra.—Ohabolana 3:2.