Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Manohera ny Devoly”

“Manohera ny Devoly”

Manohera ny Devoly”

“Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.”—JAKOBA 4:7.

1. Inona no hitantsika manodidina antsika ankehitriny, ary nahoana ny voahosotra sy ny namany no mila mitandrina?

HOY ilay mpanoratra frantsay atao hoe André Malraux: “Nanjavona Andriamanitra, fa ny Devoly mbola eo.” Azo ilazana ny zavatra hitantsika manodidina antsika izany. Toa manaiky ho voafitaky ny Devoly mantsy ny olona, fa tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra. Mitarika azy ireo hanao ratsy i Satana “amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’izay ho very.” (2 Tesaloniana 2:9, 10) Ny mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena anefa no tena ataony lasibatra amin’izao ‘andro farany’ izao. Miady amin’ny Kristianina voahosotra, “izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy”, izy. (2 Timoty 3:1; Apokalypsy 12:9, 17) Mila mitandrina ireo voahosotra ireo sy ny namany manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany.

2. Ahoana no namitahan’i Satana an’i Eva, ary inona no natahoran’ny apostoly Paoly?

2 Tsy manao afa-tsy ny mamitaka i Satana. Namitaka an’i Eva tamin’ny alalan’ny bibilava izy. Nataony izay hieritreretan’i Eva fa ho sambatra kokoa izy raha tsy miankina amin’Andriamanitra. (Genesisy 3:1-6) Efatra arivo taona teo ho eo taorian’izay, dia nilaza ny apostoly Paoly hoe natahotra izy sao ho voafitaky ny hafetsen’i Satana ny Kristianina voahosotra tany Korinto. Hoy izy: “Matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny.” (2 Korintiana 11:3) Mamitaka ny olona i Satana mba tsy hahaizan’izy ireo hieritreritra tsara. Toy ny namitahany an’i Eva, dia hainy koa ny mampiditra hevi-diso ao an-tsain’ny Kristianina, ka hahatonga azy ireo hihevitra fa ho sambatra izy ireo raha manao zavatra tsy tian’i Jehovah sy ny Zanany.

3. Ahoana no iarovan’i Jehovah antsika amin’ny Devoly?

3 I Satana dia azo oharina amin’ny mpihaza mamela-pandrika hisamborana vorona tsy manampo na inona na inona. Mila “mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra” isika mba tsy ho voafandriny. Io fierena io dia manondro ny fiarovana omen’i Jehovah an’izay manaiky ny zony hitondra ny olombelona rehetra sy manaporofo izany amin’ny ataony. (Salamo 91:1-3) Mila ny fiarovana rehetra omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany isika, mba ho afaka “hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.” (Efesiana 6:11) Azo adika koa hoe “hafetsena” na “fitaka” ny teny grika nadika hoe ‘fanangolena.’ Mampiasa fitaka sy hafetsena maro tokoa i Satana hamandrihana ny mpanompon’i Jehovah.

Fandrika ho an’ny Kristianina voalohany

4. Nanao ahoana ny tontolo niainan’ny Kristianina voalohany?

4 Niaina tamin’ny fotoana nampahatanjaka indrindra ny Fanjakana Romanina ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa. Azo lazaina hoe niadana ilay fanjakana tamin’izany fotoana izany, ka nandeha be ny varotra. Nanjary be fotoana hialana voly ireo mpitondra noho izany toe-karena niroborobo izany. Nomen’izy ireo fialam-boly be dia be ny vahoaka mba tsy hikomy. Nitovy mihitsy aza ny isan’ny andro fiasana sy andro fety nandritra ny taona sasany. Nampiasa ny volam-panjakana ireo mpitondra mba hanomezana hanina sy fialam-boly ho an’ny vahoaka. Tsy ory sakafo mihitsy àry izy ireo tamin’izay sady variana ny sainy.

5, 6. a) Nahoana no tsy nety ho an’ny Kristianina ny nankany amin’ny teatra sy kianja filalaovana tany Roma? b) Inona no fitaka nampiasain’i Satana, ary ahoana no nialan’ny Kristianina an’izany?

5 Nety ho nampidi-doza ho an’ny Kristianina voalohany ve izany toe-javatra izany? Tena nampidi-doza ho an’ny finoana sy ny fitondran-tenan’izy ireo ny ankamaroan’ny fialam-boly tamin’izany andro izany. Izany no voalaza tao amin’ny fampitandremana nosoratan’ny mpanoratra toa an-dry Tertullien, izay niaina taorian’ny nahafatesan’ny apostoly. Nankalazana ny andriamanitry ny mpanompo sampy, ohatra, ny ankamaroan’ny fety sy lalao fanaom-bahoaka. (2 Korintiana 6:14-18) Na dia ny fampisehoana tantara nahazatra tany amin’ny teatra aza dia tena vetaveta na feno herisetra sy ra nandriaka. Tsy dia nahafinaritra ny mpijery intsony ireny rehefa nandeha ny fotoana, ka fampisehoana mamoafady narahina hira sy dihy indray no natao. Hoy ilay mpahay tantara antsoina hoe Jérôme Carcopino, ao amin’ilay bokiny hoe Fiainana Andavanandro Tany Roma Fahiny (anglisy): “Navela hiboridana tanteraka ireo vehivavy mpanao fampisehoana . . . Betsaka ny ra nalatsaka. . . . Ny zavatra mamoafady tian’ny mponina an-drenivohitra no vao mainka nasongadin’ireo mpanao fampisehoana. Tsy naharikoriko ny vahoaka izany, satria efa ela ny fony sy ny eritreriny no donton’ny fampisehoana feno herisetra sy ra nandriaka nampihoron-koditra hitany tany amin’ny kianja filalaovana.”—Matio 5:27, 28.

6 Nifamono ho faty ny mpiady antsoina hoe gladiatera, tany amin’ireny kianja ireny. Niady tamin’ny bibidia koa izy ireo, ka izay iray maty na izy na ilay biby. Natsipy hohanin’ny biby masiaka ireo jiolahy voaheloka ho faty. Nisy Kristianina maro natao an’izany koa tatỳ aoriana. Tamin’izany andro izany i Satana no efa nampiasa izao fitaka izao: Manadonto ny sain’ny olona izy, mba tsy haharikoriko azy ireo intsony ny fitondran-tena maloto sy ny herisetra, fa hahazatra azy ireo ary hotadiaviny mihitsy aza. Tsy nankany amin’ny teatra sy ny kianja filalaovana izay te hiala an’io fandrika io.—1 Korintiana 15:32, 33.

7, 8. a) Nahoana no tsy fahendrena ho an’ny Kristianina ny nandeha nijery hazakazaka an-kalesy? b) Hazavao fa afaka nampiasa ny toerana fandroan’ny Romanina i Satana mba hamandrihana ny Kristianina.

7 Tsy isalasalana fa tena nahafinaritra ny olona ny hazakazaka an-kalesy natao tao amin’ireo kianja romanina midadasika be. Tsy nety ho an’ny Kristianina anefa izy ireny satria matetika ny mpijery no nahery setra. Nisy mpanoratra tamin’ny taonjato fahatelo nilaza fa niady mihitsy ny sasany. I Carcopino indray nanambara fa “nisy mpanandro sy mpivaro-tena nanao ny asany” tao amin’ilay toerana nanaovana ilay fifaninanana. Mazava àry fa tsy natao ho an’ny Kristianina ireny toerana ireny.—1 Korintiana 6:9, 10.

8 Ahoana ny amin’ireo toerana malaza fandroan’ny Romanina? Tsy misy maha ratsy ny mandro mihitsy akory. Goavana anefa ny ankamaroan’ny toerana fandroan’ny Romanina ary nisy efitra ahafahana miotra, efitra fanaovana fanatanjahan-tena, filokana, ary fihinanana sy fisotroana. Samy nanana ny ora natokana ho azy avy ny lehilahy sy ny vehivavy, nefa mazàna no navela hiara-mandro izy ireo. Hoy i Clément avy any Aleksandria, mpampianatra ara-pivavahana tamin’ny taonjato faharoa: “Samy mahazo miditra ao amin’ireo toerana fandroana na ny lehilahy na ny vehivavy. Mitanjaka izy ireo ao sady manaram-po amin’ny fijangajangana.” Mora tamin’i Satana àry ny nampiasa toerana neken’ny fanjakana mba hamandrihana ny Kristianina. Izay hendry dia tsy nankany.

9. Inona avy no fandrika tsy maintsy nialan’ny Kristianina voalohany?

9 Tena tia niloka ny olona tamin’ny fotoana nampahatanjaka indrindra ny Fanjakana Romanina. Nifanamby momba ny hazakazaka an-kalesy izy ireo tany amin’ireo kianja. Tsy nankany tsotra izao ny Kristianina mba tsy hanaovana izany. Niloka koa ny olona tany amin’ny efitra mangingina tany amin’ny hotely kely na bara, na dia tsy ara-dalàna aza izany. Nifanamby ny sasany momba izay ho isan’ny vato na taolana kely tany an-tanan’ilay mpiloka iray hafa. Nampisy tsirony ny fiainan’izy ireo ny filokana, satria nahatonga azy ireo hanantena hahazo vola mora foana. (Efesiana 5:5) Fanampin’izany, dia mpivaro-tena matetika no mpandroso zava-pisotro tany amin’ireny toerana fisotroan-toaka ireny, ka vao mainka mafy ny fakam-panahy hijangajanga. Ireo no sasany tamin’ny fandrika nampiasain’i Satana hahazoana ny Kristianina tany amin’ny tanàna romanina. Samy hafa amin’izany ve ny zava-misy ankehitriny?

Ireo fandrik’i Satana ankehitriny

10. Inona no mampitovy ny toe-javatra ankehitriny sy ny tamin’ny andron’ny Fanjakana Romanina?

10 Tsy niova ny fitak’i Satana amin’ny ankapobeny. Nananatra mafy ny Kristianina tany Korinto, tanàna ratsy fitondran-tena, ny apostoly Paoly, mba “tsy ho resin’ny fitak’i Satana” izy ireo. Hoy izy: ‘Fantatsika ny hafetsen’i [Satana].’ (2 Korintiana 2:11) Ny zava-misy any amin’ny tany mandroso maro ankehitriny dia toy ny tany amin’ny Fanjakana Romanina nandritra ny fotoana nampahatanjaka azy indrindra. Maro ny olona manam-potoana malalaka. Na ny mahantra aza dia mba velom-panantenana, noho ny loteria tohanan’ny fanjakana. Be dia be ny fialam-boly tsy andaniam-bola be sy natao hahavariana ny sain’ny olona. Hipoka ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena, miloka ny olona, mahery setra ny mpijery indraindray, fa ny mpilalao no tena mahery setra matetika. Mozika tsy mendrika ny Kristianina no tena fihainon’ny olona. Fampisehoana mamoafady no mameno ny teatra sy filma ary televiziona. Any amin’ny tany sasany, dia be mpitia ny toerana hahafahan’ny lehilahy sy vehivavy hiara-mandro, toy ny any amin’ny loharano mafana. Misy koa ny mitanjaka rehefa milomano eny an-dranomasina. Toy ny tamin’ny andron’ny Kristianina voalohany, dia maka fanahy ny mpanompon’Andriamanitra i Satana amin’ny alalan’ny fialam-boly fanaon’izao tontolo izao.

11. Inona no fandrika mety hahavoa antsika, noho ny faniriana hiala sasatra sy hiala voly?

11 Mafy ny fiainana indraindray ary reraka isika, ka ara-dalàna raha te hiala sasatra sy hiala voly. Kanefa, fandrika ampiasain’i Satana ny toerana sasany fanaovana vakansy sy fialam-boly mba hitaomana ny Kristianina hijangajanga sy himamo. Izany dia tsy nisy hafa tamin’ny toerana fandroan’ny Romanina izay nety ho nampidi-doza ny Kristianina voalohany. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Korinto: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara. Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’Andriamanitra.”—1 Korintiana 15:33, 34.

12. Inona no fandrika sasany ampiasain’i Satana hahazoana ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny?

12 Hitantsika tamin’ny nanjo an’i Eva fa nampiasa hafetsena i Satana mba hampidirana hevi-diso tao an-tsainy. (2 Korintiana 11:3) Izany koa no fandrika ampiasainy ankehitriny: Ataony izay hieritreretan’ny Kristianina fa hahataona olona ho amin’ny fahamarinana izy, raha manahaka an’izao tontolo izao, mba hampisehoana fa mitovy amin’ny olon-drehetra ihany ny Vavolombelon’i Jehovah. Lasa lavitra loatra izy ireo indraindray, ka ny mifamadika amin’izany no mitranga. (Hagay 2:12-14) Mampiasa izao fitaka izao koa i Satana: Mampirisika ny Kristianina vita fanoloran-tena izy, na tanora na efa lehibe, mba hiseho ho Kristianina nefa hanafina ny ratsy ataony, ka ‘hampalahelo ny fanahy masina.’ (Efesiana 4:30) Azon’izany fandrika izany ny sasany, satria nampiasa ny Internet tamin’ny fomba ratsy.

13. Inona no fandrika an-kolaka ampiasain’ny Devoly, ary inona no torohevitry ny Ohabolana mety tsara eto?

13 Fandrika ampiasain’i Satana koa ny asan’ny maizina an-kolaka. Tsy misy tena Kristianina hanao fanahy iniana hanandranandrana hifandray amin’i Satana na amin’ny fanahy ratsy. Tsy mitandrina anefa ny sasany rehefa mijery filma amin’ny televiziona, na manao lalao vidéo, na mamaky bokin’ankizy ary boky misy tantara an-tsary manasongadina herisetra na fanao hafahafa. Tsy maintsy halavirina izay zava-drehetra misy resaka asan’ny maizina. Hoy ny ohabolana feno fahendrena: “Tsilo sy fandrika no amin’ny alehan’ny maditra; fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.” (Ohabolana 22:5) “Andriamanitr’izao tontolo izao” i Satana, ka mety hiafina ao amin’izay zava-drehetra tena be mpitia ny fandrika ampiasainy.—2 Korintiana 4:4; 1 Jaona 2:15, 16.

Nanohitra ny Devoly i Jesosy

14. Ahoana no nanoheran’i Jesosy ny fakam-panahy voalohany nataon’ny Devoly?

14 Namela ohatra tsara dia tsara i Jesosy rehefa nanohitra ny Devoly ka nampandositra azy. Naka fanahy azy i Satana, rehefa vita batisa sy nifady hanina nandritra ny 40 andro izy. (Matio 4:1-11) Ny hanoanan’i Jesosy no nohararaotin’i Satana voalohany mba hakana fanahy azy. Nasainy nanao ny fahagagany voalohany i Jesosy mba hahazoana zavatra nilain’ny vatany. Nilaza ny Deoteronomia 8:3 i Jesosy, ary tsy nety nampiasa ny heriny ho tombontsoan’ny tenany fotsiny. Ny sakafo ara-panahy kosa no nataony zava-dehibe noho ny sakafo ara-nofo.

15. a) Inona no faniriana voajanahary nampiasain’i Satana hakana fanahy an’i Jesosy? b) Inona no fandrika tena fampiasan’ny Devoly mba hamitahana ny mpanompon’Andriamanitra, nefa ahoana no hanoherantsika azy?

15 Tsara homarihina fa tsy naka fanahy an’i Jesosy mba hijangajanga ny Devoly tamin’izay. Maniry mafy hisakafo ny olona rehefa noana. Nino i Satana fa io no faniriana mafy indrindra hakana fanahy an’i Jesosy. Inona no fakam-panahy hamitahan’ny Devoly ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny? Maro sady isan-karazany izy ireo, nefa ny fakam-panahy hijangajanga no tena ampiasainy mba hahatonga ny vahoakan’i Jehovah hivadika. Afaka manohitra ny Devoly sy ny fakam-panahiny isika rehefa manahaka an’i Jesosy. Nahatohitra an’i Satana i Jesosy rehefa nitadidy andinin-teny nifandray tamin’ny fakam-panahy natrehiny. Afaka mitadidy andinin-teny toy ny Genesisy 39:9 sy 1 Korintiana 6:18 koa isika rehefa azon’ny fakam-panahy.

16. a) Ahoana no nakan’i Satana fanahy an’i Jesosy fanindroany? b) Amin’ny fomba ahoana avy no mety hitaoman’i Satana antsika haka fanahy an’i Jehovah?

16 Taorian’izay dia nasain’ny Devoly nitsambikina avy teny an-tampon’ny tempoly i Jesosy mba hahitana raha haniraka ny anjeliny Andriamanitra hiarovana azy. Nilaza ny Deoteronomia 6:16 i Jesosy, ary tsy nety naka fanahy an-drainy. Mety tsy haka fanahy antsika mba hitsambikina avy eny an-tampon’ny tempoly i Satana, fa mety hitaona antsika haka fanahy an’i Jehovah. Alaim-panahy ve isika hanaraka foana ny lamaodin’ity tontolo ity, raha mbola tsy mahazo fananarana? Sa alaim-panahy hanao fialam-boly tsy mety ho an’ny Kristianina isika? Mety haka fanahy an’i Jehovah isika raha izany no izy. Tsy handositra antsika i Satana raha izany no ataontsika. Hijanona eo amintsika kosa izy sady hisarika antsika foana mba hiandany aminy.

17. a) Ahoana no nakan’ny Devoly fanahy an’i Jesosy fanintelony? b) Inona no tokony hataontsika mba ho tanteraka ny Jakoba 4:7?

17 Natolotr’i Satana an’i Jesosy ny fanjakana rehetra eran’izao tontolo izao, ary nilaza izy fa homeny azy izany raha niankohoka teo anatrehany indray mandeha i Jesosy. Nanohitra azy indray anefa i Jesosy ary nilaza andinin-teny tao amin’ny Soratra Masina, sady nanantitrantitra fa ny Rainy irery ihany no tokony hotompoina. (Deoteronomia 5:9; 6:13; 10:20) Mety tsy hotoloran’i Satana ny fanjakana eran’izao tontolo izao isika, nefa mety haka fanahy antsika amin’ny harena manintona izy, na mety hataony manonofy fiainana mpanefohefo isika. Manao toa an’i Jesosy ve isika ka i Jehovah irery ihany no tiantsika amin’ny fontsika manontolo? Hitranga amintsika izay nitranga tamin’i Jesosy, raha manao izany isika. Hoy i Matio: “Dia nandao Azy ny devoly.” (Matio 4:11) Handao antsika i Satana raha manohitra azy mafy isika, ary mitadidy sy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly mifanentana amin’izay manjo antsika. Hoy i Jakoba mpianatra: “Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7) Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa ny Kristianina iray. Hoy izy: “Tena fetsy i Satana. Miezaka mafy aho mifehy ny faniriako sy ny fihetseham-poko, nefa tena sarotra izany. Tsy nivadika anefa aho ary mitana mafy ny fahamarinana, noho ny herim-po sy ny faharetana ary indrindra ny fanampian’i Jehovah.”

Ampy fitaovana mba hanoherana ny Devoly

18. Inona no fiadiana ara-panahy hanampy antsika hanohitra ny Devoly?

18 Nomen’i Jehovah fiadiana ara-panahy ampy tsara isika, mba ho afaka “hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.” (Efesiana 6:11-18) Ho toy ny sikina eo am-balahantsika ny fitiavantsika ny fahamarinana, ka hanomana antsika hanao asa kristianina. Ho toy ny fiarovan-tratra hiaro ny fontsika ny fahatapahan-kevitsika hanaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny rariny. Raha mikiraro ny vaovao tsara isika dia hitondra antsika hitory tsy tapaka ny tongotsika, ka hihamatanjaka ny finoantsika ary ho voaro ny ara-panahintsika. Ho toy ny ampinga lehibe ny finoantsika matanjaka ary hiaro antsika amin’ny “zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy”, dia ny hafetseny sy ny fakam-panahiny. Ho toy ny fiarovan-doha ny toky ananantsika fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah. Hiaro ny fahaizantsika misaina izany ary hitondra fiadanan-tsaina ho antsika. (Filipiana 4:7) Raha mahay mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra isika, dia ho toy ny sabatra izy io, ary ho azontsika ampiasaina hanafahana ny olona amin’ny fangejan’i Satana. Afaka mampiasa azy io koa isika mba hiarovana ny tenantsika, toa an’i Jesosy rehefa nalaim-panahy izy.

19. Inona no tena ilaintsika, ankoatra ny ‘fanoherana ny Devoly’?

19 Afaka matoky isika fa hiaro antsika amin’ny famelezan’i Satana i Jehovah, raha mitondra ireo fiadiana rehetra omeny ireo isika sady mivavaka hatrany. (Jaona 17:15; 1 Korintiana 10:13) Nilaza anefa i Jakoba fa tsy ampy ny ‘manohitra ny Devoly.’ Tsy maintsy ‘manaiky an’Andriamanitra’, izay miahy antsika, koa isika. (Jakoba 4:7, 8) Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba hanaovana izany.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no fandrik’i Satana tsy maintsy nialan’ny Kristianina voalohany?

• Inona no hafetsena ampiasain’i Satana ankehitriny mba hamandrihana ny mpanompon’i Jehovah?

• Ahoana no nanoheran’i Jesosy ny fakam-panahin’ny Devoly?

• Inona no fiadiana ara-panahy hanampy antsika hanohitra ny Devoly?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8, 9]

Nanohitra mafy ny Devoly i Jesosy

[Sary, pejy 10]

Nanalavitra ny fialam-boly feno herisetra sy maloto ny Kristianina voalohany

[Sary nahazoan-dalana]

The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck