Miahy Anao i Jehovah
Miahy Anao i Jehovah
‘Apetraho amin’[Andriamanitra] ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.’—1 PETERA 5:7.
1. Inona no tena maha samy hafa an’i Jehovah sy Satana?
SAMY hafa tanteraka i Jehovah sy Satana. Maharikoriko an’izay voasarika hanatona an’i Jehovah ny Devoly. Manasongadina izany fahasamihafana izany ny Rakipahalalana Britannica (anglisy, 1970). Izao no voalaza ao momba ny asan’i Satana resahin’ny bokin’i Joba: ‘Ny asan’i Satana dia ny mandehandeha eran’ny tany mitady zavatra na olona hokianina; ny ataony dia mifanohitra amin’ny ataon’ny “mason’ny Tompo” izay mandehandeha eran’ny tany mba hampahery ny mpanao ny tsara (II Tant. xvi, 9). Mino i Satana fa mitady tombontsoa ho an’ny tenany fotsiny ny olona matoa manao ny tsara. Mamela azy hanaporofo izany Andriamanitra sady mamaritra izay azony atao.’ Samy hafa tokoa izy ireo!—Joba 1:6-12; 2:1-7.
2, 3. a) Nahoana no mampiseho tsara ny dikan’ilay teny hoe “Devoly”, ny zava-nitranga tamin’i Joba? b) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa mbola miampanga ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany ihany i Satana?
2 Midika hoe “mpiampanga lainga” na “mpanendrikendrika” ny teny grika nadika hoe “Devoly.” Asehon’ny bokin’i Joba fa niampanga an’i Joba, olona nahatoky, i Satana. Nilaza izy fa nitady tombontsoa ho an’ny tenany fotsiny i Joba matoa nanompo an’i Jehovah. Hoy i Satana: “Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra?” (Joba 1:9) Asehon’ilay tantara ao amin’ny bokin’i Joba fa nanatona akaiky kokoa an’i Jehovah i Joba, na dia niaritra fitsapana sy fisedrana aza. (Joba 10:9, 12; 12:9, 10; 19:25; 27:5; 28:28) Rehefa nifarana ny fahoriany, dia hoy izy tamin’Andriamanitra: “Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao.”—Joba 42:5.
3 Tsy miampanga ny mpanompo mahatokin’Andriamanitra intsony ve i Satana hatramin’ny andron’i Joba? Mbola manohy izany ihany izy. Voalaza ao amin’ny Apokalypsy fa mbola miampanga an’ireo voahosotra rahalahin’i Kristy sy ireo namany mahatoky i Satana, amin’izao andro farany izao. (2 Timoty 3:12; Apokalypsy 12:10, 17) Tena mila manaiky an’i Jehovah Andriamanitra mpiahy antsika àry isika Kristianina marina rehetra. Mila manompo azy noho ny fitiavana lalina isika, ka hanaporofo fa diso ny fiampangan’i Satana. Hampifaly ny fon’i Jehovah isika rehefa manao izany.—Ohabolana 27:11.
Mitady fomba hanampiana antsika i Jehovah
4, 5. a) Mifanohitra amin’i Satana, inona no tadiavin’i Jehovah rehefa mandinika ny tany izy? b) Mila manao inona isika raha te hahazo sitraka amin’i Jehovah?
4 Mirenireny eran’ny tany ny Devoly, mitady olona hoendrikendrehina sy harapaka. (Joba 1:7, 9; 1 Petera 5:8) I Jehovah kosa mitady fomba hanampiana ny olona mila ny heriny. Hoy i Hanany mpaminany tamin’i Asa Mpanjaka: “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” (2 Tantara 16:9) Mifanohitra tokoa i Jehovah sy Satana: I Satana feno fankahalana rehefa mandinika antsika, fa i Jehovah kosa be fitiavana sady miahy antsika!
5 Tsy mitsikilo antsika mba hijerena izay fahadisoantsika sy fahalementsika i Jehovah. Hoy ny mpanao salamo: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3) Tsy misy hahajanona tokoa. (Mpitoriteny 7:20) Hijery antsika ny mason’i Jehovah raha manatona azy amin’ny fo manontolo isika. Tsy hanameloka antsika anefa izy amin’izay, fa handinika ny ezaka ataontsika kosa ary hamaly ny vavaka ataontsika mba hahazoana fanampiana sy famelan-keloka. Hoy ny apostoly Petera: “Ny mason’ny tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany; fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy.”—1 Petera 3:12.
6. Nahoana ny zava-nitranga tamin’i Davida no fampiononana sady fampitandremana ho antsika?
6 Tsy lavorary i Davida ary nanao fahotana lehibe. (2 Samoela 12:7-9) Namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah anefa izy ary nanatona azy tamin’ny vavaka mafy. (Teny mampiditra ny Salamo 51:1-12) Nihaino an’i Davida i Jehovah ary namela ny helony, na dia tsy maintsy nizaka ny voka-dratsin’ny fahotany aza izy. (2 Samoela 12:10-14) Tokony horaisintsika ho fampiononana sy fampitandremana izany. Mampionona antsika ny mahafantatra fa vonona hamela ny helotsika i Jehovah raha tena mibebaka isika. Mampieritreritra kosa ny mahatakatra fa mazàna miteraka voka-dratsy ny fahotana. (Galatiana 6:7-9) Tena tokony hanalavitra ny zava-drehetra mampahatezitra an’i Jehovah àry isika, raha te hanatona azy.—Salamo 97:10.
Mitaona ny olony ho aminy i Jehovah
7. Karazan’olona manao ahoana no dinihin’i Jehovah, ary ahoana no hitaomany azy ireny ho aminy?
7 Hoy i Davida tao amin’ny salamo nosoratany: “Na dia avo aza Jehovah, dia mijery ny ambany toetra [na ny manetry tena], ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.” (Salamo 138:6) Mitovy amin’izany koa ity salamo ity, manao hoe: “Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ny avo, nefa miondrika mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany? Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy.” (Salamo 113:5-7) Miondrika mijery ny etỳ an-tany tokoa ny Tsitoha, Mpamorona an’izao rehetra izao. Hitan’ny masony ny “manetry tena” sy ny “malahelo”, dia ireo olona “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.” (Ezekiela 9:4) Mitaona ireny olona ireny ho aminy izy amin’ny alalan’ny Zanany. Hoy i Jesosy fony izy tetỳ an-tany: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy . . . Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany.”—Jaona 6:44, 65.
8, 9. a) Nahoana isika rehetra no mila manatona an’i Jesosy? b) Nahoana ny sorom-panavotana no tena mahatalanjona?
8 Tokony hanatona an’i Jesosy sy hino ny sorom-panavotana ny olombelona rehetra, satria teraka mpanota sady tafasaraka amin’Andriamanitra. (Jaona 3:36) Mila hampihavanina amin’Andriamanitra izy ireo. (2 Korintiana 5:20) Tsy nandrasan’Andriamanitra hiangavy azy ny mpanota vao nanao fandaharana hihavanan’izy ireo aminy izy. Hoy ny apostoly Paoly: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.”—Romana 5:8, 10.
9 Mampihavana ny olona aminy tokoa Andriamanitra, ary nohamafisin’ny apostoly Jaona izany fahamarinana lalina izany. Hoy izy: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.” (1 Jaona 4:9, 10) Andriamanitra no nanao ny dingana voalohany fa tsy ny olombelona. Tsy mahasarika anao ve ny Andriamanitra nampiseho fitiavana lehibe toy izany amin’ny “mpanota” sady “fahavalo”?—Jaona 3:16.
Ilaina ny mitady an’i Jehovah
10, 11. a) Inona no tsy maintsy ataontsika mba hitadiavana an’i Jehovah? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny tontolon’i Satana?
10 Mazava ho azy fa tsy manery antsika hanatona azy i Jehovah. Tsy maintsy miezaka isika mba ‘hitady azy, ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.’ (Asan’ny Apostoly 17:27) Tsy maintsy ekentsika fa zon’i Jehovah ny mandidy antsika hanaiky azy. Hoy i Jakoba mpianatra: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.” (Jakoba 4:7, 8) Tsy tokony hisalasala isika hanohitra mafy ny Devoly sy hiandany amin’i Jehovah.
11 Midika izany fa mila manalavitra ny tontolo ratsin’i Satana isika. Hoy koa i Jakoba: “Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4) Tsy maintsy ho halan’ny tontolon’i Satana anefa isika, raha te ho sakaiza na naman’i Jehovah.—Jaona 15:19; 1 Jaona 3:13.
12. a) Inona no teny mampahery nosoratan’i Davida? b) Inona no fampitandremana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Azaria mpaminany?
12 Tena mila manatona an’i Jehovah amin’ny vavaka isika sady mangataka ny fanampiany, rehefa misy zavatra manokana ataon’i Satana mba hanoherana antsika. Efa imbetsaka i Davida no novonjen’i Jehovah, ary nanoratra toy izao izy hampahery antsika: “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. Hanefa ny Salamo 145:18-20) Asehon’io salamo io fa afaka mamonjy antsika i Jehovah rehefa miatrika zava-tsarotra isika tsirairay. Asehon’izy io koa fa hamonjy ny vahoakany amin’ny fitambarany izy mandritra ny “fahoriana lehibe.” (Apokalypsy 7:14) Ho akaiky antsika foana i Jehovah raha miezaka ny ho akaiky azy foana isika. Azontsika heverina ho marina foana ny tenin’i Azaria mpaminany, izay notarihin’ny “Fanahin’Andriamanitra.” Hoy izy: “Jehovah momba anareo, raha hianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa hianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy hianareo, dia hahafoy anareo Izy.”—2 Tantara 15:1, 2.
irin’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.” (Tsy maintsy tena misy amintsika i Jehovah
13. Ahoana no hampisehoantsika fa tena misy amintsika i Jehovah?
13 Nilaza ny apostoly Paoly fa “naharitra toy ny mahita Izay tsy hita” i Mosesy. (Hebreo 11:27) Mazava ho azy fa tsy nahita mivantana an’i Jehovah mihitsy i Mosesy. (Eksodosy 33:20) Tena nisy anefa i Jehovah taminy, ka toy ny hoe nahita azy izy. Nahita tsara kokoa an’i Jehovah tamin’ny mason’ny finoana koa i Joba taorian’ny fisedrana nahazo azy. Hitany fa mamela ny mpanompony mahatoky hiaritra zava-tsarotra Andriamanitra, nefa tsy mahafoy azy ireo mihitsy. (Joba 42:5) Voalaza fa “niara-nandeha tamin’Andriamanitra” i Enoka sy Noa. Nanao izany izy ireo rehefa nitady izay hampifaliana an’Andriamanitra sady nankatò azy. (Genesisy 5:22-24; 6:9, 22; Hebreo 11:5, 7) Raha tena misy amintsika i Jehovah, toy ny tamin’i Enoka, Noa, Joba ary Mosesy, dia ‘hanaiky azy’ amin’izay alehantsika rehetra isika, ary izy ‘handamina ny lalantsika.’—Ohabolana 3:5, 6.
14. Inona no dikan’ny hoe ‘mifikitra’ amin’i Jehovah?
14 Talohan’ny nidiran’ny Isiraelita tao amin’Deoteronomia 13:5) Tokony hanaraka, hatahotra, hankatò ary hifikitra amin’i Jehovah izy ireo. Nisy manam-pahaizana momba ny Baiboly nanambara fa ilay teny hebreo nadika hoe ‘mifikitra’ dia mampiseho “fifandraisana tena akaiky sy lalina.” Hoy ny mpanao salamo: “Ny fisainan’i Jehovah [na fisakaizany] asehony amin’izay matahotra Azy.” (Salamo 25:14) Hanana io fifandraisana akaiky sy sarobidy amin’i Jehovah io isika, raha tena misy amintsika izy ary raha tena tia azy isika ka matahotra ny hampahatezitra azy.—Salamo 19:9-14.
ny Tany Nampanantenaina, dia hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Manaraha an’i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.” (Tsapanao ve fa miahy anao i Jehovah?
15, 16. a) Ahoana no ampisehoan’ny Salamo faha-34 fa miahy antsika i Jehovah? b) Inona no tokony hataontsika raha sarotra amintsika ny mitadidy ny zava-tsoa nataon’i Jehovah ho antsika?
15 Anisan’ny hafetsen’i Satana ny manao izay hanadinoantsika fa miahy ny mpanompony mahatoky foana i Jehovah Andriamanitsika. Tsapan’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, tsara fa niaro azy i Jehovah, na dia tao anatin’ny toe-javatra tena nampidi-doza aza. Tsy maintsy nody adala nanoloana an’i Akisy, mpanjakan’i Gata, izy indray mandeha. Namorona salamo na hira tena kanto izy tamin’izay, ary naneho ny finoany tamin’ireto teny ireto: “Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra. Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy. Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.”—Salamo 34:3, 4, 7, 8, 18, 19; 1 Samoela 21:11-16.
16 Miaiky ve ianao fa manan-kery hamonjy i Jehovah? Tsapanao ve fa miaro anao ny anjeliny? Efa nandramanao ve ka nozahanao fa tsara 2 Korintiana 4:7) Mety ho sarotra aminao koa anefa ny mitadidy ny zava-tsoa manokana nataon’i Jehovah taminao. Mety hila hieritreritra ny zava-nitranga tamin’ny herinandro ianao, na tamin’ny volana lasa, na tamin’ny herintaona, na mbola talohan’izany aza. Raha izany no izy, nahoana raha miezaka hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah ary miezaka mijery ny fomba itarihany anao? Hoy ny apostoly Petera amin’ny Kristianina: “Manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra . . . ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” (1 Petera 5:6, 7) Ho gaga mihitsy ianao hahatsikaritra fa tena miahy anao izy!—Salamo 73:28.
i Jehovah? Oviana no nahatsapanao farany fa tsara taminao i Jehovah? Tadidio kely ange e! Teny am-pitoriana ve no nahatsapanao izany, rehefa reraka iny ianao ka te hody, nefa mbola nitory tao amin’ny trano iray farany? Tena nahafinaritra angamba ilay resaka tamin’izay. Tsy nanadino ny nisaotra an’i Jehovah ve ianao noho izy nanome anao ny hery nilainao sy nitahy anao? (Mitadiava hatrany an’i Jehovah
17. Mila manao inona isika raha te hitady hatrany an’i Jehovah?
17 Tsy maintsy manolokolo hatrany ny fihavanantsika amin’i Jehovah isika. Nivavaka tamin-drainy i Jesosy hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3) Mila miezaka hatrany isika mba hahazo fahalalana an’i Jehovah sy ny Zanany. Mila mivavaka isika ary mila ny fanahy masina mba hahatakarana ny “saina lalina izay an’Andriamanitra.” (1 Korintiana 2:10; Lioka 11:13) Mila ny tari-dalan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ koa isika mba hanome antsika sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana.” (Matio 24:45) Amin’ny alalan’io mpanompo io i Jehovah dia mampirisika antsika hamaky ny Teniny isan’andro, hanatrika tsy tapaka ny fivoriana, ary hazoto hitory ny “filazantsaran’ny fanjakana.” (Matio 24:14) Mitady hatrany an’i Jehovah Andriamanitra mpiahy antsika isika, rehefa manao izany.
18, 19. a) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika? b) Inona no soa ho azontsika raha manohitra mafy ny Devoly isika sady mitady hatrany an’i Jehovah?
18 Manao araka izay fara heriny i Satana, mba hahatonga fanenjehana sy fanoherana ary fanerena amin’ny fomba rehetra amin’ny vahoakan’i Jehovah. Mitady hanakorontana ny fiadanantsika sy hanimba ny laza tsarantsika eo anatrehan’Andriamanitra izy. Tsy tiany isika hanohy hitady ny olona tso-po sy hanampy azy ireny hiandany amin’i Jehovah, ka hanaiky ny zony hitondra ny olombelona rehetra. Tsy maintsy tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah anefa isika, sady matoky fa hanafaka antsika amin’ilay ratsy izy. Afaka matoky isika fa hanampy antsika foana izy, raha manaraka ny tari-dalan’ny Teniny isika sady mazoto miara-miasa amin’ny fandaminany hita maso.—Isaia 41:8-13.
19 Enga àry anie isika rehetra ka hanohitra mafy ny Devoly sy ny hafetseny, sady hitady hatrany an’i Jehovah Ray malalantsika. Azo antoka fa “hampiorina ary hampitoetra” antsika izy. (1 Petera 5:8-11) Izany dia hahatonga antsika ‘hitahiry ny tenantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, sady hiandry ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.’—Joda 21.
Ahoana no Havalinao?
• Inona no dikan’ny hoe “Devoly” ary inona no ataony ka mampiseho fa mety tsara aminy ny anarany?
• Inona no maha samy hafa an’i Jehovah sy ny Devoly, rehefa mandinika ny olombelona etỳ an-tany izy?
• Nahoana no tsy maintsy manaiky ny avotra ny olona te hanatona an’i Jehovah?
• Inona no dikan’ny hoe ‘mifikitra’ amin’i Jehovah, ary ahoana no hitadiavantsika azy hatrany?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 15]
Takatr’i Joba fa niahy azy i Jehovah, na dia niaritra fisedrana aza izy
[Sary, pejy 16, 17]
Hotsaroantsika fa miahy antsika i Jehovah, raha mamaky ny Baiboly isan’andro isika, manatrika fivoriana tsy tapaka ary mazoto mitory