Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miasa ve ny Herin’ny Maizina?

Miasa ve ny Herin’ny Maizina?

Miasa ve ny Herin’ny Maizina?

“Fanina izao tontolo izao, satria toy ny misy herin’ny maizina miezaka mafy hisakana ny lalana ivoahana rehetra.”—Jean-Claude Souléry, mpanao gazety.

‘Mahatsiaro ho tsy afa-manoatra ny olona, ka mieritreritra fa misy herin’ny maizina mifehy an’izao tontolo izao.’—Josef Barton, mpahay tantara.

NAMPIERITRERITRA olona maro ny fanafihana nahatsiravina nataon’ny mpampihorohoro tamin’ny 11 Septambra 2001. Hoy i Michael Prowse tao amin’ny gazety anglisy iray: “Na ny biby aza tsy hahavanon-doza toy izany.” Nilaza ny lahatsoratra tao amin’ny Gazetin’i New York fa tsy maintsy nila planina maty paika ilay fanafihana. Hoy koa anefa izy: “Zava-dehibe koa ny handinihana ny halalin’ny fankahalana nahatonga ny olona hahavita azy iny. Mihoatra noho ny fahita amin’ny ady izany fankahalana izany, ary tsy manam-petra sady tsy nisy fifanarahana nifehy azy velively.”

Olona maro isan-karazany no mieritreritra fa mety hisy herin’ny maizina eo am-perinasa. Nisy mpandraharaha avy any Sarajevo nanatri-maso ny adim-poko nahatsiravina tany Bosnia. Hoy izy: “Herintaona taorian’ilay ady tany Bosnia, dia mino aho fa i Satana no tena tao ambadik’izy iny. Hadalana tsotra izao ilay izy.”

Rehefa nanontaniana i Jean Delumeau, mpahay tantara, raha nino ny Devoly izy, dia izao no navaliny: “Ahoana moa no tsy inoako hoe misy ny herin’ny maizina, rehefa mahita izay nitranga hatramin’ny nahaterahako aho? Teo ny Ady Lehibe II izay namono olona maherin’ny 40 tapitrisa; Auschwitz sy ireo toby famonoana; ny fandripahana foko tany Kambodja; ny ra latsaka tamin’ny fitondrana jadon’i Ceauşescu; ny fampijalijaliana ataon’ny fitondram-panjakana maro eran-tany. Be dia be ny zava-mitranga mahatsiravina . . . Ara-dalàna ny ilazantsika hoe ‘asan’ny Devoly’ izy ireny. Tsy Devoly manan-tandroka sy kitro mivaky roa akory, fa ilay fitaomana sy hery ratsy mifehy an’izao tontolo izao kosa.”

Maro koa no milaza toa an’i Jean Delumeau fa “asan’ny Devoly” ny zava-mitranga mahatsiravina ankehitriny, manomboka eo anivon’ny fianakaviana ka hatramin’ny raharaha iraisam-pirenena. Inona anefa no hevitr’izany? Herin’ny maizina fotsiny ve no mahatonga ireny zavatra mahatsiravina ireny? Sa zavaboary ratsy fanahy mampirisika ny olombelona hahavita habibiana maharikoriko, izay mihoatra noho ny faharatsian’ny olombelona fotsiny? I Satana Devoly, ilay andrianan’ny faharatsiana ve no mifehy azy ireo?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Ankizy: U.S. Coast Guard photo